Ny tenin'Andriamanitra

41. xxx ( 26/12/2006 20:16)
Hoy ikaretsaka:

Izay vita batemy, dia tsy haiko raha misy hafa ... fa tsy izay "mahay mamaky teny" ihany kosa aloha e
[/quote]

Misy olona iray izay azo antoka fa zanak'Andriamanitra ary any @ fanjakan'ny lanitra dia ilay jiolahy iray niara-nombohana t@ Jesosy teo ambon'ny hazo fijaliana.

Satria nahoana? nino fa Jesosy irery no lalana mankany amin'Andriamanitra.

Io Jiolahy io dia tsy vita batemy araky ny nolazain'ikaretsaka kanefa hoy Jesosy taminy: "anio no ihaonako aminao any am-paradisa". Tsy ny fanaovana batemy anao akory no maha-zanak'Andriamanitra anao, fa ny fitarihan'ny Fanahy Masina anao hanetry tena fa mpanota mendrika ny ho faty, kanefa mino sy mandray ilay fitiavana sy famonjena natolotry Jesosy izay maty ho antsika.

"fa izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andrimanitra no zanak'Andriamanitra" izany no lazain'ny Baiboly izay nolavinareo tsy ho tenin'Andriamanitra manantolo.

Safidy ny anareo fa dia manao ny adidiko fotsiny aho milaza izay tokony ambarako.

Farany, aleoko lavitra lazaina fa "Baibolista" mamaky ny tena sitrapon'Andriamanitra toy izay tsy Baibolista fa mamorona tenin'Andriamanitra izay mifanaraka amin'ny heritreritro fotsiny kanefa diso lalana.

42. pissoa ( 26/12/2006 20:37)
xxx
dia tsy haiko raha misy hafa

:-D:-D:-D

xxx, tsy haiko ianao na baibolista na tsia, fa haiko hoe ny baibolista dia diso lalana. Rehefa tsy ho Kristianina dia manao "Jesoista" ohatra fa tsy Baibolista. :-D

Mihevitra hoe manao ny adidinay koa izahay - miteny hoe aza manompo sy manao ny sitrapon'ny baiboly fa ny sitrapon'i Kristy atao. Ary safidy koa ny an'ny mpamaky ka aoka izy hanao izay mahafatifaty azy.

Efa notenenina imbetsaka fa hain'i Satana ny mampiasa io baiboly io hamandrihana antsika - ka rehefa tsy ny sitrapon'i Kristy no katsahinao, fa manaraka ny "baiboly" fotsiny, dia mety ho diso inao.

Mazotoa daholo. Ary vakio dia halalino ny baiboly.
43. xxx ( 26/12/2006 21:23)
...miteny hoe aza manompo sy manao ny sitrapon'ny baiboly fa ny sitrapon'i Kristy atao.

Ny sitrapon'i Kristy dia ny ahafantaranao fa tena tiany ianao, izaho, ny olona rehetra tamin'ny nanekeny ho faty ho antsika noho ny fahotana vitantsika.

"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra" Rom 3:23

"fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." Rom 6:23

anao ny safidy na hanaiky io fanomezana io ianao na tsia.

44. pissoa ( 26/12/2006 21:31)
Aza fehezina amin'ny "andalan-tsoratra" iray ny sitrapon'i Kristy. :lol:

Tsy hoe be sitra-po Izy akory - fa amin'izay mitranga rehetra manoloana anao, dia misy tian'i Kristy ataonao - ary misy tsy ankasitrahany.
45. ikaretsaka ( 26/12/2006 21:32)
izaho:
... fa tsy izay "mahay mamaky teny" ihany kosa aloha e

niarahana nanaiky teo io

Mihevitra hoe manao ny adidinay koa izahay - miteny hoe aza manompo sy manao ny sitrapon'ny baiboly fa ny sitrapon'i Kristy atao. Ary safidy koa ny an'ny mpamaky ka aoka izy hanao izay mahafatifaty azy.

Io no vohizinay tompoko hatramin'izay (merci pissoa)

("Jesuite" ngamba ny tian'ny pissoa lazaina @ ilay "jesoista" e?):wink:
46. simplex ( 26/12/2006 21:49)
pissoa, ika:
iray ihany ny tenin'i Kristy sy ny tenin'A/tra. Tsy zavatra contradictoire ireo akory ary i Kristy sy A/tra iray ihany ary lavorary.

xxx,
ny tian'zala lazaina @ le hoe:
pissoa be drikina:
Aza fehezina amin'ny "andalan-tsoratra" iray ny sitrapon'i Kristy

d tsotra fotsiny ihany hoe aza fehezan-teny 1 na 2 na vitsivitsy ihany no hifantohana @ baiboly fa izy 1 manontolo.

i xxx sao d tsy mino an'i Kristy? ra izay ndray d faux probleme doly ny resaka.

