baiboly.org nikatona ny baiboly

1. hery ( 11/09/2006 08:52)
Ho an'izay mpamaky baiboly ao amin'ny baiboly.org http://baiboly.org dia mety ho gaga fa nanomboka androany dia misy "croix" menamena be eo amin'ny toerana hitadiavana toko sy andininy ao amin'ny baiboly. Araka ny re dia natsahatra io fitadiavana toko sy andininy io noho ny tsy fahazoana alalana avy amin'ny FMBM (Fikambanan'ny Mpampiely Baiboly Malagasy).
Marihina fa efa 4 taona no nijoro sy nandeha tsara ary nampiasain'ny maro io takelaka io... fa amin'izao fotoana izao vao nisy an'izany olana fanomezan-dalana izany... mifanandrify indrindra amin'ny namoahan'ny FMBM ny site-ny.
Dia ho hita eo ny tohiny.
novalian'i prime ny 15/09/2006 13:09
2. lapino ( 11/09/2006 08:57)
Fa angaha moa ny FMBM no tompon'ny zon'ny mpamorona amin'ny baiboly e?

Ny FMBM va moa izany no mametra hoe ohatra itsy na iroa ihany no olona, fomba, fitaovana, sns ... ampielezana ny baiboly ?

Misy zavatra tsy azoko ... :roll:
3. hery ( 11/09/2006 09:31)
lapino

http://fr.groups.yahoo.com/group/baiboly/message/974:
1. Jereo amin’ny baiboly malagasy anananao fa misy izao ao amin’ny pejy
faharoa : © La Société Biblique Malgache, 1965.

Noho izany dia an’ny FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY ny copyright. Koa
izay olona, na fikambanana hafa maniry hampiasa io texte io dia TSY MAINTSY
EFA NAHAZOAN-DALANA ANTSORATRA avy amin’ny tompon’andraikitry ny FMBM vao
afaka manao izany.

Ny copyright dia 50 taona no faharetany.
4. diamondra27 ( 11/09/2006 09:32)
tsy mampaninona izany e!

hoy ny tenin'i Tompo : "Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona"
Na dia tsy afaka mijery izany aza isika dia misy lien hafa azo jerena mbola misokatra, dia mazotoa mamaky sady @izany mba mahay langue hafa fa tsy teny gasy ihany:wink::-*:-*:-*

dia omeko lien hafa indray ianareo e!

http://www.bible.org/netbible/index.htm
5. naritsimba ( 11/09/2006 09:43)
Mampalahelo raha ho ahy manokana satria tao no fijereko ireo toko sy andininy ka nozaraiko t@ olona manodidina ahy tsy nakako tambiny, tsy nakako, sarany, gaga aho ankehitriny raha dia tena ny FMBM no nanao an'io?
Tsy gaga indray anefa raha mandinika satria i Jodasy ange ka mpianatry ny Tompo no namadika azy e, ary misy olona izay tsy mpamaky baiboly sy tsy mahalala an'izany fa eto @ Internet izy no voatarika hiova ho Kristianina?
Sa ve tahotry ny FMBM sao tsy misy mpijery ny Site Web ny?
marina io voalaza io fa tsy ho levona ny tenin'Andriamanitra, naninona raha t@ vao niandoha io site web baiboly .org io dia nosakanana?
izaho aloha dia malahelo ny @ izany ary dia hiezaka ny hifandray @ FMBM haingana araka izay azo atao.
6. diamondra27 ( 11/09/2006 10:03)
ka tsy mangataka alalana fotsiny ve zany de mety sa mila inona ?

lapino: za koa tsy naharaka :oops:
7. hery ( 11/09/2006 10:13)
Nafindra tato ity resak'i Naritsimba ity satria hevitra mitohy ihany

naritsimba tatsy ambadika:

Mampalahelo ny zava-misy tahaka an'izao.
Raha toa moa Andriamanitra ka manao hoe:
ALOAVY NY SARAN'NY FAMPIASANAREO NY TENIKO FA IZY NO MANDRAY NY ZON'NY MPAMORONA SATRIA TENINY IO TORIAN'NY PASITERA NA MOPERA NA PRESBITERA DIA AHOANA HOY NY FMBF?

TSY MAHAGAGA RAHA ETO MADAGASIKARA NO MISY TAHAKA AN'IZAO, SATRIA NY ZAVATRA MANDROSO REHEFA TSY MANOME TOMBOTSOA MANOKANA NY MPITONDRA NA FIVAVAHANA IO NA FANJAKANA DIA TSY MAINTSY AKATONA NA SAKANANA AMIN'NY FOMBA REHETRA.

Natao ho toriana maimaim-poana ny Baiboly fa tsy ilana tambiny, angaha moa ny Apostoly raha nitoriteny
dia nandray karama na nila tambiny, nasaina najanony ary ny asa hafa, ary nitambarana ny fananana rehetra ka nahatonga ny hoe: Harenan'ny Apostoly?
Tsy mitsara aho eto fa maneho ny alaheloko ihany.

mba omeo izay mahalala izany site web ny FMBM izany izay mahalala azafady.





