inona no zavabitandra8 vokatry ny fahaiza mitantana

21. routa ( 31/10/2006 18:26)
zayyyyy
22. Robert ( 31/10/2006 18:55)
Tsy lasa tsony ity Ra-8 ity. Tia tena, managana orinasa maro be hanangonan-karena.

Izà ary ny hasolo azy?
Tsy ho Arema kosa aloha ee, satria ry zareo efa nagalatra teo foana nandritra ny 25 taona.

Izà ary??
Candidat 14, ohatra mitovy daholo...Samy te-hameno paosy daholo.

Ohatra tsy hisy afaka ha-solo aza indray ee..
23. akama2006 ( 31/10/2006 19:04)
belaza> ho raisiko ny famaliana ny teninao satria izaho no nanokatra ny ady hevitra!

hoy ianao:
andrefan'ambohijanahary akorondrano(novakina)sy ny maro hafa tsy ho voatanisako eto daholo; oviana? ary tamin'ny andron'iza? no mba nahavitanireo lalana ireo?.

valiako tsotra :oviana ary taminy androny iza no nahazahona vola be avy aminy fmi sy bm momba ny fanamboarana ny lalana sy ny infrastructure?????

raha niainga avy aminy tsy misy i 8 dia marina ny anao fa ,efa nisy ny efa natomboka!


izao koa no tokony atao antsaina 5taona nitondrana nahavita anizany rehetra izany, ny teo aloha ary 20taona mahery inona no teo? faharavana. mba dinio kely anie, ianao io ve ao anatiny 5taona mety ahatafarina ny tokatranonao izay potikiny rivodoza ohatra?


valiny: ny 5 taona nifanarahan dia ny hampanana ny tsy manana ary hanatsara ny any efa manana,DISO IO SA MARINA!IZA NO NILAZA IO!mba VALIO! ny programa tsy misy nefany no antony iray tsy nahitana vokatra satria mora ny manao lalana fa raha dian-tongotra ihany no hampiasan azy tsy hita izay antony!ny teo aloha aza resahina fa tsy misy miresaka ny teo aloha eto fa ny androany ,nanomboka 2002!!aoka hazava izay.


ny rivodoza tena goavana nandalo teto dia ny FIFIDIANANA TSANGAN'OLONA FA TSY TSANGAN-KEVITRA!!

NAHONA NY OLONA TOA NY TANY BRESIL LULA NAHAVITA NANARINA NY TOEKARENY NEFA SAMY ETO AN-TANY IHANY NO MIAINA FA IANAO MANAN SY NAHAZO MOYEN(milleniumkontyetc...)TSY MAHAVITA FA MITADY FIKA HANILIHANA NY TSY FAHAIZANA!
24. belaza ( 31/10/2006 19:54)
tsy hiady hevitra be aminao eto aho fa enao manana olana amfitondrana ra8(angamba) fa izao iza aminireo milatsaka ho fidiana ireo aza no tianao hasolo andra8? mba mitenena olona 1 hoe IZA???? mahay sady mahavita fa ho tohanako hatraminy farany
25. rakaroka ( 31/10/2006 20:08)
Ehhhh ny zava-bitany?...
Voalohany: "Merci à la fomba ra-8 ny olona mifandimby miari-tory niaro sy nanohana azy fony izy vao hiakatra teo amin'ny fitondrana: Ka ilay Merci en vrai sens dia tsy misy io bien que c'est la moindre des choses fa ny hangeza ny olona sy hanala amin'izy ireo ny differents pouvoirs (y compris pouvoir d'achat,etc...ho eo ambany fahefany hatrany no solon'ilay fisaorana!...
Faharoa:Vitany sy ireo mpanaraka azy ny mitsara ivelany ny olona: managadra izany mandritra ny fotoana hitondrany noho ny ahiahy fotsiny.
Fahatelo: Vitany ny manameloka olona tsy mandalo fitsarana!...
Fahaefatra: Vitany ny tsy manao Amnistie izany mihitsy satria moa rizareo sy mpanaraka azy dia
mpanao pli-vava ny hoe mamela ny heloka... tahaka ny hamelana izay meloka. Ny comble dia misy olona tsy meloka akory fa helohina noho ny ahiahy fotsiny!
Izay aloha!
CONCLUSION:
Betsaka mihitsy ny zava-bitany ka FA TENA Tsy nahavita inn mihitsy izy mitaha amin'ny tarehi-bola kirakirainy sy ny fahefana tanany!...
26. belaza ( 31/10/2006 20:45)
eny oa tsy nahavita izy araka ny fijerinao manokana, fa mba iza na manomeza anaran'olona 1 aminireo pilatsaka ho fidiana mety ahavita aminy ilainao azy? mba lazao fa ho tohananay hatraminy farany!!
27. akama2006 ( 31/10/2006 21:26)
iza!ho ahy dia i HASINA!
28. fijo ( 31/10/2006 21:44)
fanamarihana kely.toa maherihery le resaka,ka aoka tsy isika no hifandramatra fa ny hevitra an.satria rehefa lany ry zalahy dia eo isika.

