Lalao : Ny teny malagasy sy ny aterineto.

1. Tokinao ( 14/10/2006 23:14)
- Ho teneniko eto ny fandinihiko ny teny malagasy diso fanoratra (izany hoe "tsy ofisialy") eto @ "internet".
- Aorian'izany dia misy lalao tiako ifanaovantsika koa.


A)- Tsikaritra eto @ ity "internet" ity dia betsaka amintsika ny tsy manaraka intsony ny tena fomba fanoratra ny teny malagasy, indrindra moa fa @'ireny dinika (ohatra : ny dinika serasera), na tsaty ireny. Raha ny fijeriko dia azo sokajiana ho roa ireny hadisoana ireny :
1°- ireo teny diso azo leferina : sokajìko ato:
a- ireo teny diso "frappe". Ohatra : "fandriampahalemana" lasa "fandiramapahalemana" - "tsiky" lasa "stiky" - "vendredi magnifique" lasa "vendredi magifique", sns.
b- ireo teny lava fanoratra nefa mora tononina. Momba ity sokajy ity matetika dia ny fanononana no soratan'ny olona. ohatra : "olona" lasa "ol" na "oul", "izaho" lasa "zà", "ho'ahy" lasa "oa", sns.
d- ireo teny vazaha nogasìna sady notsoritsorina. Ohatra : "sujet" lasa "size", "beaugosse" lasa "bôgôsy", "salut" lasa "sali" :-D , "de bonne heure" lasa "de bonera", sns.
e- ireo teny nasiana "exagération" ny fanononana azy. Ohatra : "andray" lasa "anjay", "ndrekaky ô" lasa "njekak ô", sns

Ireo aloha no tonga ato an-tsaiko ka asa ianao "ra d'accord" :-) . Sa mbola misy azo leferina hafa koa ?

2°- ireo teny diso izay hita tokoa fa vokatry ny tsy fifehezana tsipelin-teny (na angamba koa fanadinoana) ; izany hoe sady tsy vokatry ny fahamehana, no tsy teny vahiny nogasìna, no tsy "phonétique"koa. "Za" manokana dia "krizy" kely "reefa" sendra azy ireny :) .Ary te-hanoro ilay olona nanoratra azy nefa tsy afaka satria manjary lasa fampianarana teny gasy indray no lasa resaka fa tsy ilay tena votoatin-dresaka Fa ianao no asa raha toa ahy. Ohatra : "eritreritra" lasa "heritreritra", "amiko" lasa "aminko", "ho an'i Tokinao" lasa "ho any Tokinao", "mihitsy" lasa "mihitsy", sns. ( aza tezitra ze voa a! :) :) ). Marina ve ny fandinihiko ?

B)- Ny lalao tiako hataontsika dia izao : rehefa mahita teny malagasy diso vokatry ny tsy fahaizana tsipelina isika dia apetraho ato ny mombamomba izany : ny fanitsiana na/sy fanazavana.

[center]Ny tanjona dia ny mba hifampianarantsika an'ity tenin-drazantsika ity. Satria afaka asaintsika hijery ilay fanazavana ato ilay namana nanao fahadisoana, izay ao @ "dinika serasera" ohatra.[/center]

Ka de alefaso @zay e! :)
novalian'i cutie ny 12/11/2006 21:20
2. Tokinao ( 14/10/2006 23:54)
Ohatra voalohany : aza ampifamadihana ny "-ny" sy ny "-n'ny" na de eo aza ny fahamehana satria mampiova ny tiana tenenina io. Ohatra : "Lalina ny fandinihany vehivavy" # "Lalina ny fandinihan'ny vehivavy". :)
3. fasaly ( 15/10/2006 09:20)
tokinao: tokony nataon'i toi any am kolo-tsaina ity sizé ity:wink::-D:-D:-D:-D
kalou hamaky azy tsara zà de mamaly azy avy eo:°)
4. sipagasy ( 15/10/2006 09:26)
misaotra anao nanaiga ny adi-hevitra, marina daholo ireo voalazanao ireo ,saingy ny eto @ aterneto anie ka arakaraky ny fahenoin'ny sofina ilay teny no hanoratana ilay teny ihany koa e! eny fa na dia mampiova ny tena hevitr'ilay teny aza izany toy io "n'ny" sy "ny" io ohatra izany
5. Tokinao ( 15/10/2006 09:36)
fasaly:

tokinao: tokony nataon'i toi any am kolo-tsaina ity sizé ity:wink::-D:-D:-D:-D
kalou hamaky azy tsara zà de mamaly azy avy eo:°)


marina tokoa akia zany ry fasaly a! Za ve moa nahalala fa io no mba eritreritro nandalo tato an-tsaiko ka de nataoko tato @ "eritreritra sendra mandalo". :) :)


