Musulman hanao president any Dago

21. booboo ( 19/07/2006 12:59)
Zina > f'angaha hono ireo no nolazain'io kandidà io hoe hataony ? Ohatra misy fofona fanavakavaham-pinoana zany ny fandraisako ny raha soratanao...aza tezitra a !


22. cutie ( 19/07/2006 13:19)
zao koa mahita an'zany :-D
23. babalahy ( 19/07/2006 13:54)
Hiarahantsika mahita fa Comore de silamo no mpitondra ao nefa mbola tsy nisy famonoana olona afa-tsy la Frantsa no mpanakorontana ao.Zah tsy raharahiako na iza no mitondra eo fa rehefa hampandroso de tsy koi amiko.Fa zah kosa tsy manaiky izay efa teo de mbola hiditra nefa nampiditra an'i Madagasikara tao amin'ny trosa bobaka be.Sa ahoana ri-zalahy.
24. agoago ( 19/07/2006 14:16)
Efa mba kristiana daholo kosa nitondra teo hatra@ zao, handao indray mba handramana musulman . Sao isika mba ho tonga sahala @ Emirats Arabes Unis na Arabie Saoudite isika!?
25. cutie ( 19/07/2006 14:26)
26. Herimiafina ( 19/07/2006 14:43)
toovs:

mitsolatsonana hoe ahoana koa. amiko de izay gasy de mahazo miltska hofidiana refa mahatsiaro ho compétent. fa iza no te hilatsaka ka milaza hoe tsy mahavita azy? ny candidat nareo ve?



Hihihihihi, ny compétent anie feno ny tanàna e! izay nitonontena ho compétents hatrizay mihintsy manao ny sasany ho vomanga no tena nanimba ny firenenana.

Amiko manokana, ny tena compétent tsy mba milaza lainga ny mpifaninana aminy izany. Ny tena marina tsy mandray ny sasany ho mpifaninana aminy izy fa kosa mandray ireny ho mpiara-miasa. nefa ve moa hisy izany, toa ny fitononana ny affaire personnelle-n'ny sasany foana no hita eo amin'ireo mpilaza azy ho andriamanitry ny fahaiza-mitondra!

27. fijo ( 19/07/2006 18:30)
za aloha tsy mpino,na kristianina io ,na jiosy na silamo.tsy raharahako izay finoany any,fa za koa tsy tiako mada raha silamo no mitondra azy.
ny antony dia tsotra.ny silamo eran tany dia fehezin'ny arabi saodita.ary io firenena io,dia manohana ny silamo mahery fihetsika.
faharoa,ny silamo mahery fihetsika dia mitady faritra hampanjakana ny heviny"izay tia herisetra"ka raha sanatria azony mada,izay lehibe sy faritra strategika amin'iny faritra atsimon'ny tany iny,dia loza be,satri ao indonezia izy efa maro,ka raha mbola ao koa mada,dia korontana tanteraka no hita.
tsy mankahala gasy silamo aho akory,satria be namana gasy silamo tany diego sy mahajanga,fa ry zareo silamo avy aty ivelany hisosoka ao no atahorako."isika gasy mantsy mora rebirebena izay ihany"
za aloha dia "nazi"ry zareo,fa tsyamin'ny gasy fa amin'ny karana.
28. Achia ( 19/07/2006 18:43)
Ny mampanahy ahy de zao ra silamo ve no mitondra eo tsy ho terena hanao silamo daholo ny gasy mba jereo nge any Aphganistan e ka ohatra ireny no mihatra ao de ahoana
29. Herimiafina ( 19/07/2006 19:01)
Amiko na silamo io na karana na gasy na vazaha na japoney, rehefa mbola ao aminy ilay kiltiora mamingana ny sasany hahazoana fahefana na ilay manaratsiratsy olona be fadiranovana, dia tsy izy mihintsy e!

Mba jereo ny fihetsiky ny sasany manao propagandy fa tsy mba mandroso n'inon'inona matotra fa lany andro manaratsy fitondrana.