izay iny,fa ny ahy ny fahitako azy no holazaiko.ho ahy izay tsy mipetraka any aloha.za dia mankany mada isaky ny roa taona,ka za dia nahita sy nahatsapa fiovana tokoa tamin'ity fitondrana ity.resaka fiainana andavanandro io .
hiteny ny sasany hoe ,ka ela € no ampiasain'ialahy.ie ekeko izay,fa tamin'ny andron'i le jamba anie FF no nampiasaiko,fa tsy mifankaiza loatra raha ny vidinjavatra e.satria ny € mety matevina noho ny taloha,fa ny vidinjavatra koa niha natevina ihany.ka tsy niova firy izany amiko.
raha milaza kosa nereo hoe "ny lalana vita ve hanova inona?"dia gaga amin'io fanontanian aio aho.satria ny firenena rehetra izay mandroso sy miroso amin'ny fampandrosoana,dia io fifandraisana io no zavatra henjehana voalohany.raha vita daholo ny lalana rehetra eran'ny mada,ka tsy mbola tafavoaka ny vokatra,dia misaina ,fa efa ny olona mihintsy izany no kamo,ka eo indray;na iza filoha na iza,tsy misy fiovana vita,satria le vahoaka mihintsyno efa tsy te hiova.
hevitro izay.
29. manantsoa ( 01/11/2006 03:54)
Ho an' izay mpankahala Ra8:
Noho ny tsy fahavitan' ny fitondrana notarihany ireo asa ireo indrindra no mbola hifidianan' ny olona azy.
koa ninoninona fitanisanareo an'izao sy izao dia efa mazava ny safidin' ny olona .
Ny jamba sy pao-maso no tsy mahita ireo zava-bitany tsy vitan' ny sasany nandritra ny taona maro.
30. agoago ( 01/11/2006 07:58)
Na nahavita izy na tsy nahavita zavatra mihintsy satria samy manana ny fijeriny sy ny fitsarany ny tsirairay.Mbola ho voafidy izy, aza miady hevitra lava be @ zany ianareo.
Satria popularité hananany, oharan'ny lavitra be ireo candidats ireo izay mety misy mba afaka mety ho tsara hoy isika. Popularité anefa mikoty be @ fifidianana, fantatr'olona ianao, vao miditra @ fisafidianana izy.
Ny mpifidy tsy ny antanandehibe fotsiny koa, fa ny any ambanivolo rehetra any.
31. akama2006 ( 01/11/2006 09:45)
tsy possible mihintsy izany ny mba hisiana mpitondra mazava saina toa andry THOMAS SANKARA? fa dia tsy maintsy mameno amposy sady mody manao asa?
32. lagoon ( 01/11/2006 11:06)
Airmad,Secren....
33. akama2006 ( 01/11/2006 12:02)
manatsoa>> izay mihintsy le tsy mety ko!5 taona nomena anao dia vitanao ilay izy fa tsy hoe mila ratrapazy kely zalahy! izay no tsy maha d\'accord ahy aminy le resaka satria tsy maintsy vonjy vonjena sy afinafenina foana ny tsy fetezana dia tonga ny 10 taona dia gidra amin\'izay!hovana indray dia mitohy le sikla!:roll:
34. jari ( 01/11/2006 14:22)
