inona no atao hoe kristiana?

1. jimna ( 08/08/2006 03:44)
be dia be mihintsy no milaza azy ho Kristiana,mbola betsaka anefa no tsy dia mahalala ny atao hoe kristiana! mba mangataka hevitra avy aminareo!!
novalian'i prime ny 20/09/2006 08:16
2. jentilisa ( 08/08/2006 04:09)
ny kristiana dia izay efa manaiky fa marina ny teny sy fampianaran'i Kristy ao amin'ny testamenta vaovao. Izany fampianarana izany dia heverina ho manakorontana aza indraindray!
3. LazaDaddy ( 08/08/2006 04:13)
jentilisa> sao kosa dia mba tsy "fanekena" fotsiny fa fanarahan-dia (asa, finoana, fitondran-rena) an'i Kristy mihitsy?
4. jentilisa ( 08/08/2006 04:22)
rehefa manaiky ny fahamarinan'ny teny dia manaraka ho azy ny zavatra lazainy. Raisina avy amin'ny fisainana lalina io ka tontosa tsikelikely. Izany no lazaiko dia mba tsy hanaovana hoe izay lazain'ny mpitondra fivavahana no marina fa izay voasoratra ao amin'ny testamenta aloha voalohany ka raha mahay manazava azy ny mpitondra fivavahana!
5. LazaDaddy ( 08/08/2006 04:39)
Tsy sarahina ireo telo ireo an: asa + finoana + fitondran-tena

Asa
- Tsy hoe rehefa manao ny "marina" sy mandry ny eritreritro dia ampy ahy izay. Isika rehetra dia tsy misy manao ny marina hoy i Paoly na iray aza :)

:arrow:Raha tsy mino ny famonjen'i Kristy sy manatanteraka sy didiny (oh: fitiavana an'Andriamanitra, fitiava-namana, fitoriana ny fampianarany, mitsinjo ny madinika ...) isika dia tsy mendrika hitondra ny Anarany akory, ary "ho sasa-poana":)

Finoana
- Ito angamba tsy asiana resaka fa efa samy mahafantatra ilay finoana tsy arahin'asa daholo... :)

- Ny mpino zavatra na olon-kafa ankoatran'ny famonjena azo avy @ i Kristy koa dia tsy mendrika ny hitondra ny anarany

Fitondran-tena
- Mety ho sady miasa be aho no be finoana kanefa tsy araka ny fitondran-tena nampianariny (oh: masina, manetry tena, hendry, manalavitra ny ratsy, maotina resaka...)

