inona no zavabitandra8 vokatry ny fahaiza mitantana

41. belaza ( 01/11/2006 18:49)
vetsoko>na aty aminy firenena matanjaka aty(france) mbola tsy mahafehy tanteraka anireo zavatra nolazainao ireo. ary tsy ny vava anie no miasa e, fa raha ireo notantarainao ireo tsy voaharina ao anatiny 5taona(mba saino kely)
42. Zina ( 01/11/2006 19:37)
belaza [ Valio ] 01-11-2006 19:49:36
Lohateny : Re : inona no zavabitandra8 vokatry ny fahaiza mitantana
vetsoko>na aty aminy firenena matanjaka aty(france) mbola tsy mahafehy tanteraka anireo zavatra nolazainao ireo. ary tsy ny vava anie no miasa e, fa raha ireo notantarainao ireo tsy voaharina ao anatiny 5taona(mba saino kely)


belaza a marina ny an'i se..
noheverin-ndry zareo fa moramora ty mitondra, na ny usa aza mbola feno olana, ny alemana ko etc....
43. lafatra ( 01/11/2006 19:46)
Samy misy maha-marina azy daholo na ny an\'ny andaniny na ny ankilany.
Ho an\'ireo miandany @ filoha ankehitrio, dé tsy omeko tsiny ianareo satria azo eritreretina tokoa hoe nisy zava-bita na dé tsy mbola miatraika mivantana @ vahoaka pour le moment. Asiako resaka kely ny mikasika an\'i Lula, tadidio zareo fa ny resaka fanamboaran-dalana no tena anisany nimatimatesan\'io rangahy io t@izy vao tonga teo @ fitondrana teto Brazil, ny antony dia ahafahan\'ny tantsaha madinika hamoaka ny vokatra, satria tokoa mantsy rehefa tsy mandalo mpanelanelana ny vokatra dé samy mahazo tombontsoa na ny mpamokatra na ny mpanjifa.
Ho an\'i ankilany indray, raha tsy misy tokoa moa ny olona mpitsikera ohatranareo, ahoana no ahafahan\'ny mpitondra hanitsy ny tsy mety. Valiny: mifameno ianareo ireo.
Ny mba conseil fotsiny dé zao e:\" tano ny hazo fa sarotra ny mila\"; mazavabe ngamba io
44. tenagasy ( 01/11/2006 20:50)
Mankamamy sady miala tsiny dia ny mialoha fa ho lavalava notapatapahiko fohifohy izy ato an!
Mazotoa daholo!
Dia mirary soa!
45. tenagasy ( 01/11/2006 20:54)
Mankamamy ary ! Zava-bita ve ?
Voalohany aloha dia mankasitraka indrindra an’i jari @ fanehoankeviny araka ny vanimpotoana izay iresahany azy. Tsy misy madilana ho tentenana na maito hatohy io. Ary izay tsy manaiky io voalazany io amiko dia olona tsy niaina na jamba sy marenina t@ izany fotoana izany.
Ary aza ferana izany r’i manantsoa ny olona a, izy aza mazoto manoratra (taratry ny fitiavana izany)(izaho koa manko hamango izao :)), sa ve hoe: aza atao mazava loatra ny hevitra sao resy lahatra daholo ny olona?
Misaotra manokana an’i jari aho satria amiko dia manampy manazava ny resaka harosoko manaraka eto io famelabelarana narosonao io. Tsy dia hikira loatra ny teo aloha manko aho.
Izay ary no ela, zava-bita no resaka, fitanisana (izay mba takatro) no tadiavin’ny namana sasany, koa dia indro àry r’i vetsoko, akama2006, tezitra, caprio, fa dia mitaky mafy moa ianareo, ary nitanisa ny pitsopitsony madinidinika rehetra @ izay hitany hoe fahorian’ny malagasy i vetsoko. Izaho kosa hiezaka handahatra ny ambongadiny sy izay heveriko ho lehibe sy sahaza ny sehatra idinihantsika. Nisy fotoana manko aho tao ho ao efa saiky kamo ny hanoratra etoana satria nanjary toa lasa taimbava, fifandirana bontolo, fifanindriana sy fifamalian’olon-droa samy tsy manaiky gisitra fotsiny ny dinika teto.
