"grammaire" malagasy
1. ravakamalala
(
21/09/2006 15:17)
sendra tadidiko tampoka ny reaka enti milaza sy ny lazaina, fa inona moa ny filazana ny "sujet" amin ny teny gasy? azafady
novalian'i belaza ny 18/10/2006 12:12
6. mimich
(
22/09/2006 10:57)
enti-milaza : verbe (azo atao amin'ny endrika ankehitriny , lasa , ho avy)
lazaina: sujet
lazaina: sujet
9. sipagasy
(
23/09/2006 07:55)
ny rafi-pehezan-teny malagasy dia ahitana
"enti-milaza... lazaina... fameno"
"enti-milaza... lazaina... fameno"
11. sipagasy
(
23/09/2006 11:17)
ravakamalala, misy azonao alaina tahaka kely akia ao @ takelako ao ann :oops: ao@ www.sipagasy.tk ao @ vakiteny .
dia mazotoa be e!
dia mazotoa be e!
12. diamondra27
(
23/09/2006 18:18)
de inon izany no lazain'i entimilaza mameno forum (dinika :oops::oops:)eto?
15. miangalyandria
(
24/09/2006 13:12)
tsipelina : orthographe ka fa ny grammaire toa fitsipipitenenana, nareo tokoa dia mampahatsiaro zavatra efa ela be fa izao anie toa efa lasa vara sy lafika e :-D:-D
16. fens
(
25/09/2006 20:15)
Ohatra enti-manazava:
Milalao baolina i Badoda
Milalao: enti-milaza, io no "conjugena" (Verbe)
baolina: fameno, afaka tsy apetraka eo io (Complement)
i Badoda: lazaina (Sujet)
Milalao baolina i Badoda
Milalao: enti-milaza, io no "conjugena" (Verbe)
baolina: fameno, afaka tsy apetraka eo io (Complement)
i Badoda: lazaina (Sujet)
17. pissoa
(
25/09/2006 20:41)
Ary ahoana ndray marina moa ilay hoe lazaina mpanao, iharana, sehatra ... ireny raha misy afaka manazava :oops:
18. lapino
(
25/09/2006 23:03)
Hevitra ara-drafitra no ilazana azy ho an'ilay matoanteny. Tsy tadidiko aby fa ohatra vitsivitsy fotsiny:
- Matoantenin'ny mpanao: rehefa misy tovona mivaky
oh: Mandaka baolina i Badoda
- Matoantenin'ny iharana: rehefa misy tovana
oh: Dakan'i Badoda ny baolina
- Matoantenin'ny atao: rehefa misy tovona tsy mivaky a
oh: atsipin'i Badoda ny baolina
Izay ihany no haiko. Na ny sehatra io aza tsy tadidiko intsony :oops::oops:

19. pissoa
(
26/09/2006 07:10)
Misaotra an'lapino. Hay EM ilay izy fa tsy ny Lazaina tokoa moa :oops:
Ilay mpanao sy iharana mba tadidiko ihany, fa misy an'ilay matoateny sady misy tovona no misy tovana iny no tena tsy tadidiko ny anarany :oops::-D:-D:-D
Ilay mpanao sy iharana mba tadidiko ihany, fa misy an'ilay matoateny sady misy tovona no misy tovana iny no tena tsy tadidiko ny anarany :oops::-D:-D:-D
20. lapino
(
26/09/2006 07:29)
Raha matoantenin'ny iharana ilay EM dia ilay lazaina no iharana !
Fa tsy haiko intsony ilay HAD raha tsirin-teny sara-droa no amin'ilay matoanteny :oops::cry:
Fa tsy haiko intsony ilay HAD raha tsirin-teny sara-droa no amin'ilay matoanteny :oops::cry: