fiteny tsy fantatra

1. diamondra27 ( 17/08/2006 11:46)
aleo aza hosokafako le izy fa achia ngamba mbola lasa nisakafo kely

Mpandefa : Achia [ Valio ] 17-08-2006 07:28:14
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"
fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?
novalian'i prime ny 11/09/2006 13:45
2. diamondra27 ( 17/08/2006 11:47)
Mpandefa : Achia [ Valio ] 17-08-2006 07:28:14
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"
fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?


Mpandefa : soanja [ Valio ] 17-08-2006 16:29:00
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"

Hoy i Achia:

fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?



" Fa ny lalana dia nomen'ny Moizy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Tsy nisy nahita na oviana na ovina an'Andriamanitra fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no hanambara Azy." Nizara ny fitiavany sy ny fahasoavany tamintsika rehetra Andriamanitra eto na dia tsy zanak'Israley aza isika.

(Jaona 1:9-13) Hitondra fahazavana ho antsika i Kristy satria tao anatin'ny aizin'ny fahotana isika hatramin'izay. "Tao ny tena Mazava Izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izo. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana an'izao tontolo izo, nefa izao tontolo izo tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izy rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra."

Ny naterak'Andriamanitra dia ny teraka tamin'ny Batisa. Nitondra ny Batisa amin'ny Fanahy Masina izy hanome fanazavana sy famonjena ny fanahintsika. (Marka 1: " Izaho nanao batisa anareo amin'ny rano fa izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina."
Fa i Jesoa kosa dia nomelohan'ny zanak'Israely noho ny tsy fahalalany ny tenin'Andriamanitra. Tsy kivy anefa Andriamanitra fa nanome ny Fanahy Masina hidina ety hamintsika ho solon'ilay lasa.

(Asan'Apostoly 2:36-39) " Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina, fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. ....Ary Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanintsika hanatona Azy."(

Asan'Apostoly 2:4)" Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny teny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy."

Amiko io miteny amin'ny teny tsy fantatra io no faratampon'ny marika milaza fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray ary miresaka mivantana amin'Andriamanitra izy. Azo atao koa anefa ny mifosika an'io ho an'izay milazafa te hanana ny Fanahy Masina. Io ilay "Andriamanitra" na "Jesoa" amin'ny endrika vaovao, ny Fanahy Masina izany ary "Neshamah" no ilazan'i Jiosy an'io. Fa ny ambiny dia ilay hoe " Nefesh" sy ny "Ruah" izay samy fanahy mitakatra an'Andriamanitra daholo fa mbola tsy izy akory. Io Neshamah io dia Andriamanitra no manome an'io avy any ambony midina ao aminao ary afaka mitoetra.



3. diamondra27 ( 17/08/2006 11:48)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 17-08-2006 17:44:56
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"
Soanja> ilay ao @ Asan'ny Apostoly anie ka teny tena fantatra e! Teny maro samihafa ireo fa tsy hoe fiteny tsy fantatra ary azon'ny olona nanatrika teo izay nambarany

Hoy i Aicha:
fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?

Rehefa tsy misy mahazo izay lazainy dia mirediredy izay. Matetika na izy miteny aza hono tsy mahazo izay ambarany.
4. diamondra27 ( 17/08/2006 11:49)
Mpandefa : prime [ Valio ] 17-08-2006 18:02:33
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"
Mikasika ny fiteny tsy fantatra dia teny an'ny hafa firenena no tena dikany (sady tsy jiosy, no tsy grika, no tsy rômana t@ fotoan'andro)... Ka ny olona tsindrian'ny Fanahy Masina dia miteny @ fiteny tsy hainy mihitsy ary koa teny tsy hain'ny mpiara-mivavaka manatrika eo, ary ny filazantsara no manambara, fa raha misy ny mahazo fanomezm-pahasoavana miteny @ fiteny tsy fantatra (satria ny teny tsy fantatra dia faminaniana mivantana avy amin'Andriamanitra no ambara eo fa tsy démonstration akory) ao @ fiangonana iray dia tsy maintsy misy koa omeny fanomezam-pahasoavana handika ilay teny tsy fantatra, fa tsy mandeha ho azy hoe teny tsy fantatra dia hibadabada eo ilay olona dia tsy misy mahazo mihitsy ny lazainy... Ara-tsoratra masina dia miaraka ireo fa raha tsy izany ny devoly koa mahay teny maro amitahana ny olona...
5. diamondra27 ( 17/08/2006 11:50)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 17-08-2006 18:08:18
Lohateny : Re : Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"

