Tokony ho fitafiana Kristianina

1. soanja ( 10/07/2006 22:44)
Sao mba misy mahalala hoe: Inona no fitafy mendrika tian'Andriamanitra hotafiantsika na lehilahy na vehivavy ary azo ampiharina amin'ny toerana rehetra ve io sa miankina amin'ny toeana misy?
Raha ara-panahy kosa no tian'Andriaminitra ahazahoantsika ny hafany momba ny fitafy dia mba azonao velabelariana eto ve?
novalian'i prime ny 16/08/2006 12:18
2. lapino ( 11/07/2006 00:07)
ny Baiboly:
Deotoronomia 22:5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
Ny fahazoako an'io dia hoe: ny atao hoe "fitafian-dehilahy" na "fitafiam-behivavy" no mametra an'izay. Mety miova araka ny kolotsaina misy manko io (oh: ny lehilahy manao zipo any Ecosse, ...). Fa hoe fotsiny hoe rehefa lehilahy dia fitafian-dehilahy ihany, ary rehefa vehivavy dia fitafiam-behivavy ihany.
ny Baiboly:
II Timoty 2:9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa (perila), na fitafiana saro-bidy,

Tsy niresaka momba ny fitafian-dehilahy izy teo aloha, fa ho an'ny vehivavy. Ilay hoe hiravaka aloha dia hoe tokony mampiseho hatsarana, hakanto ny vehivavy. Fa ilay atao hoe "fitafiana mahamendrika" no tsy voafaritra tsara. Ny fandraisako an'izay dia hoe:
- "Aoka tsy ho hitan'ny olona ny fahamenaranao"
- "Raha misy lehilahy mijery vehivavy ka mila azy ao am-pony dia mijangajanga aminy izy"
(Ohatrohatra an'izay ilay versets fa mila hamarinina ireo)
Izany hoe tokony mahatakon-kenatra aloha ny fitafiana voalohany indrindra, ary tsy tokony hampisy "sex appeal".
Ilay hoe
- "fahamaotinana" = tsy mamelatra fakam-panahy ho an'ny hafa
- sy "fahononan-tena" tsy haiko io na amin'ny resaka fananana na amin'ny resaka lahy sy vavy koa
dia mbola ilaina mameno an'ilay "fitafy mahamendrika" io.
Fehiny: tsy mety ny sexy
ps: Za tsy miteny hoe izay no tian'Andriamanitra an, fa izay no fahazoako azy. :)
3. rrgmt ( 11/07/2006 00:20)
Tsarovy anefa fa tsy ny ivelany no mahamaika an'A/tra fa ny ao anaty aloha, raha toa fitafiana heverina ho kristiana ivelany kanefa ny fitafiana anaty toy ny fihatsarambelatsihy, fankahalana, fitiavantena....dia halan'A/tra izany
Hoy ny Soratra masina: 'Itafio Jesosy Kristy' eo amin'ny fiainanao
4. lapino ( 11/07/2006 01:07)
rrgmt, tsy hoe hohadinoina akory izany, fa momba ny fitafiana ny size e! Dia mba tsy miresaka tora-po ivelan'ny size! :wink:
5. xxx ( 11/07/2006 01:50)
soanja:
Sao mba misy mahalala hoe: Inona no fitafy mendrika tian'Andriamanitra hotafiantsika
Miala tsiny aho raha hiteny fa mirediredy ilay nanokatra an'ito adihevitra ito.

Mirediredy izy satria tsy mahita afa-tsy fisehoana ivelany ary tsy mijery ny toe-panahy sy toe-po. Mirediredy satria heveriny fa fitafiana noforonin'ny olombelona (Adama sy Eva) vokatry ny otany no ilain'ilay tena Andriamanitra nahary izao tontolo izao. (Mety ho hafa indray ny fipetrany raha andriamani-kafa sy sampy hafa no resahina: bala, allah, dagon, krishna, boudah, etc...)
6. xxx ( 11/07/2006 02:00)
Ho fanazavana fanampiny dia izao; Efesiana 6: 10-17 milaza mazava tsara fa tsy endrika ivelany araka ilay rediredy etsy ambony no MENDRIKA fa toe-panahy sy toe-po.

