Tokony ho fitafiana Kristianina

21. xxx ( 11/07/2006 06:51)

ary aza anaovan'lisany angaredona lapino fa tsssss.
refa tsy te hiakanjo lisany de ndana miboridana.
22. dadabe ( 11/07/2006 10:12)
humm prime sy pissoa indray izany an!:-w:-w:-D:-D
23. soanja ( 11/07/2006 15:23)
Ary betsaka tamintsika ny tsy nahavoavaky ity teniko farany ity momba io lohahevitra nomeko io tery ambony. Ao moa ny sasany maika ny hanabaty. Tadidio fa ny zavatra hanontaniako eto dia zavadehibe tokoa indrindra ho an'ireo izay tsy dia mahalala loatra ny baiboly fa vao mba te hahafantatra mismisy kokoa.

"Raha ara-panahy kosa no tian'Andriaminitra ahazahoantsika ny hafany momba ny fitafy dia mba azonao velabelariana eto ve?"

Misaotra indrindra anareo aho nanadihady.
24. prime ( 12/07/2006 09:01)
Izaho aho zalah vao mba handray anjara a! pissoa hafa mihits, zah kôfboay kely aty @ tanàna... Efa mba lasa lavidavitra ihany ny adihevitrareo teo ka izay no mba namakiako fotsiny nefa ry xxx mbola mahita prime tampoka izany ary aloha ary...
Efa fenofeno ireo voalaza ireo raha ny hevitro satria sady efa niresaka ny fitafiana ara-bakiteny ianareo no niresaka ny fitafiana ara-panahy... Samy zava-dehibe eo imason'Andriamanitra ireo raha ny fahitako azy...:)
25. soanja ( 13/07/2006 01:44)
Inona izany no nahatonga anao ho lasa Pissoa tato sa ve samy mpinamana mpanao ry xxx dia mifankahafantatra na mandeha undercover aza.
Izaho manokana aloha dia mahatsapa fa mampalahelo ahy ireo olona tsy sahy miseho na tarehin'anarana aza e. Dia ahoana izany rehefa tena mifankahita vatana. Lasa misitrika any ambany fandriana ve?
Tsara ianao amin'ny nanamboaran'Andriamanitra anao ka na ny hevitry ny sainao dia tsara ihany koa. Raha mbola tsy vonona hanao ratsy. Natao tsy hitovy ny saintsika olombelona fa ny marimaritra iraisana no zavadehibe raha tratra.
26. pissoa ( 13/07/2006 07:33)
Raha tian'i Soanja resahina ny resaka fitafian'ny fanahy, dia izao no hevitro. Image-n'Andriamanitra isika olombelona (tsy haiko ny toko sy andininy fa ao amin'ny Jenezy). Noho izany, dia tokony miezaka mampiseho an'Andriamanitra amin'ny fiainana.
- Ny Fitiavany
- Ny Fahamasinany
- Ny Famindram-pony
- sns.

------
Soanja - tsy lasa Pissoa i Prime ka :-* I xxx fotsiny no marary maso angamba tamin'ny namaky dinika teto :roll:

27. cutie ( 13/07/2006 14:41)
ny atao we fitafian;ny fanahy ve tsy resaka fitafiana ao anatiny???:roll:
28. lapino ( 13/07/2006 15:16)
cutie:
ny atao we fitafian;ny fanahy ve tsy resaka fitafiana ao anatiny???:roll:
Atinakanjo ve? :roll:
29. cutie ( 13/07/2006 16:25)
ie :-D
ampiasao ny saina :-D
30. Zina ( 14/07/2006 00:41)
Ny fikanjona dia tsy misy maha ratsy azy rehefa tsy trop provocant loatra tsy manintona ny mason'ny hafa sy arak'ilay lazain'i lapino oe trop sexy... dia zay un point c'est tout.
31. dadabe ( 14/07/2006 03:24)
yee marina izany 8)
32. mamzelkely ( 14/07/2006 06:59)
efa lava be le resaka klé :roll:

marina zany ry Zina siora :D
33. dadabe ( 14/07/2006 10:16)
:D:D:D
34. pissoa ( 14/07/2006 10:20)
Zina:

Ny fikanjona dia tsy misy maha ratsy azy rehefa tsy trop provocant loatra tsy manintona ny mason'ny hafa sy arak'ilay lazain'i lapino oe trop sexy... dia zay un point c'est tout.
sexy no nolazain'i lapino fa tsy trop sexy akia ry Zina an. Misy elanelany be izany :-D


35. prime ( 14/07/2006 12:32)
soanja:
Inona izany no nahatonga anao ho lasa Pissoa tato sa ve samy mpinamana mpanao ry xxx dia mifankahafantatra na mandeha undercover aza.
Izaho manokana aloha dia mahatsapa fa mampalahelo ahy ireo olona tsy sahy miseho na tarehin'anarana aza e. Dia ahoana izany rehefa tena mifankahita vatana. Lasa misitrika any ambany fandriana ve?

