"grammaire" malagasy

21. chipie1 ( 26/09/2006 07:38)
inn lé HAD ry lapino ,
22. lapino ( 26/09/2006 07:39)
Hevitra Ara-Drafitra
23. hery ( 26/09/2006 08:32)
Misy koa ny atao hoe fehezanteny ara-Drafitra sy ny fehezanteny mivadi-drafitra
24. pissoa ( 26/09/2006 09:59)
Tso-drafitra sy mivadi-drafitra ... sa miotvy ihany ? :roll:

Nohanin'ny saka ilay trondro.
Ilay trondro dia nohanin'ny saka.

:-D:-D:-D
25. mandrindra ( 26/09/2006 10:02)
ny fisian'ny hoe "dia" ve no ahafantaran ny fehezanteny mivadidrafitra?

tsy mahatoky saka aho fa trondro ny laoka.

ahoana ny mivadidrafitra amin'io fehezanteny io?
26. miangalyandria ( 26/09/2006 10:18)
"Dia" sy "No" raha tsy diso aho ry Mandrindra ô ? Dia hoe "ny saka no tsy ahatokisako fa trondro ny laoka" izany dia lasa iharana lay fika sa ahoana ???
27. pissoa ( 26/09/2006 10:33)
mandrindra, non ka ! Misy zavatra hafa ampiasana ny dia fa tsy hoe izay misy dia dia mivadi-drafitra daholo :-D
Io tenin'i miangalyandria io koa hoe ny no koa ampiasaina amin'ny mivadi-drafitra.

Fa raha tsy diso zah dia ny toerana misy ny enti-milaza sy ny lazaina no tena hahafantarana ny fehezan-teny drafitra. Amin'ny tso-drafitra izy dia EM mandeha alohan'ny Lazaina ; fa raha mivadi-drafitra dia Lazaina mandeha alohan'ny EM.
28. mandrindra ( 26/09/2006 10:41)
mba omeo ohatra misy an'ilay "no" hoe aho
29. booboo ( 26/09/2006 11:00)
mandrindra > " mitady ohatra misy " no " i Mandrindra. Rehefa avadi-drafitra dia lasa : I Mandrindra no mitady ohatra misy " no ".

Tsy tadidiko hoe rehefa maninona no " dia " na " no " ampiasaina @ fehezan-teny mivadi-drafitra.
30. mandrindra ( 26/09/2006 11:11)
booboo, fa maninona no tsy hoe i mandrindra "dia" mitady ohatra misy "no". inona no maha samy hafa ilay nosoratako sy ilay nosoratanao ?
31. booboo ( 26/09/2006 11:20)
ka izay no antony nanohizako ilay
Tsy tadidiko hoe rehefa maninona no " dia " na " no " ampiasaina @ fehezan-teny mivadi-drafitra.
32. mandrindra ( 26/09/2006 11:23)
miandry izay afaka manazava an'io izany isika
33. miangalyandria ( 26/09/2006 12:42)
Samy izy daholo izy roa ka, raha fehezanteny tsy mivadi-drafitra izao ireo dia : "Mitady ohatra misy no i Mandrindra" dia rehefa avadika amin'izay izy dia lasa "I Mandrindra no mitady ohatra misy no" na koa hoe "I Mandrindra dia mitady ohatra misy no". Izay ô :?:
34. mandrindra ( 26/09/2006 13:06)
samy mety ireo fehezanteny roa ireo nefa toa samy hafa ny dikany, noho izany ny iray ihany ve no tena izy sa izy roa. ny famadihana ny rafutryt ny fehezanteny ve tokony hampiova ny heviny?
35. lapino ( 26/09/2006 14:37)
Raha enti-milaza tsy voasoritra dia kianteny dia no ampiasaina amin'ny mivadi-drafitra;
Fa raha enti-milaza voasoritra dia kianteny no.
oh:
Enti-milaza tsy voasoritra:
Milalao i Badoda.
---> I Badoda dia milalao.

Enti-milaza voasoritra:
Ny milalao dia i Badoda.
---> I Badoda no milalao.
36. ravakamalala ( 26/09/2006 15:13)
misaotra anareo fa ireo rehetra ireo mihitsy no tiako notadidina kely.
37. pissoa ( 26/09/2006 20:27)
Ary lapino mahay an ^:^
38. lapino ( 26/09/2006 21:40)
pissoa, tsy hoe mahay fa mankafy fotsiny ka :wink:
(sady mampatsiaro an'le madimzell nampianatra tam'zany :P)
39. pissoa ( 27/09/2006 06:40)
Ary lapino mankafy an'ilay mampatsiaro an'le madimzell nampianatra tam'zany an :wink::-D:-D:-D
40. lapino ( 27/09/2006 08:16)
Dia maninona anefa ny mankafy mivadi-drafitra e ? :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0446