Hoy i prime:
dia tsy maintsy misy koa omeny fanomezam-pahasoavana handika ilay teny tsy fantatra, fa tsy mandeha ho azy hoe teny tsy fantatra dia hibadabada eo ilay olona dia tsy misy mahazo mihitsy ny lazainy... Ara-tsoratra masina dia miaraka ireo fa raha tsy izany ny devoly koa mahay teny maro amitahana ny olona...

Misaotra nanazava fa io mibadabada (mirediredy) io mantsy no mahasondriana ny tanora ankehitriny any ivelany any.
6. diamondra27 ( 17/08/2006 11:54)
aza tezitra ianareo raha nataoko eto ireo sy nadikako satria araka ny voalazako dia tokony hatao size manokana ity hoe: fiteny tsy fantatra ity

misaotra @ compréhension-ny tsirairay

:-*:-*
7. cutie ( 17/08/2006 12:31)
fa miteny @ teny in zany miteny tsy fantatra zany :roll:
8. LazaDaddy ( 17/08/2006 12:40)
cutie> @ teny tsy fantatra :lol:
9. cutie ( 17/08/2006 12:41)
iza ihany no mahay azy :-D:-D:-D
10. LazaDaddy ( 17/08/2006 12:45)
andeha mba hikotrana teny tsy fantatra marina ampiarahina @ TSE. hahaha!
11. diamondra27 ( 17/08/2006 12:45)
cutie ve aloa mivazivazy sa tena tsy mahalala e:wink:

efa oe: @ fiteny tsy fantatra,
de tsy fantatsika olombelona izany fa ze tarihin'ny Fanahy Masina manao le traduction ihany no mahafantatra azy
12. LazaDaddy ( 17/08/2006 12:48)
cutie> andao isika sy indry anao cours teny tsy fantatra ao @ ACEEM sy ARCADE. hahaha
13. Fanja1 ( 17/08/2006 12:54)
tsy misy zvt azoko:roll::roll:
14. diamondra27 ( 17/08/2006 13:02)
fanja1: normal raha tsy azonjy fa sarotra be ny momba an'io.

Ao koa moa ny :-D:-D fa tsy mahay hono

Mety mbola hisy namana ihany hanazava bebe kokoa fa araho miadana fotsiny e!:-*:-*
15. cutie ( 17/08/2006 13:05)
:-$
Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 17-08-2006 23:45:58
Lohateny : Re : fiteny tsy fantatra
cutie ve aloa mivazivazy sa tena tsy mahalala e

efa oe: @ fiteny tsy fantatra,
de tsy fantatsika olombelona izany fa ze tarihin'ny Fanahy Masina manao le traduction ihany no mahafantatra azy

mba marina akia zany raha haiko
za wa tsy mivazivazy fa bedy raha vo mivazivazy eto
16. cutie ( 17/08/2006 13:06)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 17-08-2006 23:48:30
Lohateny : Re : fiteny tsy fantatra
cutie> andao isika sy indry anao cours teny tsy fantatra ao @ ACEEM sy ARCADE. hahaha

misy mampianatra nga ao :-D:-D:-D
17. diamondra27 ( 17/08/2006 13:07)
LD: fa inona tokoa aloha no hita ao amin'ireo , sao de misy mahaliana
18. Fanja1 ( 17/08/2006 13:11)
De miandry fanazavana ô:roll::roll:
19. cutie ( 17/08/2006 13:12)
efa oe: @ fiteny tsy fantatra,
de tsy fantatsika olombelona izany fa ze tarihin'ny Fanahy Masina manao le traduction ihany no mahafantatra azy

fanja io hono :wink:
20. Fanja1 ( 17/08/2006 13:15)
cutie ka tsy azoko anie ilay tiny lazaina @ io e... vonjeo fa very za:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2772