Te-hody any mada fa matahotra sao ...

1. madagasikara ( 10/09/2006 12:24)
Betsaka tokoa ny mieritreritra ny hoe hody fa matahotra sao .... ( betsaka ny mandeha ao antsaina am io " ..." io ).
Ka tsy azon'ny mpinamana 3-4 atao ve hoe: manangana association rehefa tonga any. Ka rehefa hita fa mandeha tsara ny natsangana dia manangana hafa indray. Raha toa moa ka misy olana na toy izany dia miantso vonjy ( vola) am izay namana mbola aty ivelany.
MArina tokoa fa tsara anie aty ivelan'i mada fa koa tiana i mada ary tiana ho tafita, ka raha tsy isika izay mahita ny tsara nandritra ny taona maro no mamindra ny tsara azo afindra any mada dia ho tsy hivoatra mihitsy ny tanindrazantsika.
Nahita an'ilay resaka nandeha teto taloha manko za hoe na nipetraka taty aza nefa rehefa antitra dia te-hody any dago ihany, koa nahoana raha atao tsikely2 sy ifanohanana ny fiverenana. TSy izay ve no maha-mpinamana, sa?
novalian'i bazylou ny 29/12/2006 21:59
2. Fiffi ( 10/09/2006 12:49)
nahita an'iny dinika iny tokoa aloha zah an! toa nisy mihintsy aza nitady mpiara-miasa ka asa zay na mba nanao ahoana na ahoana ?

Tsara le hevitrao ry madagasikara , saingy asa raha azo tanterahana izany raha ohatra manko ka mbola hijanona ela aty ! fa ireo te-hody alohaloha no tsy aiko. Mety misy mihintsy ny namana manana projet ka de aleo jerena eto zany zay lazainy .
3. soanja ( 10/09/2006 17:21)
Ny tena mety de mandeha any aloha, tsy tonga de hifindra fa mijerijery hoe inona avy ny entana na zavatra ilain'ny olona amin'izao fotoana izao ka mbola tsy nisy nisy nanao loatra na mivarotra sns. Manao etude de marche mihitsy fa tsy hoe mandinidinika fotsiny. De jerena hoe possible VE ny fananganana izay mety eritreretinao, ohatrinona ny vola lany sns avy eo amin'izay mody aty an-dafy indray mijery hoe inona avy ny fahafahana hanantontosana izany. Rehefa mipetraka ireo lamina ireo dia mitady namana hiara miasa raha misy raha tsy misy dia miady irery. Efa miodina tsara 5 taona -10 taona tsy misy olana firy intsony. Izay vao miverina any satria assure zany ny any. Ny fiainana tsy misy guarantee akory fa izay sahy maty ihany no mifono lamba mena. "the American Dream".

4. tafita ( 11/09/2006 08:28)
Misaotra ny namana madagasikara
amin'ireto hevitra tsara
mahay mitsinjo ny mpiray tanindrazana
mba tsy hiaina ao anatin'ny ngazana
iny hevitrao iny tena mety dia mety
fa tsy ho vita vetivety
sarotra ihany raha tsy misy ny finiavana
amin'ny mpiray tanindrazana
izay samy monina mipetraka any am-pita
manantena ho tafita
fa maro dia maro ireo Malagasy angé
na kely na lehibe
manana vinavita hita hoe tena tsara
hoan'ny Madagascar
le fiarahana mientana no hita indraindray
manque be hatramin'izay
ny hifanohana iny mantsy tsy dia olana angé
fa isika marobe
na sarahin'ny toerana, na eto na any ho any
dia Malagasy iray ihany
ka marina ary ekena ny teninao hoe
hifanohana angé
ary izay tokoa mantsy no maham-pinamana
le mifanome tanana
ary didin'Andriamanitra ny hifankafiavantsika
mba ho samy tafita
hifampitsinjo ny olona tsirairay
ary tena ekenay

Ho ela velona anie i madagaskara


5. ratonga ( 11/09/2006 13:26)
soanja:

