Vita soa aman-tsara ny fitsangatsanganana e

1. ravatorano ( 29/10/2006 07:10)
Fisaorana an'andriamanitra no anokafako ity lohahevitra ity nohon'ny nanomezany fahasalamana,fahavitrihina,sy fotanana nahafahana nanao iny fitsangatsanganana teny Vontovorona iny.
Isaorana koa ireo namana rehetra nitoto nahamasaka iny hetsika iny.Deraina ihany koa ireo namana rehetra tonga nifanotrona teny dia ireto avy izany : =D=D=Dvoahirana,diosezy,watafon,eddy_,Eddy,danielle, ikala,mcz,crisy,laurent;tix,aidan,tsiry,haingo, mimich,nala,reporter,nadia,maoulkita,glou,sasa,blanche07,mimi,tiana love,anarim,mirana,poupounessana,fara_,linjokely, misa,tolotra,tahiry,ony(lahy),mahefa,kynogy,giverre, manjamanja,liltax,majesty,nix,samiguitare,notron, rijja,mangoboka,rivo,patou,ravatorano=D=D=D.
Ialako tsiny ireo ty voatonona .
Somary nisy fahatarana ihany ny fiaingana satria mbola nandrasana ny namana niantso fa taratara kely nohon'ny fihomanana.
Tamin ny sivy mahery kelu teo no niainga ny fiara anakiroa nitondra any namana tonga teo niala teo amin'ny Motel d'Anosy ka nitodi-doha teny amin ny saha Edena Vontovorona izany.
Teny moa dia efa nisy ny fandaharam-potoana efa nomanina hatao eny ka dia ny voalohany indrindra sdia ny fifampahafantarana mba hifankahalalana izany dia samy nanonona ny ps-ny avy ny tsirairay.
Ny kilalao teny dia teo ambany fitaraihan 'i mimich sy ry watafon ary ry glou izay isaorana etoana ny fahavitrihana teo amin 'ny fandraisana andraikitra momba izany.Nandray anjara avokoa ny namana ,ny mpaka sary moa dia tsy nihambahamba nitifitra hatrany amin 'ny "insolite" :-$:-$:-$hoy ny fiteny vahiny.
Tao ihany koa ny vazo amin 'ny gitara izay fanao araky ny mahazatra:wink:.
Nahafinaritra ihany koa ny nifandrombaka niara nisakafo teo amin ilay aloky ny sapin voafafin ny rivo drano avy ery ambany hany ka nazoto homana avokoa izahay rehetra.Zamoa defamazotoa foana fa tamin 'iny indray mitoraka iny tena oka fotsiny !
Tao koa ireo namana nitaingin-dakana nanao tour ny farihy ary dia sondriana tokoa tamin 'izany:-w:-w:-w.
Ny tolak'andro moa dia teo ny brchetteparty izay samy nandray anjara teo avokoa ary ny kilalao irahana amin izany mbola mandeha ihany, ny vazo tsy mijanona ihany koa.
Ny nanamaloka kely ilay fiarahana teny dia ny fahataran ilay fiara nakiray hitondra nody ka dia tsy tafaraka nody zahay rehetra satria nohon 'ny faharivan'ny andro dia nalefa aloha ny namana sasany fa ny ambiny niandry teo vontovorona .Isaorana koa i Patou nitondra anay hatreny niandry ilay fiara.
Betsaka ny namana no hilaza ny fahafam-pony na ny fahitany ny tokony harenina amin ny hetsika toy ireny no hiditra eto ary iangaviana mihitsy mba hanome ny heviny fa ny ahy ity santatra ambavarano ihany , teny nomena ka dia noraisiko .
Ny tenako manokana dia faly ary afa po ka isaorako eto isika namana rehetra voatonona ps ery ambony ery fa tena nahafinaritra e tsy te hiteny aho e voa mafy izay tsy tonga nefa io safidy ihany io e.
Misaotra an i Fa ftma,ry la-douce,ry arialy ihany koa nandefamessage namapahery anay tamin iny andro iny fa dia voaray ry reto ah !misaotra e fa tena nareo marina izany ilay nampihevina anay mafibe tamin iny fa noheverinay fa mbola nisy tsy afaka ny grippe .
Izay sy zay ary fa dia amin ny manaraka indray e !
tsiky dia ampy
zokibe ravatorano ^:^^:^^:^
:wink::wink::wink:

Nahitsin'i hery
novalian'i mbaliana ny 05/01/2007 13:25
2. Fiffi ( 29/10/2006 07:38)
Dia isaorana an'Andriamanitra zany fa vita soamantsara ny fihaonanareo tany . Tsara andro sns..

