Tokony ho fitafiana Kristianina

41. prime ( 18/07/2006 11:06)
soanja> ts azoko ny tianao ambara satria ilay lohahevitra nentinao mikasika ny fitafiana kristiana toa hafa, dia ilay tora-po mikasika ny fialonana sy ny talenta koa toa hafa...:roll::lol:
42. soanja ( 18/07/2006 11:14)
Marina izany. Tsy misy hidiran'io lohahevitra io tokoa amin'ny resako farany io. Tsetsetra tsy aritra fotsiny ny ahy. Ny hevitrareo no tena tiako ho fantatra momba ny fitafiana Kristianina satria mahatsapa aho fa indraindray misy ny mandray azy antendrony mihitsy.
Raha ny aranofo moa izany dia fitafiana maotina no tsara tafiana. Na lehilahy io na vehivavy. Fa tsy hoe vehivavy fotsiny. Raha ara-panahy indray dia fiadiana amin'ny ota isan-karazany izay raki-tapisaka amintsika olombelona ka ny ao anatinao lalina dia hitafy ny fitiavana an'Andriamanitra.
43. prime ( 18/07/2006 12:11)
^:^
44. KOTOKELY ( 18/07/2006 20:51)
Mbô hiteny kely zah fa mahaliana ahy ilay sizé hi hi

Ny hevitro dia tsy misy fitafiana voafetra tokony na tsy tokony hanaovana fa ny kristiana tsirairay na inona na inona no ataony dia tsy maintsy manontany tena izy hoe manome voninahitra ny Tompo ve izao ataoko izao? izao fitafiako izao? raha vehivavy ianao, ka mampandry ny sainao tanteraka eo anatrehan'ny Tompo ny manao mini-jupe tena farany izay mini, efa mila hampiseho izay tokony tsy hiseho dia asakasakao fa tsy misy hitsara anao akory eo. Raha sahinao moa ny miteny hoe Jesosy a, tena nataoko fanina daholo kosa aloha izay bandy nandalovako dia mety hampanotany tena kosa angamba hoe fanahy manao ahoana no manjaka ao aminao :-P:twisted:

Izay ataontsika re dia ataovy toy ny ho an'ny Tompo ka minoa ahy fa ny fanahin'ny Tompo no mibitsika amin'ny tsirairay raha mety na tsia izay fitafiny e. Anjarantsika indray kosa aloha avy eo ny misafidy na hihaino izay bitsihin'ny fanahy amintsika na hamono sofina.

Mahereza daholo re ry kristiana havako ô
45. Tokinao ( 19/07/2006 05:30)
Tsy de misy ambara fa zao :
Mafnaritra ny mamaky ny ady hevitra ara-pitondrantena sy ara-baiboly toy izao.
Enga anie ka samy hahazo zavatra tsara amin'izy ity isika fa tsy ho lany rora fotsiny. ( saika hisy hanakiana indray zao io rora io a! :) :) :) fotoana angamba moa zany no laniana eto e :) :) ).
Izany hoe : aoka isika manakiana mba hieritreritra ihany ny hevitr'ireo nokianina fa mety hisy fahamarinany ihany izany.
46. soanja ( 19/07/2006 10:58)
Ok, Tokinao!
47. prime ( 19/07/2006 12:45)
48. kd ( 24/07/2006 08:55)
Amiko aloha dia tsy mila tenenina ny kristiana @ fomba fitafy satria zay sahy mitonon-tena ho kristiana dia zanak'Andriamanitra ary ny zanak'Andriamanitra dia tsy mila baikona hoe aza manao fitafy toy izao na toy izatsy fa tonga dia fantany zay ataony raha tena azony antoka fa tena zanak'Andriamanitra tokoa izy
49. soanja ( 24/07/2006 17:49)
Kd, ilaina ny torohevitra ka. Indraindray isika tsy voatery hahay ny rehetra rehetra fa mila torohevitra. Eny fa na dia mamaky io baiboly io isika dia tsy afaka ny hahazo azy raha tsy misy ny torolalana, indrindra avy amin'ny Fanahy Masina. Izaho manokana dia tsy nahafantatra izay raha tsy nisy nanoro hoe inona no tena fitafiana Kristianina.
50. dadabe ( 25/07/2006 04:03)
:roll::roll:
51. kd ( 25/07/2006 09:03)
Soanja, tena ilaina ny toroheviyra fa na izany aza resaka fitafy kosa ve raha tena olona mivavaka dia tsy hahalala ny tokony hanaovany? ny oln mivavaka anie mila manome voninahitra an'Andriamanitra e!
52. prime ( 28/07/2006 08:54)
:roll::)
53. soanja ( 01/08/2006 04:33)
Ka ilay izy anie ry KD dia misy an'izany hoe aza manao pataloha raha vehivavy nefa ny andro mangatsiaka be aty an-dafy sy ny hoe tsy mety ny manisy broch na haingohaingo eny aminao eny na ravaka na peratra hanaingo anao, ny aza mirandrana nefa isika mila miranadrana ihany satria gasy sns dia iza no manana ny marina?
Noho izany ilaina ny torohevitra.
54. prime ( 01/08/2006 07:18)
Ilaina ny miresaka sy ny mifampidinika kah... :lol:
55. ttittie ( 09/08/2006 14:50)
lapino:

