inona no atao hoe kristiana?

21. Fiffi ( 09/08/2006 05:52)
ka raha tsy maha-tsapa fa Kristianina izy ? sao de zay no nahatonga azy hanontany aloha ?
Amiko aloha de ny hatao hoe Kristianina de izay mino sy miahaina ny didin'Andriamanitra!
22. majesty ( 09/08/2006 06:15)
le kristiana ange anarana fotsiny e,ny oul rehetra afaka hilaza tena ho kristiana daholo,fa ny fihetsika asehonao sy iainanao no tena mampisongadina an'zany na tsia:D
23. pissoa ( 09/08/2006 09:07)
jimna:
be dia be mihintsy no milaza azy ho Kristiana,mbola betsaka anefa no tsy dia mahalala ny atao hoe kristiana! mba mangataka hevitra avy aminareo!!
Raha ny hevitro indray - dia samy mahafantatra ny Kristianina hoe inona izany Kristianina izany, araka ireo famaritana voalaza eo ambony ireo ... izany hoe ilay mino, manaraka an'i Kristy, sns izany. Ny olana dia diso ny fandraisan'ny olona sasany ny tenin'i Kristy ka lasa tsy dia kristianina loatra ny zavatra atao.

majesty - tsy anarana fotsiny ny hoe Kristianina ka. Ny anarako izao hoe Pissoa dia anarana fotsiny; fa raha misy miteny hoe pissoaiste na pissoaphobe sns izy dia tsy anarana fotsiny ireo fa misy hevitra, na toetra na fitsipi-piainana, sns :roll::-D:-D:-D

Ambonin'izay ny hoe Kristy mihitsy dia efa tsy anarana fotsiny toy ny hoe pissoa fa anarana misy dikany be :)
24. jentilisa ( 09/08/2006 09:11)
fa mino izy fa Jesoa no afa mamonjy azy. Tsy mahavonjy ny tenany ny olona na mihevi-tena ho marina aza. Tsy ny fahamarinanao no hamonjena anao fa asan'Andriamanitra mihitsy izany!
25. cutie ( 09/08/2006 10:27)
jentilisa=D
26. Herimiafina ( 09/08/2006 16:39)
Amiko, ny Kristianina dia izay mino sy mandray an'i Kristy Yessuah ho Zanak'Andriamanitra velona ary Andriamanitra tonga nofo. Un point c'est tout.

Momba ny fanarahana Azy indray dia zavatra hafa mihintsy satria arakaraky ny tsirairay iny, noho izany, misy:
-Ny kristianina mendrika.
-Ny Kristianina tsy mendrika.

Tsy ny olona no mitsara fa ny tenanano mijery fiotaratra ihany dia mety hahafantatra hoe aiza ianao?

Jerijereo ity Teny iray voasoratra ity dai halalino fa mety ho voavaly ao avokoa ny fanontaniana rehetra:

[align=center]Matthew 23; 1-23.[/align]


27. cutie ( 09/08/2006 21:46)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 09-08-2006 21:39:18
Lohateny : Re : inona no atao hoe kristiana?
Amiko, ny Kristianina dia izay mino sy mandray an'i Kristy Yessuah ho Zanak'Andriamanitra velona ary Andriamanitra tonga nofo. Un point c'est tout

atao in fotsiny ny finoana refa tsy arahina :roll::roll::roll:
28. prime ( 10/08/2006 11:35)
bravo cutie...:lol:
29. cutie ( 10/08/2006 11:37)
ndraso alou,fa hahita havaly njay iny :-D
30. jentilisa ( 10/08/2006 11:54)
Sao dia misy tsy maharaka ny atao hoe manaraka an'i Jesoa aza?
Ny manaraka azy anie ka mahasahy mandao ny olona tiany rehetra na ray aman-dreny io na zanaka na vady ka lasa manao misionera any amin'ny tany izay mety hahafaty ny tena e!
ohatra mazava: mahasahy mitopndra ny tenin'Andriamanitra any amin'ny tany tena silamo misymamono kristiana ireny mihitsy! izay no mahatonga ahy tsy hitabataba loatra ny amin'io fa mangina ihany.
fa iza aminareo no mahasahy izany?
31. soanja ( 10/08/2006 11:55)
Tena misy karazany ny atao hoe Kristianina ary miankina amin'ny degree-ny finoanao io. Fa samy Kristianina daholo izay milaza azy ho Kristianina. Ny hoe iza no hiditra ny fanjakan'ny lanitra dia ny ao amin'ny baiboly ihany no hakana an'izay valiny izay.
32. cutie ( 10/08/2006 11:56)
za tsy sahy sady tsy afaka miteny we kristiana mitsy satria tsy manao an'reo voalazan'i jentilisa reo .
33. prime ( 10/08/2006 12:03)
Anisan'ny asa miandry ny kristiana ny fampielezana ny filazantsara fa tsy voatery ho any @ tany silamo ry cutie a... Ny toerana mbola maizina eto @ firenentsika aza mbola maro no tsy nandre ny filazantsara ka inona no mahamaika handeha any @ tany silamo?
34. cutie ( 10/08/2006 12:05)
:roll:non,tsy voatery any @silamo no lazaiko zany ka
ary manin koa moa no toriana any @ silamo
Nga tsy manan ny finoany ry zareo,manin no mamadika finoan'oul :roll:
35. prime ( 10/08/2006 12:17)
Hita hoy aho, lasa lavitra loatra ny eritreritr'i jentilisa...:wink:
36. cutie ( 10/08/2006 12:18)
:-D
37. soanja ( 10/08/2006 12:37)
Marina tanteraka ny tenin'i Jentilisa saingy tsy izay daholo no atao hoe Kristianina. Izay eo akaikinao dia mila torinao ary mitatra hatrany ka tonga any amin'ny tanin'i Silamo.
Zah aloha tsy mba matahotra ny ho any saingy tsy hitako aiza no mandeha rehefa tonga any no tena olako. Izy tsy mahay ny teniko, zah tsy mahy ny teniny. Dia mila manomboka mianatra teny Arabo aloha ao vao lasa. De soa hono izao Teny Arabo izao raha ny fahenoako azy ka tsy andriko ny hahay azy.
38. cutie ( 10/08/2006 12:39)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 10-08-2006 17:37:03
Lohateny : Re : inona no atao hoe kristiana?
Marina tanteraka ny tenin'i Jentilisa saingy tsy izay daholo no atao hoe Kristianina. Izay eo akaikinao dia mila torinao ary mitatra hatrany ka tonga any amin'ny tanin'i Silamo.

ie, fa tsy ny silamo no toriana
39. prime ( 10/08/2006 12:41)
Hay koa soanja te ho any @ silamo????:lol:
40. soanja ( 10/08/2006 12:43)
Aiza ny tany tsy tiako aleha ry Prime a. Raha mbola velon'aina aho ka mahatratra ireo volazan'i Kabbalists hoe 70 Manomboka fanimpanina vao mijanona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081