baiboly.org nikatona ny baiboly

41. hery ( 12/09/2006 09:00)
xxx> ho an'ny boky roman malaza iray dia ny vola no miady voalohany. Tsy mbola naheno aho hoe atao izay hahamora tanteraka an'ilay roman amin'izay mba betsaka ny olona ho afaka mamaky azy. Na hoe misy fotoana zaraina fotsiny ilay roman satria tiana aparitaka.
Ny baiboly dia izany no tantarany.

Raha ohatra moa hoy ianareo hoe taloha izany fa manomboka izao dia resaka commercial tanteraka ny baiboly dia hangina aho.

Hatramin'ny nandraisako anjara tamin'ity resaka ity na teto na tany ankafa dia nolazaiko foana hoe raha vao miteny ny FMBM hoe resa-barotra io dia hangina aho. Fa ilay izy ampidirana zavatra hafa no iezahako hamaliana.
Raha ohatra mahasahy miteny ny FMBM fa tsy tafiditra amin'io sokajy io intsony ny baiboly avoakan'ny FMBM (araka ilay tantara kely nataoko etsy ambony 11-09-2006 19:59:21), izany hoe ilay Baiboly ezahina haely ka itadiavana ny fomba rehetra mba hahamora vidy azy sy ho tonga eny amin'ny olona, dia tsy mitombona intsony ny resako.
42. xxx ( 12/09/2006 09:12)
hery > tsy voatery ho resa-bola ange ilay izy fa resaka légalité fotsiny e, sy responsabilité dans le contenu

Zavatra mety hitranga hoe olona 3 na 4 na maromaro samy te hanao en ligne ny baiboly, fa eo am-pandikana dia misy diso , iniana na tsia, dia ahoana ny responsabilité n'ny FMBM izay tompon'ny copyright @ izany ?

Ary manaiky ve isika fa mila vola ny fanontana ny baiboly ? Raha mijery ny vidin'ny baiboly anie isika dia efa anisan'ny boky mora indrindra izy miohatra @ isan'ny pejy ao anatiny, izany hoe tsy resaka commercial mihintsy.

Efa mba nisy nanontany ny prix de revient n'ny Baiboly ve ? ny prix de vente ? Ny fahatsiarovako farany dia amidy @ fatiantoka ny baiboly malagasy

( ny olona afaka mijery baiboly en ligne aloha amiko olona afaka mividy baiboly raha )

Isika malagasy somary ohatry ny manao laisser aller izay @ resaka lalàna, nefa averiko fa raha tiana haharitra ny zavatra iray, dia mila atao officel sy légal izy, raha tsy izany dia voahozongozona foana.
43. xxx ( 12/09/2006 09:25)
pandefa : hery [ Valio ] 12-09-2006 10:10:12
Lohateny : Re : baiboly.org nikatona ny baiboly
xxx> tsy azoko indray ilay hoe mangalatra site.

Raha misy manangana site mitovitovy @ serasera dia tsy heveriko fa mangalatra izany... raha tsy hoe izy mihitsy no mahazo ny mot de passe dia tantanany tanteraka ny site. Izay no atao hoe mangalatra. Sa izany no mitranga?
Izaho tsy nanao ny baiboly.org fa fantatro ihany ny olona nanao azy raha ny ara-teknika no resahina.
Raha ny votoatiny indray dia tadidiko fa fiaraha-miasan'ny mpamaky baiboly samy nandika (sy ni-scan) pejy maromaro.

Raha vao misy resaka hoe mangalatra ilay izy dia misy accusation ao izany ka saro-pady, satria fantatra ny olona nanamboatra ny takelaka (anaovana allusion hoe nangalatra?).

Sao dia mba natao mba tsy hiresahana intsony an'ilay resaka aza izao resak'i xxx izao, voatery tsy afaka hiresaka intsony mantsy izahay raha vao misy resaka halatra sns... satria lasa adin'olon-droa tsy idiranay ilay izy.


Tsy afaka milaza aho hoe: fanapenambava na tsia fa io aloha no nilazàna tamiko dia ambarako aminareo te-hahalala ny antony hoe: nahoana?