8. hery ( 11/09/2006 10:16)
Ny takelaky ny fmbm
http://www.mampielybaiboly.mg

Somary miadana (miadana be mantsy) ilay izy.
9. diamondra27 ( 11/09/2006 10:41)
http://www.mampielybaiboly.mg/mg_accueil.aspx?PER_LNG_CODE=MG&PER_PAGE_NUMERO=4

naritsimba:mazotoa dia ampiakaro ny fitarainana any @ contact azonao alefa mail
10. ftma ( 11/09/2006 11:16)
Tena mampalahelo izany nefa izahay ao ampiangonana dia mampiasa an'io Baiboly.org @ fanaovana gazety sy ny fangalana ny Teny ho vakiana hoan'ireo tsy manana Baiboly na tsy mahita tsara.
misy adresy azo anoratana any @ FMBM nga?
11. diamondra27 ( 11/09/2006 11:23)
ftma:io misoratra io @ site

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY
12, lalàna jeneraly Rabehevitra Antaninarenina - (Akaikin'ny BFV-SG)
BP: 922 - 101 Antananarivo
Tél: 22 251 35 - 22 233 48 - i-mailaka:baiboly@wanadoo.mg
Copyright © FMBM Juin 2006
12. Achia ( 11/09/2006 11:45)
Ny mikatona ngamba mety tsy hikatona tanteraka fa mety misy fanamboarana toko sy andininy ao
13. naritsimba ( 11/09/2006 12:02)
efa nanoratra @ io i-mailaka io aho ka asa raha hamaly ry zareo na tsia, fa fangataham-panazavana sy fanehoan-kevitra no nosoratako ho azy.
Dia miandry isika e!
14. xxx ( 11/09/2006 12:03)
Misy fomba fijery toy izao :
ny Baiboly dia boky toy ny boky rehetra (avant tout), misy lalàna mifehy azy @ maha boky azy ka nahoana moa raha mila droit d\'auteur ny boky hafa no tsy mba hanana izy. Au contraire manome lanja azy aza

Responsabilité n\'izay manana droit d\'auteur ny boky, ka raha toa tokoa ka misy manao en ligne, tsy mandalo droit d\'auteur ny Baiboly, ka ovaovaina ny teny sasany dia ahoana ? Anisan\'ny fiarovana ny Baiboly koa izany

Ny fivavahana tsy ambanin\'ny lalàna , kanefa tsy tokony handika ny lalàna

15. diamondra27 ( 11/09/2006 12:43)
Miala tsiny raha mandray fitenenana na misolo vava ny tompon'andraikitra

Raha ny fahafantarako azy dia tsy misy olana mihitsy ny manao toy ny fomba mahazatra ataonareo

Resaka olana hafa ilay resaka fisakanana ;toy ny fepetran'nuy site rehetra ihany izay mbola lazain'ny mpandraharaha ihany ao @ siteny ny antony raha te-hahalala ianareo.(tsy azoko lazaina eto noho ny tsy fananako alalana mamoaka izany)

Koa ho anareo izay te-hahalala sy te- hahafantatra ny momba an'io dia tsaratsara kokoa ianareo mandefa mail ao @io contact voalaza etsy ambony io = mail

Koa miangavy anareo mba tsy hanitatra ny resaka fa aleo manontanintany foana toa izay manaonao foana

Dia samy ho tahian'i Tompo daholo ô
ary mazotoa mamaky Baiboly e!

:-*:-*:-*
:*:*:*:*
16. diamondra27 ( 11/09/2006 12:45)
naritsimba: mino aho fa hahazo valiny mahafatra-po ianao(raha sanatria ka tsy mahazo dia anoraty aho azafady)

misaotra anao tsy nisalasala sy niteny ny hetahetanao.^:^^:^
17. miantra ( 11/09/2006 12:46)
Mampalahelo izany nefa tena mba pratique io no sady vetivetika misokatra ilay pejy;

Ka rehefa akatona toy izany maninona no tsy manao zavatra mitovy lenta @ baiboly.org ny FMBM na manao fifanekempiarahamiasa satria ny baiboly.org mantsy efa mba be mpahalala sy mpampiasa ary vetivety dia misokatra ny pejy?

hevitra hatsipy ho an'ny tompon'andraikitra aloha e!.

Hafa ihany mantsy ilay mamaky baiboly amin'ny teny malagasy.

18. diamondra27 ( 11/09/2006 12:53)
ny mpisompatra tsy maintsy misy foana mba hanakanana ny asan'i Tompo kanefa na izany aza dia mino aho fa mety hiverina @ laoniny ihany ity olana ity atsy ho atsy.


Koa aza kivy isika, mirosoa hatrany @ ary mivavaha ho @izao toe-javatra toy izao.

Dia araho ny tohin'ny tantara fa voasakana aloha izy izao satria nisy antony tao.


(aiza ary jentilisa tsy hita ....)
19. diamondra27 ( 11/09/2006 13:06)
miantra: manàna finoana fa ho regler ity afera ity.
Izay nafafinao ihany no hojinjainao.
Hoy ny didy : Aza mangalatra, ka raha nangalatra ianao dia tsy maintsy ho voasazy. En attendant aloha de âmes maromaro no privée tsy mahita ny tenin'Atra de mampalahelo:cry::cry:

securité daholo izany.
20. ftma ( 11/09/2006 13:09)
Misaotra an'i diamondra27 @ ilay mail ho hita eo ny valiny.
fa inona no tian'i diamondra27 lazaina @ ilay " Hoy ny didy : Aza mangalatra, ka raha nangalatra ianao dia tsy maintsy ho voasazy. En attendant aloha de âmes maromaro no privée tsy mahita ny tenin'Atra de mampalahelo
securité daholo izany." nisy nangalatra nga tao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3894