Sao lava loatra fa tohizantsika etsy ambany!
Mirary soa!
46. tenagasy ( 01/11/2006 20:58)
Mankamamy!
Raha tsy diso aho, na dia misy aza any ho any ny tsy maty voalavo an-kibo, dia tsy misy na iray aza eto sahy mijoro ho mpomba ny teo aloha. Normal izany hoy aho satria k’izany aza hoe TALOHA!
Ary io no tiako hanombohana ny resaka satria araka izany, samy nahita faisana sy nandraingiraingy farahidiny daholo vokatry ny nataon’ilay teo aloha (cf: jari). PUISSANT loatra mantsy izy io (vola, harena, fahaizana, fahefana, andevokely bedabe, fifandraisana, traik’efa, fitaovampiadiana, fahaiza-miady ihany koa, …sns…sns… Dia samy nihafy tsy afa-nikofoka teny ra-malagasy fa nipitrapitra nahonena fotsiny, nanaiky,ary tsy omena tsiny koa anefa fa atody niady amam-bato. Lahitokana ny aina.
Tonga Ravalomanana, naira-nanaiky sy nirohotra nanohana azy ny iray firenena manontolo fa io irery no hany manana PUISSANCE mety hahaongotra io tompontany mpanjanaka tompontany io. (((ary tsy mampazoto ahy @ Ny Hasina r’i akama2006 satria ny tenany aza tsy voaarony)))
Ady mafy no natrehina: Afaka teo ny Deba sy ny tamingany rehetra.
==>zava-bita voalohany izany.
Mirary soa!
47. tenagasy ( 01/11/2006 21:03)
Mankamamy!
Afaka ireo akoholahim-bohitra! Ny zavatra navelany:
- Fotodrafitrasa navelan’ny mpanjanaka izay potika sy rava avokoa. Ny hany sisa tavela ireny napoaka sy noravana t@ 2002 ireny ny ampahany.
- Firenena mahantra fadiranovana, tsy misaraka carnet no vahoaka, zatra filaharana ny PPN raha sendra misy (tadidio fa t@ izany na ny ho vidiana aza tsy nisy), vahoaka bado: ny antsasa-manilan’ny kilonga tsy miditra antsekoly
- Kitapom-bola mahia kongana: nogoanana tao daholo izay kely sisa tao
- Nisitaka avokoa izao tontolo izao: mpamatsy vola, firenena mpiara-miasa. Notapahina ny ROBINET araka ny fiteny
- … sns …
Niezaka io fitondrana io:
-> tsy nisy karaman’ny mpiasam-panjakana tapaka na tsy voaloa reko h@ izao
-> tsy nisy asam-panjakana nihantona tsy nihodina
-> tsy nisy vahoaka nilahatra PPN, ary ekena fa lafo ny vidiny saingy misy hatrany izy aloha fa tsy toy ny taloha hoe na ny ho vidiana aza tsy nisy
Zaba-bita daholo izany!
Mirary soa!
48. tenagasy ( 01/11/2006 21:05)
Mankamamy!
Tsy vitan’izany fa:
- niverina fotoana vitsy monja ny fankatoavana sy fahatokisana avy amin’ireo mpamatsy vola sy ny firenena maro. Nitombo indray aza ny isan’izy ireo
- tanteraka ny fanafoanana tanteraka ny trosa (efa ny teo aloha hoy ianao no nanomboka azy fa amiko ny saiky nahavita sy ny nahavita tsy mitovy velively, ary mino aho fa raha mbola tsy niova isika mbola afaka 25 taona indray vao azo iny fanafoanana iny, tsy misy hafa @ ireo lalana rehetra sns io) Ary dia nahazo famatsiana vaovao indray. Zavabita ihany koa izany!