Mikasika an'le dahalo teo akaikin'i Jesoa iny, adinonao ve fa A/tra dia "Misericordieux" ?
izao koa, tsy hitanao ve fa namela ny fahotany i Jesoa? Jesoa anie Andriamanitra e :roll:
Tsy mila atao batemy/batisa intsony refa A/tra no manala ny fahotanao (y compris ilay fahotana nolovaina t@ i Adama sy Eva) :-w8)
47. ikaretsaka ( 26/12/2006 22:07)
fanampiana kely ny voalazan'i simplex:
anao:
ny tian'zala lazaina @ le hoe:
Hoy i pissoa be drikina:
Aza fehezina amin'ny "andalan-tsoratra" iray ny sitrapon'i Kristy

d tsotra fotsiny ihany hoe aza fehezan-teny 1 na 2 na vitsivitsy ihany no hifantohana @ baiboly fa izy 1 manontolo.

Miampy izay zavatra rehetra miseho ka inoana koa fa manambara ny tompo @ fiainana andavanandro (sign, sensations, choices, consciences sns...)

io ilay hoe "mijery sy mamantatra an'andriamanitra sy ny sitrapony amin'ny alalan'ny zava boahariny rehetra nomena anao"
sy ny fanazavan'ny Fanahy Masina anao
48. prime ( 27/12/2006 13:30)
pissoa> misaotra...

cutie> asa raha takatrao izay ambaranao ny amin\'ny teny hoe mihidy ny masom-panahin\'ny olona \"conservatif\"... mba moramora ihany e...:roll: ary mbola ho avy moa ilay andro iray iatrehan\'ny tsirairay avy an\'ilay Nahary dia ho hita eo hoe iza ilay tena mpamaky vilana marina...

simplex> marina ny ambaranao fa ny baiboly iray manontolo mihitsy no tokony ifantohana... fa isaky ny trangan-javatra rehetra eo amin\'ny fiainana dia efa misy Tenin\'Andriamanitra sahaza azy avokoa ka izany no antony itsongan\'ny mpanompon\'Andriamanitra maro an-dalana vitsivitsy indraindray izay tena sahaza ilay tranga fa tsy isaky ny misy tranga iray dia hoe vakio ny baiboly, blasfemia anie izany e... ny baiboly anie ka manomboka any @ genesisy, miaraka @ ireo apokrifa sy boky kanônika ka hatrany @ fanambaràna dia hovakiana isaky ny misy zava-miseho ve? sao dia mba tsy rariny lehiretsy izany a...

ikaretsaka> tsy fahaizan\'olombelona no ahafantarana an\'Andriamanitra sy ny asany fa ny Teniny ihany izay manamarina sy manamasina azy... fa tsy ny olona mpanota no mahay mamantatra an\'Andriamanitra fa ny zanany ihany, manana firaisana amin\'Izy Andriamanitra amin\'ny alalan\'ny Teniny sy ny vavaka ary ny finoana...
49. Rasiligaoma ( 27/12/2006 14:00)
cutie> mihidy ny masom-panahin'ny olona "conservatif"... ...

na sarotra aminy aza ny manaiky an'io dia marina sy zavatra hita sy tsapa tokoa io..

tsy fahaizan'olombelona no ahafantarana an'Andriamanitra sy ny asany fa ny Teniny ihany izay manamarina sy manamasina azy...

ka ilay teniny anie tsy voafehy ao anaty boky e.. io no sarotra be aminareo no manaiky azy.

tsy miteny ivelan'ny boky izany izy?
amiko dia
na i dadanao sy mamanao na ny olona manodidina anao, na ny zava-boahary rehetra sy ny fitaovana amin'ny fiainana andavanandro dia azo raisina koa hoe "tenin'andriamanitra" raha manampy anao mankany amin'ny fahamasinana ny ambarany sy ataony miaraka aminao.
50. prime ( 27/12/2006 14:26)
rasiligaoma> Ka izay no mahatonga ny maro milaza ho kristiana nefa mbola manompo tapakazo sy mivavaka amin'ny vato sy ny zava-boahary rehetra io... misy aza mbola manao famadihana ihany... ny didin'Andriamanitra 3 voalohany dia masiaka mihitsy ny amin'ny fandraràna ny fampitoviana Azy Andriamanitra amina kisary sy sary vongana isankarazany sy zava-boahary ary io karazana fanahy rehetra lazaina ho mitondra ny teniny io...

Raha izay rehetra misy ny zava-boahary no lazaina mitondra ny tenin'Andriamanitra dia ny mpisikidy sy ny mpanandro sy ny mpilalao ody ary ny mpamosavy no mpitondra ny tenin'Andriamanitra voalohany fa tsy ny Pretra sy ny Mpitondra fivavahana intsony izay mifototra amin'ny Tenin'Andriamanitra voalazan'ny baiboly...
51. pissoa ( 27/12/2006 14:41)
prime:

Sao tsy novakianao akory ny teniny. Jereo fa misy tohiny io
aha manampy anao mankany amin'ny fahamasinana ny ambarany sy ataony miaraka aminao.

