volo mihitsana be!

1. fasaly ( 13/11/2006 14:09)
Tena tsy mety tapitra mitsy ny fihitsanan'ny voloko ato ry zareo fa dia packet be foana no raofina isan'andro refa mihogo volo....:x mba tsy sola ihany aza aloha!!!! tsy ampy vitalmine ve sa tsy ampy inona, marihina aloha fa zà mandoko volo foana e! ka mety lay produit ve no mampitsana azy sa in ??de in no tokony hatao mba tsy hampitsana be azy tsony...soa fa maniry zay mitsana no matevina lay volo de tsy de hita hoe lasa dool! msotra e!
novalian'i niryna ny 25/12/2006 00:52
2. watafon ( 13/11/2006 14:19)
normalement aloha d misy mihitsana ny volo isan'andro satria manana durée de vie mantsy ny volontsika e! fa raha be da betsaka kosa ny mihintsana d misy olana zay !
mihinàna akia sakafo misy vitamine E an: rehefa mavomavo matetika d misy an'izy io: voatavo,papaye,avocat,...
3. fasaly ( 13/11/2006 14:27)
tena efa be lotra kosa aky ry wata no mitsana a! mihitsana otran'ny volon'in reny isan'andro vao mandalo fotsiny ny tanana d'efa misy manraka:x vitamine E ve zany no mety tsy ampy....ka reo zavatra mavomavo voalzanao reo zao tsy haiko raha misy amzao saison ririna be zao:? misaotra wata a!:-*
4. watafon ( 13/11/2006 14:34)
tsisy fisaorana akia an !:-*:-*jereo fa any anie reo toa misy foana e!
5. Fiffi ( 13/11/2006 14:41)
fasaly: toa misy fotoana ny volo mihintsana foana an ! nisy olona zay nilaza ahy hoe kobanina @ rano mangatsiaka hono , nataoko hiany aloha de hitako fa tsy de mihintsana be loatra tahaka ny taloha ny voloko an ! nefa efa mangatsiaka be zao de tsy ho voan'sery ve raha hanao an'io ?
6. xxx ( 13/11/2006 15:03)
izaho nahamarika fa justement rehefa ririnina dia mihintsana ny volo : ohatran'ilay mampiasa chauffage izany no hitako manamaina volo dia mampihintsana azy
7. fasaly ( 13/11/2006 15:08)
fiffi: ka raha amzao ririna zao toa henjana ihany raha mikobana am rano mangatsika zany ho zélé ao ny atidohako fa ny ahy ange nihitsana tsy lmisy fitsaharana mitsy efa elabe e! fa mba maniry ihany alou e! fa soa fa tsy mety ritra...za manao hoe sao lay lokombolo
fa handramko alou reo fruits et lmegumes n'i wata reo:? sady zà tia zavokà be!:wink:
8. fasaly ( 13/11/2006 15:10)
xxx: ny ahy tsisy ftoanany fa isan'andro zao efa ho amantaonany zao tssssss:x:x
9. salmo ( 13/11/2006 15:24)
Hasivo dity na lakôly
10. fasaly ( 13/11/2006 15:25)
salmo: zany ve tsy fanoroana vohana:x
11. fanaina ( 13/11/2006 15:36)
fasaly ny ahy koa anky mihitrana be ko!! soa ihany fa mba matevina dia tsy de maninona laotra. fa tena mihitrana be ihany koa ny ahy.
12. callia ( 13/11/2006 15:53)
Ny ahy izao de efa iray am-pahaefatry ny voloko sisa no tafajanona satria isan'andro tsy maintsy misy efa ho atsasaky ny tanana foana!
Betsaka ihany ny mpitsabo natonina de nanao izao traitement isan-karazany rehetra izao fa tsisy vokany!
De ny faranay moa hoy ilay dokotera izay hoe raha mbola "misy stress" ianao na kely aza de tsy hijanona ny hihintsana mihitsy io volonao io.
Dia ny saina koa izany mila amboarina amin'io resaka io fa tsy vitan'ny hoe vokatry ny "elements externes":toetr'andro, vovoka....
13. melody ( 13/11/2006 16:06)
mijaly aloha ny tovovay lava volo tratran'io volo mihintsana io fa raha fohy volo enao fia tsy maninona firy. Misy mihintsana ihany fa tsy bdb :wink: Andramo ange e:)
14. dailynews ( 13/11/2006 16:12)
maninona aky raha hanapahina kely marina ny volondry? izaho mantsy manao lava volo mandritra ny 3 mois eo dia avy eo hanapahako 5 cm eo ny voloko isaky ny lava. dia tsapako tokoa fa rehefa lava iny ny voloko dia betsaka kokoa ny mihintsana, dia rehefa fohifohy dia mba azoazo. dia mihalava indray de...tapahina indray sns....(mandra pahitako coupe hafa manendrika koakoa... io mantsy tsy mandany vola angamba dia izay koa ny antony) e:°)
andramo kely ange e.
15. rurik ( 13/11/2006 16:45)
16. rurik ( 13/11/2006 16:49)
mbola vao manoratra koa aho dia lasa le izy.
Manararaotra aho mahita ity resaka volo ty hono wa
raha vao teraka 2 vola ve dia afaka mampiasa produit fanatsorana volo reny?
misy ny milaza fa tsy tokony hiandry 3 volana misy ny milaza fa tsy maninona ka tsy haiko tsony sao mba misy mahalala.
misaotra betsaka.
17. fasaly ( 13/11/2006 17:42)
rurik a! tsy haiko ndray alou io an! fa aleo ho valinalay ankizy na i wata mahay azy:-* aza manaoanao foana....


ny voloko ry reto efa me fohy ihany fa lasa mitsokotsoko kely ny lhany amlay mitsana a!
de vao haingana no nokatsanako mahitsy be tao fa tsy nandeha mpanao volo tsony, ary efa tany am dermato kou aloha taloha elabe fa tsisy vokany e!
fa andramko ihany io zavatra mavoamvo n'i wata io:cry:
18. tala2 ( 13/11/2006 18:15)
ba tsy ampihitsana ny volo d manasa loha @ ranona farehatra sinon mapiasà huile d'olive atao menabolo sinon ra tena sola mitsy d asivo ranona kapôty matetika
19. titimms ( 13/11/2006 18:34)
andramo indray ary ny ranona romarin e. fa refa maniry moa izay mihitsana inona no blem ? ny ahy indray tsy mihitsana fa mora vaky be ny lohany, sady ela vo lava. iza no mahita hevitra ?
20. watafon ( 13/11/2006 18:39)
rurik:hazavao tsarafa tsy azoko aloha; ny reniny v sailay zaza no hampiasa ilay produits fanatsorana volo ?:roll:
fasaly: misy marina doly ny voalazan'ny namana rehetra ato e: mila "hygiène de vie" ara-dalàna aloha voalohany : ny filaminantsaina , sakafo équilibré, fanaovana sport,d manarak'izay maninona raha anapahana kely aloha le volonao d hohita eo raha mbola mihitsana ihany! fa ireo sakafo betsaka vitamine E ireo no tokony ezahana hohanina e! ny pomme sy asperge kou akia misy an, d ny huile d'olive, sy tournesol kou!
zay fa mirary soa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.18