Ny tena mety de mandeha any aloha, tsy tonga de hifindra fa mijerijery hoe inona avy ny entana na zavatra ilain'ny olona amin'izao fotoana izao ka mbola tsy nisy nisy nanao loatra na mivarotra sns. Manao etude de marche mihitsy fa tsy hoe mandinidinika fotsiny. De jerena hoe possible VE ny fananganana izay mety eritreretinao, ohatrinona ny vola lany sns avy eo amin'izay mody aty an-dafy indray mijery hoe inona avy ny fahafahana hanantontosana izany. Rehefa mipetraka ireo lamina ireo dia mitady namana hiara miasa raha misy raha tsy misy dia miady irery. Efa miodina tsara 5 taona -10 taona tsy misy olana firy intsony. Izay vao miverina any satria assure zany ny any. Ny fiainana tsy misy guarantee akory fa izay sahy maty ihany no mifono lamba mena. "the American Dream".



Nande tany mihintsy aho nijery izay azo atao any après 20 ans d'abscence, ary araky ny hitako de tout est possible là bas.

6. Fiffi ( 11/09/2006 15:20)
hummm! Tafita: =D=D=D=D
7. fasaly ( 11/09/2006 16:20)
sarotra be io ry reto a! mora ny miteny sy ny mamisavisa fa rehefa atao tokou ny otkou de tena sarotra e!:wink:
8. sipagasy ( 11/09/2006 16:26)
mmhhh tsy sarotra akia io fasaly rehefa mivonona ann, izaho izao hody tsy ho ela annnn mmhhhh
9. Fiffi ( 11/09/2006 16:26)
marina zany !
10. maintsokely ( 11/09/2006 20:24)
manao ahoana daholo o!
Mikasika ny hoe fiarahana miasa amin'ny namana dia tena tsara dia tsara ary izay miaraka ihany no mety ho tafita. Izao anefa ny experience hitako (tsy niatra tamiko akory fa tamin'ny manodidina ahy akaiky. Amin'ny voalohany dia mandeha tsara iilay izy fa rehefa avy eo dia misy ny tia kely, ny sasany mieritreritra ny voambaka,....nefa ny kaonty amin'izany mandeha tsara

Mila fifampatokisana tsara aloha amin'ny voalohany ary samy mieritreritra ny hampandeha ny fiaraha miasa.
Mila mametraka reglement interne koa angamba.

Ny zavatra sur aloha maromaro ihany ireo mpinamana niara niasa tafita tany Dago satria mpifanampy eo amin'ny specialite
11. Fiffi ( 11/09/2006 20:36)
raha tsy misy kosa aloha ny fifampantokisana tsy hisy zavatra ho vanona mihintsy an!
12. mandrindra ( 12/09/2006 10:41)
arakarala ny surface financière hananana hanaovana ny drafitra hodiana any madagasikara ho an'izay te hody toa ahy izany. raha matanajaka be ny saosy dia afaka avy hatrany dia mody miaraka amin'ny projet dia tantana an direkta ny asa, miaraka amin'ny fahasahiranana amin'ny fiatombohana. raha toa ahy aloha tsy mahazaka an'izany fa dia alefa tsikelikely. mila zavatra maro anefa izany, mila mandeha any madagasikara intelo na in'efatra isantaona, manadihady izay azo atao, manangana, manaramaso, mametraka ny filet de sécurité (manamboatra trano na immeuble ...). rehefa manomboka tsara fototra ireo dia mody tanteraka amin'izay. betsaka koa anefa ny tsy te hanapaka tanteraka ny fiainana aty ivelany, afaka manao consultant dia mandalo tsindraindray, na koa miasa intérim 3 na 4 bolana.
13. Fiffi ( 12/09/2006 20:32)
tsara be le hevitra ry mandrindra. Efa naheno hiany aho hoe misy manao an'izany fa le hoe handeha any dago in-3 na in-4 isan-taona kosa toa ho mazana be an ?
14. madagasikara ( 13/09/2006 06:49)
Miankina am finiavana io ry zareo an. Tena marina ireo lazain'i maitsokely sy mandrindra ireo. Tsy misy zavatra azo tsy andrianilika hoy ny fitenenana ka izay no isan'ny mahamety ny hevitr'i mandrindra hoe mankany mada in-3-4 isantaona.
Ny tanjona anie tsy ny hoe hahazo vola be ao anatin'ny 1-2 taona ipetrahana any mada e, fa ny hoe hipetrahana any ka atao izay ivelomana. Tsy maintsy ho mazana ny 2-3 taona volaohany fa ohatr'izany foana matetika ny olona manangan-javatra e.
Misy koa manko ireo mihevitra ny hiasa samirery satria hoe: misy foana ny disadisa eo am samy mpinamana miara-miasa. Ny fifamenona eo am fahalalana ananana no tena tsara am fiaraha-miasa ( toy io lazain'i maitsokely io)
15. booboo ( 13/09/2006 09:32)
Misy olom-pifanerasera maromaro aminay, vahiny sy malagasy ( ela nipetrahana taty ivelany ireny ), no te-hipetraka any sy hanangana raha any. Misy mbola any ( vitsivitsy sisa ) fa ny ambiny nifindra tany hanorenam-pangady aby (Asia atsimo atsinana iny )