Dia mino tokoa aho fa adin'olona roa ilay izy, mety nahita mot de passe izy izany angamba
mila mametraka any @ INPI moa izy teo mba tsy hisy haka ny site-nao?
Fa tsara raha manontany direct ihany e!de lazao eto ny valiny azonareo iaraha-mandinika

44. xxx ( 12/09/2006 09:28)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 12-09-2006 11:25:17
Lohateny : Re : baiboly.org nikatona ny baiboly


Tsy afaka milaza aho hoe: fanapenambava na tsia fa io aloha no nilazàna tamiko dia ambarako aminareo te-hahalala ny antony hoe: nahoana?

Dia mino tokoa aho fa adin'olona roa ilay izy, mety nahita mot de passe izy izany angamba
mila mametraka any @ INPI moa izy teo mba tsy hisy haka ny site-nao?
Fa tsara raha manontany direct ihany e!de lazao eto ny valiny azonareo iaraha-mandinika


xxx1 no namaly teo ambony fa lasa tampoka
(miala tsiny mba ampiavaka @ valintenin'i xxx)
45. naritsimba ( 12/09/2006 11:37)
indro omeko anareo ny valin'ny mailaka nalefako tany @ FMBM:

Tompoko,

Izao no azo avaly ny e-mail nalefanao :

Volana Mey 2005 ny tenako no nandefa e-mail nilaza tamin’ny tompon’andrikitra io site baiboly.org hoe : « andraso aloha fa mbola hivory ny tompon’andraikitra eran-tanin’ny Fikambanana Mampiely baiboly handinika indrindra ny momba ny « copyright ». Fa tsy izao akory izahay vao nisakana azy.
Ny Tenin’Andriamanatra dia azon’ny rehetra adika avy amin’ny teny Hebreo sy grika, koa izay olona manatontosa izany dikanteny izany, tahaka ny asa famoronana rehetra ihany, dia izy no tompon’ny « copyright » amin’iny dikanteny nataony iny.
Tsy ny FMBM velively no NANAKATONA ny Site baiboly.org tompoko ! tsy hananan’ny FMBM fahefana ny hanao izany.

Dia mametraka ny mandrapihaona,


Atoa Ranaivozanany Laurent,

Miandraikitra ny asa famokarana.

Io ny valiteny avy any amin-drizareo, ny tsy novaliany dia ny hoe: Raha toa moa ka Andriamanitra izay tompon'io no milaza hoe "copyright" azy io ka tsy mahazo mampiasa raha tsy miera aminy dia ahoana?

46. xxx ( 12/09/2006 12:03)
Raha azoko tsara dia azon'ny tsirairay atao tsara anie izany mandika mivantana ny baiboly teny grika na hebreo, dia manao azy en ligne, fa mila mametraka izy hoe "dika-tenin'i Ranona"

Jereo tokoa anie fa ny baiboly misy version betsaka e, dikan-teny iombonana (eocumenique) ohatra, ny an'ny vazaha toa misy français courant ... etc

Ny baiboly teny hebreo no hangalan'izay te hanao ny traduction libre , fa ny traduction n'ny baiboly @ teny malagasy dia fananan'ny FMBM.

Miverina @ resaka légalité nolazaiko teo ihany izany

Resaka droit de propriété de traduction fa tsy hoe azy akory ny tenin'Andriamanitra sao misy manitatra eo indray
47. prime ( 12/09/2006 15:35)
Tena resaka lalàna mihitsy no ao ambadik'izao izany...
48. ftma ( 12/09/2006 16:16)
nahazo valin'ny mail azoko aho aho fa asa raha mazava @ rehetra:

Miarahaba an’i F... avy aty Madagasikara,



Ny Site « baiboly.org » dia tsy an’ny Fikambanana Mampiely baiboly Malagasy fa olon-tsotra, kristiana no nanokatra azy io.
Ny baiboly malagasy nampiasana tao amin’io site io kosa dia ny Fikambanana Mampiely baiboly malagasy no tompon’ny « copyright. »
Ny olona izay te-hampiasa io dikanteny io izany dia manao fangatahana aloha ary mahazo taratasy voasoratra avy amin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny FMBM vao afaka mampiasa izany.
ny famoahana ampahany vitsy (citation) avy amin’io dikanteny io nefa dia tsy ilana fahazoan-dalana velively.
fa raha Boky iray manontolo kosa (ohatra : Filazantsaran’i Jaona, Matio …..)na ny baiboly iray manontolo mihitsy azo no misy olona na fiangonana maniry hampiasa dia ilaina ny fifampiraharahana amin’nyFMBM.
Tsy ny FMBM no nanakatona ny Site web baiboly.org.




Dia mirary soa ho anao,


Atoa Ranaivozanany Laurent,

Miandraikitra ny famokarana.
49. booboo ( 12/09/2006 16:26)
Mazava tokoa fa misaotra
50. diamondra27 ( 12/09/2006 17:32)
prime: ié, resaka lalàna no ambadik'izao fa tsy hoe: resaka sompatra tsy avela ampiasa ny baiboly akory ka!

misaotra an'i ftma sy naritsimba nanome valinteny mails

mety mazava @ rehetra @izay zany le resaka sa ahoana?

ary le resaka halatra site ngah tsy nisy nanontany ô!
51. diamondra27 ( 12/09/2006 17:34)
mandra-pisokany izany aloha de ity misy site hampahery isanandro , toy ny mana isanandro

http://www.bpcbs.com/
52. ftma ( 12/09/2006 17:54)
diamondra27: hafa ihany ilay mamaky Baiboly @ teny gasy ka tsy misy hafa nga?
53. Zina ( 13/09/2006 04:05)
tsy misy afa tsy io angaha ny site baiboly @ teny gasy?
raha ny teny hafa aloha dia bobaka eee...
dikan'izany rehefa mametraka verset eto isika dia azo atao @ teny hafa satria tsisy teny gasy intsony ?????
54. majesty ( 13/09/2006 04:37)
Inoako fa tsy d olana loatra angamba izany e;ntsika kou ange kristiana d mila manaraka ny fandaminana rehetra mety mahasoa e,koa inona moa ny olana raha toa ka mangataka alalana avy any amin-dry zareo ntsika dia ho hita eo izay heviny na izay fepetra takiany:D
55. diamondra27 ( 13/09/2006 06:10)
ftma: araka ny voalaza etsy ambony io dia tsy ahitana ny tenin'Atra iray manontolo raha tsy ao @ baiboly.org, ny tapatapan'ny andinin-tsoratra masina ihany no azo alaina , eny fa na dia ny boky iray manontolo ohatra nosoratan'i Jaona manontolo dia tsy azo atao raha tsy efa mahazo alalàna. Donc zany an, tsy misy azo amakiana azy.

Fa mba omena faveur kely enao e!
raha te- haheno tenin'Atra dia mihainoa ireto site ireto:

www.faniloradio.com
http://mre.new.fr/
http://radiogasy.harena.eu/index.php?option=com_wrapper&Itemid=31
http://www.infoacetech.net/

bonne écoute e!
56. jentilisa ( 13/09/2006 07:06)
Marina ihany io tenin'i Zela io (Ranaivozanany Laurent). Nefa raha misy milaza hoe handika ny baiboly amin'ny teny malagasy nefa tsy dia mitovy amin'ny dika misy izao dia mety ho lazaina fa mitapy indray koa!

Fa izao e! tsy atao ho olana ny fikatonana na tsia satria efa misy ihany ange izany ilay fitadiavana any an-kafa e!
57. hery ( 13/09/2006 07:26)
Ary iza tokoa aloha izany ilay ampangain'ny FMBM (araka ny fahazoako ny tenin'i Diamondra) hoe nangalatra e?

Sao dia mba diffamation publique mantsy... rehefa samy hiresaka lalàna ihany.
58. naritsimba ( 13/09/2006 10:17)
Mahagaga ihany ny filazan'ny FMBM fa tahakan'izao ange no nitranga t@ resaka FJKM FOIBE sy ny FPVM Antaninanandrano e, mody hoe tsy manana zo hanakatona na hanafoana fiangonana ny Foibe FJKM, nefa dia noho ny fitoriana napetrany no nampikatona ilay fiangonana.
Dia tahakan'izay koa ilay resaka site web hoe tsy manana alalana hanakana ny www.baiboly.org ny FMBM fa nisy fitoriana nandeha tany ambadika tany dia izay ilay fomba mahazatra e!
59. diamondra27 ( 13/09/2006 11:40)
hery: ary ianao angaha tsy mba nanontany an'io direct?
Tsara kokoa raha manontany direct azy ianao e!

izay no lazaiko hoe: aleo ny tohin'ny tantara no hitsara fa sao de manao diffamation publique araka ny teninao. Dia izay no tsy anomezana anarana olona.
60. booboo ( 13/09/2006 12:03)
fa maninona no nilaza hoe misy halatra raha tsy manome profo na hanome andinindininy na tsy hiditra @ antsipirahany aza ? tsy azoko....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1171