Ady hevitra efa nitsipy moa ty zalahy ka de tsy mainsy mba hiteny kely iany, momba zany fitondrana ankihitrio zany, ary ny valin-teniko de ngamba miantefa ho an\'i Ronaldo manokana : tsy aiko loatra zay taon\'dranga fa entiko hampieritreritra kely fotsiny an-drangah de izao : tsy hitsara a oe zao na zao no vitan-d8, ary tsipihako manokana fa tsy pomba azy a! fa kosa mijery amin\'ny maso tsy miangatra sy mampitaha zay efa nisy amin\'ny zay tranga ankehitriny, ary tsy misy afabela amin\'ny tantara isika ralahy ; hatramin\'ny nahaterahako a ralahy de zany Ingahy Ratsiraka zany no teo amin\'ny fitondrana, ampy taona de mbola zany iany no teo, feno 25 taona katroka a ralah de mbola rà sy herisetra mangatsiaka no nentina nanongotra azy teo, ka zao, 25 taona ngarangidina, inn no niova teto amintsika, nopotehina tamin\'ny fomba mahomby sy mihaja ralahy zay rehetra tazan\'ny masonao, tsy aiko loatra zay toerana honenanao fa mafy ne ralahy zany oe na de afokasika ary de nilaharana taloha e! mafy zany oe ankizy iray in-dimy na in-enina vao afaka bac, mafaitra ne ralah zany oe, tsy azo novidiana teto amin\'ny tany sy ny fanjakana fa risoriso hatramin\'ny kely ka hatramin\'ny lehibe e! ary ny aretina de nipoipoitra ho azy tsy hay oe ahona nanerana an\'i madagasikara e! ary tsy nisy afa-bela ny majinika tamin\'zany, ary raha hiresaka zava-bitta a ralah, ny tranom-panjakana tamin\'ny andron\'ny tsiranana iany ralah, toy izany koa ny lalana sy ny taojava-baventy rehetra nijoro teto madagasikara! lalana ? tamatave mande tana io nataony zay hahasoa azy, ny antony ? misy ketrika tao! ny ankoatr zay taiza no nisy fiovana teto ary ? ary inn no mba nandroso tamin\'zany ? asa na azonao an-tsaina ralah fa nafokaina sy nopaina mitsy ary nambaniana tanteraka natao tany amin\'ny kilasin\'ny farany ambany zay rehetra nitondra ny fanagasiana teto, ny marina ralahy ny tena saika hitondra ny fanagasiana sy hevitra tsara tenin\'ny fanagasiana nampakana sisiny sy tsy nomena laka zay tsy maty, fa politika fanapotehina no nasolo azy, tokony tsy ho gaga isika raha ireny no vokany, tsy azontsika mianakavy an-tsaina kely akory oe maninona ny firenena maro eto an-tany mampiasa ny fitenin-drazany ho fampianarana mandroso sy tsy mitsaha-mivoatra, nahoana isika gasy kely iany no de resy tsy miady, na niady fa resy ambony latabatra ? ny marina ralah de tetika maty paika hatramin\'ny fandraisan\'zany rangahy zany ny fitondrana no efa nanimba antsika, niainga zany tany amin\'ny fampianarana voalohany, nandia ny fandraisan\'ny fanjakana an-tànana ny zavatra ilaina rehetra adavanandro, zay nafahany nanjaka tokana tanteraka, nandalo amin\'ny fametrahana olona teo amin\'ny ambaratongam-pitondrana isan-tokony miainga hatrany amin\'ny lehibe ka nipaka hatramin\'ny madinika indrindra, ary tsy nisy afa-bela teto zay nitady hanohitra tamin\'zany, ary ny mampalahelo indrindra de tsy vitan\'ny tsy nisy ne ralahy ny zavatra tamin\'zany fa raha nisy aza mafaitra enao vao mahazo e! filaharana tsy hainao eritreretina, hividy labozy sy afokasika a de milahatra, avy eo lany, tsy moramora ny niaina izany fa tadidio, ary tsy ndrindran\'zany fa marina ne ary tsy azo lavina fa oe : ariary roa ny afokasika ary mbola ariary efatra ny kapoaka