Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra

1. ikaretsaka ( 01/12/2006 04:23)
Mba hangala tahaka za de mba manome laza adina koa e::-D

Kristianina = manara-dia an'i Kristy sy mankatoa ny Teniny


Avy aiza ary ilay teniny??? ireo izay voalaza ao anaty baiboly ihany ve??

Ny hevitro:

za mamaky baiboly an... fa tsy be LOATRA sady tsy zatra ilay mandika na mandray isan'andalany de mampirindra n'iny @ fiainako toy ny ataon'ny SASANY ato na mitanisa sy mitsipona isan'andalana hanamarinana ny heviny

fa za koa mino fa tsy avy amin'ny baiboly irery ihany i Andriamanitra no miteny amiko sy @ izao tontolo izao .. fa @ zavatra rehetra ataoko andavanandro syy @ alalan'ny zavatra rehetra homeny ahy hamitako ny andavanandroko... sy ny zavatra rehetra miseho

raha sendra mila azy za zao ohatra na ao anaty fisalasalana na fiadanam-po na hivavaka de tsy voatery hipetraka aloha de hitady ny baiboliko fa tonga de izy mihitsy no anontaniako.. de mamaly ahy tsy mila baiboly koa izy ao anatin'ny meditation ko sy ny vavako lalina ao
tsy mila soratra masina aho @ zany tsy mila mamaky teny fa tonga de ao!

ary inoako fa bedebe ny manao toa ahy rehefa mivavaka

olana be ve ny @ izany?? Voalaza tato manko ny hoe fa misy hoe tsy kristianina aho satria tsy mamaky baiboly LOATRA?
Ny ahy manko tsy ao anaty Boky loatra ny Andriamanitro sy ny Jesoako no miteny amiko sy iresahako fa ao anaty Foko


Tsy za ilay hoe "efa ho faty ko mbola hoe "nankaiza ny baiboliko teo""? (Tenin'olomasina io dicton io an)

Ny hevitrareo??
novalian'i prime ny 29/12/2006 13:17
2. LazaDaddy ( 01/12/2006 04:24)
Mialohan'ny hamaliako an'ikaretsaka dia mba tiako anontaniana aloha ianao: Mino ve ianao fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly?
3. ikaretsaka ( 01/12/2006 04:31)
mino aho fa SOMBINY KELY FOTSINY sy tsy ampy ny baiboly..
amiko raha atao alphabet de "a" fotsiny ny baiboly
4. LazaDaddy ( 01/12/2006 04:33)
Tsy valian'ikaretsaka ilay fanontaniako ka averiko indray:

Mino ve ikaretsaka fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly?
Izany hoe: Mino ve ikaretsaka fa avy amin'Andriamanitra ny Baiboly?
5. ikaretsaka ( 01/12/2006 04:53)
mino aho fa misy tenin'andriamanitra kely ao anaty baiboly .. fa tsy teny irery ny ao fa misy tantara koa ao..

fa tsy izay ao ihany no teniny...
eo @ le hoe tsy izay ao irery ny teniny isika izao sao tara indray i laza an
6. ikaretsaka ( 01/12/2006 04:55)
sa averina impiry ilay sombiny kely vao azon'i laza?:^)
7. LazaDaddy ( 01/12/2006 05:02)
ikaretsaka:
mino aho fa misy tenin'andriamanitra kely ao anaty baiboly ..

Tsy afaka miady hevitra lalina amin'ikaretsaka momba ny "maha Kristianina sy ny Tenin'Andriamanitra" aho. Sarotra amiko ny hiditra lalina amin'ny tenin'Andriamanitra raha tsy Kristianina no iresahako.

Amiko dia tsy Kristianina ny olona tsy mino fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.
8. besoiiin ( 01/12/2006 05:09)
karetsaka> marina ny hevitrao @ fomba fiainana @ sy firesahana @Atra sy Kristy Jesosy, ny @ baiboly indray amiko dia voafehy ao anatinio ny didy amandalana sy ny fikasana tsara rehetra izay nomanin'andriamanitra ho an'ny olona, dia tsy inona fa mibasé @ FITIAVANA, "didy vao2no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo"
eritrereto tsara ange ry karetsaka fa izay rehetra rehetra heverinao fa hoe tenin'Atra miseho @fiainanao (raha toa ka tena mandeha @ finoana ianao)dia ho voafehy sy mifandrindra @baiboly izany ha mifototra @ fitiavana foana.
9. niryna ( 01/12/2006 05:09)
Eny sa tsia no fanontaniana fa tsy valianao tsara. Ny atao hoe kristiana dia olona manaradia an'i Kristia , mino fa nanefa ny helony teo amin'ny hazo fijaliana, mino azy fa nitsangana tamin'ny maty izy, ary mbola ho avy indray hitsara, mino koa fa zanak'Atra Lahitokana Izy.Ireo no atao hoe Kristiana.Ny baiboly indray dia tenin'Atra fa tsy tantara toin'ny boky tsotra. Hatramin'izao dia izy irery ihany no velirano am-piasaina any amin'ny fitsarana raha manao finianana tsy eto mada ihany fa hatrany amerika sy ny firenena rehetra porofy izany fa masina io .
10. LazaDaddy ( 01/12/2006 05:18)
niryna> io efa novaliany io fa tsy mino izy. Heveriko fa zavatra hafa no azo ifanakalozan-kevitra aminy fa tsy Tenin'Andriamanitra raha izy aza tsy mino.
11. niryna ( 01/12/2006 05:19)
Toin'ny mihinan-kanina isan'andro isika ka raha te hiaina ny tenin'Atra ny fo sy fanahinao dia vokisana ny tenin'Atra koa. Sarotra be ho an'ny kristiana ny hifandahatra ny tsy kristiana.Ny hany hatao an'ireny olona ireny fotsiny dia ny mivavaka ho azy.Andriamanitro o mamela azy fa tsy fantany izay ataony, omeo hery izy mba hitodi-doha aminao.
Ny teny ao anaty baiboly raha tsy mamaky azy ianao sy mangataka ny herin'ny fanahy masina hampianatra anao dia tsy ho hazonao mihitsy.Hety ny vavahady ka vitsy no
mandeha miditra any. Mbola te-nahao fiainana ianao dia vitao fa mbola tsy tonga ny fiantsoana anao
12. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:19)
za nge mino fa misy teniny ao e... fa:
1) tsy teniny ireny ny ao fa misy tantara koa ao ....
2) raha ny teniny rehetra no ao de donc tsy miteny intsony izy izany izao fa lasa moana satria efa eeeeelaela ihany izay tsy nanampiana soratra ao anaty baiboly intsony izay....

