Lalao : Ny teny malagasy sy ny aterineto.

121. simplex ( 21/10/2006 22:50)
lapino:
Boobs no fantatro, booboo manko e!

boobs ve zany no dikan'ny booboo @ teny diso
:-w:-w
interessant! :°);-):-P:-D
122. Tokinao ( 22/10/2006 17:22)
de ny simplex ve lasa hoe "saimpilekisa" reefa gasiana :-D .
ainteresà koa 'ka :-D :-D
123. booboo ( 22/10/2006 17:29)
Simplex, Lapino > :-D:-D:-D
124. xxx ( 23/10/2006 20:12)
Tokinao:

- Ho teneniko eto ny fandinihiko ny teny malagasy diso fanoratra (izany hoe "tsy ofisialy") eto @ "internet".
- Aorian'izany dia misy lalao tiako ifanaovantsika koa.


A)- Tsikaritra eto @ ity "internet" ity dia betsaka amintsika ny tsy manaraka intsony ny tena fomba fanoratra ny teny malagasy, indrindra moa fa @'ireny dinika (ohatra : ny dinika serasera), na tsaty ireny. Raha ny fijeriko dia azo sokajiana ho roa ireny hadisoana ireny :
1°- ireo teny diso azo leferina : sokajìko ato:
a- ireo teny diso "frappe". Ohatra : "fandriampahalemana" lasa "fandiramapahalemana" - "tsiky" lasa "stiky" - "vendredi magnifique" lasa "vendredi magifique", sns.
b- ireo teny lava fanoratra nefa mora tononina. Momba ity sokajy ity matetika dia ny fanononana no soratan'ny olona. ohatra : "olona" lasa "ol" na "oul", "izaho" lasa "zà", "ho'ahy" lasa "oa", sns.
d- ireo teny vazaha nogasìna sady notsoritsorina. Ohatra : "sujet" lasa "size", "beaugosse" lasa "bôgôsy", "salut" lasa "sali" :-D , "de bonne heure" lasa "de bonera", sns.
e- ireo teny nasiana "exagération" ny fanononana azy. Ohatra : "andray" lasa "anjay", "ndrekaky ô" lasa "njekak ô", sns

Ireo aloha no tonga ato an-tsaiko ka asa ianao "ra d'accord" :-) . Sa mbola misy azo leferina hafa koa ?

2°- ireo teny diso izay hita tokoa fa vokatry ny tsy fifehezana tsipelin-teny (na angamba koa fanadinoana) ; izany hoe sady tsy vokatry ny fahamehana, no tsy teny vahiny nogasìna, no tsy "phonétique"koa. "Za" manokana dia "krizy" kely "reefa" sendra azy ireny :) .Ary te-hanoro ilay olona nanoratra azy nefa tsy afaka satria manjary lasa fampianarana teny gasy indray no lasa resaka fa tsy ilay tena votoatin-dresaka Fa ianao no asa raha toa ahy. Ohatra : "eritreritra" lasa "heritreritra", "amiko" lasa "aminko", "ho an'i Tokinao" lasa "ho any Tokinao", "mihitsy" lasa "mihitsy", sns. ( aza tezitra ze voa a! :) :) ). Marina ve ny fandinihiko ?

B)- Ny lalao tiako hataontsika dia izao : rehefa mahita teny malagasy diso vokatry ny tsy fahaizana tsipelina isika dia apetraho ato ny mombamomba izany : ny fanitsiana na/sy fanazavana.

[center]Ny tanjona dia ny mba hifampianarantsika an'ity tenin-drazantsika ity. Satria afaka asaintsika hijery ilay fanazavana ato ilay namana nanao fahadisoana, izay ao @ "dinika serasera" ohatra.[/center]

Ka de alefaso @zay e! :)
Tokinao: sambatra kosa enao tsy mandiso mihintsy an!!:-P


125. Fiffi ( 23/10/2006 20:28)
mampianatra ve ho diso kosa ? :roll:
126. xxx ( 24/10/2006 09:28)

Tokinao: sambatra kosa enao tsy mandiso mihintsy an!!


Toa ironique be ilay vali-teny !!! Tsy misy tonga lafatra fa mbola mitady ny tsaratsara daholo ny rehetra

izaho aloha miombo-kevitra @ Tokinao tanteraka e, HAKAMOANA daholo no hitako @ ilay excuse hoe haingakaingana kokoa e ... etc . Tsy aleo ve mitsny zavatra fohy , marina toy izay lavabe nefa diso ny an-droatokony ? Dia jereo koa ny fotoana lanin'ny hafa manao devinette mitady hoe inona moa ilay tiany nolazaina teto

xxx1
127. lapino ( 24/10/2006 15:59)
xxx:

Tokinao: sambatra kosa enao tsy mandiso mihintsy an!!

Za koa mitsipaka an'io hevitr'i xxx io, fa manohana ny hevitr'i Tokinao!!!
xxx > "mihitsy" fa tsy "mihintsy" (tsy misy n) :wink:
128. pissoa ( 24/10/2006 16:03)
:-D:-D:-D

iza moa no niteny hoe tsy ho mihitsy mihitsy ny mihitsy raha nisy n ? :-D:-D:-D

(tato amin'ny forum ihany no nahitako an'io)
129. vale ( 24/10/2006 20:27)
:-D:-D:-D:-D
130. Tokinao ( 24/10/2006 21:35)
Tokinao t@ 15-10-2006 11:59:29:

...Fa raha ny fijeriko dia tokony hosorohina izy io ...

X(olona nanao fanamarihana tamiko t@ mailaka):

...Fa angaha tsy hoe "tokony
hosorohana" no fiteny , raha ny eritreritro mantsy dia hoe -soroka- no fototeny dia
tovanana -ana dia ny k miova ho h, dia avy aiza ilay i anao ?? ilay ho- moa
mazava ho azy fa mariky ny ho avy..
.


Io fitanisàna faharoa io de fanamarihana nataon'olona tamiko zareo a! "tokony hosorohana" hono no fiteny fa tsy "tokony hosorohina", ary nazavainy tsara mihitsy : hosorohina > ho-soroka-ana ("k" miova ho "h", ary tovana "ana" no ampiasaina).

Ka mba lasa tokoa ho'ahy ny eritreritro hoe : tsy mety angaha raha toa ka tovana "ina" no ampiasaina ka lasa toy izao no fandrasàna io teniko io :
hosorohina > ho-soroka-ina ( fototeny = soroka, ny "k" miova ho "h", ary ny "a" dia milatsaka ).

Raha mitombina moa ny an'io olona nanao fanamarihana tamiko io de diso koa ve zany le nosoratako voalohany manao hoe :
Tokinao:

Ho teneniko eto ny fandinihiko ny teny malagasy diso fanoratra
...Marina ve ny fandinihiko ?
Ka de alefaso @zay e!
...

izany hoe : tokony ho fandinahana ve no nosoratako teo sa aôna ? ( ny fototenin'ny fandinihana moa dia "dinika" : mitovitovy firafitra @ "soroka" )
Misaotra anareo ze mahavoavaly an'io e :)
131. cutie ( 24/10/2006 21:38)
fandinihako
za tsy mahay :-D
132. Tokinao ( 24/10/2006 21:43)
Azafady fa misy diso "frappe" roa hitako io hafatro eo ambony io :oops: :oops::
- ary nazavainy tsara mihitsy : hosorohana > ho-soroka-ana
fa tsy :
ary nazavainy tsara mihitsy : hosorohina > ho-soroka-ana

- fandinihana fa tsy fandinahana
133. cutie ( 24/10/2006 21:44)
hihihihi
134. Tokinao ( 24/10/2006 21:51)
cutie:

fandinihako
za tsy mahay :-D


izy io hono tô misy ifandraisany @'le resaka "hevitra ara-drafitra" ireny fa tena tsy tadidiko tsony oa le lesona e :). Ny kahie-ko taloha koa moa tsy aty amiko intsony :)
135. cutie ( 24/10/2006 21:53)
tsy mahatadidy an'zany tsony alou za e :oops:
tm @ zay :*:*:*:*
136. Tokinao ( 26/10/2006 20:26)
hihihihi
in koa zany tm ? hihihi:-/;-):-D
hihihi
137. cutie ( 26/10/2006 20:29)
teny malagasy vao2:lol::lol::lol:
138. Tokinao ( 28/10/2006 13:20)
teny malagasy vaovao vao noforonina tany USA ve ? iny indray no tsy arako. :)
139. cutie ( 28/10/2006 16:40)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D ie
140. Tokinao ( 05/11/2006 20:02)
tafandry mandry hono zareo kay ny dikan'io tm io a! :) . Ny bonne nuit moa de efa hain'ny maro fa "bn" :).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1951