baiboly.org nikatona ny baiboly

81. naritsimba ( 14/09/2006 06:09)
Rehefa natao ny fikarohana dia nahita baiboly manontolo aho (Bible Malgache de 1865) sady misy concordance ihany koa.

hery> misaotra fa dia efa vita hatramin'ny telechargement ary dia ao @ ialana azy tsara.
82. hery ( 14/09/2006 06:53)
Ny irariana dia ny hampidirandry zareo an'io dika io ao amin'ny baiboly.org dia lasa indray izao e :-)

83. xxx ( 14/09/2006 07:39)
LazaDaddy:

hadino kely:

Angamba somary diso ilay anarana hoe "Mampiely Baiboly", fa tokony ho dinihina...


Miala tsiny aho fa tsy nampoiziko ho olona toa anao no miteny zavatra ohatran'io.

Diniho @ saina tsy miangatra aloha izay zava-mitranga fa aza enti-po, alaivo ambony alaivo ambany dia aza mihaino lakolosy tokana.

Tandremo ilay fanatisme fa mampiteniteny foana eeee
84. LazaDaddy ( 14/09/2006 13:00)
xxx> Amiko aloha izany mampiely izany dia tena mampiely tokoa fa tsy misakana, ary mampiely tsy mitady tombon-tsoa. Heveriko fa ny olona mamatsy ny mampiely Baiboly na ny "Bible Society" dia tsy hisakana izay mampiely an'io Baiboly io velively toy izao.

Hery> io tokoa no tokony ampiasain'ny Baiboly.org
85. vahiny2004 ( 14/09/2006 13:13)
LazaDaddy:

xxx> Amiko aloha izany mampiely izany dia tena mampiely tokoa fa tsy misakana, ary mampiely tsy mitady tombon-tsoa. Heveriko fa ny olona mamatsy ny mampiely Baiboly na ny "Bible Society" dia tsy hisakana izay mampiely an'io Baiboly io velively toy izao.

Hery> io tokoa no tokony ampiasain'ny Baiboly.org


Raha ny fahitako ny zava-misy eto aloha dia tsy misakana ny rehetra izy , fa misakana izay tsy ara-dalàna fotsiny satria toa mbola misy site hafa mandeha any. Tsy misakana fe misakana fotsiny aza fa mbola manome soso-kevitra hoe azo atao anie ny maka autorisation any aminy dia afaka misokatra indray ilay site e.

Inona moa no mety ho tombo-tsoa ho azon'ny FMBM @ fanakanana site iray ? Tsy hitako aloha e. Hoe mihena ve ny vola miditra @ baiboly ? Tsy mitombina satria ho aho matoa manana accès hijery baiboly en ligne dia olona afaka hividy baiboly izany. Ary tsy mpividy tsotra koa no tena mividy baiboly betsaka indrindra (client potentiel) fa ireny fikambanana mpizara baiboly ireny (Gédéons ohatra)
86. LazaDaddy ( 14/09/2006 13:22)
Ny fototry ny olana eto dia hoe: ny sitrapon'Andriamanitra no ankatoavina sa lalan'olombelona. Raha ny lalan'olombelona dia mazava ho azy fa tsy mampiely Baiboly no tanjony fa rehareha sy voninahitra

Hoy i Jesoa t@ mpianany: "aza sakanana izy fa izay tsy manohitra ahy dia momba Ahy" (dikateny LazaDaddy io fa tsy mandeha ny Baiboly.org)
87. hery ( 14/09/2006 13:25)
vahiny2004> manana baiboly boky ny olona kah. Fa tsy mitovy amin'ilay fitadiavana teny sy toko sy andininy teo. Tena concordance vita ho azy. Nefa iny indrindra no tena nasain'ny FMBM najanona.

Fa efa tsy koi intsony kah... efa misy fanaovana an'ilay concordance mitovy amin'ny baiboly.org koa ilay ao amin'ny
http://bibliquest-international.org/MALAGASY/

88. hery ( 14/09/2006 13:30)
vahiny2004> raha ny momba ilay autorisation dia mba anisan'ny nangataka koa ny tenanay... tany @ voalohandohan'ny taona tany. http://hery.wordpress.com/2006/02/13/tetikasa-baiboly-tohiny/

Fa tahaka ny baiboly.org dia tsy nahazo valiny ihany koa.