- Ary na dia mbola nanetsina ny banga nogoanan’ny teo aloha aza: jereo ireto ny lalana, renivohitra, sekoly (taux de scolarisation), toeram-pitsaboana …sns…sns… raha tsy hilaza indray aho etoana afa-tsy io lapan’ny fitsarana Anosy io: samy nahita isika fa tay miforetaka maimbo malany no nanodidina an’io hatrizay naha teo ireo teo aloha ireo, tsy hiteny izay tany anatin’ny birao tsirairay tany. Dia tongava mijery izany izao dia anjaranao no mamehy fa manginy @ zava-bita daholo izany!
Mirary soa!
49. tenagasy ( 01/11/2006 21:09)
Mankamamy!
Eo amin’ny lafiny demokrasia sy ny fahalalahana na fahafahana indray:
Dia miteny daholo moa izay manambava rehetra nefa tadidio fa teo aloha na ny hira aza firy no tsy azo nalefa ho hainoan’ny vahoaka? Ary nisy ve na iray aza nahasahy niteny ratsy ny mpitondra taloha toy izay miseho eto amin’itony sehatra itony? Na efa mibitsibitsika aza mbola miferin’aina ery: tsaroako tsara izany satria nanjoa ny raiamandreninay.
Ankehitriny, fehezina ny fampahalalambaovao eh, oiaho oieh! Iza amin’ireo mpanohitra ireo no mbola nofehezina sy nosamborina fa niteny izay tao ampony sy sainy na dia efa fihantsiana fanakorontanana izao aza indraindray? Inona amin’izay faran’izay bitika eritreretin’ireo mpanohitra ireo no tsy ren-tany ren-danitra manerana an’izao tontolo izao? Ny fomba fikakazan’ny mpitondra angaha ka tsy mifaka aho! Aza tsiny indrindra.
Mbola zavabita koa izany rey olona!
Mirary soa!
50. tenagasy ( 01/11/2006 21:13)
Mankamamy!
Resaka fanjakana tan-dalàna indray: efa tafiditra hatrany anaty tsinaimaintin’ny Malagasy sasany ny saindratsin’ny teo aloha (tsy dia anomezana tsiny loatra satria efa ady aman’aina t@ izany ary izany rahateo koa no natoro sy nasaina nataony) ka dia mbola be araka izany ny farasisa tsimatimanota manao lalandririnina, indrindra ireo mihevitra ho ambony lalàna. Ito iray ito dia isarihana sy itaonana manokana ny tsirairay satria io na iza mafy na iza mahery tsy hahavita an’io samirery izany.
Na izany aza anefa dia mbola tsy mahadona ny saina donto hatrany ve ireo tranga efa niseho eh? Karazan’olona tahaky ny ahoana izao no tsy mbola nisy tany amponja, fa izay tratra dia manefa aloha. Ary io tsy ankifidy fa na namana aza rehefa nijabaka dia any!!! Tsy misy kiantranoantrano na ny tahak'izany intsony (izay tratra aloha fa ny ratsy ve moa ho kely lalana)
Dingana sy zavabita goavana koa izany!
Dia mandeha moa ny resaka hoe: gadragadraina fahatany e, O I E O A I E!
Tsarovy fa mahita izao tontolo izao! Ary bemokony daholo ireo tratra ireo ka raha nisy tsy rariny tao (indrindra mpanohitra mitady hirika handrodanana fitondrana ireo), efa tsy teo efa ela Ravalomanana. Na izany aza saonjo iray lohasaha ve hilaozan’izay mamarara, saingy tsy ny iray mamarara kosa angamba no hanariana ny tsara iray lohasaha e!
Mirary soa!