ny Baiboly:
Deotoronomia 22:5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
Ny fahazoako an'io dia hoe: ny atao hoe "fitafian-dehilahy" na "fitafiam-behivavy" no mametra an'izay. Mety miova araka ny kolotsaina misy manko io (oh: ny lehilahy manao zipo any Ecosse, ...). Fa hoe fotsiny hoe rehefa lehilahy dia fitafian-dehilahy ihany, ary rehefa vehivavy dia fitafiam-behivavy ihany.
ny Baiboly:
II Timoty 2:9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa (perila), na fitafiana saro-bidy,

Tsy niresaka momba ny fitafian-dehilahy izy teo aloha, fa ho an'ny vehivavy. Ilay hoe hiravaka aloha dia hoe tokony mampiseho hatsarana, hakanto ny vehivavy. Fa ilay atao hoe "fitafiana mahamendrika" no tsy voafaritra tsara. Ny fandraisako an'izay dia hoe:
- "Aoka tsy ho hitan'ny olona ny fahamenaranao"
- "Raha misy lehilahy mijery vehivavy ka mila azy ao am-pony dia mijangajanga aminy izy"
(Ohatrohatra an'izay ilay versets fa mila hamarinina ireo)
Izany hoe tokony mahatakon-kenatra aloha ny fitafiana voalohany indrindra, ary tsy tokony hampisy "sex appeal".
Ilay hoe
- "fahamaotinana" = tsy mamelatra fakam-panahy ho an'ny hafa
- sy "fahononan-tena" tsy haiko io na amin'ny resaka fananana na amin'ny resaka lahy sy vavy koa
dia mbola ilaina mameno an'ilay "fitafy mahamendrika" io.
Fehiny: tsy mety ny sexy
ps: Za tsy miteny hoe izay no tian'Andriamanitra an, fa izay no fahazoako azy. :)


amiko ny fitafiana tsy tena io loatra ny hevitry ny baiboly amiko fa rehefa manaraka azy ianao dia mitafy azy inna izany no hamarotana ny pataloha mbehivavy raha tsu hoanaovana zaho io kristianina vavy aho fa manao pataloha ny toerana misy ahy mangatsiaka ka tsy mety loatra ra tsy mipataloha zany akory tsy midika fa tsy mino azzy aho mino aminy foko manotolo aho
56. soanja ( 09/08/2006 15:22)
Raha ny famakiako ny baiboly aloha hatramin'izao dia masiaka mihitsy izy momba ny vehivavy. Fa de nahoana loatra re?
57. cutie ( 09/08/2006 22:51)
ao @ testamenta taloha e :wink:
58. prime ( 10/08/2006 10:36)
:roll::wink:
59. cutie ( 10/08/2006 10:50)
sa tsy zany ry prime:wink:
60. prime ( 10/08/2006 11:00)
ie dia ny testamenta vao2 koa...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5288