Fanjakana roa samihafa

1. LazaDaddy ( 12/10/2006 01:21)
Mifanipaka tokoa ny Fanjakan'ny Lanitra sy ny fanjakan'izao tontolo izao (ny an'i Satana). Momba ny Fanjakan'ny Lanitra dia:

- Mpanompo avokoa ny olona fa tsy misy tompoina sy omem-boninahitra.
- Ny Tenin'Andriamanitra no manan-kery fa tsy ny feom-bahoaka sy mpitondra na sanatria lalana noforonin'olombelona.
- Ny sitrapon'Andriamanitra no tanterahina fa tsy izay tian'olombelona.
- Maharitra mandrakizay fa tsy mandalo taona vitsivitsy.
- Tsy voafetran'ny elanelan-tany.
- Anjakan'ny fifankatiavana, tsy misy fankahalana sy fifaninanana.
novalian'i prime ny 24/11/2006 08:25
2. xxx ( 12/10/2006 02:35)
raha ny filazanao azy dia tsy manana choix mihitsy izany ve fa imposés daholo ny rehetra :?::?: angaha moa Andriamanitra tsy fitiavana indray :?::?: ka rehefa mitia tsy misy antery fa mandeha ho azy, na ho an'ilay tia io na ho an'ilay ho tiavina :?::roll:
3. LazaDaddy ( 12/10/2006 03:16)
Misy choix anakiroa ka!

Na Fanjakan'ny Lanitra na fanjakan'izao tontolo izao :)
4. lapino ( 12/10/2006 07:25)
xxx:
raha ny filazanao azy dia tsy manana choix mihitsy izany ve fa imposés daholo ny rehetra :?::?:
xxx, ENY! Andriamanitra no Mpanjaka any amin'ny Fanjakany. :)
5. prime ( 13/10/2006 08:44)
"Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra" Galatiana 4:7
Ny anjely no mpanompo mandrakizay... fa ny mpino rehefa tonga any dia lasa mpandova, satria zanak'Andriamanitra...

Ary ny fomban'izao tontolo izao?:lol:
6. Zina ( 13/10/2006 14:57)
LazaDaddy ie marina io atsika sisa no misafidy
7. tsimiandravola ( 14/10/2006 07:24)
LazaDaddy:

...Ny Fanjakan\'ny Lanitra dia:

- Mpanompo avokoa ny olona fa tsy misy tompoina sy omem-boninahitra.

=Tsimoky ny fanandevozana raiki-tapisaka ao amin\'ny fisainana kristianna,ary indrindra indrindra tao amin\'ireo,ary mbola ao amin\'ireo vazaha mpanambaka sy mpanjana-tany.
LazaDaddy:
- Ny Tenin\'Andriamanitra no manan-kery fa tsy ny feom-bahoaka sy mpitondra na sanatria lalana noforonin\'olombelona.
=Io ilay antsoina hoe théocratie izay azo lazaina fa \"blasphème contre l\'humanité\".Ary ny olona ihany no namorona azy.Antsoin\'ny mpanao kritika izany hoe anti-homme,sahala amin\'ny fisainana nahatonga ny fanasivana helatra ny tavan\'olona ka nantsoina hoe anjely.Ary ny herin\'ny tenin\'Andriamanitra lazaina dia tsy inona akory fa pouvoir ahatran\'ny sokajin\'olona eo amin\'ny mpiara-belona aminey ihany.Ohatra fotsiny izao:iza aminareo no afaka mitsipaka izay hevitra na didy tapaka avy any amin\'ny hierrarchie ambony (tafo)? Resaketotra no betsaka ...
LazaDaddy:
- Ny sitrapon\'Andriamanitra no tanterahina fa tsy izay tian\'olombelona.

Fa ny olona mampihatra izany sitrapon\'Atra izany dia ny Pasitera,ny Mopera,ny Rabin,ny Immam...Izy ireny koa no mitango ny vola sy mampijoro ny institution ka milaza izany ho fanjakan\'ny lanitra.Jereo fotsiny izao ny Temoinn\'i Jehova!Dé lazao fa hafa indray ireny!Dé lazaovy fa tsy resaka fanambakam-bahoaka ny an\'ny Mormona fa ny anareo ihany no tena marina sy mendrika...
8. Fiffi ( 14/10/2006 10:13)
LazaDaddy:
- Mpanompo avokoa ny olona fa tsy misy tompoina sy omem-boninahitra.
tsy ho mem-boninahitra ? zany ve ? ary ny fanajana ? Na ireo olona mpitondra isan-karazany ireo koa ange ka Mpanompo an'Andriamanitra avokoa an! sa ve ny fanajana tsy midika veli2 hoe ho mem-boninahitra ?