6. fasaly ( 15/10/2006 09:42)
tokinao: aoka re mariné e! zà no tena mpanao an'io!!!:oops: ouppppps! io fa mbola diso ihany
aleo hahitsy: zà=izaho:wink:
ddia ny ambiny aleo hotsokolivina ny dinika rehetra:°) de ahitsiko :lol:
7. Tokinao ( 15/10/2006 09:59)
sipagasy:

misaotra anao nanaiga ny adi-hevitra, marina daholo ireo voalazanao ireo ,saingy ny eto @ aterneto anie ka arakaraky ny fahenoin'ny sofina ilay teny no hanoratana ilay teny ihany koa e! eny fa na dia mampiova ny tena hevitr'ilay teny aza izany toy io "n'ny" sy "ny" io ohatra izany


Ekeko tokoa anie fa fombantsika ny manoratra "phonétique" eto e. Fa raha ny fijeriko dia tokony hosorohina izy io raha toa ka hampiova ny dikan'ilay teny. Fanampin'izany dia misy @'ireo teny diso eto no tsy avy @ "phonétique" fa tena tsy fahafantarana miits ilay teny. indraindray ohatra dia ampiantsika litera hafa mihitsy ilay teny. Ohatra : "eritreritra" lasa "heritreritra"
8. fasaly ( 15/10/2006 10:27)
sipagasy: sady eto am net lay maha haingana azy no hanoratana azy fa kamo hanoratra lava be:wink:

tokinao: ohatra izao zà vao nitsaty teto de nanao hoe:bonnap : bonne appetit na maztou: mazotoa:°)
atao ahoana re fa efa lasa raikitapisaka sahady lay izy e!:-D:-D:-D

betsaka ny tokony hahitsy fa efa zàtra loatra de mandeha ho azy ny hakamoana sy ny fahazaran-dratsy :wink:
ouppsss! manao diso foana ary izaho io kou!
de: dia;-)
9. booboo ( 15/10/2006 10:31)
Zà(:°)) manokana klou (:°)) dia mitovy hevitra @ Sipagasy hoe matetika rehefa eto @ internet dia phonétique no ampiasaina sy mahavantana ny be sy ny bobaka.
Na izany aza, ekeko hoe ndraindray tsy azo tsy araka tsy mazava ny tian'ny sasany lazaina satria tsy hainy ny tena fanoratra ilay voambolana.

Ohatra : Manantona dokotera e tsy mitovy dika velively @ hoe Manatona dokotera e.

Io klou (:°))no tena fahitako rehefa eto @ forum fa mihomehy foana zà (:°)) hoe mba azon'ilay mpanoratra aza ve hoe ny tiany lazaina izany sa tena hahantony (@ tady sa hazo sa inona ) ilay dokotera ? hihihihihihihihihihihihi
10. fasaly ( 15/10/2006 10:55)
:-D:-D:-D:-D
11. simplex ( 15/10/2006 11:12)

tokinao:
Marina ve ny fandinihiko ?

misy diso kely satria
tokinao:
"mihitsy" lasa "mihitsy", sns


tokinao:
( aza tezitra ze voa a! :) :) )

;-)
:D d ampy :°)

Ekena 100% ny soso-kevitra. Ny tena tsara zao ra ohatra ka any anaty dinika any no misy diso tsipelina "manirikiry" dia azo apetraka ato ny fanitsiana, de avy eo eny ambany refa avy mamaly ilay hevitra d asiana kely hoe fanitsiana tsipelina jereo eto...
soso-kevitra koa io.

