Ps

1. Fanja1 ( 23/06/2006 07:34)
ndraindray de tsy te hamaki akoury aho zay soratany raha vao mahita ilay ps ex: "rainitay" tssssssssssssss
novalian'i sarobidy ny 11/07/2006 09:54
2. kally ( 23/06/2006 07:56)
Fanja1 > Izy tompony aza akia tsy sarotiny, tsy mahakamo kokoa ve ny mahita "i" farateny nefa teny gasy no soratana sy ny zana-tsoratra "u" anaty teny gasy?

Asa raha mitovy amin'ity fanazavako ity ny antony nifidianany an'io solon'anarana io, tsy ho avy eo ve izy hanazava azy.
Fa ny fahalalako ny hoe "Rainitay" dia anaram-petaka omen'ny ray aman-dreniny ny zaza mareforefo sy farofy. Anarana mifono fitia mitovy amin'ny hoe Balita sy Beloha na ohatr'izany ihany.

Tsy haiko aloha anefa fa aleo izy no hanazava.
3. Rafotsy ( 23/06/2006 07:56)
Indry ko mampimé !! Fa dia inona loatra ary no nataony andry e ?
Mba nijery aho fa tsy hitako akory ny profil ny !!!!
4. Fanja1 ( 23/06/2006 08:08)
kally non dsl fa iza kou no hanome anarana ny zanany na solonanarana ny zanany otr'izany. Tssy fitiavana zany amiko fa otrany tsy vao maika tsy fitiavana.
5. Rafotsy ( 23/06/2006 08:08)
Kay ve ilay ps fotsiny no tsy tiandry e !!
Za manana neveu , ingénieur informatique , 27 ans izy izao kanefa efa ingénieur depuis 4 ans , dia betay no fiantso ny reniny azy ! Izy moa tsy miteny gasy ka tsy miontsina akory rehefa antsoin dreniny hoe : e betay , viens ici stp , fa ireo gasy maharé fotsiny no manontany hoe fa ahoana ?? Sao dia mba i Betanay nay aza io rainitay io ??
6. Fanja1 ( 23/06/2006 08:09)
ka zay anie no tiako ambara rafotsy e! na izy tompony anarana ve raha hainy ny dikany de ho faly?
7. Rafotsy ( 23/06/2006 08:19)
Vao maika mihomé aky za a !
Io neveu ko io dia tsy fantany akory ny dikany izany ! Izay no fiantson dreny azy hatramin 'ny fahakeliny !
Ny olona maharé no sadaikatra be mahita an' i Betay jeune cadre dynamique !! Tsisy quoi aky izany ry Fanja a !
8. toovs ( 23/06/2006 08:26)
Fanja1:

ka zay anie no tiako ambara rafotsy e! na izy tompony anarana ve raha hainy ny dikany de ho faly?


be ny olona manana anarambositra hoatra an'io fa enao tsy tena nifanerasera atamina gasy tena gasy tsisy fangarony angamba. Enao koa izany raha mahita anaran'olona ohatra hoe rakotoamboa de sorena ve.
fa ahoana no lazainao fa tsy fitioavana raha ray amandreny manao anaram-bositra ny zanany? samy manana ny fomba fijeriny io ry nao ah.


9. Fiffi ( 23/06/2006 08:30)
Fanja: zah koa ary akia de mba tena gaga mihintsy an!
10. toovs ( 23/06/2006 08:35)
Fiffi:

Fanja: zah koa ary akia de mba tena gaga mihintsy an!



aza gaga am zany ry fiffi fa anarambositra fotsiny ange io e. sady mba io no identité tiany hoentina ato e. mba au moins misy dikany ary zany ny pseudo entiny ko.

11. Bonz ( 23/06/2006 08:40)
Za koa aloha tsy dia mahita olana amin'io "ps" io e. Misy zao anaran'olona hoe Rakotofiringa, ny dikan'ny hoe "firinga" anefa angamba haintsika ihany, io firinga io no nahatonga ilay hoe "lavam-piringa". Ka na Rainitay na Rainifiringa dia mitovy dika. Misy olona masin-toetra be izay aza Rafiringa no anarany koa.
12. toovs ( 23/06/2006 08:48)
ouf! enfin nisy olona mba mahalala ny anarana malagasy ihany. neritreretiko fa izaho irery no tsy taitra amin'io kay mba be ihany ato anaty serasera ato. misaotra amin'ny fanampimpanazavana ra Bonz ah
13. mandrindra ( 23/06/2006 08:50)
izaho manana namana mitondra ny anarana hoe : feno tahirisoa, dia fenotahi no fiantsonay azy.
14. vale ( 23/06/2006 08:56)
Fanja 1:zaho indray koa efa nahita olona manan-janaka mianadahy (tany amorontsiraka) de ny anaran-dry zareo 2 nenitay sy babatay!:-D,, fa io mety hoe fanahiniana hatao'ny R&R anzay mba hahatonga taiza azy e, ny ankizy kely aza rehefa mbola kely dia tsy tsara loatra hono ny atao hoe botakely ilay zaza fa atao hoe alikalika kely, de alika zany le zaza,hahah!!:°), ka matoa izy nifidy an'io de aza raisina ratsy foana fa na in antony na in dia manan-danja @ izay!!!!
15. vale ( 23/06/2006 09:00)
ay, "de alika ve izany lay zaza" (manko ny tiko tenenina eh!)hihi,
16. Aino ( 23/06/2006 09:15)
Ps

ary le anay aloha ve mba tiandry? hihihi saika nataoko fanja koa manko ny ahy teo aloha be fa tsy nety tsony de naleo namorona hafa ko!!
17. vale ( 23/06/2006 09:41)
Fanja: marina aky fa misy teny ratsy lay izy fa aleo ngamba ny tompon'andraikitra no handinika an'zay an!!:):)
18. Fanja1 ( 23/06/2006 09:52)
Aino ilay anarana na ps misy teny ratsy miintsy akia no tsy voahako . de manjary tsy te hamaky ny zvt tiny lazaina eto @ forum akoury wa za e!
vale ieny e aleo no tompon'andraikitra no handinika an'izany fa milaza ny zvt mba tsy tantiko fotsiny za ka:)
19. ramialy ( 23/06/2006 10:06)
Fanja1 samy manana ny tiany marina ange kia e, mety tsy mi-déranger azy ohatra ny fahenoantsika azy ange io aminy e ! ary le radevoly angaha mbola tsy hitanareo
20. kally ( 23/06/2006 10:38)
Fanja1:

kally non dsl fa iza kou no hanome anarana ny zanany na solonanarana ny zanany otr'izany. Tssy fitiavana zany amiko fa otrany tsy vao maika tsy fitiavana.



Ka i Fanja tsinona tsy ampy fahalalana ny kolotsaina gasy ka izany no tsy ahafantaranareo an'izany.
Ka ny fomba fanoratra teny gasinareo aza moa hafahafa be ka aiza no hahalalanareo an'izany?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8715