Azo atao anie ny nilaza hoe manamboatra site izahay izay mba hidirambola kanefa ny anareo gratos daholo ka sarotra be ilay manome alalana.
89. vahiny2004 ( 14/09/2006 14:55)
LazaDaddy:

Ny fototry ny olana eto dia hoe: ny sitrapon'Andriamanitra no ankatoavina sa lalan'olombelona. Raha ny lalan'olombelona dia mazava ho azy fa tsy mampiely Baiboly no tanjony fa rehareha sy voninahitra

Hoy i Jesoa t@ mpianany: "aza sakanana izy fa izay tsy manohitra ahy dia momba Ahy" (dikateny LazaDaddy io fa tsy mandeha ny Baiboly.org)


Mazava ny tenin'i Jesoa "Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara ary an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra"

Tsy raisina an-tendrony io akory hoe Kaisara ny FMBM fa misy ny lalàna eto fiainan'izao tontolo izao, misy ny lalana (samihafa ny lalàna sy lalana) natoron'ny Tompo, ligne de conduite hampiasain'ny Kristiana eto fiainana miaraka @ izao tontolo izao

Mino aho fa tsy nampianatra ny Tompo hoe "mandikà nareo lalàna noho ny Amiko"
90. vahiny2004 ( 14/09/2006 14:59)
hery:

vahiny2004> raha ny momba ilay autorisation dia mba anisan'ny nangataka koa ny tenanay... tany @ voalohandohan'ny taona tany. http://hery.wordpress.com/2006/02/13/tetikasa-baiboly-tohiny/

Fa tahaka ny baiboly.org dia tsy nahazo valiny ihany koa.

Azo atao anie ny nilaza hoe manamboatra site izahay izay mba hidirambola kanefa ny anareo gratos daholo ka sarotra be ilay manome alalana.



Sao dia mbola azy kosa ny copyright n'ny konkordansa ?

Ka atao ahoana aza fa izy no tompony, manana ny antony handavàny ny fangatahana izy izany.

Izaho mino fa tsy olona 1 no manapaka an'izany ao @ FMBM fa tsy maintsy efa ho nisy adihevitra goavana izany resaka izany fa isika no somary malahelo satria nangataka dia tsy nahazo e

Raha izao moa ianao no manao hoe tsy avelako ho eto @ serasera intsony nareo , dia hanao inona moa izahay tsy tompony fa dia manaiky koa/
91. hery ( 14/09/2006 16:47)
Tsy nandà izy kah :-)
Tsy namaly mihitsy... (sa ve manaiky matoa tsy miteny?)

Toa hoe mety mbola an'ny FMBM koa ilay rohy nolazaiko io. Toa tsy dika 1865 hono io fa ilay 1965... dia tsy ho ela izany dia hangatahina hoesorina koa io dika baiboly malagasy io. Raha tsy hoe nahazo alalana.
92. LazaDaddy ( 14/09/2006 19:54)
Vahiny> ka ny FMBM ve mpanara-dia an'i Kaisara sa Andriamanitra?:-D
93. vahiny2004 ( 15/09/2006 07:34)
LazaDaddy:

Vahiny> ka ny FMBM ve mpanara-dia an'i Kaisara sa Andriamanitra?:-D


Ianao ve mandoa impôt ara-dalàna ? Raha eny, midika ve izany fa mpanara-dia an'i Kaisara ianao ?

Tsy voatery ho mpanara-dia an'i Kaisara vao mandoa izay tokony haloa ho an'i Kaisara, izay no voalazan'io tenin'i Jesoa io. Miaina ato anatin'izao tontolo izao isika , misy lalàna apetraka handaminanan ny fiaraha-monina tokony harahin'izay rehetra ao : d'office io fa tsy misy choix. Ny hanaraka an'i Jesoa no safidy

Tsy anjaratsika ny mitady na mitsara hoe mpanara-dia an'iza ny FMBM fa anazy izany
94. prime ( 15/09/2006 11:28)
Mafàna an...
95. prime ( 15/09/2006 13:09)
Misaotra ra-hery @ ilay liens a... tena mahasoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4479