ny vary fa zao no tsarovy : tsy misy asa azo nataonao majinika tamin\'zany, mangidy ary lazaiko anao fa magidy lavitra noho izao zany atao oe vola zany . Tsy ny misaina io vola io oe taloha zao no vidin\'ny zavatra na zao no zava-dehibe fa ny oe ohatrinona moa ny vola miditra ao amin\'ny tokantrano iray tamin\'zany ary olona firy no mba afaka miasa,ary lazaiko anao fa zao ary ny olana mba oe mivarotra majinika etsy na miketrika kely etsy de mba mety hahita vola e! fa tamin\'zany ? mitanin\'andro ny akamaroan\'ny vahoaka malagasy . ary ny fahantrana de lazaiko anao fa isam-baravarana ?
tsy milaza mitsy a oe tsy mahantra tsika amin\'zao fotoana zao ? tsia ! fa mafy no noentina sy nobaben\'ireo ray aman-dreny tamin\'zany, zany any amin\'ny hopitaly zany tsy ho lazaiko anao marimarina . ny fitondran\'ny zafy tsy ho lazaiko fa hoy a oe : inn moa no azony natao teo, ny vola tsisy ny fahavoazana sy ny fanarrenana ny efa simba nandritra ny dimy ambin\'ny folo taona manginy fotsiny, de mbola nahazo fitondrana iany ilay raika lahy taloha, de reny no vokany, mino a fa niaina tsara tao anatin\'ireny ralahy, inn no zavatra niova teto hoy ralahy ary ? nankaiza lay scaner gratuit e! ny hopitaly zao e! isaky ny firaisana, zao e! inn tsy saika vitany ndray ny namerina lay tamin\'ny taona valopolo ? ny marina zany de zao ralah! nolazaiko zany rehetra izany an! hampieritreritra antsika, sy ny oe taiza ho aiza moa no nisy ty firenena ty ary fivoarana toy inona no nisy teo taorian\'io fitondrana ankehitriny io, ary ankehitriny kosa aiza no misy azy amin\'zao fotoana zao ? hiaraha-mihaiky fa mafy ary tena mafy ny fiainana, nefa tsy afaka manao dingan-dava isika ralah, mijereva amin\'ny maso tsy miangatra ary mba manaova fampitaha, mahaiza mampitaha, firy isan-jaton\'ny malagasy taloha afaka mihinam-bary indray mande isanandro ? nefa ilay vary ariary efatra ny kapoaka ? firy no mba mitafy sy mba afa-niady tamin\'ny aretiny ? asa ralah na mba efa nisetra izany lagaly zany ? tsy nisy afa-bela tamin\'izany ne ny tontolo ambanivolo e! tsy nisy aretina ka tsy nipoipoitra ho azy tamin\'zany lazaiko anao marina, ary ty valala, aona moa hoy ianao no mba azavao amiko oe ao anatin\'ny volana roa na iray de feno vlala madagasikara ray vohitra ? tsy reo iany ve moa no valala teo hatramin\'zay ary tsy reo iany ve no nanatody teo ? fa tao anatin\'ny volana vitsivitsy tsy nampoizina teo de mampivadika fiara ny kijeja tamin\'ny lalana mianavaratra rehetra iny ? mandefasa saina kely de hazava aminao fa politika fanapotehana mihaja ary viadinika lalina tanteraka tokoa no niainantsika hatramin\'zay, ary ny trosam-panjakana tsy mba nampalasa saina antsika satria tsy mikasika anstsika mivantana nefa de nanindrona antsika mianankavy ivoho, ny fanarenana izany rehetra teo aloha izany ralah de tsy mora velively, ary raha fiovana no