Dia misaotra an'i Ravatorano koa nanao ny tatitra sy ny fizarana ho an'ny namana rehetra izay aty lavitra aty ! :)
De miandry ny sary zany an! :)
3. sipagasy ( 29/10/2006 07:41)
dia mankasitraka ny tatitra e! niaraka taminareo an'eritreritra ihany koe e! hihih dad'tou ravato sa tsy izany moa annnn :wink:

dia mianjy ny sary izany sisa izao e!!!!!!
4. fasaly ( 29/10/2006 07:59)
mahafinaritra foana e! misaotra ny mpinadraikitra nanao tatitra sy ny nizàra ny ambiansy tany:wink::-*
5. booboo ( 29/10/2006 10:35)
asio sary ! asio sary ! asio sary ! :°)

Misaotra t@ tatitra ô:D
6. ftma ( 29/10/2006 12:10)
Nahafinaritra rehefa samy nahazo fahafinaretana ianareo rehetra tany, misaotra amin'ny tatitra, sary sisa izany andrasana, mirary fihaonana mahafinaritra atrany e :D
7. tslem ( 29/10/2006 12:17)
Mahafinaritra izy zany ,tahak'izay ah mba nandé,d rôvina ndray ny manaraka,mba alefaso ny sary e!
8. vale ( 29/10/2006 13:22)
Mahafinaritra izy izany zoky Ravatorano a:wink:, de miandry ny sary koa ôoohhh :wink::°)
9. Ralay ( 29/10/2006 14:06)
Misaotra ny nampita vao² fa dia mahafinaritra tokoa ny fitantaran'ny namana ravatorano azy. Mankasitraka e.
10. poupounesana ( 29/10/2006 15:09)
misaotra zoky @ tatitra ah. d nahafinaritra tokoa iny han, hafa mitsy....misaotra ny mpikarakara rehetra. d ny hetsika manaraka hiangan zany no andrasana e. d zay mbola tsy nande mitsy d mbo tongava eh, zay alo afapo eh
11. Fiffi ( 29/10/2006 20:38)
miandry ny sary eh ! :)
12. sasa ( 30/10/2006 04:48)
=D=D=D Eto izany d mbola manampy ny fisaorana efa nataon'i zoky io ambony io, tena nahafinaritra tokoa iny excursion iny fa isaorana betsaka ireo tonga nanotrona sy nandray anjara, nahafinaritra be le nanao lalao iombonana hi hi h ih ih iindrindra moa le vitsy lia hi hihi attrapé Poupounesana hi hihihi, fa tiako be ihany koa aloha le nitaingindakana lol za niverina indroa mintsy fa nisy nitondra foana, fa ny tena nahatsikaiky d za tratra nandihy foana f'angaha tsy ho wanted any am sary indray moa iny izao, rehefa vita ny sary :-$:-$ izay mahalala an'ahy aza miteniteny.Fa tena nahatsikaiky koa d le nanao ondry iny hi hi hi hi i watafon tsy nety nanao tsony fa efa nahay fa le razoky 1 izay no tratra teo d nihomehezan'ny namana nilalao teo, fa tam le ballon prisonier klou d prisonier foana i watafon sy mimich :-D:-D:-D resinay foana sady tamana tao zoky watafon fa sipa manja be 4 be izao no tao am prison niaraka taminy, nahavoa aloha elah tamin'iny.
Kiiiiiiiii za hatramzao mbola farim-peo fa loza loatra raha hivazavaza mantsy, tsy mahalala reraka mintsy sady lozan-tany raha hananihany ankizy.
Za aloha ry zoky ravatorano, d tonga d hiteny hoe voa mafy izay tsy nandé koa, hatramzay mba excursion nalehako mantsy d iny no hitako tena tsara indrindra koa.
=D=D=D
13. sasa ( 30/10/2006 04:53)
mbola ho avy ny sary
Fa hih ihihh misy sariko mandihy be any lol raha nisy naka hi hihihih hi
14. ravatorano ( 30/10/2006 05:24)
sasa
15. naritsimba ( 30/10/2006 05:49)
Dia mankasitraka anareo izay nikarakara na dia tsy tonga tany aza ny tenanay. Maniry ny hitohizan'ny toy izany foana e.
16. mimich ( 30/10/2006 06:18)
nahafinaritra ny fitsangatsanganana e,
le ballon prisonier klou d prisonier foana i watafon sy mimich