51. tenagasy ( 01/11/2006 21:16)
Mankamamy!
Mikasika ireto harena voajanaharin’ny firenena indray. Ka moa tsy tantely afa-drakotra ve hatrizay e? Olona Cadre ambony iray tao @ AFD no nanambara mivantana taminay fa iny CAS II nandrasantsika heritaona sy tapany iny tsy mihoatra akory ny recette herinandro iray fotsiny ao Ilakaka (t@ taona 2000 io). Firy taona hoy izy no nitrandrahan’ny mpitsetsitra tao? Tena tokony ho I Madagasikara hoy izy no firenena matanjaka indrindra eran-tany raha ny harenanareo no jerena fa dia vendrana ianareo vahoaka manaiky fotsiny an’izao.
Dia raha mbola mpitondra nanana ny maha-izy azy ihany koa, ahoana no tsy nahitany an’ireo, ary naninona no tsy nohetsehina nampiadanana ny vahoaka ireo? Ka ankehitriny mizotra miandalana daholo ny fitrandrahana dia hoe aok’izay fa aleo hitavananay azy indray??? Mbola zavabita koa izany amiko ry namana!
Mba menatra re fa dia manoatra noho ireny alika mipeli-drambo mivovo tsy misy farany ireny mahita hena mihantona!
Eto dia atsipy ny teny fa dia samia mailo, indrindra ianareo mpamily ny firenena ao fa dia tsy kely lalana ny ratsy, ary ireo vahiny ireo koa tsy gisa fa mitady ny tombontsoany, ka sao lahy…, fa basy atifi-kavana ka dia arangaranga! Aza manjehy sy manararaotra ny fahatsoran’ny Malagasy sao hanenenana h@ izay rehetra nitsembohana sy nahafatifaty hatrizay!
Mirary soa!
52. tenagasy ( 01/11/2006 21:20)
Mankamamy!
Mbola be ny tiana hambara fa dia ifonana fa lava dia lava ny resaka. Na izany aza mitady ianareo ka dia mba manome aho, eo koa ny namana sasany hanampy.
Fanoharana kely no hanombohako ny famaranana: asaivo manao na dia 400m tena izy fotsiny anie I ASAFA POWEL dia vao vita iny dia avy hatrany dia asaivo manao ny record du monde-ny izay efa vitany in-telo izay izy. Mazava loatra fa tsy ho vitany ilay izy, dia enjeho amin’izay izy hoe k’ahoana ianao nilaza fa hahavita record ary zavatra vitanao impiry izay ka ahoana no tsy vitanao?
Toy izany koa ny antsika: vao avy nandavo ny andrarezina Ravalomanana, hita ambangovangony teo ny namelan’ny sasany ny firenena, saingy dia tsy maka sarotra isika manadina hoe k’aiza izay nampanantenainao sy izay tokony ho vitanao? Ny vahoaka amin’io miraviravy tanana miandry mahazo fotsiny. Ny orin’asany anie raha mandroso be, tsy manda aho hoe nisy akony ny naha filoha azy nefa tadidio koa fa zavatra efa lancé ny azy ary ny singa manorina rehetra efa décidé daholo.
Ny resaka hoe tokony namonjena ny vahoaka aloha ny vola nisy teo fa tsy maika izany lalana izany: samia manao kajikajy fa raha notsinjaraina natao hanina ireo vola azo ireo dia efa tsy nisy intsony amin’izao ora itenenantsika izao. Dia ahoana? Ny hanina tsy misy intsony, ny foto-drafitrasa fampandrosoana tsy misy vita, ary ireo efa nisy taloha potika sy simba! Dia hanantena inona indray isika? Mba saino kely ihany! Dia misy olona faly sy manantena ny ho velon’hataka mandrakizay tokoa ka!
Ankehitriny kosa, mba tsy MATY mosary kosa angamba ny gasy, iza no tsy mahita (h@ vahiny) fa be ny fotodrafitrasa vita, ka raha mbola te-hivoatra ihany tokoa dia minoa fa tsy hisy asa verimaina toy ny hatrizay intsony. Fampandrosoana maharitra rahateo no tanjona, ka mboa tsy mbola zava-bita koa ve izany?
Mirary soa!
53. jari ( 01/11/2006 22:44)
[quote=manantsoa]
Valiny :tsy fahalalam-pomba ny fanaovana lahatsoratra lavabe toy io amin' ny forum.
[/quote
tsy manery an-dranga hamaky a! ary internet ty ralah na 1000 page ary ka mahavita ranga ataovy fa misy mamaky foana io, tsy misy soa azo amin'ny fitsikerana ny sasany fotsiny toa zay voalazan'dranga mitsy, ary aim-pirenena no hiaraha-manimpy hevitra eto ka, aza sakanan'dranga amin'zay tiko ambara a! aiza ho aiza ao amin'ny lalàn'ny net zany voalaza zany sa an-dranga io ka azon-dranga ferana sy raràna ??????????????
54. tenagasy ( 01/11/2006 22:49)
Ka moa tsy mbola zava-bita koa ve izany?

