Hody

41. soanja ( 19/08/2006 01:15)
Fijo a, Maninona indray raha mieritreritra ny hijery firenena hafa dia mba miova rivotra. Efa be ihany izay Gasy namana nody izay fa izay tonga any tsy tamana. 2 volana ihany no mety amiko any Mada dia te hody sahady aho. Asa na manao toy izany ianareo? Menatra milaza an'izany amin'ny havako aho fa sao dia ataony hoe manao tsinotsinona azy ireo fa tsy izay mihitsy fa efa zatra be aty ny tenako. Tsy vazaha anefa akory aho fa gasy petaka ihany fa asa izy ity.
42. Fiffi ( 19/08/2006 06:55)
raha le hoe 6 volany any , 6 volana aty ! heu...hevitra tena tsara saingy ahoana ny asa @ zany ?
43. mandrindra ( 19/08/2006 08:46)
manao consultant dia manangana entreprise dia mety izany ka
44. papounette ( 19/08/2006 12:00)
Zà alo raha tonga any andafy(Europe,US...etc)tena tsy miverina aty Mada zà raha tsy hanao vacances.Marina e!
Aleo mijanona any ihany dia mitady olona atokisana manangana zavatra matanjaka anakiray na maromaro de juste manaramaso fotsiny no atao rehefa mande aty Dago.
Raha mila entana entina miasa dia alefaso tsikelikely.Aleo zavatra efa mitsangana no vantanina.
45. soanava ( 20/08/2006 20:16)
Tena mahainaritra ny hevir'i Papounette satria hita fa
tsy aty Andafim-bazaha aty ianao.
Misy fotoana anie tena mahalasa adala eh! efa ela ihany aho no aty fa matetika rehefa ririnina dia
migogogogo mitomany tampoka tsy ahoana eo
Tena tsy foiko ny havako sy ny taniko fa matoa mijanona aty dia tsy afaka manoatra
46. soanja ( 21/08/2006 01:12)
soanava a, mampalahelo ahy be indry. Mivavaka ho andry aho zany. :-*:-*:-*:-*
47. mandrindra ( 21/08/2006 14:13)
soanava, manaova tetikasa ahafahana miverina any antanana raha izany. tsara ny vola fa zaingy tsy io ihany no mitantana ny fiainana. raha toa ka hitanao fa mety ho kely kokoa ny azonao raha any madagasikara dia miezaha satrai raha milamina kokoa ny sainao any dia mora kokoa ny misondrotra.
48. booboo ( 21/08/2006 14:19)
soanava > ny hiver tsy haiko manazava azy fa misy fihatraikany @ humeur dia booooooooobaka beeeeeeee no mi-déprime @ io saison io, dia raha tsikaritrao fa rehefa tonga nefa ny printemps dia falifaly aby ndray ny pokona. Fomban-javatra zany :-*
49. tsito ( 21/08/2006 15:51)
Dia asanaro reolona fa za aloha hody refa majeur ny zanako e ! asa na mba azonareo antsaina zany hoe hanao retirety aty zany , antitra aty zany. vaza aza enao mila handady @ tany vao velona ka hoe gasy kely iny na dia nasionalite vaza aza tsy évident mintsy le antitra aty. Asa aloha fa evitra iany ioe! raha maita fomba afa nareo iadanana aty refa retirety dia mba atoroy aho fa ny ahy de zany no tena manairantsaina ahy. Ho antitra aty dia habe adidy ny zanako fotsiny.
50. Fiffi ( 21/08/2006 19:24)
tsito:
. vaza aza enao mila handady @ tany vao velona ka hoe gasy kely iny
:roll: fa gasy kely ahoana kay zany ? Fa nahoana no hatao hoe gasy kely ?:roll:


51. mandrindra ( 21/08/2006 19:29)
io koa tsy mba voako loatra io fisokajiana hoe kely io
52. booboo ( 21/08/2006 20:12)
Fiffi > hihihihi nefa maventy vatana aby ny ankamaroany e ?

sa akory mandrindra ? hihihihihihihi
53. mandrindra ( 21/08/2006 20:19)
ka io vokatry ny dité ko :-D:-D:-D
54. Fiffi ( 21/08/2006 20:44)
:-D:-D dité fotsiny ve ry mandrindra ? :-D kiii aleo zany zah tsy hisotro dité intsony sao hidiran-doza eo an! :-D:-D:-D:-D:-D
55. mandrindra ( 21/08/2006 20:57)
kôzy e, dité fa anontanio anie i booboo e:wink::-D:-D
56. Fiffi ( 21/08/2006 21:20)
booboo: ahoana akia zany ? kiiii !! de raha izany de aleo hajanoko aingana le fosotrona dité fa hidran'doza eo an! de inona indray zao no hasolo azy ? :roll::-D:-D:-D
57. mandrindra ( 21/08/2006 21:38)
soloy ranon'apango fa io koa milay :-D:-D:-D
58. soanja ( 21/08/2006 23:15)
Ny zavatra mahavariana ahy dia hoe niova indray angaha ny mahafatifaty sy ny tsara bika/tarehy any Dago? F'angaha tsy hoe "sady taviny no volony." Io ilay efa resahin'i Naritsimba foana io kolotsaina io hoa.
Tsetsetra tsy aritro fotsiny io an.:-*:-*:-*
59. booboo ( 22/08/2006 07:01)
Fiffi > hihihihihihi zany hono, ranovola koa tsara hihihihihihihi
60. papounette ( 22/08/2006 11:46)
Efa maromaro ihany mantsy ny hitako niverina avy any andafy mahatonga ahy miteny fa tena tsy lasa e!
Na raha efa hody de mila omanina mandritra ny taona maro.Atao tsikelikely.Marina fa mahamanina Madagascar rehefa any antany lavitra any.Nefa soyons réaliste na de zany aza.Modia aty rehefa manana bases tsara(diplôme,argent et materiels).
Mafy ange rey olona ny fiainana aty.Marina e!Zao aza efa 40 ao anatin'ny 15andro ny olona matiny hatsiaka ao Tanà.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8464