Ohatra vitsivitsy fotsiny ihany no voatanisa fa dia anjarantsika tsirairay ny mijery hoe: "mendrika ny hitondra ny Anaran'i Kristy" ve aho kanefa izao sy izao ny mombamomba ahy? Tia fahavetavetana? Tsy tia miresaka momba Azy akory? Mankahala ny fahamarinan'ny fampianarany? Manambony tena? Manao tsinontsinona ny hafa? Manompo sampy? Menatra hijoro vavolombelona sy hitory ny fampianarany? ...sns
6. fens ( 08/08/2006 04:55)
Ny kristiana de izay manaiky hanaradia an'I jesoa Kristy? Ary manamafy ny lazain'i LazaDaddy aho ny amin'ireo voalazany etsy ambony ireo!
ny fiainana Kristiana de mifototra amin'ny famakiana ny volazan'ny soratra masina manontolo k ao no ahafantarna bebe kokoa ny toetra tokony hananan'y oul rehetra mitonontena ho kristana!
7. jimna ( 08/08/2006 07:47)
raha ny hevitry ny baiboly aloha no jerena, dia ireo izay manaraka ny fampianaran'i kristy sy manaraka ny diany no azo lazaina hoe kristiana,kanefa maro dia maro ireo mpitondra fivavahana no tsy mpanaradia an'i kristy! mbola ho hazavaina ny anton'io!!
8. cristal ( 08/08/2006 10:08)
(l)(l)(l)Slama daholo e!
Tsy hoe hampianatra aho fa efa marina avokoa ny voalazanareo fa misy betsaka tsy ampy;ny hoe manaiky an'iKRISTY dia ny manaiky ny hitondra ny hazo fijaliany zany hoe:mahay mifandefitra"tiava izay manisy ratsy anareo";mahay mifankatia tsy misy tambiny"fa toy izao no nitavan'ANDRIAMANITRA izao tontolo iza nomeny ny zanany"LAHY TOKANA"...";mahay mamela heloka;"Ray o, mamelaha ny helony fa tsy fantany zay ataony", nefa izy tamin'io efa nofantsihina a,ary manome lanja ny fanahy;"izaho no voaloboka fa ianareo no sampana;ny tenanareo no tempolil'ANDRIAMANITRA ka tsy tokony hitoerany loto,fa ny loto sy ny fahotana no mampisaraka anareo amiko;nefa "raha tsy mahavita na inona na inona ianareo raha tsy miray na miankina amiko";fa raha miankina amiko dia"loza sa fahoriana sa fahafatesana..."minoa fotsiny ihany...fa izao hanome anareo zvt lehibe tsy takatry ny sainareo...Koa ra mino sy mitondra ny hazo fijaliako ianareo"indro aho homba anareo mandra-pahatapitr'izao tontolo izao!FEHINY:Tsy izaho na ianao no mahafantatra fa kristiana fa izy lay naniraka hoe ndeha torio @ olona rehetra ny filazatsara,aza mizahozao fa"izay lehibe indrindra aminareo no aoka ho mpanompo" ireo no toetra maha kristiana koa mahaiza mitsara tena manaraka ny fanahy fa tsy ny nofo!Sarotra ny manaradia sy misalotra io anarana io saingy tsy misy ny tonga lafatra fa ny fihezahana tsy hitsara ny hafa fa hanao ny marina no mahatonga ny olona ho kristiana !Mazotoa daholo isika rehetra e!(l)(l)(l)
9. vale ( 08/08/2006 10:10)
Jimna> raha ny fantatro koa ny Kristianina dia izay "Mpino" an'i Kristy:),(sy manara-dia azy mazava ho azy an!!:D) izay no mahatonga azy ireo hantsoina hoe kristianina, raha hampitahaina @ Silamo sns, izany e!:D
Hay ve misy mpitondra fivavahana tsy manara-dia an'i Kristy koa:)? mmmmmmhhhh!!
10. Zina ( 08/08/2006 12:33)
Ny kristiana de izay manaiky hanaradia an'I jesoa Kristy? Ary manamafy ny lazain'i LazaDaddy aho ny amin'ireo voalazany etsy ambony ireo!
ny fiainana Kristiana de mifototra amin'ny famakiana ny volazan'ny soratra masina manontolo k ao no ahafantarna bebe kokoa ny toetra tokony hananan'y oul rehetra mitonontena ho krista

Io dia tena marina mihitsy miaraka @ lazain'i LazaDaddy.

Ny fanarana ny dian'i Kristy dia sarotra mihitsy raha tsy mifanakaiky aminy ary mivavaka ary manetry tena MANDRAKARIVA isika.
11. majesty ( 08/08/2006 12:46)
kristiana=mpanara-dia an'i kristy
azo raisina ara-bakiteny izy io no sady misy heviny ara-panahy.Tahaka an'reny mpankafy olo-malaza ireny dia miaina mifanaraka amin'zany na ny zavatra fihinana na ny fisotro na ny fihetsika sns
12. prime ( 08/08/2006 13:58)
Fitenenan-dratsy tany Rôma izay mpino sy mpanara-dia an'ireo nitory an'i Jesosy Kristy maty nohomboana t@ hazo fijaliana ho famonjena an'izay ho very, ka nitsangana t@ maty ho taratr'ilay fiainana ho avy no nivoahan'io teny io voalohany... Izay olona mpanara-dia an'ilay nantsoin'ny jiosy hoe "mesia sandoka" sy "mpanara-dia an'ilay nazareana" ary "kristiana ambany noho ny andevo tany Rôma" no natao hoe "KRISTIANA"...
Taty aoriana vao navaozin'ny fiangonana ny atao hoe "kristiana"...
13. dailynews ( 08/08/2006 14:52)
raha ny fahafantarako azy ny kristiana na ny mpino na ny zanak\'Atra na ny mpanaradia an i Kristy na ireo nateraka indray ( born again ) dia izao:
-ireo izay nanaiky nandray an i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany manokana ( Jaona 1:12) fa izay rehetra nandray azy dia nomeny hery ho tonga zanak\'Atra. tahaka ny hoe manaiky amin \'ny vavako sy ny foko aho fa manomboka izao dia hi inviter ny Tompo(izy Tompo izaho mpanompo..sady namana, zanaka manaiky azy) hiditra sy hanapaka ao @ ny fianako fa tsy ny tenako intsony ny chef donc tsy izay tiako fa izay tian i chef no atao.
donc tsy maintsy mandalo io etape io aloha izay hoe :ATERAKA INDRAY.
-rehefa avy nateraka indray dia avy eo mandeha araka ny Fanahy romana 8:9 Raha misy tsy manana ny Fanahin i Kristy dia tsy AZY izy, na koa hoe romana 8;11: Fa izay tarihin ny Fanahin Atra no zanak\'Ara. : TARIHIN NY FANAHY

