baiboly.org nikatona ny baiboly

21. xxx ( 11/09/2006 13:09)
nahoana no avy dia qualifier-n'i diamondra27 hoe mpisompatra avy hatrany? Raha toa ka mba te hamerina ny ara-dalàna kosa ve izy hahatsara zavatra ? Ny hisavorovoroan-kilantoana anie e?
22. Fiffi ( 11/09/2006 13:20)
tsy azoko koa hoe lasa resaka hoe halatra le izy ?
23. lapino ( 11/09/2006 13:30)
Mety misy antony angamba, fa tsy fantatro, ny nametrahana copyright amin'ny baiboly. Kanefa afaka 50 taona izany dia ho dila io antony io, ny baiboly anefa ho eo foana raha mbola misy koa ny tany. Fa bof, tsy any no olana.

Ary maninona ary raha izany, no tsy akatona tanteraka ilay vohikala, fa ny fitadiavana fotsiny? ...

Miandry ny fahazoan-dalana avy any amin'ny FMBM izany ko! :)
24. xxx ( 11/09/2006 13:36)
ny Baiboly hoa aho ohatry ny boky rehetra aloha avant d'être boky masina (arakaraky ny handraisan'ny tsirairay azy mantsy) , noho izany dia tsy maintsy misy copyright

ny tena fahadisoan'ny FMBM aza angamba dia rizareo tsy ni réagir h@ izay

Ilaina ny hipetrahan'ny zavatra ara-dalàna , indrindra raha zavatra tiana haharitra . Isika zatra entin'ny sentiment fotsiny matetika
25. prime ( 11/09/2006 13:41)
Misy antony ao ry zareo fa tsara tokoa, any am-potony, any @ fmbm no manontany ny tena antony a...
Dia soava tsarà daholo e!:)
26. jentilisa ( 11/09/2006 14:53)
diamondra27:

ny mpisompatra tsy maintsy misy foana mba hanakanana ny asan'i Tompo kanefa na izany aza dia mino aho fa mety hiverina @ laoniny ihany ity olana ity atsy ho atsy.


Koa aza kivy isika, mirosoa hatrany @ ary mivavaha ho @izao toe-javatra toy izao.

Dia araho ny tohin'ny tantara fa voasakana aloha izy izao satria nisy antony tao.


(aiza ary jentilisa tsy hita ....)



Ity aho ka! izaho koa aloha malahelo e! Ilay hoe miadana indray aloha dia mba ahafahana mivarotra ilay Ar40.000 angamba no tena antony.

Na izany na tsy izany...ny zavatra rehetra natao hahasoa mandrakariva ny olona tian'Andriamanitra ka! Indraindray mila maditra ny olona. Olona be kiry manko no nahatonga ny fitoriana ny filazantsara ( ny protestanta no lazaiko eto) nankaty amin'ny ila-bolantany atsimo sy nosy maromaro tany pasifika rehetra tany. Raha ny fiangonana nijoro tamin'izany fotoana izany tsy nahalala ny hihetsika fa rehefa hita ny vokatra vao mihazakazaka manketsy mankery... indrisy...
27. prime ( 11/09/2006 14:56)
8O:-D:-D
28. hery ( 11/09/2006 15:15)
jentilisa> 40.000 ariary ilay CD?

Fahiny (na amin'izao koa aza angamba) dia natao mihitsy izay hahamora ny baiboly, izany hono no mahatonga ny taratasy manify dia manify sy somary ratsiratsy. Noezahina mihitsy ho trano printy mora, fitovana mora sns... Satria hoe atao faran'izay mora kanefa tsy maintsy amidy ihany sao mamono antoka.

Koa raha mbola ao anatin'io hoe atao faran'izay mora io mba hahafahan'ny olona mamaky dia toa mbola azo atao ny mampihena an'io vidiny 40.000 ariary io. Raha tsy hoe angaha misy tombony tadiavina tokoa.
29. jentilisa ( 11/09/2006 15:48)
dia izay ilay vidiny e!
30. diamondra27 ( 11/09/2006 15:54)
xxx:

Tsy ny FMBM akory no nangalatra site fa...

Azonao(nareo)angamba ny tiako lazaina.

ftma:misaotra mametraka fanontaniana fa mahavaly azy ngamba io voalazako etsy ambony io. Aleo ho 'aho ny tompon'andraikitra no hilaza azy aminareo sao dia mivadika ny resaka.


jentilisa: misaotra anao tonga soa, tsy nanana vaovao momba ity angaha ianao?




31. diamondra27 ( 11/09/2006 16:00)
fiffi: miala tsiny raha tsy miteny direct @ le valinteny satria sarotra be ny toerana misy ahy.

Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 11-09-2006 15:20:42
Lohateny : Re : baiboly.org nikatona ny baiboly
tsy azoko koa hoe lasa resaka hoe halatra le izy ?



Lasa resaka halatra satria....
Ny tohin'ny tantara no hitsara.

Averiko fa tsy ny FMBM akory no nangalatra (...?)
32. hery ( 11/09/2006 16:18)
Hmmm...
Misy mangalatra Tenin'Andriamanitra ve?
Sa misy mangalatra Fitorian-teny?
Sa misy mangalatra Clients?
Sa misy mangalatra marché?
Sa misy mangalatra idée?

