fanahin'olona firy?

21. ikaretsaka ( 03/01/2007 01:18)
LazaDaddy:

ikaretsaka> niteny tokoa ve aho hoe "tsy maintsy ny ahy ihany no marina " sa tsy mahita alahatra intsony ikaretsaka :) dia ovaina kely aloha ny adihevitra? :)


ie, niteny ianao... fa mba entre parenthese fotsiny iny ka...



22. LazaDaddy ( 03/01/2007 01:22)
karetsaka> raha vakiana hatrany am-boalohany ito resaka ito dia ikaretsaka irery ihany no niteny hoe "tsimaintsy" :)

ikaretsaka:
ie, niteny ianao... fa mba entre parenthese fotsiny iny ka...
misy jamba koa vare sa misy tsy mahay mamaky teny eto e? :)
23. ikaretsaka ( 03/01/2007 01:24)
lazzadaddy> (iza no voakiana sy hanaovana remarque foana:^) ato @ io "tsy maintsy io ... sa jamba koa ianao?)

kamo be aho hitsipona ilay izy fa jereo fotsiny!
24. LazaDaddy ( 03/01/2007 01:50)
ikaretsaka> toa lasa kamo be tampoka ny namana fa nisy inona? :)
25. cutie ( 03/01/2007 01:51)
LD, aiza le email e :lol:
26. soanja ( 03/01/2007 03:07)
LazaDaddy:

T"Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona" Ohabolana 29:18
"Without vision, people perish" Proverb 29:18

Ny Kristianina tsirairay dia manana andraikitra hitory ny filazantsara sy hanao mpianatr'i Kristy ny firenen-drehetra. Raha tsy manana ilay "vision" anefa isika dia mandeha jamba tsy misy tanjona.

Koa izao ny mba torohevitro: mivavaha dia mametraha tanjona ho anao ary resaho @ olona akaiky anao hoe olona firy no ezahinao beazina manokana sy ampahafantarina am-pitiavana ny famonjena ao amin'i Kristy amin'ity taona ity? Ny fampahafantaranao ny tanjonao @ olona iray dia miteraka fanentanana ho anao sy mamporisika azy rahateo ihany koa.

Ny ahy efa fantatro mazava tsara hatr@ volana Septembre 2006 koa ho zaraiko aminareo satria ianareo namana: 60 farafahakeliny fa Andriamanitra afaka manampy ahy mihoatra noho ireo.
Misaotra mialoha ireo mivavaka ho ahy @ io. :-*


Izaho dia hivavaka ho anao amin'io tanjonao ary tsara tokoa ny manana tanjona.
Indraindray anefa ny fahitako azy dia ny fametrahana tanjona mazava dia manome anao koa fahakiviana rehefa tsy tanteraka izany, satria olombelona isika ary manana ny fahalemena noho izany. Izay anefa no hananana ny Finoana ao anaty. Mahatoky fa ao Andriamanitra hanome hery.
Andriamanitra irery ihany tokoa moa no mahalala ny olony sy ny momba azy.
Koa ny hafatro dia mahereza. Aza mora kivy. Tadidio anefa fa ny asa no ataontsika fa ny hanova olona iray dia ilay fidiran'Andriamanitra ao anatiny sy ny fitombenan'io Fanahy io ao anatiny no hilaza azy. Tsy miankina amintsika mihitsy io ary izay ny mahasarotra ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra/ny filazantsara satria tsy azo mesurer-na le izy raha ny fahitako azy hijerana ny vokany. Ny hoe firy no notorianao dia azo mesurer-na tsara fa firy no nandray ary maneho ny fisian'Andriamanitra ao anaty (ilay Andriamanitra tonga Nofo) dia tena sarotra be. Izany akory anefa tsy midika hoe hiraviravy tanana ny nahazo izany andraikitra goavana izany. Mahereza hatrany.


27. soanja ( 03/01/2007 03:11)
Izaho manokana saika hadinoko ry LD dia ny "one day at a time" no ampiasaiko. Ny momba ahy sy Andriamanitra no voalohany indrindra , ka raha misy moa liana apres-n'io dia vonona i Soanja. :-*:-*
28. ikaretsaka ( 03/01/2007 05:02)
soanja:

Izaho manokana saika hadinoko ry LD dia ny "one day at a time" no ampiasaiko. Ny momba ahy sy Andriamanitra no voalohany indrindra ,


io no tiako lazaina @ i laza fa tsy voavoako..misaotra an'i soanja namoaka anazy


29. LazaDaddy ( 03/01/2007 05:19)
soanja> Misaotra @ vavaka :-* (the prayer of a righteous man is effective and powerful)

Ny hoe tanteraka sy tsy tanteraka indray dia aza manahy ianao fa "all things are possible" rehefa manaraka ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy araka ny fihevitr'olombelona :)
mankasitraka
30. prime ( 03/01/2007 08:20)
LD> Dia mahereza hatrany ry rahalahy... mivavaka ihany koa ho anao aho ary mirary koa hahitanao fahombiazana ao amin'ny Tompo...