dia izao: lalana ilay voalohany tahaka ny vavahady ary rehefa avy eo dia mandeha araka ny fanahin i Kristy. resaka lava io fa hafohezina.

ny olana dia izao, be dia be ny olona mihevitena ho kristiana satria dadabe sy dada ary neny dia kristiana dia very hevitra fa tsy mety mivaly mihitsy ny vavaka izay atao amin ilay atao hoe Ray ao ambony, ny olana dia izao tena zanany ve aho mangataka io ? sao dia izay ilay tsy nampivaly ny vavaka ? non..ny fanapahana dia ahy irery fa tsy lovaina ny maha kristiana, Atra tsy niteny hoe izay rehetra nandray azy dia ho tonga zafiafin Atra na zafikelin\'Atra na.. fa ZANAK\'ATRA donc, izaho mihitsy no tokony haterak\'Atra mba afaka hitondra ilay titre hoe zanak\'Atra na kristiana, na mpino sns...ary amin izay fotoana izay aho dia afaka hangataka tokoa amin ilay hoe Ray ary hanomboka hahita valimbavaka amin ny maha zanaka.
aza mihevitra fa izay rehefa miditra ampiangonana dia kristiana..non..mila hateraka indray. Jesosy tsy niteny hoe fa izay rehetra miditra ampiangonana dia nomeny hery ho tonga zanak\'Atra na kristiana, fa hoy izy hoe fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak\'Atra.
enga anie ka mba hazava kely ihany ny zavatra lazaiko.

14. dailynews ( 08/08/2006 14:52)

15. dailynews ( 08/08/2006 14:53)
odry azafady fa niverina
16. soanja ( 08/08/2006 15:02)
"Izy manaraka Azy Tompo, Izay manaraka azy. Tsy mba mandeha amin'ny aizina.
Eny e, tsy mba mandeha amin'ny aizana fa izy no Fahazavana sy Fianana ary Lalana."
Hiranay tany amin'i Katolika. Soanja.
17. Achia ( 08/08/2006 17:37)
Ireo voalazan'i Dailynew dia maro ny hevitra azo raisina ao oh: @ le fandraisana an'i Kristy zao de ol manaiky ny batisa no marik'izany sa ahoana hoy nareo ?
18. cutie ( 08/08/2006 18:32)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 08-08-2006 09:13:02
Lohateny : Re : inona no atao hoe kristiana?
jentilisa> sao kosa dia mba tsy "fanekena" fotsiny fa fanarahan-dia (asa, finoana, fitondran-rena) an'i Kristy mihitsy?

mba nitovy hevitra t@ lazadaddy za t@ iny :lol:
19. raheddy ( 08/08/2006 19:23)
hoatran'ny mba manitikitka ahy ny hanoratra ny mikaisika an'ity hoe kristiana.
Mialohan'izay anefa de mamela ahy aloha ianareo raha hanao kely témoignage aminareo zaho. Mpino amina fiangonana iray mantsy aho(aleo tsy tononiko aloha), ka ny finoako fotsiny de rehefa ankatoavinao izay lazainnny baiboky, iananao ny fianan'ny Kristy ; de azo lazaina hoe mpanaradia an'ny Kristy ianao izay.
Ka na antsoin'ny olona hoe Kristiana ianao na tsia , tsy mampannona izany fa ilay fifaliana tsapanao amin'ny fanarahano Azy dia ampy anao, araka ny voasoratra hoe "ampy anao ny fahasoavako, ....."
Amiko , dia ianao no tokony hahatsapa anao oe kristian vao ny hafa.
Izay ny ahy no mba hevito ka.
20. Zina ( 08/08/2006 23:53)
Amiko , dia ianao no tokony hahatsapa anao oe kristian vao ny hafa

Zany mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3058