Hody

1. maintsokely ( 10/08/2006 15:21)
Salut ianareo an
Izaho ry zareo a! mba maka hevitra aminareo; Izaho te hody any dago (retour définitif) alohan'ny hodiako dia te hitondra fitaovana aho ho entiko mamorona asa any. Sao dia mba mahita hevita ianareo ? fanampiana ara-bola na fanampiana ara-pitaovana (sao dia misy mahita ireny orinasa manary fitaovana ireny ?), ....
Izaho dia mpianatra ary mbola tsy manambady araka ny reko dia toa hoe rehefa mody dia omen'ny frantsay fanampiana sao dia misy mahalala ny momba an'io ?

Misokatra amin'ny hevitra rehetra aho (na conseil na critique)

Misaotra mialoha
2. fijo ( 10/08/2006 15:29)
manatona ny mairie de any manontany fa hafaka manoro hevitra ny any
3. Herimiafina ( 10/08/2006 15:55)
Maka carte consulaire dia tsy handoavanketra ny entana ho entinao, izay ny azoko atoro aloha izao! :wink:
4. maintsokely ( 10/08/2006 16:24)
Misaotra anareo aloha amin'ny torohevitra
5. Ralay ( 10/08/2006 16:27)
Raha tapitra ny fianaranao ka hody ianao dia manana droit hitondra ny entanao ary mahazo franchise fa raha zavatra hamoronanao orinasa izany kosa aloha dia tsy maintsy handoavanao douane.
Tsy manome fanmpiana izany ny frantsay raha olona aradalana hody ianao fa ireo klandy manolotena hody no mahazo fanampiana @ fanjakana frantsay.
Ny prefecture koa afaka manome renseignement momba an'io.
Dia ho tsara miverina izany e
6. betay78 ( 10/08/2006 16:35)
izao efa naheno izay resaka fonctionnaire mody definitif izay.misy an'ilay voisin-a nay lasa nody tany martinique tany nahazo prime d'installation et tant que fonctionnaire sady @izay ny etat frantsay no niantoka ny frais rehetra bateaux etc...mi-renseiganva tsara mandehana mankany @mairie ,ny ambassadintska,etc....fa tena misy fanampiana mihintsy sady en plus ianao fonctionnaire.na any @ ministere de l'education nationale na any @ministere de l'egalite des chaces il faut se rensiegner partout.
7. Fiffi ( 10/08/2006 16:35)
marina daholo ireo voalazan'i Ralay ireo an! raha ohatra fotsiny hoe klandy enao de manonontena hody de mahazo le fanampiana 2000€ iny !
Raha ny hentana hetina mody indray de mahazo franchise fa raha ohatra ka hentana hiasana de ....douane hiany no henjana!
8. Zina ( 10/08/2006 17:43)
tsy oe manoro zavatra ratsy fa efa ande ody ihany ianao ka maninn raha maka an'ilay 2000 euro...miteny oe tsy valide intsony ny papier sa manjary lasa tsy mahazo an'ilay franchise mitondra entana????
Hanararotra ihany tsy aleo ve maka le plus possible amin'ireo frantsay ireo??? a moins ka mbola hiverina indray andro ianao io ndray tsy mety.
9. Fiffi ( 10/08/2006 19:43)
lasa mivadika zavatra hafa indrayraha manao an'zany koh! ny franchise-ny hentana aloha de tsy hahazo fa de mihonona @ le 30 na 40 kilao fotsiny !
10. soanja ( 10/08/2006 22:33)
Nisy namanay nody tsy hiverina aty intsony tamin'ny herinandro teo. Anorina orinasa toy anao koa ny programan-dry zareo ary ny azy fambolena sy fiompiana hono. Efa nahangona be koa aloha ry zareo ny fahitako azy ka mety tsy mila fanampiana avy amin'ny fanjakana. Sady ny Zamerloky koa tsy hanome. Ry zareo aloha niasa fa tsy mpianatra nody.
Ka ny azoko hanampina de hoe: inona izany ny tetikasa na orinasa tianao hatsangana any dia amin'ny lalan'izay no ahafantarana hoe ary mandeha na aty mandeha.
11. diamondra27 ( 11/08/2006 06:30)
bon voyage e!
12. Fiffi ( 11/08/2006 06:47)
de bon courage ozy le hiran'ny Mahaleo zay! :)
13. maintsokely ( 11/08/2006 10:07)
Misaotra be ho anareo namaly. Misaotra ihany koa amin'ny fanomezana courage.
Ny situation-ko aloha amin'izao dia mbola mpianatra aradalana. Raha ny fahazahoako azy dia mila miklandy aloha vao mahazo ilay 2000 euros ?
Ny zavatra hataoko any dia arakaraky ny materiel hitako aty. Raha ohatra ka hoe materiel boulangerie no hita dia boulangerie no hatao, raha fitaovana mekanika no hita dia mecanika no hatao, raha fandrafetana no hita dia rafitra no hatao, .....

Raha resumena izany dia tsy maintsy mitady asa aloha ahafahana manangona dia izay vao mody. hatramin'ny rahoviana ?

14. Fiffi ( 11/08/2006 12:08)
ny mi-klandy ka manonon-tena hody no mahazo an'io vola io ! fa tandremo fa misy fetrany hiany ny lanjan'ny hentana azonao hentina mody.
ka raha tsy miasa enao heu...aiza no hahitana vola ? De tsy maintsy manangona kosa aloha an!
hatramin'ny rahoviana ny inona ?
15. maintsokely ( 11/08/2006 15:56)
Fiffi:

ny mi-klandy ka manonon-tena hody no mahazo an'io vola io ! fa tandremo fa misy fetrany hiany ny lanjan'ny hentana azonao hentina mody.
ka raha tsy miasa enao heu...aiza no hahitana vola ? De tsy maintsy manangona kosa aloha an!
hatramin'ny rahoviana ny inona ?


Ok marina aloha izany e! Ilay hoe hatramin'ny rahoviana dia tsy hitako loatra izay antony nanoratako azy


16. fijo ( 11/08/2006 18:34)
ary soanja ngah atsy mba hody?
17. Fiffi ( 12/08/2006 12:05)
maintsokely: :)
ary fijo ?
18. soanja ( 13/08/2006 21:22)
Hody aiza Fijo? Aty ny fodiako ka! Rehefa mankany Mada aho dia mamangy. Ianao angaha te hody?
19. Fiffi ( 14/08/2006 05:14)
nga i fijo efa any alemana ?
20. Ralay ( 14/08/2006 05:56)
Niato ny ady ady Liban ka irina mba ho definitif izany.Manantena vao² avy @ireo namana any antoerana ny fizotran'izany fihatoana izany.
Mahereza e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207