Te hanampy kely fotsiny aho toy ny fanamarihana nentin'i rrgmt fa Kristy no Lohalaharana ka ny fandraisana Azy no antoka ho an'ny tsirairay amin'ny famonjena mba tsy ho fitoriana fampianarana sy fiangonana tokoa no ezahin'ny mpino... Fa rehefa mandray an'i Kristy ny olona dia izay no zava-dehibe ka na Katôlika, na Protestanta, na Loterana, na Anglikana, na Advantista, na Jesosy Mamonjy, na Apokalipsy, na FM foi... na inona na inona fiangonana misy ny olona, rehefa voarainy Kristy dia izay no zava-dehibe...
31. LazaDaddy ( 03/01/2007 08:36)
prime sy rrgmt> marina mihitsy izany fa dia misaotra anareo. Izaho izao rehefa anontanian'olona dia Kristianina no teneniko fa tsy anaram-piangonana:). I Kristy no fahamarinana fa tsy ny anaram-piangonana, ary ny fiangonana samy manana ny olany tsirairay avy :)

Izaho mantsy raha hanonona anaram-piangonana lasa sady baptist no evangelical no lutheran no church of christ no...:)
32. prime ( 03/01/2007 08:54)
LD> =D
33. soanja ( 03/01/2007 14:42)
LazaDaddy:

soanja> Misaotra @ vavaka :-* (the prayer of a righteous man is effective and powerful)

Ny hoe tanteraka sy tsy tanteraka indray dia aza manahy ianao fa "all things are possible" rehefa manaraka ny sitrapon'Andriamanitra, fa tsy araka ny fihevitr'olombelona :)
mankasitraka


manaiky tanteraka aho mba tsy hilazako hoe "Namaste" satria tsy ankasitrahanao izany.:D:-*:-*


34. ikaretsaka ( 03/01/2007 14:48)
dia ahoana tokao iznay io... izay fiangonana tiana hidikidirana izany mety daholo..

io izany ilay lazain'i francisy Turbo hoe .. androany mangamabga ny (...) dia rahampitso menamena...
35. pissoa ( 03/01/2007 15:12)
Tsara ny tanjona. Dia mirary soa.
36. soanja ( 03/01/2007 15:21)
ikaretsaka:

dia ahoana tokao iznay io... izay fiangonana tiana hidikidirana izany mety daholo..

io izany ilay lazain'i francisy Turbo hoe .. androany mangamabga ny (...) dia rahampitso menamena...


izaho manokana ry Ika de mahita fa mety amiko izany satria flexible be ny saiko raha vao mandingana varavaram-piangonana iray aho. Andriamanitra no katsahiko ary Izy manerana. Ka na dia mangina be toy ny vorona dodo aza ilay toerana na mikarantsana toy ny kimpantsona dia izaho sy Andriamanitra no ezahiko hifampiresaka. Amin'io moa izany dia fampiasan methode isan-karazany hanana concentration satria meditation no hanjaka ao. Rehefa misy ny fanompoana sy fiarahamientana dia miara manao eo satria fantatro fa mitovy ny tanjonanay dia ilay fikatsahana an'Andriamanitra. Misy ny fandoavan rakitra de mba manao koa. Eo amin'ny fandraisana ilay vatan';i Krsity aho no matetika miandry izay zavatra tsapako ao anaty. De miankina amin'iny ny hakana na tsia ilay izy.
Miankina amin'ny tsi-1-1 anefa io an.


37. ikaretsaka ( 03/01/2007 15:25)
nymiditra ange miditra e.. fa tsy le hoe attached be ao dia las aohatran'ny obligations indray le izy avy eo..amin'ireny manko misy an ilay hoe "fallen away" zany hono rehefa miala ianao avy eo
38. soanja ( 03/01/2007 15:38)
Asa aloha le resaka attachment satria io indray de tena tsy mahazo ahy satria fantatro ny momba ahy. Nefa tsy afaka hiresaka momba ny hafa aho satria tsy mitovy isika olombelona.
39. ikaretsaka ( 03/01/2007 15:46)
izay indrindra
fa amiko aloha ohatran'ny hafahafa ilay miovaova kolera na hoe andriamanitra 1 aza no tompoina e
40. soanja ( 03/01/2007 15:52)
Ka le kolera aloha hazavao fa tsy mazava raha izay. Zah raha miditra ao amin'i Katolika aloha dia tsy mihevitra ny tenako ho Katolika fa hoe zanak'Andriamanitra. De toy izany koa ao amin'i Loterana sns satria tsy manana anaram-piangonana miraikitra amin'ny vatako aho. Ao anaty taratasy takian'i taratasy dia tsy maintsy hanoratra hoe "Kristianina." satria io no manakaiky ahy indrindra sady inoako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008