Ka raha hitanao fa mety mitondra anao amin'ny Fahamasinan'Andriamanitra ny mpisikidy sns dia asanao izany - fa tsy izay akory no notenenin'i Rasiligaoma :lol:
52. Rasiligaoma ( 27/12/2006 14:41)
prime:
Ka izay no mahatonga ny maro milaza ho kristiana nefa mbola manompo tapakazo sy mivavaka amin'ny vato sy ny zava-boahary rehetra io... .. ny didin'Andriamanitra 3 voalohany dia masiaka mihitsy ny amin'ny fandraràna ny fampitoviana Azy Andriamanitra amina kisary sy sary vongana isankarazany sy zava-boahary ary io karazana fanahy rehetra lazaina ho mitondra ny teniny io...

ka ilay concept mihitsy no tsy azon'i Prime kay!

Tsy hoe mivavaka @ vato sy ny zava boahary sy ny sary vongana no atao @ ireny anie . Ny Tompo irery no hivavahana ..raha misy olona mieritreritra sy mino an'izany dia azy ny azy , resaka hafa indray izay, finoana hafa indray izay

fa kosa mampiasa ireny zavatra ireny ho karazan'ny "aide memoire" hanampy ilay fanahy ao aminao hivavaka sy hiakatra any @ tompo..

torak'izany koa anie ny Baiboly e... tsy io no iankohofana sy tompoina raha tsy izany "miondam-boky" ianao, fa manampy anao fotsiny io hampiakatra ilay fanahinao hivavaka amin'ny tompo zanaharinao.
53. soanja ( 27/12/2006 17:12)
Rasiligaoma:

Variana aho ny tsy azahoana'olona izany concept izany ry Sil nefa mba samy mpino daholo anie.
Ao koa ireo izay milaza mantsy fa ny fombany ihany no tena izy. Izay le rindrina e.

54. ikaretsaka ( 27/12/2006 18:00)
ary tena zatra an' ilay mpitsimpona isan'andininy mihitsy i prime :wink: hita mihitsy hoe ilay mpandray isan'andininy ao anaty baiboly

azafady re an:) mba constatation fotsiny ny ahy iny:-*

pissoa:

Sao tsy novakianao akory ny teniny. Jereo fa misy tohiny io

----->Voalazan'i Rasiligaoma teo
raha manampy anao mankany amin'ny fahamasinana ny ambarany sy ataony miaraka aminao.

rasiligaoma:
tsy miteny ivelan'ny boky izany izy?
amiko dia
na i dadanao sy mamanao na ny olona manodidina anao, na ny zava-boahary rehetra sy ny fitaovana amin'ny fiainana andavanandro dia azo raisina koa hoe "tenin'andriamanitra" raha manampy anao mankany amin'ny fahamasinana ny ambarany sy ataony miaraka aminao.

=D
55. xxx ( 27/12/2006 18:49)
Hoy i Ikaretsaka:
ary tena zatra an' ilay mpitsimpona isan'andininy mihitsy i prime hita mihitsy hoe ilay mpandray isan'andininy ao anaty baiboly

azafady re an mba constatation fotsiny ny ahy iny

Ny tena marina dia tsy tantin'ny olona maro ny zavatra voalaza ao anatin'io Baiboly io.

"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah."

"Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo."

Ny Andriamanitra ao anatin'io Baiboly io dia MANKAHALA ny ratsy na ny fahotana rehetra. ary tezitra sy manasazy izay mikiry ny tsy hiala @ ratsy fanaony.

KANEFA kosa TIA ny olona rehetra ary mbola miantso azy hiala amin'ny ratsy sy hiverina aminy. Izay no nahatongavan'i Jesosy hanome ilay fihavanana Aminy indray.

Safidinao fotiny na hanaiky sy hiverina Aminy ianao na tsia.

56. ikaretsaka ( 27/12/2006 18:58)
xxx:

ary mety ho izay marina ry XXX :D

Vao ny baiboly fotsiny aza izany kay dia efa tsy tantiny...
hitako no ferany sy fefifefeny ary tefitefeny amin' andian' andalandalana kelikely fotsiny tsipotsiponiny araka izay tiatiany eo sy mampetipety azy ilay zavatra

avy eo zzany reehfa misy manao koa hoe ampio zavatra hafa ivelan'ny baiboly koa ny finoanareo.... fa ilay baiboly aza mbola niteny hoe "betsaka koa ny zavatra nataony no tsy voasoratra ao anatin'ity"...

dia vao mainka izy matahotra.....

mbola lavitra tokoa

57. soanja ( 27/12/2006 19:07)
Hoy xxxx:
Ny Andriamanitra ao anatin'io Baiboly io dia MANKAHALA ny ratsy na ny fahotana rehetra. ary tezitra sy manasazy izay mikiry ny tsy hiala @ ratsy fanaony.