Raha Andriamanitra kosa aloha tsy hanaovana komparaison @ olona ety ambony tany @ fanajana sy fanomezam-boninahitra !


9. Bibilava ( 14/10/2006 15:53)
LazaDaddy:

Mifanipaka tokoa ny Fanjakan'ny Lanitra sy ny fanjakan'izao tontolo izao (ny an'i Satana). Momba ny Fanjakan'ny Lanitra dia:

- Mpanompo avokoa ny olona fa tsy misy tompoina sy omem-boninahitra.
- Ny Tenin'Andriamanitra no manan-kery fa tsy ny feom-bahoaka sy mpitondra na sanatria lalana noforonin'olombelona.
- Ny sitrapon'Andriamanitra no tanterahina fa tsy izay tian'olombelona.
- Maharitra mandrakizay fa tsy mandalo taona vitsivitsy.
- Tsy voafetran'ny elanelan-tany.
- Anjakan'ny fifankatiavana, tsy misy fankahalana sy fifaninanana.
Connerie hoy ny Vazaha!


10. xxx ( 14/10/2006 15:58)
Izany anie no mbola mampahantra be ny gasy:ny toe-tsaina no mbola tena mihisatra.Ny isan'ny kristianna isaky ny km² dia betsaka lavitra any amin'ny tany mahantra.Ny fitombony koa dia iray eglizy isaky ny 3 volana.

Il faut apprendre à ne pas être CON!
11. Zina ( 15/10/2006 00:36)
Tsy misy afa tsy safidy roa no azotsika atao:
jesosy na Satana
tsara na ratsy
right or wrong
light or darkness
etc...
ka diniho ihany ny safidy atao tsy misy au milieu
12. rainisalama ( 16/10/2006 07:32)
-Rehefa tena nodinihiko dia tsy sahy manjohy ny dinika narosony teto sy eto i LazaDaddy.Asosany ny hevitra iray dia ianao no avelany hanohy sy handinika an'izany,fa izy lasa mitory ny filazan-tsara eny an-dalam-be!Tsy izany ve no antsoina hoe mangetotra dia lasa?
13. xxx ( 16/10/2006 07:43)
Zina:

Tsy misy afa tsy safidy roa no azotsika atao:
jesosy na Satana
tsara na ratsy
right or wrong
light or darkness
etc...
ka diniho ihany ny safidy atao tsy misy au milieu

Izao fiteninao izao ranamana,no antsoina amin'ny teny baiko hoe ABSOLUTISME.Rehefa tsy tsara dia ratsy,rehefa tsy namako dia fahavaloko,rehefa tsy momba ahy dia manda ahy (noho izany dia voaozona raha ny tenin'ny "Jesoa" ao amin'ny baiboly no jerena),rehefa tsy rihgt dia wrong,rehefa tsy fotsy dia mainty,rehefa tsy lanitra dia afobe.......

Mora foana sisa ny fanompana ny hafa ka amarianana azy ireny any amin'ny elo.Mora foana ny anaovana "exclusion".

Fa maninona moa raha mba tsy fotsy dia mba mavo ohatra ,na mena fa nahoana no tsy maintsy ho loko iray?

Ny tiako ho tsipihina dia ny erreur ateraky ny absolutisme azo avy amin'ny finoana tokam-po (=monothéisme)!



14. Ilo ( 16/10/2006 13:51)
Tsy mpanompo akory izay ao amin'Andriamanitra fa zanaka
Jaona 1:12 "Izay rehetra nadray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra dia izay mino ny anarany"

Tsy misy afa-tsy roa ihany ny safidin-tsika: na miarak'amin'Andriamanitra na tsy miarak'Aminy.
I Satana mety miseho amin'ny endrika maro :
- afaka mankao @ saintsika izy
- mankao @ manodidina antsika koa izy : filana sy rehaka eo @ izao tontolo izao
- mampiasa ireo anjeliny izy (demonia sns...)

Na isika miaraka min'Andriamanitra, dia mahazo fitahiana, na tsy miarak'Aminy dia mahazo fanozonana.
Deot 28:
1 Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianao;

2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao: ...

15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao: ...