ô ry sasa , fa nga tsy loza fa vokatr'ilay prisonnière lava de mbola nanonofy nanao ballon prisonnier aho ny alin'iny de mifanao kofom-baolina am manjamanja mba hahatafavoahana tao anaty prison .
De tamin'ilay nanala kiraro sy nandady mba tsy ho attrapé tamin'ny nanao vitsilia de mbola nisy tsilo kely nosokirina ny tongotra sy ny tanana tonga tany an-trano :lol::lol:
De maharary be ny fenay tamin'ilay nihazakazaka nanao passe à 10 fa i tix lava be de tsy maintsy mihazakazaka mafy be mba tsy ho tratrany nefa i manjamanja sy i watafon mahery miahazakazaka beuuu.de teo amin-dry linjokely sy ny ekipan'ny vazo no maka aina kely mihirahira rehefa reraky ny mihazakazaka tamin'ny passe à 10;fa zany we fanatanjahantena vita aloha ee.Tany mantsy nisy consultation gratuite zay koa dia voalaza fa tsy manao fanatanjahan-tena hono zay :-D:-D, sa tsy zany radoko.
De mbola tapa-tsinay aho io mieritreritra ilay train-dry blanche tsy nety nihetsika tery anaty sapin tsony :-D:-D:-D:-D sy i nala sy ny voambolana malagasy madio:-D:-D:-D
dia misaotra an'i fiffi koa niantso , voaray ny firariantsoa sy ny fiarahabana nampitondraina an'i watafon tamin'ny alalan'ny finday , hitanay mihitsy izy naka vody hazo izay miresaka am finday , nefa zay efa miandry azy hanao passe à 10, hihihi, de avy eny izy de hozy we , veloma doly ozy fiffi.:-*:-*:-*
de misy an-dry blanche; glou , sasa mandohalika be mihitsy amin'ilay vavaka alohan'ny sakafo ;
nahafinaritra eee.
Mahafinaritra izy zany ,tahak'izay ah mba nandé,d rôvina ndray ny manaraka,mba alefaso ny sary e!
: ny tahaka izay sy ny tsy nisy mitovy ihany , ela ny nahenoana an'ambatobevohoka.ny fanafodiny dia ny maka fanapahan-kevitra matotra rehefa oh ireny.
17. ravatorano ( 30/10/2006 06:20)
mimich
18. ari.malala ( 30/10/2006 06:27)
Maneho fialan-tsiny be dia be noho ny tsy fahatongavana ry reto a! tena nikasa mihitnsy tokoa ny handeha saingy noho ny tsy fahasalaman'i Ambinintsoa dia tsy afaka izahay! :-( efa niantso an'i Anarim aho nampandre, fa na izany aza mamerina ny fialan-tsiny e!
19. watafon ( 30/10/2006 06:39)
hummm ! misaotra zoky amin'ilay tatitra an =D=D! vao iny zany ny fihaonan'ny namana nandehanako fa dia azo lazaina fa afa-po e! sariaka sy tsy miavona daholo ireo namana rehetra e !ny tena nahavariana ahy zany d oe ohatran'ny olona efa nifankazatra elabe mihitsy e!
Fa toa voatonona foana oa ilay anarako e !:-D:-D:-D , tena nahafinaritra alou le razoky nanao ondry iny e! nampandandilady mihitsy ! =))=))=))
le ballon prisonnier moa zany d za foana no notorahandry zareo ny tena marina e! :-D:-D:-D za kou moa tsy sarotiny sady me prison anie k tsy tena izy sady nisy sipa manja e! :-D:-D:-D
d rovina ndray ny manaraka e !
20. Fiffi ( 30/10/2006 06:43)
mimich:
dia misaotra an'i fiffi koa niantso , voaray ny firariantsoa sy ny fiarahabana nampitondraina an'i watafon tamin'ny alalan'ny finday , hitanay mihitsy izy naka vody hazo izay miresaka am finday , nefa zay efa miandry azy hanao passe à 10, hihihi, de avy eny izy de hozy we , veloma doly ozy fiffi.:-*:-*:-*
mimich: heu..:oops::oops: fa hafaliana kosa aloha ny ahy raha naheno ny korananareo an! na de tsy naharitra firy aza ny resakay satria nga tsy grave fa eo am-piresahana teo de lany bat eh ! :(



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4379