raha mijery tanntara ianao dia mbola misy boky hafa mbola misy ny teniny koa nesorina tao anaty baiboly (apocryphes ny anarany)

HOY IANAO
Kristianina = manara-dia an'i Kristy sy mankatoa ny Teniny



DE AVY EO HOY IANAO

Amiko dia tsy Kristianina ny olona tsy mino fa Tenin'Andriamanitra ny Baiboly.


ZA anie manara dia sy mankato ny teniny e! de manaiky za fa misy tenin'Andriamanitra ao anaty baiboly...Fa ny ahy tsy tovoziko irery ao anaty Baiboly ny teniny fa henoiko koa ilay bitsika miresaka amiko isan'andro ...
De ahoana??

13. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:21)
vakio tsara aloha ilay voasoratra fa aza mora entim-po
14. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:24)
LazaDaddy:

niryna> io efa novaliany io fa tsy mino izy. Heveriko fa zavatra hafa no azo ifanakalozan-kevitra aminy fa tsy Tenin'Andriamanitra raha izy aza tsy mino.


Mpamorona tssss. taiza za no niteny hoe tsy mino e? mino za fa tsy ampy fotsiny io amiko fa kely fotsiny


Fa nen'i laza averina impiry vao azony ilay izy e?
15. LazaDaddy ( 01/12/2006 05:25)
ikaretsaka:
za nge mino fa misy teniny ao e... fa tsy teniny ireny ny ao fa misy tantara koa ao ...

Ka averiko indray ilay fanontaniana tsy mety valianao ry ikaretsaka. Araka io nambarako sy voalazan'i Niryna io dia sarotra ny hanohy ny adihevitra raha tsy valianao ito:

Mino ve ikaretsaka fa avy amin'Andriamanitra ny Baiboly ?
16. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:27)
Avy aiza ary ilay teniny??? ireo izay voalaza ao anaty baiboly ihany ve??


-----> io no nanontaniako!

Eny sa tsia ny valiny? de satria nahoana?

ny ahy izao TSIA dia io efa nazavaiko io ny antony!
Raha ENY ny anao de azavao de reseo lahatra ny olona!
17. LazaDaddy ( 01/12/2006 05:29)
ikaretsaka:
Avy aiza ary ilay teniny??? ireo izay voalaza ao anaty baiboly ihany ve??
Mino ve aloha ikaretsaka fa avy aminy ny Baiboly?
18. niryna ( 01/12/2006 05:29)
Lazadaddy. Ianao ve tsy mahatsiaro reraka mifandahatra ny tsy mpihino.Mampalahelo O. Izao ry Ikaretsaka tsy midokatena fa mampiely ny soratra masina,mamaky baiboly
na mamaky boky masina, ary mihaino tori-teny any am-piasana rehefa fotoana fakana sasatra iny ary ao an-trano rehefa mbola tsy miasa na avy mirava isan'andro. Tamin'ny voalohany aho tsy zatra fa izao aho efa zatra tanteraka. Vetivety dia tonga ny fotoana firavana, na misy adi-tsaina madinidinika aza dia variana miheno hira masina , misaotra ny serasera aloha fa tena mahavonjy ny hira-masina ao e.
Samy manana ny fiantsoana azy daholo fa izaho olona efa-polo isan'andro no hivavahako hakoatran'ny fianakaviana. Vao avy nisaotra an'Atra aho izaho fa mpivady sy fianakaviana hafa no novaliany tamin'ity herinandro ity.
19. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:30)
izay zavatra nambarany ve tsy avy aminazy.. fa raha misy mitantara ve ao momba ny mahababo ny andian'olona 1 de teny koa izany sa tantara??
sa tsy hay intsony ny manabaka izany??

mitovy amin'i laza izany ny hoe "hendre tsara anaka"
sy ny hoe "babo i rapaoly"
20. fijo ( 01/12/2006 05:31)
ny baiboly letsy dia tantara ny firenena israelita an.tsy misy tenin'andriamanitra sy inona izany ao,fa tantara noforonina fotsiny.raha te hamaky tantara mampahalemy saina dia io vakiana fa sentosento sy indrisy foana no betsaka ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2646