15. xxx ( 16/10/2006 20:27)
Ilo:
Safidy...na miarak'amin'Andriamanitra na tsy miarak'Aminy.
Il ilay nilaza indray mandeha hoe safidy "déguisé",toa voatery fotsiny hifidy an'ilay Atra.Ny tena marina dia resaka politika nataon'i Josiasy tamin'ny taon-jato faha 6 BCE io mba hampitodihana ny Jiosy izay lasa babo tany Babilona.Atao izay hananana Fanefa tokana,Andriamanin-Tokana (Reveil nationaliste Judaique) Jereo ny boky nosoratan'i Neil Asher Silberman sy Finkestein
http://histoireenprimaire.club.fr/ressources/bible.htm
16. Zina ( 16/10/2006 20:42)
Izao fiteninao izao ranamana,no antsoina amin'ny teny baiko hoe ABSOLUTISME.Rehefa tsy tsara dia ratsy,rehefa tsy namako dia fahavaloko,rehefa tsy momba ahy dia manda ahy (noho izany dia voaozona raha ny tenin'ny "Jesoa" ao amin'ny baiboly no jerena),rehefa tsy rihgt dia wrong,rehefa tsy fotsy dia mainty,rehefa tsy lanitra dia afobe

Ka izay anie ilay izy e tena mila categorika mihitsy
Na hanaraka an'i Jesosy na tsy. Dikan'izany dia naha i Andriamanitra na Satana Tsy misy afa tsy ireo no azo fidina...
17. cutie ( 16/10/2006 20:56)
Fa manin no tsy maintsy fidina:roll::roll::roll:
18. prime ( 17/10/2006 12:43)
Ny mpino an'i Kristy tsy mpanompo fa antsoina koa hoe "zanaka" ary ny zanaka dia "mpandova"...
cutie> Tsy "possible" mihitsy ny hoe tsy hisafidy... fa ny olona rehetra manan-tsafidy, fa ny dikan'ny hoe tsy hisafidy na tsy mifidy dia efa "safidy" sahady izay ny tsy hirona amin'itsy na amin'iroa...
Fa ny tenin'Andriamanitra no mamaritra ny hoe : "Fa satria matimaty ianao ka tsy mafàna na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao" Apokalipsy 3:16 izany hoe ny "juste milieu" tsy misy amin'Andriamanitra, ka ny safidy ho eo afovoany (équilibre yin/yang hoy ny mahay azy, équilibre entre le bien et le mal hoy ny sasany, elanelam-panahy hoy ny hendry malagasy) dia efa halan'Andriamanitra...
19. cutie ( 17/10/2006 16:06)
prime
Za zao mahafantatra oul tsy manaraka an'Atra ary tsy mino ny fisiany , nefa izy koa tsy we olona mpanao ratsy fa olona tsotra ohtratsika ihany , fa ny tsy azoko de raha raisin'ny oul nifidy ny fanjakan'ny lanitra zany io de we nisafidy ny fanjakan'izao tontolo zao izy ( satana). Manin no tonga de classifier-na we ho roa ihany le safidy ??
20. prime ( 18/10/2006 13:52)
Tsy izaho no mi-classifier hoe roa ihany... fa Andriamanitra mihitsy no miteny hoe na ianao Azy na tsy Azy... Andriamanitra saropiaro koa Izy fa tsy hoe fitiavana fotsiny fa aza adino... Ary ny tena tsy zakany dia ny hoe sady atsy no aroa izay... Enao mety am-pahatsorana miteny hoe izaho sady tsy atsy no tsy aroa fa Andriamanitra no miteny hoe rehefa tsy Ahy dia an\'ilay iray...

Ny hoe tarihin\'ny satàna tsy voatery hoe dia ilay biby2 saina sy mpamono olona sy mpanota b isanandro... fa fanahy fetsy izy ka tsy takatry ny saina @ izao fotsiny ny heriny... ny tsy fitiavana an\'Andriamanitra @ mahaIzy Azy sy ny fandavana ny fisiany sy ny tsy finoana azy d\'efa endriky ny asan\'i satana fa tsy voatery hoe rehefa eo ambany fifehezany d tsy maintsy demoniaka sy ratsy saina b.

Ny tanjon\'ny satàna dia ny tsy hahatafiditra ny olona any an-danitra @ fomba rehetra ka ny tena fahombiazana lehibe vitany hatr@ izao dia ny finoana fa tsy misy izy fa angano sy arira ka noho izany afaka manao izay tiany ny olona rehefa manaja ny bonne moeurs sy ny bonne raison... izany hoe rehefa tsy misy izy dia resaka fotsiny koa ny momba an\'Andriamanitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6344