Samy nianatra tany andafy daholo anie io e, fa tsy rehefa hoe nianatra nianatra tany andafy na hoe nanao izao na izao dia mahay azy na koa hoe nandra daholo ny ao antanana fa izaho no tena mahay azy, dai ipitsiho lavitra fa tsy alehany.
30. Mifenty ( 19/07/2006 19:37)

atram zay otrany kristiana fona no nitondra kou.

feno ny kianjan mamasina refa misy vavaka ngodangoda atao

de ho sanatria v ny kristiana no nahatonga ny firenena otranzao e?

31. Zina ( 19/07/2006 19:49)
Hoy i Fijo,
za aloha tsy mpino,na kristianina io ,na jiosy na silamo.tsy raharahako izay finoany any,fa za koa tsy tiako mada raha silamo no mitondra azy.
ny antony dia tsotra.ny silamo eran tany dia fehezin'ny arabi saodita.ary io firenena io,dia manohana ny silamo mahery fihetsika.
faharoa,ny silamo mahery fihetsika dia mitady faritra hampanjakana ny heviny"izay tia herisetra"ka raha sanatria azony mada,izay lehibe sy faritra strategika amin'iny faritra atsimon'ny tany iny,dia loza be,satri ao indonezia izy efa maro,ka raha mbola ao koa mada,dia korontana tanteraka no hita.
tsy mankahala gasy silamo aho akory,satria be namana gasy silamo tany diego sy mahajanga,fa ry zareo silamo avy aty ivelany hisosoka ao no atahorako."isika gasy mantsy mora rebirebena izay ihany"
za aloha dia "nazi"ry zareo,fa tsyamin'ny gasy fa amin'ny karana.



Vakio tsara re ry gasy hafa io lazain'i Fijo io.

Fijo a tena ita mihitsy ianao fa manana hazo-damosina. Zany ka lehilahy gasy.
32. xxx ( 20/07/2006 10:25)
ka any @ pays musulman koa ary ve mety ho possible ny hanekeny hoe olona krisitiana no hilatsaka ho fidina. Tsy miteny aho hoe kristiana daholo ny gasy fa raha jerena ny pourcentage:roll: dia zay no betsaka
33. Herimiafina ( 20/07/2006 12:12)
Iza moa fa tsy i pr Zafy ihany no nanala tao anaty constit fa tany kristianina i Dago e! :wink:
34. Zina ( 20/07/2006 12:13)
Za aloha volohany indrindra tsy comoriane.
lazaiko aminareo rehetra mihitsy fa ho lasa "nazi" daholo nareo rehetra reo:
Tsy ny olona musulman( Ireo olona dia misy mihitsy ny tena tsara) no lazaina eto fa ny religio-politika ampiasainy. Ary ho ampiasainy mihitsy ny reglement ny religion, nga izy miraharaha an'izany.
Dia ho hekena nareo vehivavy ve ny:

- hanao burka?
- ny tsy hitondra tomobile?
- ny tsy hiaraka amin'ny lehilahy namana na sipa etc..?
sy ny sisa sy ny sisa?
mbola ao ko :

ny tsy hisotrona divay
ny limitena oe izao tsy azo hanina sy zao
etsetra etsetra...
Himenomenona daholo nareo. Ka iza amin'izay no tsy NAZI ato hahahahah raha izany??? Tsy te hanondro olona na iza na iza fa ianareo rehetra samy mahatsapa an'izany doly.. Tsisy idiran'ny racisme ato ny idelogie sy ny politika no tsy tiko.