Izay indrindra ka. Raha io no voizinao voalohany momba an'Andriamanitra dia tsy amin'ny fony ny hanantonany azy fa amin'ny tahotra. Nefa tena tokony ho fitiavana tanteraka ny hanantonana an'Andriamanitra.

Tsy misy tsy mahafantatra fa izay no takin'Andriamanitra saingy raha modely tsara sy zavatra tsara no asehonao azy sy ny fitiavany. Ny lalana mahitsy tokony arahin'ny olombelona amin'ny maha-vatana azy, ny zavabitany tsara indrindra eo amin'ny fiainany fa tsy mi-focus amin'ny ratsy vitany na ataony sy izay tsy ho ataony . Satria mazava anie raha manam-pahendrena avy amin'Andriamaniatra ianao dia lavitra anao ireo ota ratsy eritreretinao ireo satria ny soa no eo imasonao.
Redirection ny fiainana ary stay positive amin'ny fiainana.
Aleo ny izay ratsy ataon'olona ny azy izany fa tsy ianao. Azy sy Andriamanitra izany.
Ny tsara no modely asehoy fa hitany io rehefa mijery izy. F aza ampitahorina izy.
Ny anao no tsinjovy sy jereo hoe mbola ato amiko ve Jesosy.
Izay no zavadehibe. Satria Andriamanitra dia mahay manova olona sy manana fahefana mikarakara ny olony.
Tsy ao amin'i Baiboly ihany ny valiny e. Na amin'ny fiainana aza dia ahita izany ianao. Lesona ny fiainana. Rehefa miova ilay olona dia hiteny izy fa Andriamanitra no nanome azy izany fiovana izany. Tamin'izay matetika tsy teo ny baiboly.
58. ikaretsaka ( 27/12/2006 19:44)
Ny tsara no modely asehoy fa hitany io rehefa mijery izy. F aza ampitahorina izy.
Ny anao no tsinjovy sy jereo hoe mbola ato amiko ve Jesosy.
Izay no zavadehibe. Satria Andriamanitra dia mahay manova olona sy manana fahefana mikarakara ny olony.

EKENA TANTERAKA!

Ny anao no tsinjovy sy jereo hoe mbola ato amiko ve Jesosy
.-- sa tavela ao anaty baiboliko

tsy ao amin'i Baiboly ihany ny valiny e. Na amin'ny fiainana aza dia ahita izany ianao. Lesona ny fiainana. Rehefa miova ilay olona dia hiteny izy fa Andriamanitra no nanome azy izany fiovana izany. Tamin'izay matetika tsy teo ny baiboly.

Marina tanteraka.. mety koa ary mahomby tokoa ny tenin'i Mompera perdo hoe "tsy ny fampitahorana sy ny fitoriana no hi convertissevanao olona fa ny fahitany ny ataonao eo amin'nyfiainana, ny zavatra ara-pitiavana voizinao, ny asa ataonao sy ny toetra asehonao"

zahako tatsy ambadika tatsy:
Misy olona tsy any @ alalan'ilay "fitoriana baiboly " amminy mihitsy no hahitana sy hivelaran'ny finoany fa @ ny alalan'ny fahitany ny ataon'ilay "mpitarika" azy eo anivon'ny fiaraha monina.

ny fahitana andry ry mopera na ry pasitera na ry masera manampy azy ohatra @ manao hopitaly, mampianatra ny zanany, aumonerie, centre d'ectivite, sy ny asa ataony isan'andro @ fandraisana andraikitra aza dia fitaovana tena mahomby mitaona ny olona (indrindra ny gasy) hivelatra bebe kokoa @ finoana nohon'ny fandehanana tsiroaro ao an-tranony sy mamelabelatra baiboly ao.

Betsaka ny olona lasa kristianina, noho ilay asa sy toetra ary fihetsika ataon'ilay mpitarika eo anivon'ny fiaraha monina nohon'ny toriteny lava
59. cutie ( 27/12/2006 20:34)
cutie> asa raha takatrao izay ambaranao ny amin'ny teny hoe mihidy ny masom-panahin'ny olona "conservatif"... mba moramora ihany e...

takatro matoa za miteny :lol:
ary hay ve i prime ka tena conservatif matoa tohina e
azafady aza e :wink::-*
60. cutie ( 27/12/2006 20:35)
ary mbola ho avy moa ilay andro iray iatrehan'ny tsirairay avy an'ilay Nahary dia ho hita eo hoe iza ilay tena mpamaky vilana marina

zany an :lol::lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009