Porofo

41. cutie ( 09/08/2006 16:10)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 09-08-2006 21:02:42
Lohateny : Re : Porofo
be ahiahy fa tsy mandry ny saina ?

eny wa
tsy matoky tena
42. pissoa ( 09/08/2006 16:15)
Fiffi:
be ahiahy fa tsy mandry ny saina ?
Mety misy io ... hoe rehefa manao ny ataony any izy dia maka toky be aminao. Fa mety koa hoe misy zavatra nataonao tsy dia misarika azy hatoky anao loatra.
43. Herimiafina ( 09/08/2006 16:25)
Inona moa no angatahana porofo?
Rehefa inona no ilaina ny porofo?

Tsy haiko fa raha entiko amin'ny fomba fijery "rationnel" dai toy ny anketin'ny polisy ihany io. Izay toy izao ny fitrangany:

*suspecte amina zavatra iray ianao.
*tsy azo atokisana ianao.


Ka tsy voavaha ny olana raha tsy misy porofo mivaingana.

Ohatra Scenario iray hafa koa:
-Nampanantena olona ianao fa hanasa azy any amin,ny restaurant.
-Efa niomana be izy kanefa ianao tsy tonga tampoka.
-Nanazava ianao fa narary tampoka.
-Nino ilay olona.

-Nampanantena fanindroany ilay olona ianao fa hitondra azy restaurant.
-Niomana be indray izy ary nanofa costume lafobe mihintsy.
-Tsy tonga indray ianao sady tsy nampandre.
-Nanazava ianao fa narary tampoka indray.
-Nino fanindroany izy.

-Nampanantena fanitelony ilay olona ianao fa hitondra azy restaurant.
-Hoy izy: ahoana no tena hahalalako fa ho avy ianao6 (mitady porofo izy eo).

Venansa be ilay olona raha au bout de 3 fois napetrapetraka tsy hanontany tena hoe marina ary sa tsy marina ireny fanasana ataon'ity olona ity amiko! :-D

44. cutie ( 09/08/2006 16:27)
:-D:-D:-D:-D:-D
ny hadalany koa no mbola hanontany porofo e
efa fanintelony ve :-D
45. pissoa ( 09/08/2006 16:36)
Ka raha tena narary tokoa ilay olona?

Ny fantatr'ilay niandry mantsy dia hoe tsy tonga in-telo izy dia samy narary ny antony ... Mety narary koa nefa ny ankilany tamin'ny andro hafa fa mbola tsy tafaresaka fotsiny izy roa.

Izaho koa mahita fa ny olona tsy tia angatahina porofo - amin'ny fotoana ilana porofo - dia mety manafin-javatra :lol:
46. Herimiafina ( 09/08/2006 16:41)
Raha tena narary tokoa ilay olona dia tohizo indimy io ohatra nomeko io dai izay vao mety adapté amin'ny heritreritr'i pissoa ilay ohatra. :wink:
47. Fiffi ( 09/08/2006 16:46)
pissoa:
Ka raha tena narary tokoa ilay olona?
heu....raha hoe resaka fahasalamana kosa ve de andehanana hanaovana pretexte ? tsy aiko raha misy olombelona ahy manao an'zany aloha an! raha mba ohatra hoe zavatra hafa mba azo hatao hiany angamba ! fa raha toa kosa hoe fahasalamana .......


48. Herimiafina ( 09/08/2006 16:52)
Misy dia misy tokoa anefa io ry Fiffi, ary tsy ampoizinao fa ny an'ny sasany aza ny zanany maty no ataony pretexte, manararaopaty hoy ny fitenenana izay! :wink:
49. pissoa ( 09/08/2006 16:57)
Raha tena narary tokoa ilay olona dia tohizo indimy io ohatra nomeko io dai izay vao mety adapté amin'ny heritreritr'i pissoa ilay ohatra.

Misy zavatra betsaka tsy voafaritra ao amin'ilay ohatra. Ka miankina amin'izay no tokony ho reaction'ilay niandry. Ie - azoko tsara hoe mahazo mieritreritra zavatra ratsy, fa tsy afaka hoe tena siora be koa nefa!

Fiffi:
heu....raha hoe resaka fahasalamana kosa ve de andehanana hanaovana pretexte ? tsy aiko raha misy olombelona ahy manao an'zany aloha an! raha mba ohatra hoe zavatra hafa mba azo hatao hiany angamba ! fa raha toa kosa hoe fahasalamana .......