35. babalahy ( 20/07/2006 13:39)
Zah aloha tena malahelo mafy mihitsy mahita ilay ralahy musulman nilatsaka ho fidiana nefa tsy fantany akory izay hataony ka mitonantonana amin'ny tany tsy an'azy.Raha te hilatsaka izy de tokony mandeha any Comore na any amin' tanin'ny Arabo.Satria ny tanin'ny Kristianina de tsy azo hanjakan'ny musulman.Zavatra mety hataony de mivavaka ho an'ny vahoaka malagasy fa tsy mandray andraikitra eo amin' ny fampandrosoana ny firenena iraisana.Misaotra betsaka re tompoko fa mba nahazo niditra tato amin'ny serasera.
36. Zina ( 20/07/2006 14:11)
Mpandefa : babalahy [ Valio ] 19-07-2006 15:06:22
Lohateny : Re : Musulman hanao president any Dago
Hoy i Zina:

Fijo a misaotra o...
Achia hihihihih


zina=nazi mpanavakavaka .Soa ihany fa anao irery no Nazista ato.


Asa na izaho irery no mpanavakavaka????

Zah aloha tena malahelo mafy mihitsy mahita ilay ralahy musulman nilatsaka ho fidiana nefa tsy fantany akory izay hataony ka mitonantonana amin'ny tany tsy an'azy.Raha te hilatsaka izy de tokony mandeha any Comore na any amin' tanin'ny Arabo.Satria ny tanin'ny Kristianina de tsy azo hanjakan'ny musulman.Zavatra mety hataony de mivavaka ho an'ny vahoaka malagasy fa tsy mandray andraikitra eo amin' ny fampandrosoana ny firenena iraisana.Misaotra betsaka re tompoko fa mba nahazo niditra tato amin'ny serasera.


ko tsy izany moa no lazaina fa lozana mitady ady aty amiko...
37. fijo ( 20/07/2006 18:48)
babalahy,tsy misy manakana ny silao tsy handray andraikitra ao mada.ny prezidan ny faritany ny mahajanga taloha,dia i kosay said aly,izy io dia silamo ary lehiben'ny silamo aty frantsa koa izy izao.tian'ny olona izy tao mahajanga ary za efa niaraka "nanao zavatra taminy momba ny bac"tsy nisy olana mihintsy taminay.
fa ny he silamo hitondra an'ny mada,dia laviko tanteraka.satria raha izay no hitranga,dia tsiamintsy hiditra hiaraka amin'ireo fikambanana tany silamo mada.ary dia hanomboka eo ny famerana ny fisainana rehetra.
omeko ohatra ianao.aty Marseille izao ny silamo miady mafy mihintsy ahazo tany sy hanangana moske lehibe.efa azony izao ny tany.
nefa ,mba valio aho enao io ry babalahy.any arabi saodita ve ,mba misy mahazo manangana fiangonana ny mpino kristianina??????
any ve mba hafaka maneho sy mampiantra ny finoany malalaka ny mpino kristianina sy ny jiosy???
aza manala tena ato enao,fa ady hevitra ny antsika,ka tohano ny hevitrao.
38. Zina ( 20/07/2006 20:11)
hmmm afa ndray iny ry Fijo.
39. babalahy ( 20/07/2006 20:36)
Diso tanteraka zah fa ambarako ho an'ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka i Madagasikara kai ho an'ny Kristianina irery ny fanjakana.Anao anga efa nangataka tany tao Arabie saoudite nefa tsy nahazo?Zah aloha tsy momba ny atsy sy aroa fa mba inona no zavatra mivaingana vitan'ny kristianina nitondra hatramin'izay ka hatramin'izao.Ny mpanan-karena ihany no miha-mitombo ny fananany.Isika aza matahotra fa io rahalahy musulman io de tsy ho lany velively ka mba avelao izy hanala ny fony.Fa aoka ny hevitra no hampiadina fa tsy isika samy Malagasy re tompoko.Misaotra betsaka amin' fandraisana anjara ka enga anie mba hitondra fahasoavana ho an'i Madagasikara ny mpitondra.
40. babalahy ( 20/07/2006 20:38)
Zina:

hmmm afa ndray iny ry Fijo.



Aza mora miakatra ianao fa ny hevitra no havoaka.Misaotra betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1534