fanahin'olona firy?

41. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:15)
Soanja> samy manao an'io aaby anie..
fa ilay manao "butterfly" no itako hoe tsy mety. It's about god, not about you manko

tsy hoe ary lo zao fa ary no metimety amiko de ary ndray lo zao fa any no metimety amiko de ary de miverina ary @ zay avy eo
42. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:22)
soanja> manohina tanteraka ny voalazanao. Ary ny andehanantsika any am-piangonana tsy hitady izay "metimety amintsika" araka ny hevitr'olona fa hizara sy hifampizara ny fahasoavan'i Kristy sy ny Teniny. Tsy hitoetra ao @ izay "metimety" (comfort zone) fa na i Kristy aza dia tonga nitady sy namonjy ny "very" araka ny Teniny :)
43. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:34)
fa io tokoa moa "izay maha comfortable anao" no ilaina sa "izay hahafahanao mananteraka ny sitrapon'ny tompo @ fanahinao"?:roll:

marina ny an'i laza sy i Soanja , fa hita koa anefa fa ny ankamaroany manko dia hoe izay maha confortable azy no tena alehany.. mandehandeha ary izy de leoleo any de mankary indray (io ilay hoe tsisy fanaperana manko ary misy limmite ilay confort) .. dia rehefa tena dinihina dia matetika ilay ahitany karazana support plutot psychologique que sprirituel no tena halel\hany (ny ankamaroan'ny gasy sy ny mpandeha mpiovaova fiangonana io an) , ilay mampi-feel good azy fotsiny!

dia io ilay tiako anontaniana hoe izay maha "pleased" anao ve ilay important sa ilay maha "pleased" an'andriamanitra @ fanahinao?

tadidio fa Business nao aloha voalohany indrindra no mampiakatra ny fanahinao sy ny fidiran'andriamanitra ao aminao fa tsy business-mpiangonana.. arofanina fotsiny manko ireny...
raha nahatsapa tsy nahita fiadanam-po ianao tao @ fiangonana anona dia avy aminao no tsy nahitanao fiadanam-po tao fa tsy ny fandehananao mankatsy akory...

meditate on this
44. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:39)
ikaretsaka> dia ambarako na saika tsy noteneniko aza mba tsy hamosavianao ny eritreritrao fa:
1) izaho dia manana fiangonana iray ary tompon'andraikitra ao. :)
2) Ny andehanako any amin'ny fiangonana sy fikambanana maro hafa ankoatran'io dia asain'olona hizara ny hafatr'Andriamanitra sy mifanakalo hevitra :)
45. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:49)
dia mety ny anao izany...
io ilay lazaiko hoe marina ny anareo

fa ny tiako mena warning amin'io dia ilay mandeha amin'ilay fiangonana juste hoe "maha comfortable azy" temporary fotsiny

dia avy eo deceived de miova .. de a force ny miovaova eo dia ilay tena finoana matetika no maty
46. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:55)
misy karazany roa ny Kristianina mankany am-piangonana:
1) ireo te handray satria mbola tsy afaka mizara
2) ireo te hizara satria efa nandray

raha te handray no ahatongavany ao @ fiangonana iray kanefa kosa raha hita soritra fa diso ny fampianarana raisiny any dia tsy mahasoa azy ao.

mifanohitra @ izay ny an'ireo te hizara: manitsy am-pitiavana ilay fampianaran-diso.

Hiverina @ lohahevitra @ izay aho:

piso> misaotra @ fankaherezana :-*
47. soanja ( 04/01/2007 01:19)
ikaretsaka:

fa io tokoa moa "izay maha comfortable anao" no ilaina sa "izay hahafahanao mananteraka ny sitrapon'ny tompo @ fanahinao"?:roll:

marina ny an'i laza sy i Soanja , fa hita koa anefa fa ny ankamaroany manko dia hoe izay maha confortable azy no tena alehany.. mandehandeha ary izy de leoleo any de mankary indray (io ilay hoe tsisy fanaperana manko ary misy limmite ilay confort) .. dia rehefa tena dinihina dia matetika ilay ahitany karazana support plutot psychologique que sprirituel no tena halel\hany (ny ankamaroan'ny gasy sy ny mpandeha mpiovaova fiangonana io an) , ilay mampi-feel good azy fotsiny!