Matotra ny projets-ndreo sy ny fomba hanantaterahina azy. Ny indro kely :°), vao nandeha kelikely ny fanantaterahana ny raha dia kivy satria tsy maintsy manao tsolotra vao mahazo tel(s) papier ou act ou autres trucs.
Zay no nahatonga ny sasany hihemotra, na be dia be mihitsy aza no afaka atao any M/car dia vacances sisa no antony mbola handehanan-dreo any.

Mizara ny efa nandalovan'ny hafa mitovy raha amintsika fotsiny zaho.





16. Fiffi ( 13/09/2006 09:50)
tena mampalahelo kosa aloha le fomba hataon'ny sasany @ io tolotra io an!
17. maintsokely ( 13/09/2006 10:57)
Resaka tsolotra : ny tsolotra tsy voatery ratsy foana akory ary misy interet economique mihitsy. Accélerateur de procédure io raha hanao projet ianao. Aty koa ange misy tsolotra e!
Eritrereto fotsiny hoe hangataka taratasy administratif iray ianao dia mila mandalo birao 10 vao vita ilay izy. raha ohatra ka 2 andro isaky ny birao (voie normale)dia 20 andro izany dia vita. Raha mitsolotra kosa anefa dia mety herinandro dia vita.

Izaho akory tsy hoe manaiky na miaro ny tsolotra (faran'izay contre aza aho) fa mba eritreritro samy irery io
Asa na marina na diso ?
18. Fiffi ( 13/09/2006 21:43)
maintsokely: hummmm tena mbola tsy nahita an'io hoe misy tsolotra io aloha aty an!
19. ratonga ( 14/09/2006 07:27)
ra misy mangataka tsolotra na manataraiky ny famoahana ttsy angatahana @ administation any dago izao de iantson'ny olona BIANCO de samy matahotahotra daholoizao tsy tahakan'ny teo aloha intsony.
mitovy hevitra @ i Fiffi aho fa tene mbola tsy nahita an'io tsolotra resahan'i maintsokely aty,
izaho nanangana entreprise, iray andro de vita, mila fantatra mialoha fotsiny ny ttsy rehatra ilaina mba tsy iverimberenana
20. mandrindra ( 14/09/2006 13:01)
booboo, marina io lazainao io. nefa raha toa ianao ka vonona ny hipetraka any madagasikara dia paramètre iray tsy maintsy raisina io. izay ilay atao hoe adaptabilité. izaho, ianao, ny tsirairay no mifanaraka amin'ny zavamisy fa tsy ny zavamisy no hiova noho ny olona iray.
rehefa tafapetraka dia afaka mandray anjara amin'ny fomba maro samy hafa hiadina amin'izany.
fa amiko aloha raha resaka tsolotra no atao hoe sakana tsy hipetrahana any madagasikara dia tsy mbola vonona ny honina any izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3248