Ps

21. Aino ( 23/06/2006 10:45)
ilay anarana na ps misy teny ratsy miintsy akia no tsy voahako .


eny marina aleo aza mijery any le ps tsy midy dikany hireny ko izay le teny ratsy!! ny anay izao de efa tsy hay hintsony hoe inn no dikany fa mba mamoroporona fotsony hoe " efa aino ihany ny antony" hoatra sns...
22. xxx ( 23/06/2006 11:10)
Fanja1:

ndraindray de tsy te hamaki akoury aho zay soratany raha vao mahita ilay ps ex: "rainitay" tssssssssssssss



ndeha hatao Fanja daholo aza fa ny Fanja angamba no tianao e, iny angamba maha te hamaky ny hafa

Fanja1 , Fanja2 ... Fanja9999
23. pissoa ( 23/06/2006 11:20)
Tsy manininn io ry reto an. Zah kou mahafantatra olona hoe Raintay no fiantsoana azy fa tsy hoe ps fotsiny aza. Vakio io lazain'i Bonz sy Kally ireo.
Bonz:
Za koa aloha tsy dia mahita olana amin'io "ps" io e. Misy zao anaran'olona hoe Rakotofiringa, ny dikan'ny hoe "firinga" anefa angamba haintsika ihany, io firinga io no nahatonga ilay hoe "lavam-piringa". Ka na Rainitay na Rainifiringa dia mitovy dika. Misy olona masin-toetra be izay aza Rafiringa no anarany koa.


kally:
Asa raha mitovy amin'ity fanazavako ity ny antony nifidianany an'io solon'anarana io, tsy ho avy eo ve izy hanazava azy.
Fa ny fahalalako ny hoe "Rainitay" dia anaram-petaka omen'ny ray aman-dreniny ny zaza mareforefo sy farofy. Anarana mifono fitia mitovy amin'ny hoe Balita sy Beloha na ohatr'izany ihany.
24. Fiffi ( 23/06/2006 11:38)
marina daholo ireo lazainareo ireo fa saingy hoy aho hoe : isika dia efa samy mahafanatra hoe inona no hatao hoe "tay" (miala tsiny raha nosoratako eto io)
De mba dinihana hiany kosa aloha le ps hidirana na de ohatra hoe anaram-bositra natoan'ny RAD-ny aza . Satria mety sositra tamin'ny zanany izy no nahatonga azy niantso azy tahak'izao.
25. pissoa ( 23/06/2006 11:41)
Dia raha tena anarana ary io fa tsy ps hidirana eto fotsiny dia ahoana hoy ianareo e?
26. mandrindra ( 23/06/2006 11:49)
de ozizy zah hoe tsisy blema. efa mahazatra anie izany e, ny tompony tsy taitra fa ny mpijery no maharary
27. pissoa ( 23/06/2006 12:04)
Ka enao efa haiko we tsy manisy blem ... fa le manisy blem no mba anontaniako. :-D:-D:-D
28. mandrindra ( 23/06/2006 12:34)
dia ho tampenambava zany ny tenako
29. Fanja1 ( 23/06/2006 13:51)
de asakasakareo zay miantso ny anaran'ny zanakareo an'izany kou:(
xxx tsy we zay tiko ka :) ilay anarana misy teny ratsy wa
30. kally ( 23/06/2006 14:11)
Fanja, ity misy lahatsoratra amin'ny tenin'ny any aminareo sao lazainareo fa rehefa atao amin'ny teny gasy dia tsy marina.Jereo ery amin'ny farany ambany.

http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/prenomsmg.html
31. booboo ( 23/06/2006 14:29)
ahan..mahaliana. misaotra nizara :D
32. toovs ( 23/06/2006 14:56)
Fanja1:

de asakasakareo zay miantso ny anaran'ny zanakareo an'izany kou:(
xxx tsy we zay tiko ka :) ilay anarana misy teny ratsy wa



teny ratsy ahoana e. enao mihitsy no efa mihevi-dratsy rah izany
33. toovs ( 23/06/2006 15:00)
Fiffi:

marina daholo ireo lazainareo ireo fa saingy hoy aho hoe : isika dia efa samy mahafanatra hoe inona no hatao hoe "tay" (miala tsiny raha nosoratako eto io)
De mba dinihana hiany kosa aloha le ps hidirana na de ohatra hoe anaram-bositra natoan'ny RAD-ny aza . Satria mety sositra tamin'ny zanany izy no nahatonga azy niantso azy tahak'izao.