Aza manao toetran-jaza mihantaratsy mampite-hamelaka hoah!
Meeeeeee anah hoah 'ryyyyyyyy ouiiiiinnnnn!
Enao ara niteny hoe 'menao an'io ahhhhhh ouiiiinnnnn!
55. jari ( 01/11/2006 23:14)
vetsoko:

mbola sodoka @ zavatra hitan'ny maso ny maro amintsika,ary fomba fiadin'ny polititien milliardaire eran-tany io(manangana zavatra hita maso dia resy lahatra ny maro)fa ny atao hoe fandrosoan'ny firenena ry zalahy dia ireto tena porofo tsy azo ialàna ary tsy vainga hita maso akory:
.Inona no secteur d'activité mbola midomine ao @ le firenena ?????
.miasa daholo ve ny population active(population en age de travailler)satria ireo no afaka mi-produire richesse nationale,PNB sy PIB,ary ireo koa no MAMELONA ny tsy population active
.CHOMAGE
.offre et création d'emploi et d'activité
.Balance commerciale(déficitaire sa éxcedentaire):importation sy exportation io
.flux monétaire et entrée de devise
.TAUX D'ANALPHABeTISATION
.TAUX D'INFLATION SY PRIX DES PPN
.ACCES A L'EAU POTABLE ET AU LOGEMENTS
. SMIC
.CALORIES CONSOMMEES /hab/an
.ESPeRANCE DE VIE
.sourrce d'energie la plus utilisée(charbon sy kitay)
.importancen'ny secteur informel
ets ets ets.........
et à la fin hita eo ny croissance eCONOMIQUE
MILA PROGRAMA,MILA STRATEGIE ECONOMIQUE MATI-PAIKA,MILA COMPETANCE(fahaizamanao),MILA EXPERIENCE (FA TSY ESSAI IO AKORY),mila volonté politique izany rehetra izany fa tsy hoe MINOA FOTSINY IHANY fa tsy misy programa aloha ,dia izay tsy mino dia gadraina

Ry vetsoko!
Marina loatra ndray reo voalazanao reo ary de miombon-kevitra tanteraka aminao a! kanefa ... firy isan-jaton'ny vahoaka malagasy moa afaka hafehy izany ? ary na ny mpamaky malala eto ary ne vitsy no afaka hahatakatra azy reo e! ny tsy maintsy lazaina fotsiny de zao : tsaratsara ho antsika malagasy aloha ary mety amintsika no mba mahita na de fiovana hivelany fotsiny aza! ary na tsy nisy programme ary ry vetsoko, na tsy nanana experience eny na de tsy nandia fianarana loatra koa aza fa : " mba afa-nanova na de bitika sy kely de aleoko mihonona amin'ny aza sahaza a isanandro toy izay, sady nanana traikefa feno, no lasa lavitra tamin'ny fianarana ary maty paika ny tetik'asa entina hanavotana ity firenena ty, kanefa nentina hanavotana ny fianankaviana sy hanangonana harena sy hametrahana ny akamakama fotsiny iany no nandaniana na handaniana ny 5 taona de... hoy a oe : tsy mitapona akory ny mason'ny malagasy ary tsy ny gasy mitsy no oe misy anton-javatra lehibe tsy zakany ka hanaiky fotsiny oe kabary tsara lahatra sy teny mamy de handrendrika azy! taloha izany ary milaza aminao a fa diso tara loatra ny fahatongavazan'izay olona misaina izany teto amin'ty nosy ty fa tsy voareberebin'zany intsony isika! hanaporofoako an'zany amin'ndry ny tantarantsika teto hatrizay, zohio de ho voavaly ndry! ary fotoan'ny fitsarana farany zao ka mahaiza mandray andraikitra tsika mianakavy fa dimy taona ndray vao misy fitsarana e!

