Ny hoe "mandray an'i Jesoa!"

1. rakaroka ( 16/08/2006 14:20)
"Dé mbola misy oul hanazavana izany hoe "mandray an'i Jesoa indray ve?" Hoy ity mpivavaka iray namaly ny fanontaniako mikasika izany.
Ho ahy anefa toa miteny @ teny tsy fantatra izy vu que hoe tsy voatery ahafantatra an'I Jesoa ny oul iray no tsy mazava mihitsy izay fomba andraisan'ny kristiana an'i Jesoa.
Ka tsy mitombina izany ny fanontaniako?...
novalian'i prime ny 03/10/2006 13:22
2. prime ( 16/08/2006 14:26)
Marina ny anao kosa aloha e, tsy voatery hahafantatra an'i Jesosy ny olona rehetra... Fa raha nahafantatra ny olona tsy nilaina intsony ny fitoriana filazantsara...
3. Fiffi ( 16/08/2006 15:26)
prime: na nahafantatra aza , amoko aloha hilaina hiany ny fitoriana filazantsara satria efa nisy ve olona na de 1 aza hoe tena mahafantatra ka nihaina tanteraka zay zavatra rehetra nolazain'i Josoa ?
4. Fiffi ( 16/08/2006 15:46)
Jesoa (fa tsy Josoa)
5. diamondra27 ( 16/08/2006 17:51)
rakaroka: aza de manao izany ianao e!
lazaiko anao marina de marina fa be de be no tsy mahalala izany Jesosy izany, na de ao dago fotsiny aza.

Efa nitory filazantsara tany ambanivohitra be ireny ve ianao? Andramo fa expérience tsara de tsara sady sarotra adinoina. Ho ahy manokana de izy no fahasambarana t@ fiainako teto antany, nitory an'i Jesoa de nanampy ny olona @ fandraisana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpanonjy azy.
Betsaka ny karazan'olona hita t@izany , nisy aza mpimasy teo ampanaovana ody no nitoriana, nanaiky nandray anany ary de nanome ny fony ho an'i Jesosy.

Ny ahy de ireny any ambanivohitra lavitra be ireny (tsy misy jiro sy rano) no nahasarika ahy , fa de miaina @ fomba tsotra le olona fa tsy mahalaala hoe: Iza Jesosy

azafady fa somary nivaona kely ny resaka
6. diamondra27 ( 16/08/2006 17:55)
Mandray an'i Jesosy izany tsy hoe: miteny @ fiteny tsy fantatra ka!

fanomezampahasoavana io miteny @ fiteny tsy fantatra io

7. pissoa ( 16/08/2006 18:50)
rakaroka:
"Dé mbola misy oul hanazavana izany hoe "mandray an'i Jesoa indray ve?" Hoy ity mpivavaka iray namaly ny fanontaniako mikasika izany.
Ho ahy anefa toa miteny @ teny tsy fantatra izy vu que hoe tsy voatery ahafantatra an'I Jesoa ny oul iray no tsy mazava mihitsy izay fomba andraisan'ny kristiana an'i Jesoa.
Ka tsy mitombina izany ny fanontaniako?...

Tsy azoko tsara ny tiana ambara amin'ilay hoe vu que ... tsy mazava mihitsy izay fomba andraisan'ny kristiana an'i Jesoa.

8. Achia ( 16/08/2006 20:28)
fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?
9. rakaroka ( 17/08/2006 03:56)
Rehefa tsy voa-capté-ny "récépteur" ny message!
Tsy azon'ny oul loatra izay tiana ambara!
Azonareo sy ny oul any ambanivohitra?...
Tsy azon'ny "environnement misy ahy eto": ny ankizy,
ny tanora izay entina mitsidika fiangonana sy ny namana maro mpikaroka: ho azy misy "inconnu à détérminer aloha: hoe "iza marina aloha Jesoa?...
suffit pas hoe fantatra ny anniversaire-ny, nohomboana t@ hazo fijaliana!
Rahateo ny fahatsapana ny message biblique tsy azo aravona @ teny hoe : "raiso Jesoa" satria na Jesoa io en personne aza tsy nanatsotra ny fampianarany loatra toa izany....
Subtil kokoa ny fampianarany!
Mazava be agamba ny maha teny tsy fantatra ity code
na "slogan" mba ahazoana famonjena ity!
10. rakaroka ( 17/08/2006 04:47)
En effet,tena hoe ara-bakiteny no andraisana ny voalaza sasantsasany ihany : izay nandray Azy dé nomeny hery ho tonga zanak'Atra, dé 'zay nateraky ny rano sy ra.
Izany hoe mila atao batisa sy mandray dé mino @ vava!
Donc raha te ho voavonjy ho'aho dé:
F"AMONJENA= batisa+mandray ny fanasan'ny Tompo +
mino fa Jesoa maty noho ny fahotantsika:"
IZAY IHANY!

Hadino daholo ny fampianaran'i Jesoa maro tahaka ny hoe
Izay mino ahy: ny asa ataoko no ataony koa...
mpianatro ianareo raha mifankatia...
Voasoratra hoe... fa ny marina dé hoe...
sns...
Ny condition napetrany ahazoana ny fanjakan'ny lanitra ao @ Matio 5-7.

Ahoana kosa moa no hivoatra ny oul raha ampadriana adrisa @ io formulen'ny FAMONJENA eo ambony io?
Tsy misy mampatsiahy azy ny miandry azy tahaka ny hoe "aoka ho tanteraka ianareo..."sns...

Ohatran'ny notailanina izany ny soratra masina!

11. Fiffi ( 17/08/2006 05:12)
fa iza no manadino ny inona ? Jesoa ve nanao condition @ inona ? hoe raha tsy vita batisa sy mandray de tsy ho voavonjy ?
12. soanja ( 17/08/2006 05:29)
Achia:

fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?


" Fa ny lalana dia nomen'ny Moizy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Tsy nisy nahita na oviana na ovina an'Andriamanitra fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no hanambara Azy." Nizara ny fitiavany sy ny fahasoavany tamintsika rehetra Andriamanitra eto na dia tsy zanak'Israley aza isika.

(Jaona 1:9-13) Hitondra fahazavana ho antsika i Kristy satria tao anatin'ny aizin'ny fahotana isika hatramin'izay. "Tao ny tena Mazava Izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izo. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana an'izao tontolo izo, nefa izao tontolo izo tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izy rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra."

Ny naterak'Andriamanitra dia ny teraka tamin'ny Batisa. Nitondra ny Batisa amin'ny Fanahy Masina izy hanome fanazavana sy famonjena ny fanahintsika. (Marka 1: " Izaho nanao batisa anareo amin'ny rano fa izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina."
Fa i Jesoa kosa dia nomelohan'ny zanak'Israely noho ny tsy fahalalany ny tenin'Andriamanitra. Tsy kivy anefa Andriamanitra fa nanome ny Fanahy Masina hidina ety hamintsika ho solon'ilay lasa.

(Asan'Apostoly 2:36-39) " Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina, fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. ....Ary Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanintsika hanatona Azy."(

Asan'Apostoly 2:4)" Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny teny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy."

Amiko io miteny amin'ny teny tsy fantatra io no faratampon'ny marika milaza fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray ary miresaka mivantana amin'Andriamanitra izy. Azo atao koa anefa ny mifosika an'io ho an'izay milazafa te hanana ny Fanahy Masina. Io ilay "Andriamanitra" na "Jesoa" amin'ny endrika vaovao, ny Fanahy Masina izany ary "Neshamah" no ilazan'i Jiosy an'io. Fa ny ambiny dia ilay hoe " Nefesh" sy ny "Ruah" izay samy fanahy mitakatra an'Andriamanitra daholo fa mbola tsy izy akory. Io Neshamah io dia Andriamanitra no manome an'io avy any ambony midina ao aminao ary afaka mitoetra.


13. prime ( 17/08/2006 06:36)
Fiffi> ny hoe mahafantatra tsy ilay \"connaissances\" na fahalalàna loatra no lazain\'ny soratra masina mikasika ny hoe \"fantatro\" ambaran\'i Jesosy. Raha manam-potoana kely hamakiana ianao dia vakio ny Lioka 13:25-27...
Fa ny firaisana feno aminy mihitsy no atao hoe mahafantatra Azy ary fantany rahateo...
rakaroka> ny baiboly iray manontolo no conditions fidirana ny fanjakan\'ny lanitra fa tsy ny Matio tok.5-7 ihany, ary efa voalaza rahateo fa tsy ny asan\'ny olona no hahavoavonjy azy fa ny finoana, miangavy anao aho hamaky iray manontolo ireto, Jaona 6:28-40, Jaona 6:47-58...
Ny fanaovana asa soa, ny fitiavana, ny fizaràna aina, ny fanajàna ny didy sy ny lalàna, efa fiainana iainana andavanandron\'ny mpino izany fa tsy ianarana manokana na antoka fidirana any @ fanjakàn\'ny lanitra...
Voalazanao koa ny mikasika ilay fanoharana \"samaritàna tsara fanahy\", ny fanontanian\'i Jesosy tsy hoe iza no tafiditra any @ fanjakan\'ny lanitra @ izy telo lahy fa hoe \"Iza no namany\"... Aoka mba hotandremana tsara ilay famakiana teny fa manjary miova mihitsy ny heviny...
Mikasika ny \"subtilité\" ny soratra masina dia tsotra mihitsy no ilazàn\'i Jesosy ny tenany, fa ny olona no tsy mety mino izay lazainy... Efa zatra ny filôzofia sy ny fampianarana maro ka lasa \"sceptique\" @ zavatra farany izay tsotra... Izany no antony ilazàn\'ny Tompo fa afenina @ manan-tsaina ny teniny ary fahadalàna ho an\'izao tontolo izao, fa ny osa sy ambany saina ary izay lazaina fa adala mihitsy aza no anambaràny ny zava-miafina mikasika ny famonjena...
14. LazaDaddy ( 17/08/2006 06:44)
Soanja> ilay ao @ Asan'ny Apostoly anie ka teny tena fantatra e! Teny maro samihafa ireo fa tsy hoe fiteny tsy fantatra ary azon'ny olona nanatrika teo izay nambarany :lol:

Aicha:
fa ahoana marina io miteny @ teny tsy fantatra io e ?
Rehefa tsy misy mahazo izay lazainy dia mirediredy izay. Matetika na izy miteny aza hono tsy mahazo izay ambarany.
15. prime ( 17/08/2006 07:02)
Mikasika ny fiteny tsy fantatra dia teny an'ny hafa firenena no tena dikany (sady tsy jiosy, no tsy grika, no tsy rômana t@ fotoan'andro)... Ka ny olona tsindrian'ny Fanahy Masina dia miteny @ fiteny tsy hainy mihitsy ary koa teny tsy hain'ny mpiara-mivavaka manatrika eo, ary ny filazantsara no manambara, fa raha misy ny mahazo fanomezm-pahasoavana miteny @ fiteny tsy fantatra (satria ny teny tsy fantatra dia faminaniana mivantana avy amin'Andriamanitra no ambara eo fa tsy démonstration akory) ao @ fiangonana iray dia tsy maintsy misy koa omeny fanomezam-pahasoavana handika ilay teny tsy fantatra, fa tsy mandeha ho azy hoe teny tsy fantatra dia hibadabada eo ilay olona dia tsy misy mahazo mihitsy ny lazainy... Ara-tsoratra masina dia miaraka ireo fa raha tsy izany ny devoly koa mahay teny maro amitahana ny olona...
16. LazaDaddy ( 17/08/2006 07:08)
prime:
dia tsy maintsy misy koa omeny fanomezam-pahasoavana handika ilay teny tsy fantatra, fa tsy mandeha ho azy hoe teny tsy fantatra dia hibadabada eo ilay olona dia tsy misy mahazo mihitsy ny lazainy... Ara-tsoratra masina dia miaraka ireo fa raha tsy izany ny devoly koa mahay teny maro amitahana ny olona...
Misaotra nanazava fa io mibadabada (mirediredy) io mantsy no mahasondriana ny tanora ankehitriny any ivelany any.
17. diamondra27 ( 17/08/2006 08:54)
fa inona aloha no tokony holazaina eto e! ny fandraisana an'i Jesosy sa fanazavana momba ny fiteny @ teny tsy fantatra

zavatra 2 samy hafa ireo
size samy hafa fa tsy tokony akambana.

Raha azo atao de aleo aloha momna ny hoe: mandray an'i Jesosy no tenenina eto fa manjary very izahay
raha tsy zany de mamaoka size momba ny teny tsy fantatra indray

Le fandraisana an'i Jesosy aza ity mbola tsy nisy namaly ihany hoe: ahoana no tokony hatao?de efa mivadika sahady ny resaka
18. diamondra27 ( 17/08/2006 08:56)
achia: mangataka anao hamorina size @io raha azo atao satria be de be ny zavatra azo ambara ny @io sy dinika azo atao, tsy fiadiana akory fa mba samy milaza ny heviny, ilaina ihany koa ny hevitry ny hafa fa tsy ny tena ihany.

Merci
19. prime ( 17/08/2006 10:37)
Miala tsiny diams a, fanontaniana nandalo iny d mba nilaza hevitra fa tsy manodina size akory... misaotra...
20. diamondra27 ( 17/08/2006 11:12)
tsy misy tsiny ange fa le izy fa tena INTERESSANT de mba IANGAVIAKO tsy hakambana e!
raha azo atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849