Ny tenin'Andriamanitra

81. LazaDaddy ( 02/01/2007 04:35)
xxx> misaotra betsaka :)
82. ikaretsaka ( 02/01/2007 04:40)
hahahaha
hoe preservena ao ve le izy fa tsy mba mivelatra sy miparitaka?

ilay view io an... so ratsy saina eo indray!
83. LazaDaddy ( 02/01/2007 04:47)
ratsy saina ahoana? :)
84. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:08)
asa ko!:roll:
fa ohatran'ny mahafehy azy ilay an'i cutie hoe Freako Christian= preservatif!
proper sense sy fugurated sense...
tsy mivoaka mihoatran'io ilay izy....:-D
85. LazaDaddy ( 02/01/2007 05:11)
izaho anie efa nanolotra fisaorana an'i xxx e. Dia misaotra an'ikaretsaka koa :)
86. xxx ( 02/01/2007 05:19)
LazaDaddy:
Ezahiko ho "conserver-na" sy iainana tsara ny Tenin'Andriamanitra fa tsy ampifangaroako @ fihevitr'olombelona sy fombafomban'olombelona milaza azy fa "mandroso". Ezahiko "conserver-na", tsy anampiana sady tsy analana ny Tenin'Andriamanitra. Fantatro fa tsy mahafaly ny "antikristy" mpanenjika Baiboly io fijeriko io saingy tsy ny hampifaly olona no katsahiko fa ny sitrapon'Andriamanitra sy fankatoavana ny Teniny.


:-D Ny tenin'Andriamantira samy manao an'io daholo ka ! Fa ny baiboly no tsy itovizan-kevitra.

Fantatrao ve fa ny baiboly dia feno karazany hoe "Taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Kristianina tany Kolosy" (Izany ny dikan'ny Kolosianina sao tsy hay akory). Misy aho hoe "Taratasy norosratain'i Paoly ho an'i Timoty" (Izany ny I Timoty sy ny II Timoty). Ka fihevitr'olombelona ireo sa an'Andriamanitra ? Inona no tsy hitovizany amin'ny olona mitory teny Ankehitriny ohatra ? Sa tsy mety raha tsy manao fahagagana be otran'ny tamin'ny nahazo an'i Saoly ka lasa Paoly Andriamanitra amin'izao ? Sa raha tsy mahita MosesyII hitondra ny olona handeha tongotra 40 taona tsy hino fa mbola miasa sy miteny Andriamanitra ary misy olony eto anivontsika !

Tsy fanaovana tsinon-tsinona ny Baiboly io tsy akory, fa filazana hoe AZA FEPERANA NY ASAN'ANDRIAMANITA SY NY TENINY.

Tsy hanampiana tsy hanalana ny tenin'Andriamanitra : fantaro fa efa nanalan'i Lotera ny Baiboly ampiasainao :)
87. LazaDaddy ( 02/01/2007 05:23)
xxx:
Ny tenin'Andriamantira samy manao an'io daholo ka ! Fa ny baiboly no tsy itovizan-kevitra.
raha izany dia samy manana "andriamanitra" samihafa daholo ny olona.
88. xxx ( 02/01/2007 05:30)
LazaDaddy:
raha izany dia samy manana "andriamanitra" samihafa daholo ny olona.

Eny !

Ny an'ny sasany Andriamanitra, Iaveh, Jehovah, ary Kristy. Io no mahatonga azy antsoina mahazatra hoe "Kristianina".

Ny an'ny sasany kosa dia ny Baiboly. Io no mahatonga ilay fiantsoana hoe "Baibolista".

Ny tsy itovizan'ireo : Ny Baibolista dia manizingizina fa voafehin'ny baiboly Andriamanitra. Raha tsy misy Baiboly dia tsy afaka miasa ary lasa moana tsy miteny Andriamanitra aminy. Izany hoe raha fintinina, amin'ny Baibolista dia "andriamanitry" ny Andriamanitry ny Kristianina ny Baiboly.
89. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:40)
namaste XXX:-D
voafehinao tanteraka ilay izy
90. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:44)
Hoy i LazaDaddy:
raha izany dia samy manana "andriamanitra" samihafa daholo ny olona.

Eny !

Ny an'ny sasany Andriamanitra, Iaveh, Jehovah, ary Kristy. Io no mahatonga azy antsoina mahazatra hoe "Kristianina".

Ny an'ny sasany kosa dia ny Baiboly. Io no mahatonga ilay fiantsoana hoe "Baibolista".

Ny tsy itovizan'ireo : Ny Baibolista dia manizingizina fa voafehin'ny baiboly Andriamanitra. Raha tsy misy Baiboly dia tsy afaka miasa ary lasa moana tsy miteny Andriamanitra aminy. Izany hoe raha fintinina, amin'ny Baibolista dia "andriamanitry" ny Andriamanitry ny Kristianina ny Baiboly.


laza/prime ... meditate on this... io anaovana examen de conscience.. anontanio hoe tena izany tokao ve hoe...

Mirary soa dia mino aho fa namaste aby rehefa miverina
91. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:12)
izaho dia tena Baibolista fa sanatria amiko ary tsy mbola nilaza aho fa "voafehin'ny Baiboly Andriamanitra". Fa ny ambarako kosa dia manenjika ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao amin'io Baiboly io ny antikristy.
92. ikaretsaka ( 02/01/2007 06:21)
laza an.. sokafy ny fonao de meditate on this anie e... it really helps
avelao kely daholo ny hevitra pre concu rehetra dia manaova examen de conscience amin'io!

io anaty gris io jerena tsara.

mandehana aloha.. dia miverena rehefa avy eo... za ko handeha fa sao manapaka ny meditations an'ialahy
93. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:32)
mahazo mandeha ikaretsaka raha te andeha, fa izaho aloha dia tsy ho menatra ny hijoro @ fahamarinana voarakitry ny Tenin'Andriamanitra ao @ Baiboly, tsy anampiana ary tsy anesorana. :)
94. xxx ( 02/01/2007 06:35)
LazaDaddy:
Hoy i LazaDaddy:
raha izany dia samy manana "andriamanitra" samihafa daholo ny olona.