56. jari ( 01/11/2006 23:33)
Asa na mahatsapa isika mianakavy izao fa androso ho may ary hiveron-ko faty ! eo anelanelan'ny fanonto sy ny laona isika zao raha ny resaka solika no asian-teny, anton-javatra iray ireharehan'ny andaniny io fa tsy fahafehezan'ny fitondrana ankehitriny ny familiana ny fampandrosoana eto amintsika! tsy lavina aloha kosa fa tsy rariny ary tsy takatry ny fahefa-mividin'ny malagasy ny vidiny ankehitriny! ary tokony hieritreritra araka izany ny fitondrana ny amin'zay fifamenoana azo atao mba tsy mpanjifa hatrany no tsy maintsy hifatraran'ny fisondrotana sy ny fahamafisana eto amin'ny tany sy ny fanjakana eto mampalaelo matsy fa tsika hatrany no miaritra ny mafy e! ny lehibe mangatsitsiaka sy faly manaraka ny onjany eo fotsiny, ny zavatra iray tsy tokony adinoina koa nefa ry izy mianakavy de zao, tsy ny antsika irery no misondrotra fa de eran-tany, fa ntsika no efa mahantra de loza no manjo antsika e! ary tsy ndrindran'zany koa fa tsy tokony adino koa ne e! raha hamenoana ny vidin-tsolika ary ny vola sasany zay mba kely azo entina hampandrosoana ty firenana ty aona ? ho banga ndray ny any! sa hitrosa ? de hisy foana fimenomenonana eto, ny vola hatokana ho amin'inn ary no azo hafeno an'io ? sady io tsy vola kely, azo lazaina koa nefa fa matoa io tsy misy vahaolana de tsy mahomby ny fitondrana, anjarany no mitady vahaolana eo, ny an'ny madinika de midina ny lasantsy midina ny saran-dàlana de vita! ny hena ny azy no hoaniny fa tsy rarahany zay omby maty any ! amin'zay fotoana izany nefa de voatery tsy maintsy hijery ety ivelany fotsiny ndray tsika mianakavy satria tsy hay ndray zay vola hoforonin'ny mpitondra hampidinana an'io sa ny taranaka ary no havela hizaka ny tseran'ny aina any, any aoriana any????????? fa ho vitaina aloha ny antsika satria zao tsika no mijaly sy manaintaina ? raha ny ahy aloha aleo mba miaritra kely e! de mba taranaka hanana fiainam-baovao no mba ho solofontsika mianakavy aleo izy mba hanonofy iany ny amin'zao fijaliantsika zao fa tsy hiaritra ny maimbo zay efa hiaretantsika e!
57. fijo ( 01/11/2006 23:47)
dia miandry ny tsy manohana indray izao hamoaka hevitra fa toa be loatra le zavabita ka sao lany 1er tour ravalo.
58. jari ( 01/11/2006 23:52)
raha hanenjika isika aza manenjika aloka fa midina eto an-tany de ny azo tapain-tànana entina hanakendana olona fa ho hitanao fa vetivety de ho tapitrao ny ainy, ny tiko ambara de ty TIKO an'ingahy filoha, asa na marina na tsia aloha tsy manana antoka ny amin'zany a oe : mandroso be izy io ary ny volam-panjakana no alefany ao ? asa lahy! fa zao kosa ry reto, raha eto isika no hifandany ora oe zao e zao e! ny tsotra de zao, matoa mandroso io orinasa io ary nandraso na de tsy teo amin'ny fitondrana ary rangahy io ?????? de izaho, ianao, isika mianankavy no mampandroso azy! inn moa no efan-dra8 raha tsy vidintsika tsotra zao ny vokatra avy ao de maty any io e! atao operation mihitsy oe tandremo zay tsy mankasitraka ny filoha ankehitriny an! de tsy mividy ny vokatry ny tiko, ary raha tena tsy misy mividy marina io, ny ngeza noho io ary ne ry izy mianankavy efa foana tsy hita sy nanjavona teto amin'ity nosy ty e! ka izao, matoa io mandroso an! sy moroborobo, de tsy tokony handa isika fa endrika iray azo handrefesana ny fahombiazana izany! miombo-kevitra amin'ny zay manda izany a raha ohatra ka oe vao tonga teo amin'ny fitondrana ranga io vao tena ren-tany sy re laza ny akon'zany tiko zany nefa tsy zay no niseho, ka de mba nanaiky a aloha tamin'iny! nefa tsy azo hitompon-teny fatratra mitsy izany oe raha mandroso tiko de afaka hampandroso ny firenena koa rangahy io, tsika nga orinasa sa mpiasa ao ????????
59. jari ( 02/11/2006 00:05)
manantsoa:

Valiny :tsy fahalalam-pomba ny fanaovana lahatsoratra lavabe toy io amin' ny forum.