:-*:-*
12. sipagasy ( 15/10/2006 12:23)
mmhhhh ny tena mandreraka koa sady manova ny hevitra dia ny faampiasana ny "any" sy ny " an'i" tena hevitra roa samihafa no fonosin'ireo.

Ohatra: * any i Siza,----> izany hoe manoratra ho an'i Siza ianao
* an'i Siza,----> izany hoe ohatra hoe an'i Siza io akanjo io


hita @ izany ary fa misy fahasamihafany ireo teny 2 ireo nefa mety mitovy fanonona koa.....



maro be tsy voatanisy ny ohatra e!!!
13. Tokinao ( 15/10/2006 12:29)
simplex:


tokinao:
Marina ve ny fandinihiko ?

misy diso kely satria
tokinao:
"mihitsy" lasa "mihitsy", sns




Misaotra @ fanatsiana ry simplex a. "mihitsy" lasa "mihintsy" no saika hosoratako. :)

simplex:

Ekena 100% ny soso-kevitra. Ny tena tsara zao ra ohatra ka any anaty dinika any no misy diso tsipelina "manirikiry" dia azo apetraka ato ny fanitsiana, de avy eo eny ambany refa avy mamaly ilay hevitra d asiana kely hoe fanitsiana tsipelina jereo eto...
soso-kevitra koa io.


:-*:-*


Ka io indrindra ange ry simplex le tiko tenenina fa asa ... tsy haiko angamba ny nilaza azy tsara. Ka de andao @zay ary hijery an'ze diso ato @ forum e!

Asa aloha oa nareo ra efa sendra an'le mpanao forum mpanirikiry ireny marina e : ny hevitra teneniny indraindray tena hevitra mivaona na tsy manaja mihitsy, fanampin'izany de ny fomba fanorany (ny tsipelin-teny no tiko tenenina ) de tena tsy izy miitsy. Indraindray mampte hamaly hoe "na ny teny gasy aza tsy hainao manoratra" ka in no iadiana hevitra eto. :-D :-D
14. vale ( 15/10/2006 13:42)
:-D:-D ...tsara ilay fanamarihana aloha tokinao a:wink:, fa io koa angamba faotin'ny (hihihi, niezaka za eto fa raha ny mahazatra ahy dia "ny " io "n'ny" io:lol:) faotin'ny fahateren'ny fotoana ilay manafohy farak'izay fohy indrindra :°)!... fa hiezaka izany @ manaraka !!:)
15. Fiffi ( 15/10/2006 13:44)
ka zao kosa aloha an! rehefa eto @ forum na karajia de mamaly heu...manao "abréviation" fa tsy midika kosa ange zany hoe hadino ny tena fanoratana an'le teny eh !
Fa tsara aloha de @ zay ho an'tsy de mahay loatra de hahazo lesona zany koh ! :)
16. Tokinao ( 15/10/2006 16:56)
fasaly:

tokinao: aoka re mariné e! zà no tena mpanao an'io!!!:oops: ouppppps! io fa mbola diso ihany
aleo hahitsy: zà=izaho:wink:
Dia ny ambiny aleo hotsokolivina ny dinika rehetra:°) de ahitsiko :lol:


Raha araka ilay fanasokajiana ery ambony dia azo leferina io "zà" io 'ka. "phonétique" tsin' io. fa de ataovy @zay ary ny fitsikilovana e! hihihi


17. Fiffi ( 15/10/2006 16:59)
Tokinao:
tsin' io.
Tokinao: io zao inona ? hihihhi sa hoe ny dikany dia hoe "satria" sa ve hoe "tsinona" ? :)


18. cutie ( 15/10/2006 17:01)
tokinao
za njay alou de tena matetika diso frappe e hihihihi
oups soa ihany tafiditra ao @ le teny diso azo leferina:lol::lol::lol::lol:
19. Tokinao ( 15/10/2006 17:05)
Fiffi:

Tokinao:
tsin' io.
Tokinao: io zao inona ? hihihhi sa hoe ny dikany dia hoe "satria" sa ve hoe "tsinona" ? :)


"phonétique"-n'ny hoe "tsinona" io ry Fiffy a! :) Tsy hitako aloha ze ifandraisan'io @ hoe "satria" e! :)
20. Fiffi ( 15/10/2006 17:12)
hay ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1455