Eny !

Ny an'ny sasany Andriamanitra, Iaveh, Jehovah, ary Kristy. Io no mahatonga azy antsoina mahazatra hoe "Kristianina".

Ny an'ny sasany kosa dia ny Baiboly. Io no mahatonga ilay fiantsoana hoe "Baibolista".

Ny tsy itovizan'ireo : Ny Baibolista dia manizingizina fa voafehin'ny baiboly Andriamanitra. Raha tsy misy Baiboly dia tsy afaka miasa ary lasa moana tsy miteny Andriamanitra aminy. Izany hoe raha fintinina, amin'ny Baibolista dia "andriamanitry" ny Andriamanitry ny Kristianina ny Baiboly.
95. xxx ( 02/01/2007 06:38)
LazaDaddy:
izaho dia tena Baibolista fa sanatria amiko ary tsy mbola nilaza aho fa "voafehin'ny Baiboly Andriamanitra".

LazaDaddy, rehefa hizingizinaniao sy ny mitovy hevitra aminao fa tsy afaka miteny Izy Andriamanitra raha tsy misy Baiboly, tsy mametraka Azy eo ambanin'ny fahefan'ny Baiboly ve izany ? Manisy fepetra amin'Andriamantira izany, mamehy Azy amin'ny Baiboly.

Averiko ny teniko tetsy ambony :
xxx:
Tsy fanaovana tsinon-tsinona ny Baiboly io tsy akory, fa filazana hoe AZA FEPERANA NY ASAN'ANDRIAMANITA SY NY TENINY.
96. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:38)
izaho Baibolista fa amiko dia tsy voafehin'ny Baiboly Andriamanitra.

- Ny Baibolista dia mamaky sy mianatra ary miaina ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly. Tsy anesorana sy tsy anampiana.
- Ny antikrista dia manenjika ilay ny Tenin'Andriamanitra tonga nofo voarakitra ao @ Baiboly.
97. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:43)
izaho koa Baibolista fa tsy mbola niteny ary tsy hiteny fa "tsy afaka miteny Andriamanitra raha tsy ao @ Baiboly". TSIA! Efa nambarako tatsy ambadika tstsy io, saingy raha mifanohitra sy manenjika izay voalaza ao @ Baiboly dia mazava ho azy fa antikristy no miteny fa tsy Andriamanitra. Raha misakatsakana olona tsy hanambara ny Teny voalazan'ny Baiboly dia mazava ho azy fa antikristy no miteny fa tsy Andriamanitra. Raha tsy manitsy izay diso fa mandrara ny Baiboly dia mazava ho azy fa antikristy no miteny fa tsy Andriamanitra.
98. xxx ( 02/01/2007 06:47)
- Ny Baibolista dia mamaky sy mianatra ary miaina ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly. Tsy anesorana sy tsy anampiana.

Tsy io ny ataon'ny Baibolista ka !
Ny Baibolista dia manizingizina fa voafehin'ny baiboly Andriamanitra. Raha tsy misy Baiboly dia tsy afaka miasa ary lasa moana tsy miteny Andriamanitra aminy. Izany hoe raha fintinina, amin'ny Baibolista dia "andriamanitry" ny Andriamanitry ny Kristianina ny Baiboly.


- Ny antikrista dia manenjika ilay ny Tenin'Andriamanitra tonga nofo voarakitra ao @ Baiboly.

Dia mbola mamehy an'i Kristy indray izany hevitrao izany. Kristy dia Andriamanitra, tsy voafehin'ny Boky Izy sy ny momba Azy. Fantaro fa na ny tenin'i Kristy sy ny zavatra nataony tety an-tany nandritra ny 33 taona fotsiny aza dia tsy voafehin'ny Baiboly. (Vakio faran'ny Jaona)
Jaona toko 21:
25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.

nefa Izy dia misy amin'ny Taona rehetra fa tsy nandritra ny 33 taona fotsiny. Ka noho izany dia tsy ny Baiboly no lazaina amin'ny hoe "Kristy Tenin'Andriamanitra" fa Tenin'Andriamanitra.
99. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:53)
- Ny Baibolista dia mamaky sy mianatra ary miaina ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly. Tsy anesorana sy tsy anampiana.

- Ny antikrista = anti + Kristy = manohitra an'i Kristy
- Kristy ilay Tenin'Andriamanitra tonga nofo.

=> ny antikrista dia manenjika ilay ny Tenin'Andriamanitra tonga nofo voarakitra ao @ Baiboly.

Famaritana ao @ Baiboly io nomeko io araka ny maha Baibolista ahy :)
100. xxx ( 02/01/2007 06:59)
Famaritana ao @ Baiboly io nomeko io araka ny maha Baibolista ahy

Tsy misy famaritana ny Baibolista ao amin'ny Baiboly nefa ianao toa manizingizina be hoe "Baibolista ianao" ary tsy menatra :-D

Efa lasa manohitra ny tenanao ianao isaky ny nameho hevitra fa aoka aloha izay. maka recul kely. Vakivakio miadana eo ny soratrao dia hitanao ilay mifanohitra.

Bonne journée.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2775