Hihihi - raha mandainga amin'ny fahasalamana aza ve tsy misy mahavita dia maninona no misy mamono olona :-D:-D:-D
50. Herimiafina ( 09/08/2006 17:05)
pissoa:

Misy zavatra betsaka tsy voafaritra ao amin'ilay ohatra. Ka miankina amin'izay no tokony ho reaction'ilay niandry. Ie - azoko tsara hoe mahazo mieritreritra zavatra ratsy, fa tsy afaka hoe tena siora be koa nefa!


Ny tsy fisian'ny "SUR" mihintsy aza no tiana hampitaina amin'ny ohatra nomena.
rehafa samy tsy "sur" dai mifampitaky "porofo".

Marihina fa toy ny scenarii rehetra ihany io fa tsy hoe liste exhaustif ny scenarii indray tsy akory. be nyz avatra azo heritreretina momba ity olana ity ary ny contexte dai efa ireo voambara hatrery ambony rehetra ireo. :wink:
51. Herimiafina ( 09/08/2006 17:08)
Ho fandravoanana dia tandremo ny mampanantena be loatra zavatra aman'olona ka tsy mahatanteraka izany akory fa dia normale ny olombelona nofo sy ra sady manana ny defaut-ny raha somary mihaotra sy tsy siora intsony, ka mety hanontany porofo mihintsy aza.

Tadidio fa io dai olona sociologique amin'ny fiaraha-monian malagasy ankehitriny satria fahiny dia verbal daholo ohatra ny contrat momba ny fananantany, amin'izao fotoana izao tsy azo atao izany intsony fa mila porofo ecrit fa raha tsy izany be ny hamitaka anao!
52. pissoa ( 09/08/2006 17:08)
Herimiafina:
Ny tsy fisian'ny "SUR" mihintsy aza no tiana hampitaina amin'ny ohatra nomena.
rehafa samy tsy "sur" dai mifampitaky "porofo".

Ie :-*

Fa nisy tsy azoko ny teninjy teo :-D:-D:-D
53. Herimiafina ( 09/08/2006 17:14)
Ny oalna mansty raha ilay resaka ohatra io no raisina dia hita ohatra fa nanofa costume tsara be sady lafo be ilay olona nefa dia tsy tonga akory ity namapanantena azy hitondra restaurant.

Vono ve izy ny mbola handany volabe hanofana akanjo raha mbola hampanantenana indray avy eo. theorie matematika io fa tsy tadidiko hoe iza no namorona azy izay.
54. Fiffi ( 09/08/2006 17:44)
pissoa:
ihihi - raha mandainga amin'ny fahasalamana aza ve tsy misy mahavita dia maninona no misy mamono olona :-D:-D:-D
rehefa marary aza efa tsy fidiny koh mbola andeha handegaina indray ve ? de asan'zay mahavita an'zany fa sarobidy ny fiainana fa tsy kilalao ka andeha handegaina tahak'zany ny fahasalamana !


55. pissoa ( 09/08/2006 17:57)
Fiffi:
rehefa marary aza efa tsy fidiny koh mbola andeha handegaina indray ve ? de asan'zay mahavita an'zany fa sarobidy ny fiainana fa tsy kilalao ka andeha handegaina tahak'zany ny fahasalamana !

Fiffi,
Herimiafina teo hoe:
Misy dia misy tokoa anefa io ry Fiffi, ary tsy ampoizinao fa ny an'ny sasany aza ny zanany maty no ataony pretexte, manararaopaty hoy ny fitenenana izay! :wink:
56. cutie ( 09/08/2006 18:09)
tena lasa tsy misy azoko tsony ny resaka ato :roll::roll::roll:
57. Fiffi ( 09/08/2006 18:24)
cutie: zany ve akia ? :-*:-*:-*:-*
58. cutie ( 09/08/2006 18:29)
:roll:ie,manao resa=be daholo
59. pissoa ( 09/08/2006 18:36)
Hihihi - mampime i cutie
60. Herimiafina ( 09/08/2006 18:51)
Miala tsiny retsy ry cutie klé, efa nihatra tamiko koa mantsy io resaka porofo io ka be ny hambara e! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1255