Sa misy mangalatra tombontsoa tsotra izao?

33. xxx ( 11/09/2006 16:45)

Valin'ny size:

nisy olona nampiasa amin'ny anaran'ny tenany manokana ny "siten'i baiboly.org"
ka mandra-pahita izay azo atao izany dia tsy omen'i FMBM alalàna io olona io hampiasa azy satria misy lalàna mifehy momba ny site toy ny site rehetra ihany.

Izay no mahatonga ilay resaka misy hoe:"halatra"

xxx1




34. ftma ( 11/09/2006 17:44)
hummm hafahafa izy izany, nga rehefa manokatra site tsy amin'ny anaran'olona manokana?
Amiko fanakanana ny fampielezana ny Baiboly @ alalan'ny site internet na boky ny fandrarana ny olona iray hampiely izany.
35. hery ( 11/09/2006 17:59)
xxx> azoko ekena ihany aloha...

Tahaka izao mantsy ilay tantara.

Eritrereto hoe misy olona anakiray mandeha any ambanivohitra be. Dia mba nieritreritra ny hitory an'i Jesoa izy. Dia nilaza ny olona hoe omeo baiboly ary izahay. Tsy nanana afatsy baiboly anakiray anefa ity mpitory moa tsy afaka nandeha any an-drenivohitra hividy no sady tsy nanana vola ho an'izany ihany koa. Ny hany heriny dia nataony dika tanana ny baiboly manontolo... nanampy azy ireo namany vitsivitsy izay mba nahay nanoratra. Dia faly daholo ny olona satria mba afaka namaky baiboly.

Raha tonga amin'izay izany ny FMBM sendra nandalo teo amin'ilay tanàna. Dia hitany fa mampiasa baiboly ny olona. Hitany koa fa nalaina avy amin'ny baiboly protestanta ny boky dika tanana eny amin'ny olona... dia naoriny daholo. Nosakanany koa ny fandikana izay nataon'ilay mpitory. Dia nitondra baiboly vaovao maromaro amin'ny vidiny tsy ho takatry ny ankamaroan'ny olona teo izy.

Tahaka an'io ny situation amin'izao fotoana izao. Mazava ho azy fa tamin'ny anaran'ilay mpitory teny manokana no nandaniany vola nividy taratasy sy penina nanao ny fandikana. Fa navoakany ho an'ny rehetra izay mila ilay boky rehefa avy eo. Tsy nolazainy mihitsy hoe nandaniako vola ireny ka dia tsy maintsy vidinareo kosa.

Dia eo isika izao.
36. xxx ( 12/09/2006 06:00)
ftma, hery:tsy resaka fanakanana ampielezana baiboly no tanjon'ny FMBM fa nisy nagalatra ary nampiasainy @ anarany manokana ny site baiboly.org ka voatery tsy maintsy nandray fepetra noho izany ny FMBM. Io olona io anefa dia tsy mahazo alalana mampiasa izany @ anarany.

hery: raha misy olona any izao mangalatra ny site-nao dia tsy maintsy handray fepetra ianao , hoe: tsy izaho intsony no misahana azy fa nisy nangalatra.

resaka teknika(informatika sy lalàna) izy ity izany.

37. papala ( 12/09/2006 07:59)

Sao dia misy mahita baiboly anglais ? Hovidiana ? dia aiza no mety ahitana azy ?
38. hery ( 12/09/2006 08:10)
xxx> tsy azoko indray ilay hoe mangalatra site.

Raha misy manangana site mitovitovy @ serasera dia tsy heveriko fa mangalatra izany... raha tsy hoe izy mihitsy no mahazo ny mot de passe dia tantanany tanteraka ny site. Izay no atao hoe mangalatra. Sa izany no mitranga?
Izaho tsy nanao ny baiboly.org fa fantatro ihany ny olona nanao azy raha ny ara-teknika no resahina.
Raha ny votoatiny indray dia tadidiko fa fiaraha-miasan'ny mpamaky baiboly samy nandika (sy ni-scan) pejy maromaro.

Raha vao misy resaka hoe mangalatra ilay izy dia misy accusation ao izany ka saro-pady, satria fantatra ny olona nanamboatra ny takelaka (anaovana allusion hoe nangalatra?).

Sao dia mba natao mba tsy hiresahana intsony an'ilay resaka aza izao resak'i xxx izao, voatery tsy afaka hiresaka intsony mantsy izahay raha vao misy resaka halatra sns... satria lasa adin'olon-droa tsy idiranay ilay izy.
39. rabeflorian ( 12/09/2006 08:22)
Ity koa misy ahitany baiboly @ teny gasy ka mba jereo: http:www.fjkm-ankadifotsy.mg
Dia izao misy toro hevitra: raha misy zavatra mampalahelo eo amin'ny ara-panahy dia ankino amin'Andriamanitra ny famahana ny olana fa hainy ny manao izany rehefa sitrany.
40. xxx ( 12/09/2006 08:25)
hery > Ary raha ohatra izao indray , misy boky ohatra hoe roman malaza izay, tsy ianao no nanoratra fa olona hafa , fa misy olona tianao hamaky , dia adikanao tanana , dia hataonao en ligne, tsy niteny t@ mpanoratra sy maison d'édition ianao . Dia mety ho ahoana hoy ilay olona na ilay maison d'édition ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5828