tian-kambara de manizingizina aminao a fa efa nahadingana an-dalan-tohatra maromaro isika malagasy tamin\'ny fandraisan\'io rangahy io fitondrana, diso aho anefa raha miteny aminao oe mety daholo kosa zay nataony ? tsia! na oe : tanterany daholo zay nolazain\'ny vavany ? meloka ny olona iray raha milaza izany lazaiko anao marina, fa kosa araka ny efa voalazako tetsy ambony mahay manao fampitaha, ny teo aloha sy ny ankehitriny, ary ho faranako ndrao lava loatra de zao : ohatra velona roa zay mba tsapako loatra no hanamafisako zay rehetra zay aminao, mangalaha ianao tànana iray eto madagasika de zao alao tsy ho eo ny tranom-panjakana sy ny fianarana na hopitaly niorina tamin\'ny andron\'ny tsiranana, na koa ny lalana godirao, fa Arivonimamo sy faritra itasy iny no entiko manambara aminao fa 25 taona ny olona iray tsy nahefa na inona na inona amin\'iny raritra iny raha ho tanterahana zay voalaza tetsy ambony lazaiko anao de reo infrastructure nisy tamin\'ny fahapanjaka tompokolahy no mbola saika nisy hatrizao .
Ary raha te hanamarika marina ianao io na haka ohatra miviaingana oe nisy fiovana i madagasikara sa tsy nisy! raha manana havana monina ivelan\'ny madagasikara ianao ka mandalo maka rivotra izy de hanontan\'io de ho hitanao zay ambarany, fa tsy misy olombelona tonga avy any dago ka sahy milaza fa mbola lasa mihangazana iany madagasikara!
Ny tsy lavina kosa anefa ary tsy maintsy ambara de zao : samy manambara ny rehetra oe mafy ny fiainana any madagasikara any ! ary ny mahafinaritra hatohin\'ireo olona ireo de zao : saingy misy fivoarana kosa aloha na izany aza! ary toy ny tany miavo-tena rehetra iany isika malagasy manarina aloha ary tsy mora anefa zany oe manarina izany, ny fehiny de zao : \"io lay tonga amin\'ny tenindrazana oe ny hisavorivorian-kantona ry izy mianakavy\".
Tsy miteny amintsika a oe fidio iany ra8, fa kosa mino ve tsika fa haefa kokoa noho ireo efa vita ireo ary hanala tsika amin\'ny fahantrana ao anatin\'ny taona dimy sy efatra zay hasolo azy eo ? tsy tsapatsapa toy misiko-body akoho ny fitondrana firenena ry izy mianakavy ka oe aleo ndray aloha mifidy an\'dranona na ranona sao mba ... ! de ho taraiky eo amin\'ny sao mba eo na izaho na ianao, tsika mianakavy e! tsika ne zao lay Omby mahia be tandroka e! mizaka ny tseran\'ny aina! mahereza daholo ary ! misaotra de manantena valiny e
35. manantsoa ( 01/11/2006 15:02)
Valiny :tsy fahalalam-pomba ny fanaovana lahatsoratra lavabe toy io amin' ny forum.
36. belaza ( 01/11/2006 15:17)
akama2006>hoy enao hoe:oviana ary taminy androniza no nahazahoana vola be avy aminy fmi sy bm monba ny fanamboarana ny lalana sy ny infrastructure.
izao no tokony ho tonga ao antsainao voalohany, mato i ra8 nahazo izany vola be izany dia atokisany pamatsy vola; ary iza mo no afaka hanao zavatra miainga aminy tsy misy izany? sa ve atao \"magie2\" ny tianao tenenina? sa te hiteniteny fôna fotsiny ianao?.