dia io ilay tiako anontaniana hoe izay maha "pleased" anao ve ilay important sa ilay maha "pleased" an'andriamanitra @ fanahinao?

tadidio fa Business nao aloha voalohany indrindra no mampiakatra ny fanahinao sy ny fidiran'andriamanitra ao aminao fa tsy business-mpiangonana.. arofanina fotsiny manko ireny...
raha nahatsapa tsy nahita fiadanam-po ianao tao @ fiangonana anona dia avy aminao no tsy nahitanao fiadanam-po tao fa tsy ny fandehananao mankatsy akory...

meditate on this


Betsaka tokoa ny manao an'io miovaova io ry Ikaretsaka fa izay le hoe mbola eo ampikatsahana izy ary mbola tsy tena nahatsapa hoe aiza no ahiratan'ny masony. Tsy manome tsiny ireny olona ireny aho satria betsaka loatra ny zavatra mety mifandimpadibatra amin'ny fampianarana ao ampiangonana ka mahatonga ny olona hisavoritaka ao antsainy ao sady tsy hitombina. Izay no ilana hoe ny mpitory ny tenin'Andriamanitra dia mila good base ary mahay maka ny fon'ny olona ary mahay mampiseho azy aramodely tsara amin'izy hampianariny.

Ny momba ahy indray ry Ikaretsaka dia hoe rehefa mankany antendrombphtra lavitra be aho ohatraka tsy misy afa tsy Shrines no ao, zany hoe ireny fiangonana japs ireny ohatra dia miditra aho manaja ny ao fa ny ahy kosa any anatiko hafa mihitsy no Tompoiko. Raha any amin'ny fiangonana Kristianina tsy mahazatra ahy ohatra dia miditra aho ary vonona hihaino sy handinika izay voalaza ao. Satria amiko miresaka Andriamanitra ary tsy voatery any amin'ny mahazatra ahy no hiresahany amiko.
Ny fanompoana hafa moa izany dia miankina amin'ny zavamisy ao no hanaovako azy na tsia. Ilay Fanahy ao amiko no hanentana ahy raha misy izany ka mifanaraka Aminy ny ety ivalany.

Lava be azafady.


48. rrgmt ( 04/01/2007 03:35)
Araka ny hevitro dia tokony izao no toe-tsaina entina anyam-piangonana. Tonga ato aho mba haka fampianarana, kanefa koa mila ahy ity fiangonana ity ka mila mandray andraikitra koa izany aho fa tsy specta fotsiny dia mitsikera ny tsy mety rehetra dia avy eo mifindra dia toy izay foana fa raha manana Ilay Fahazavana aho dia afaka mizara ny hazavana @ hafa ary mandray andraikitra sy mijoro ho fahazavana foana eo @ manodidina na any am-piangonana aza:lol:
49. cutie ( 04/01/2007 03:39)
ka raha efa manana an'le fahazavana nge de efa tsy mila mankany am-pengonana tsony e ?
:lol:
50. LazaDaddy ( 04/01/2007 04:10)
cutie:
ka raha efa manana an'le fahazavana nge de efa tsy mila mankany am-pengonana tsony e ?
8O8O8O8O dia naninona i Jesoa no nankety an-tany kanefa Izy efa fahazavana?8O8O8O8O


51. xxx ( 04/01/2007 04:26)
cutie:

ka raha efa manana an'le fahazavana nge de efa tsy mila mankany am-pengonana tsony e ?
:lol:
Mila foana ka ! Sao d maty le fahazavana raha tsy tandremana. Dia sehatra iray lehibe hitandremantsika azy ny fiangonana.
52. soanja ( 04/01/2007 05:04)
Manamafy ny fiekem-pinoana sy mampatsiahy lalandava ny maha Iray ao amin'I Kristy antsika ny fandehanana mivavaka any ampiangonana ka. Takian'Andriamanitra izany ho fanamafisam-pihavanana aminy ary fanompoana miaraka aminy. Mitondra hery ny fiarahana any ampiangonana. Ny fahenoana ny tenin'Andriamanitra ,ireo sakafo mahasoa ny fanahy.
Izany kosa anefa tsy midika hoe ho tsinotsinoavina ny fotoana mangina miaraka aminy. Ilay ianao irery, ilay meditation isa maraina na alohan'ny hatory. Ny famakiana boky momba Azy rehefa eo ampandriana ary ny alohan'ny hikipian'ny maso dia mametraka ny alinao eo ampelatanany.
Nefa raha impossible ireo, Cutie, de aza manahy fa raha mbola mino azy/tia ianao dia matokia fa hitany ny tsy fahafahanao. Ezaka fihoarana hamonjy azy no takiany satria tiany isika hiaradalana aminy. :-*:-*
53. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:07)
soanja> inona moa no mety ho antony tsy maha-possible an'ireo? Fotoana sa fahakamoana sa fandavan-tena?
54. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:18)
rehefa mankany antendrombphtra lavitra be aho ohatraka tsy misy afa tsy Shrines no ao, zany hoe ireny fiangonana japs ireny ohatra dia miditra aho manaja ny ao fa ny ahy kosa any anatiko hafa mihitsy no Tompoiko

=Dnamaste soanja...
mankasitraka tanteraka e

Satria amiko miresaka Andriamanitra ary tsy voatery any amin\'ny mahazatra ahy no hiresahany amiko.
55. soanja ( 04/01/2007 05:24)
LD> Possible io situation io ohatra rahatoa ka manambady Silamo ohatra ianao, izy tsy hanaiky ny handehananao any ampiangonana, na alohan'ny hatory ohatra dia azy ny alinao iray manontolo, na hoe ny maraina vao mifoha dia efa any an-tanimbary sns.. tena misy io situation io ary betsaka tamin'ny andron'i communisme no niaina an'io fiainana io ny Kristianina. Ny any ampo kosa dia Izy ihany mahalala ny zanany. Io indray tsy misy azo iodivirana.

Ikaretsaka> Namaste hatrany an.
56. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:38)
soanja> raha Kristianina dia tsy manambady silamo fa tsy Kristianina izany amiko: "unequally yoked":)

raha resaka fotoana dia fahakamoana sy tsy fananana fandavan-tena. Angaha tsy ampy ny 24h nomen'Andriamanitra?:)

57. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:49)
LD> ny kristianisma amiko dia religion inclusive fa tsy exclusive...

i JK aza dia eo anivon''izao tontolo izao fa tsy hoe eo anivon' ny kristianina irery

izy niaraka t@ romanina, samaritanina, sns.... izy ary t@ ireo aza izy no nivelatra kokoa.

misy karazan'olona dia ny fiainana sy ny fiarahana @ ireny hafa finoana ireny no vao mainka aza mampivelatra ny finoany (io ilay nandray ny tompo am-po)
ko raha manampy anao hivelatra ilay ianao mi "mingle" eo @ tontolo na religion hafa sy hahatonga anao plus kristianina kokoa.. ataoko fa zay ny sitrak'andriamanitra aminao
58. soanja ( 04/01/2007 05:52)
LazaDaddy:

soanja> raha Kristianina dia tsy manambady silamo fa tsy Kristianina izany amiko: "unequally yoked":)

raha resaka fotoana dia fahakamoana sy tsy fananana fandavan-tena. Angaha tsy ampy ny 24h nomen'Andriamanitra?:)




Zany ve LD? Lame argument zany ny ahy iny? Ok. Izay zany fa marina ny anao. Mila manana foana/ manokana fotoana atokana hanompoana sy hiresahana amin'Atra.
Possible daholo ny rehetra amin'Andriamanitra.
Ilay manambady silamo kosa dia possible tsara satria azo atao koa ny mahita fa notsilovin'Andriamanitra ianao tao anaty fanambadiana de izay vao lasa Kristianina. Asa noho ny fiainana milaza fa tsy izy ity noraisina ity ohatra. De ahaona no atao hoy i LD? hisaraka ve sa hiezaka hampita ilay filazantsara aminy? :-*:-*:-*


59. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:56)
raha ilay manambady silamo hoe samy silamo dia avy eo niova ny iray dia marina tokoa ny an'i Soanja. Fa raha "kristianina" ny iray moa silamo ny iray no miroso @ fanambadiana dia tsy "Kristianina" izany.:-*
60. ikaretsaka ( 04/01/2007 06:00)
laza> afaka mba velabelarina misimisy ve hoe inona kay no antony?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.5638