manantsoa : miala tsiny raha nivatravatra taminao tetsy ambony e! aza tsiny indrindra! nanohina kely ahy ny fanomezan-tsininao, toa mihantsy kanefa ny olona ry manantsoa samy manana ny antony mahatonga azy hanao zavatra iray, ary matoa io nataoko ho lava de tsy tiko hisy fizarany zay hevitra voalaza tao anatiny satria tantara no zohinao ao anatiny! ary tsy hanao intsony amin'ny sisa raha zay mahatsara zavatra! misaotra betsaka e!
60. akama2006 ( 02/11/2006 00:18)
besoin>> manana olana aminy dadanao ve hoa enao? anontanio reninao fa tsy possible mihintsy ny hoe teraka fotsiny comme ça!marie reniny jesosy ihany no toa izany!
tsy misy hidirany fahiny eto fa ny an\'io no resahina satria fitondrana ra8 izao no resaka!

tenagasy> vetsaka ny zavtra noresahinao fa miainga foana aminy fijery partisane tsy misy planina mazava!

1- tsy miresaka ny fahiny hoy ianoa...!eny tsy miresaka ny fahiny satria efa hita ny nataony teo aloha,ary ahitsiko kely ianao aminy \"point\" maromaro izay diso !

ny demokratia taminy 1991 dia no imposeny F.Mitterand ho any président afrikanina rehetra!izany no antony nahfahana nadrava any ratsiraka teo ,fa raha tsy nisy izay ,tsy nahavita inona inona !
manaraka:miala tsiny fa ilay 25 taona resahinao dia nisy fanapahany,i zafy no nitondra,ary raha nisy olona tsara misalotra ny anarana demokrate dia i zafy ny voalohany fa dia aza mitompo tena loatra aminy ity ra8!
manaraka:hafa tokoa ny fahitanoa azy satria ny tsy famelana ny olona voafidy(depute,senateur,maire...)hanao famoriana ,inona no filaza izany? fahfahana ve izany? ary azavao ny antony mahatonga ny partie TIM mahazo manao famoriana fa ny ambiny zero?
manaraka: hasina hoy ianoa tsy mahavita ny miaro ny tenany....:o,rangahy!fa iza no tokony hiaro ny mponina ao aminy indrindra fa minisitra taloha? tsy ny fanjakana! koa raha izany tsy gaga raha mirongatra ny \"insecurite\" satria censé izany ny tsirairay no miaro ny tenany sy ny fananany,ka tsy izay ve ilay hoe :LA LOI DU PLUS FORT?

2-resaka puissance any ra8 nahfahana nadresy any ratsiraka:.....!MIALA TSINY E! raha mba nadinika ihany ianao dia atopazo taona vitsy vitsy teo aloha ny sainao mikasika ny ra8!inona no antony nanosika azy hilatsaka MAIRE! ary koa ho PRESIDENT!

valiny:
tadidinao angamba ny tsy famelany gvt ratsiraka any8 hampiditra omby sy zavtra hafa, tao aorian\'izay dia nilatsaka maire izy!PAR ACCIDENT izay!ny zavbitany koa dia hitanao ireny!zara fa vita ary tsy vita dia tonga ny 2 taona filatsahana filoha!nilatsaka izy satria hitany fa mitovy ny chance ho any rehetra satria tsy nisy consensus ny mpanohitra,tsaroanao angmba izay!vokanyNANOHANA PAR DEFAUT AZY ny rehetra na dia hita sy tsapa aza fa tsy manan traikefa sy programa mazava!

Izay ilay fisainana malagasy izay teneninao eto hoe zavabita: TSY resaka inona sy zavtra sarotra fa efa tarazo miraikitra anty ra!dia tsy ny inona fa ENY AMPANIDINANA NO MANDINIKA NY TOHINY! ny zavtra tanisainao rehetra ireo hoe zava bita dia izay avokoa!resaka lapa anosy,efa nojerenao angaha ny anainy? manao ahona ny fitaovana ny fahampiany,ny fitantanana izany!tsara ny nanao REHABILITATION!marihina izay satria tsy construction io!ary izay rehabilitation izay dia IREO ZAVTRA REHETRA TANISAINAO IREO ankoatra ny lalana sy ny hopitaly ,ary sekoly sasantsasany ,dia izay avokoa!

eo no hanairako ny sainoa hoe ary itovizako aminy VETSOKO,dia ny hoe aiza ilay planina sy fahaiza mitantana e! tsy fahazai mitantana ny rehabilitation sauf ho any olona tsy nahita trano niloko 25 taona!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011