Vavaka nampianarin'ny Tompo: fizarana 1
61. prime
(
05/01/2007 08:11)
ikaretsaka:... marina tanteraka fa tsy mila valivaliana fahatany na tonontononina ohatry ny mahazatra...:)
mila manao examen de conscience be mihitsy vao mahazo an'ireo fa tsy vitan'ny teoria be fotsiny sy valivaliana fahatany
62. mimich
(
05/01/2007 14:50)
LazaDaddy:bdb ny lesona azo tsoahina amin'io.
"Ry Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao."
Inona no sakafom-panahy azo tsoahina avy amin'io fehezan-teny io?
ankoatra ireo voalaza eo ambony dia ity misy hafa
Rainayfa tsy Raiko misy dikany io milaza fiombonana milaza fahatsiarovana ny hafa, noho izany raha vao mitonona io Rainay io fotsiny izany rehefa mivavaka , dia tsy tokony ho an'ny tena irery fa hahatsiaro sy hijery ny hafa satria Ray iombonana ilay tononiko eto. Ary hatrany amin'ny faran'ny vavaka mihitsy ny fampiasana io nay io(eto aho dia mitsambikina kely fa miala tsiny am ikaretsaka )
koa tsarovy fa isaky ny mivavaka izany ianao dia tokony hahatsiaro sy tsy hanadino mivavaka ho an'ny hafa
63. Samoana
(
05/01/2007 15:31)
mich/ teo am-pisakafoanana maraina za androany de ireo lazainao fiombonana sy fahatsiarovana ny hafa ireo koa ny nifantoka tato an-dohako raha nieritreritra ity lohahevitr'i LD ity aho. hihi
64. isaka
(
09/01/2007 10:20)
mila manamasina ny anaran'Andriamanitra aloha 1 indrindra,izany hoe mila fantarina aloha ilay anarana, matetika manko no misy tsy mahazo izy io;
65. prime
(
12/01/2007 13:21)
Dia afaka manomboka manonona ny an-dalana voalohany amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo amin'izay ary ve isika?:lol:
66. naritsimba
(
19/01/2007 16:08)
http://www.zoara-fanantenana.org/rubrique.php3?id_rubrique=16
io azo jerena sy vakiana fa manazava ny didy 10
io azo jerena sy vakiana fa manazava ny didy 10
