Hody

21. Fiffi ( 14/08/2006 05:58)
^:^^:^
22. fijo ( 15/08/2006 18:52)
ie za efa te hody ka,efa ampy izay ny nialana tany
23. soanja ( 16/08/2006 01:03)
Fijo a, tena milaza zavatra be dia be ilay teninao farany io.
24. Fiffi ( 16/08/2006 08:43)
misy ny hoe efa ampy ny nialana tany saingy misy koh ny olona tena tsy afa-manaotra an! :(
25. mandrindra ( 16/08/2006 10:10)
fijo, zah konkou letsy tena efa lahona be an'ilay aty. fa mila fikarakarana, fandaminana ary indrindra indrindra fotoana.
26. Fiffi ( 16/08/2006 13:17)
hummmm! te-hody daholo ve ?
27. soanja ( 16/08/2006 14:07)
Zah tena tsy te hody mihitsy ka. Tamana be mihitsy aty ary mahafaly ahy izany safidiko izany. Dago indray dia tanana nahabe ka tsy ilaozana ela fa vangivangiana foana.
28. Fiffi ( 16/08/2006 14:17)
indrindra akia ry soanja rehefa tena ela be no taty an!
29. soanja ( 17/08/2006 03:50)
Izay eo ihany ry Fiffi fa ny tiako ambara eo dia ny hoe ny fodiana dia tsy mba misy hoe Tananarivo na hoe Diego fa na San Paolo na Kyoto na Pentagonia dia toerana iray ihany ireo dia ny planeta tany. Asivo soa ny manodidina anao. Mizara fitiavana ho an'ny hafa. Aza mba mitsipa-doha laka-nitana ary mahaiza manao valibabena daholo. :-*:-*:-*
30. Fiffi ( 17/08/2006 05:52)
ka raha samy hanisy soa hiany ve akia tsy aleo ve aloha ny tanindrazana no hatao ambonin-javatra ?
31. soanja ( 17/08/2006 15:10)
Izay indrindra ilay hoe Tiavo ny tanindrazanao ary mahaiza mamaly babena ka. Samy tokony asiana soa daholo ka ny ny anao aloha atao voalohany, izay vao mabamanao ny hafa. Fa tsy hoe any daholo. Lasa fitiavan-tena indray.
32. fijo ( 17/08/2006 19:05)
za aloha efa tena te hody e,fa araka io lazain'i mandrindra io,dia mila fanomanana le izy,satria sarotra ny any.
33. Fiffi ( 17/08/2006 20:03)
zah aloha mahafantatra olona efa ho 27 taona zao izy no taty de lasa tany dago hoe hijanona 3 volana fa tena tsy tafajanona tany izy fa 1 volana de niverina fa hoe tsy lasany hono ny mijanona any an!
34. mandrindra ( 18/08/2006 10:30)
ka io arakaraka ny tsirairay no hoe ho tamana sa tsia. fa izaho manokana aloha dia mitady izay azo atao any aho. tanjona ho ahy io, raha tanteraka moa dia tena milay ary raha sanatria ka tsy tojo amin'izany dia izay tsy manao ihany no manenina.
35. booboo ( 18/08/2006 10:41)
Miankina @ ilay tanjona napetraka ihany koa. raha hoe hijerijery fotsiny aloha hoe ho zaka sa tsia dia hafa zay, fa raha efa tena hoe roso ty tsy mimpody kouah dia hafa koa zay.

Fa mila fotoana ( fijerena fitaovana, toerana,... )sy fahaiza mandamina ( inona avy klou no tokony atao dieny aty ivelany, inona no prioritaire rehefa tonga any M/car @ zay sns ) raha ilay fodiana tanteraka na izany aza, ankoatra ny resaka fianaran'ny ankizy, hanaiky ve ilay vady, sns.

36. hery ( 18/08/2006 10:52)
Misy koa ny tsy mody tanteraka fa manao 6 mois any 6 mois aty. Mazava ho azy, efa lehibe ny ankizy amin-izany. Raha io no atao dia sady manasoa ny any ianao no mbola miaina tsara ny fiainanao aty ihany koa.

Ny olana dia ilay resaka adaptation ihany e. Rehefa vonona amin'io dia ok.
37. mandrindra ( 18/08/2006 11:35)
ny adaptation avy any nakaty vita ko ny avy aty mankany indray ve no ho sarotra?
38. Zina ( 18/08/2006 13:49)
Rehefa mahay manambotra ny saina dia mety doly... Ny saina ihany no mitondra ny rehetra...
39. fijo ( 18/08/2006 21:52)
hery an,io mihintsy izao no tiako hoatao,fa tsy haikoizay hoatao any.
40. mandrindra ( 18/08/2006 22:08)
mila mandeha mijery any antoerana, dia miresaka amin'ny olona any antoerana mitady izay mety mifanaraka amin'ny tena aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2992