aiza koa no misy ray amandreny ho sosotra de hanome anarana ny zanany hoatra an'izany e.
Ny tay amiko tsy teniratsy raha tsy hoe ianao izay miteny azy no miezaka hanao azy ho teny ratsy. toy ny hoe ra, rora , pipi, taindelo, taintsofina... ka inona no maharatsy an'izany
34. toovs ( 23/06/2006 15:05)
Fiffi:

marina daholo ireo lazainareo ireo fa saingy hoy aho hoe : isika dia efa samy mahafanatra hoe inona no hatao hoe "tay" (miala tsiny raha nosoratako eto io)
De mba dinihana hiany kosa aloha le ps hidirana na de ohatra hoe anaram-bositra natoan'ny RAD-ny aza . Satria mety sositra tamin'ny zanany izy no nahatonga azy niantso azy tahak'izao.



ka mety possible koa ange hoe nahery vintana be ny zaza de atao somary ratsy ny anarany amin'izay tsy manoto vintana e. mila mi-tenir compte an'ny société malagasy taloha ianao de mahazo ny tiako hambara. heverinao fa tsy ratsy angaha izany fringa izany kanefa anaran'olona. Ny alika zany de ratsy amin'ny société gasy nefa nahoana i Andrianampoinimerina nantsoina hoe Imboasalama; be ny olona manana nom hoe Ramboa, sns sns e. Misy antony daholo izany rehetra izany.
hafa ange ny anaran'ny vazaha toa tsisy dikany loatra e
35. Fanja1 ( 23/06/2006 15:54)
kally haiko reo .... ary aty ny manana anarana otr'ireny misy droit manova anarana... tsy fidin'ny olona ny nahazo reny anarana reny.. ny olona mihezaka hanova ny anarany satria teny ratsy... fa tsika gasy kousa aleo andeha @ izao fa zay no tiny pfffffffffff
36. Fanja1 ( 23/06/2006 15:55)
toovs antsoy "tay" ny zanakao fa tsara aminao zany aza
37. Fiffi ( 23/06/2006 17:12)
toovs: ny fringa sy ny Ramboa aloha tsy mitovy dika mihinsy hoe "tay" kosa eh! na inona lazaina na inona , na inona hatao na inona ny "tay" de "tay" hiany ! Mbola tsy naheno aho hatramin'izay hoe midika zavatra tsara ny "tay" ! Na hoe samy manana ny fandraisany azy na hoe samy manana ny heritreriny hilaza azy io "tay" io , amiko rehefa "tay" de "tay"
38. cutie ( 23/06/2006 18:10)
fanja, mbola tsy nahita an'io ps io za :-D
39. Bonz ( 23/06/2006 18:38)
Fiffi> na hanaiky ianao na tsy hanaiky, ny dikan'ny hoe "firinga" dia "tay". Efa nanome ohatra aho hoe: lavam-piringa!

Fanja1> samy manana ny kolontsainy io fa 'nareo no efa rajakom-bazaha. Ts dia tsara ilay mifampi-pffff.

Ary miofo ve kay ny gasy rehefa mipetraka ela any ivelany any e! miofo ka tonga vazaha lehibe ha ha ha
40. booboo ( 23/06/2006 18:52)
teny ratsy aôna koa ny hoe " tay " ? ny hatsembohana koa zany teny ratsy ? samy raha mivoaka @ vatana aby reo tsinona :roll:.

Efa io mazava be io fa isan'ny kolotsaina malagasy ny fanomezana anarana bizarre ohatra zany fa ny sofin'ny sasany no efa nampianarina hoe ratsy ny zao sy zao.

Dia hamafisiko koa fa mitovy ny firinga sy ny tay ( mazava be zany anaty rakibolana ).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6908