hoy ianao koa hoe>FIFIDIANANA TSANGAN\'OLONA FA TSY TSANGAN-KEVITRA.
ny olondrehetra anie afaka mamorina programa daholo e, fa mba jerena ihany izay zavabitany teo aloha na nisy marina na tsy nisy; ary TSY ADALA NY VAHOAKA MALAGASY NIFIDY ANDRA8 HO FILOHA. ny malagasy tsy nifidy tsangan\'olona arakiny teneninao fa nifidy olona manana tsangan-kevitra matotra.
hoy ianao koa etsy ambony> ny hasina: de hoy aho hoe> nnndryyy!!!! ministera iray(1) ary nanahirana azy ny nitondra azy taminy androny maika fa i madagasikara manontolo?. aza miteniteny foana fa tssssss!!!
37. vetsoko ( 01/11/2006 17:19)
mbola sodoka @ zavatra hitan'ny maso ny maro amintsika,ary fomba fiadin'ny polititien milliardaire eran-tany io(manangana zavatra hita maso dia resy lahatra ny maro)fa ny atao hoe fandrosoan'ny firenena ry zalahy dia ireto tena porofo tsy azo ialàna ary tsy vainga hita maso akory:
.Inona no secteur d'activité mbola midomine ao @ le firenena ?????
.miasa daholo ve ny population active(population en age de travailler)satria ireo no afaka mi-produire richesse nationale,PNB sy PIB,ary ireo koa no MAMELONA ny tsy population active
.CHOMAGE
.offre et création d'emploi et d'activité
.Balance commerciale(déficitaire sa éxcedentaire):importation sy exportation io
.flux monétaire et entrée de devise
.TAUX D'ANALPHABeTISATION
.TAUX D'INFLATION SY PRIX DES PPN
.ACCES A L'EAU POTABLE ET AU LOGEMENTS
. SMIC
.CALORIES CONSOMMEES /hab/an
.ESPeRANCE DE VIE
.sourrce d'energie la plus utilisée(charbon sy kitay)
.importancen'ny secteur informel
ets ets ets.........
et à la fin hita eo ny croissance eCONOMIQUE
MILA PROGRAMA,MILA STRATEGIE ECONOMIQUE MATI-PAIKA,MILA COMPETANCE(fahaizamanao),MILA EXPERIENCE (FA TSY ESSAI IO AKORY),mila volonté politique izany rehetra izany fa tsy hoe MINOA FOTSINY IHANY fa tsy misy programa aloha ,dia izay tsy mino dia gadraina
38. besoiiin ( 01/11/2006 17:24)
akama2006> ary toa miforidrambo foana ingahy raha vao miresaka ny mpitondra fahiny e? tsy hainingahy ngah fa ny dadanlisany no cause n'ny nampitotongana ny gasy???:-D:-D:-D ary tadidio fa negatif ny harikarena teto nanomboka apres crise... aiza ho aiza nefa izy zao??? nefa vao 5 taona monja??? ary tsy hitako izay himenomenomana sy hivovoazana eo fa raha tsy faly dia fidio ny hafa, na mirotsaha mihintsy ho mpitantana mba ho hita eo! .. kanefa toa ho nofinofy iany izany, tsy hireussin @ fiainana minintsy ny olona négatif fiainana ohatra anla zao...:D:D:D aleo iomezana fotsiny
39. kitjo ( 01/11/2006 17:35)
tsy azoko ny analizin' ny sasany

fa enao ve raha hikarama na mba mi buzn d tsy ny hitady vola sy hampitombo ve no tanjona?

mba mieritrereta e!
40. vetsoko ( 01/11/2006 17:40)
le sujet mihitsy no ohatran'ny tsy azon'ise
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087