i xxx no mampiditra resaka momba ny tenanay ho mitovy ihany @ pissoa fa mbola hamafisiko hoe samihafa izahay... Déjà i pissoa anie toa any an-dafy e, ny tenanay ho'ah boaikelin'ny tanàna... eto dago ihany... tsy miala sady tsy hanaiky hiala mora foana koa... :-w:-D:-D
Amiko toa tsy resaka sexy loatra no foto-kevitr'ilay fitafiana ivelany fa voafehin'ny tenin'Andriamanitra fotsiny @ hoe "maotina"... efa voalazalazan'i lapino ihany ny ambangovangony ao ambony ao...
Ny fitafiana anaty koa efa voalaza ao ambony ao mikasika ny "armures et armes spirituelles" tokony hanaovan'ny mpino... raha mahita ny "armures romaines" taloha isika dia toa ireny no nanoharan'i paoly apostoly ny fitafiana anaty mikasika ny vavaka, ny tenin'Andriamanitra, ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fanantenana, ny fanetren-tena sns... ho fiainan'ny mpino...
36. mamzelkely ( 14/07/2006 12:49)
ary rehefa mandinika ny resahanreo za de tena ts kristianina mits kay zany klé :roll:
37. pissoa ( 14/07/2006 13:01)
prime:
i xxx no mampiditra resaka momba ny tenanay ho mitovy ihany @ pissoa fa mbola hamafisiko hoe samihafa izahay... Déjà i pissoa anie toa any an-dafy e, ny tenanay ho'ah boaikelin'ny tanàna... eto dago ihany... tsy miala sady tsy hanaiky hiala mora foana koa...

Prime an :-w Inn koa zao no dikan'io oe tsy miala sady tsy hanaiky hiala mora foana io :roll: (Azo tsy valiana fa hors size be io :oops::-D:-D:-D )

prime:
Amiko toa tsy resaka sexy loatra no foto-kevitr'ilay fitafiana ivelany fa voafehin'ny tenin'Andriamanitra fotsiny @ hoe "maotina"...

Misy ny hoe "maotina" ... fa misy koa, efa notenenin'i lapino ao ambony ao hoe tsy hitondra ny namanao amin'ny fakam-panahy.
lapino:

- "Aoka tsy ho hitan'ny olona ny fahamenaranao"
- "Raha misy lehilahy mijery vehivavy ka mila azy ao am-pony dia mijangajanga aminy izy"

sexy ===> mitarika am'sex donc natao asehonao ny olona efa vadinao ihany - fa raha tsy izany dia mampijangajanga olona ianao :roll:
38. soanja ( 14/07/2006 22:44)
Eto aho dia miala tsiny amin'i Pissoa sy Prime. Te hampiditra ilay resaka xxx fotsiny aho fa entim-po, izay tsy dia fanaoko loatra ka azafady indrindra raha nanao safobe mantsina teto. Tsy manana eritreritra hafa momba anareo aho fa mety tsara daholo ny fifandraisantsika hatramin'izay na mitovy na tsy mitovy ny hevitra. Saingy,

Aleo zah hanao tora-po vetivety kely eto dia tsy hiresaka momba an'ity intsony aho fa azonareo torahana vato rehefa mbola tahak'izay.
Ny FIALONANA dia asan'ny Satana. Toetra isan'ny RATSY ary voizin'ny satana mba handemena ny fanahinao. Satria fantany fa madio ianao sy feno fanindraindrana an'Andriamanitra. Mahatezitra azy izany dia izay no hampidirany IZANY ao aminao. Tadidio fa rehefa mahatsapa izany ianao ao anatinao dia aza hadino ny mivavaka haingana ary miezaka mampihely ny fitiavan'Andriamanitra mihoatra no ho izany amin'ny hafa dia mora aminao ny manadino izany toetra ratsy izany.
Samy nomen'Andriamanitra ny talenta sy ny mampiavaka azy isika rehetra ary tsara isika eo imasony rehefa mampihatra izany amin'ny fianantsika andavanandro tsirairay avy ary indrindra mizara izany ho fahasoavana ho an'ny rehetra.
Katsaho ny voninahitr'Andriamanitra fa aza lany andro mifofotra amin'ny fahalemen'ny hafa. Raha tianao ny hanana mihoatra ny HAFA resaka fahaizana dia hatramin'izao aloha dia tsy misy afa tsy ny fianarana no hanome anao izany fahafaham-po izany. Ankoatr'izay dia ny asan'ny Fanahy Masina izay miasa ao aminao, io no isan'ny antsoina hoe FAHASOAVAN'ANDRIAMANITRA.

39. prime ( 17/07/2006 12:59)
pissoa> mitovy hevitra tanteraka aminao aho kah:-*... efa nohamafisiko hoe efa voalazan'i lapino ny votoatin-kevitra... ny tenin'Andriamanitra anie tsy miteny an'izany hoe aza manao sexy izany e!!! fa iray ihany ny ambarantsika, mba tsy itenenana hoe sexy dia maotina dia ampy, izay no tiako ahatongavana... olona manao fitafiana maotina, na olona maotina ve dia hanao sexy??? toa tsy mino an'izany aho...:lol:
Ilay tsy miala dia mba ampimehezana an'i xxx fotsiny hoe tsy miala an'i dago no sady anamafisana rahateo hoe samihafa isika roa (pissoa#prime)...:-D
40. dadabe ( 17/07/2006 14:02)
mahafinaritra mihitsy ny fomba fandalinan'i Soanja soratra masina a:wink:

humm nefa pissoa sy xxx :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2115