Efesiana 6:
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.

Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;

ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy.

Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy
7. lapino ( 11/07/2006 02:08)
xxx:
Mirediredy izy satria tsy mahita afa-tsy fisehoana ivelany ary tsy mijery ny toe-panahy sy toe-po.
Indray mandeha izay izany, nirediredy ny mpampianatra anay, satria tsy niresaka afa-tsy ny sofina izy tamin'izay, fa tsy niraharaha ny momba ny fo sy ny vavony ary ny havokavoka ... :wink:

xxx:
Mirediredy satria heveriny fa fitafiana noforonin'ny olombelona (Adama sy Eva) vokatry ny otany no ilain'ilay tena Andriamanitra nahary izao tontolo izao.

1- Andriamanitra nanafy an'i Adama sy Eva. Nanaovany akanjo "vrai cuir" mihitsy aza :wink:
2- Moa ve tena tsy raharahian'Andriamanitra ny momba ny fitafiana?

xxx> haoro size ianao, fa manokafa size vaovao :-*:wink:
8. xxx ( 11/07/2006 02:23)
lapino:
1- Andriamanitra nanafy an'i Adama sy Eva. Nanaovany akanjo "vrai cuir" mihitsy aza
noho ny famindra-pony no nanaovany an'io fa tsy Izy velively no namorona fitafiana fa raolombelona tamin'ny otany :wink:
lapino:
2- Moa ve tena tsy raharahian'Andriamanitra ny momba ny fitafiana?
vakio tsara io Efesiana io ambony io fa io ny fitafiana tena rarahiany fa tsy endrika ivelany feno fihatsaram-belatsihy :wink:
9. lapino ( 11/07/2006 03:03)
Hamafisiko ihany: moa ve tsy sitrak'Andriamanitra ny fitafiana ka tsy tokony horesahana eto? (Eny sa tsia dia mahavaly an'io)
Raha hotsinontsinoavin'i xxx ny akanjon'ny nofo, dia mba iangaviana aza avily ilay resaka efa voafaritra mazava, fa ny resaka akanjon'ny fanahy no anaovy size vaovao.
10. lapino ( 11/07/2006 03:04)
Mbola misy hadinoko kay moa ilay teo: "fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa (perila), na fitafiana saro-bidy,".

Ny ilana ny fitafiana dia mba hanakonan-kenatra, hiarovana amin'ny "intempƩries", ary handravahana ny vatana mba ho kanto. Mety samy manana ny hamaritany azy ireo zavatra ireo. Kanefa tsy mety raha mirona loatra mankamin'ireo zavatra voatanisa ireo. Asa angamba:
- mety sao dia mahatonga anao hirehareha, hieboebo, hierina, ary mety hanivaiva ny hafa aza, satria hoe mitaratra ny fanananao na ny harenao ny firavaka entinao
- na mety mampisy fakam-panahy ho an'ny hafa mba hialona, na hitsiriritra (te-hangalatra), sns ka mampanota olona eo

Izany hoe aza ny sandan'ny fitafiana no jerena, fa ny fahamendrehana sy ny kanto entiny. Na koa hoe ny kanto no asehoy aminao amin'ny fitafiana, fa aza sandaina volamena ny maha-ianao anao. (fahazoako azy hoĆ  zany an!)
11. xxx ( 11/07/2006 03:13)
ny size dia hoe: Tokony ho fitafiana Kristianina.
Vao miresaka hoe Kristianina fotsiny dia avy hatrany dia ny fiainam-panahy no resahina sa tsy izay ry lapino? :wink:

Ka ny fitafiana Kristianina araka izany dia io voalazan'ny Baiboly io ambony io (Efesiana 6:10-17)

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.

Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;

ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy.

Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy
12. pissoa ( 11/07/2006 05:03)
[qyuote=xxx]ny size dia hoe: Tokony ho fitafiana Kristianina.
Vao miresaka hoe Kristianina fotsiny dia avy hatrany dia ny fiainam-panahy no resahina sa tsy izay ry lapino?
[/quote]
Ie - tena ny fiainam-panahy no resahina, fa tsy hovoaresaka tamba-be eto akory ny fiainam-panahy rehetra. Mamaritra ny fiainam-panahy koa ny fitafian'ny vatana - ilay heverinao fa purement ara-nofo. Tsy ara-nofo fotsiny nefa io fa tena ara-panahy koa raha novakianao tsara ny soratr'i lapino. Dia io singa tokana io aloha no tian'i Soanja resahina eto :wink: Ny akoatra izay ony dia mba ataovy size vaovao.
13. pissoa ( 11/07/2006 05:16)
ny Baiboly:
Deotoronomia 22:5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.

lapino:
Ny fahazoako an'io dia hoe: ny atao hoe "fitafian-dehilahy" na "fitafiam-behivavy" no mametra an'izay. Mety miova araka ny kolotsaina misy manko io (oh: ny lehilahy manao zipo any Ecosse, ...). Fa hoe fotsiny hoe rehefa lehilahy dia fitafian-dehilahy ihany, ary rehefa vehivavy dia fitafiam-behivavy ihany.

Raha atao manaraka ny kolotsaina fotsiny io, dia tsy hisy hoe fitafian-dehilahy sy fitafiam-behivavy izany intsony rehefa kelikely fa hitovy daholo. Toa tsy miova araka ny toerana fotsiny mantsy ny kolotsaina fa toa araka ny generation koa, indrindra rehefa misy fihaonan'ny kolotsaina roa.

Ny fahazahoako io (na mety hoe fanampin'ny tenin'i lapino - tsy haiko), dia hoe tsy hihindrana ny akanjon'ny lehilahy ny vehivavy :roll:
14. xxx ( 11/07/2006 05:20)
prime, ka ianareo anie izany no tokony hanokatra size vaovao e!:) Ny eto mantsy resaka Kristianina, izany hoe fiainam-panahy voalohany indrindra :wink:

Raha tsy izay lasa diso hatramin'ny voalohany mihitsy ny nitondrana ny adihevitra satria lasa toy ny hoe:
kristianina = araka ny nofo
15. pissoa ( 11/07/2006 05:21)
lapino:
Fehiny: tsy mety ny sexy
It depends angamba leisy ka :roll: Raha miaraka amin'ny vadiny irery ao an-trano kosa ve maninn ^^^^:-D Fa ankoatra izay, ohatra oe eny an-dalana na eto amin'ny aterineto no heveriko hoe tsy mety.
16. pissoa ( 11/07/2006 05:27)
xxx:

prime, ka ianareo anie izany no tokony hanokatra size vaovao e! Ny eto mantsy resaka Kristianina, izany hoe fiainam-panahy voalohany indrindra

Raha tsy izay lasa diso hatramin'ny voalohany mihitsy ny nitondrana ny adihevitra satria lasa toy ny hoe:
kristianina = araka ny nofo

1 - Mbola tsy nandalo teto i prime :roll::-D:-D:-D
2 - Efa noteneniko io, vakio tsara indray

Ie - tena ny fiainam-panahy no resahina, fa tsy hovoaresaka tamba-be eto akory ny fiainam-panahy rehetra. Mamaritra ny fiainam-panahy koa ny fitafian'ny vatana - ilay heverinao fa purement ara-nofo. Tsy ara-nofo fotsiny nefa io fa tena ara-panahy koa raha novakianao tsara ny soratr'i lapino. Dia io singa tokana io aloha no tian'i Soanja resahina eto
17. xxx ( 11/07/2006 05:30)
nga tsy prime iany no pissoa? :lol:
18. dadabe ( 11/07/2006 05:34)
humm zao vaop mahafinaritra ny mamaky sy mijery ilay adihevitra

misaotra e, tena mamelombelon'aina ilay izy:D
19. pissoa ( 11/07/2006 05:38)
xxx:

nga tsy prime iany no pissoa? :lol:

Io koa zao tokony ataonao size vaovao :-D:-D:-D Fa tsia no valin'io ka :)


20. lapino ( 11/07/2006 05:47)
xxx:
Vao miresaka hoe Kristianina fotsiny dia avy hatrany dia ny fiainam-panahy no resahina sa tsy izay ry lapino?
Fahadisoana izany ka! raha hotsinontsinoavina ny vatana dia manjary tsy miborosy nify eo intsony ny kristiana :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3166