Ny lalàna Sarkozy

1. rabaradaka ( 18/06/2006 05:45)
Ny lalàna Sarkozy dia malaza eran-tany tato ho ato. Fa tena vazaha tokoa ve lay Sarkozy io e ? Zao mantsy toa voadaka am-bavafo daholo izay Gena (vahiny monina any Frantsa io) monina any Frantsa nefa ny ankamaroan'ireo Gena toa avy amin'ny firenena nozanahan'i Frantsay. Ngaha moa tsy nisy fifanarahana tany amin'ny 1896 tany nilaza fa ny Gena rehetra avy amin'ny firenena nozanahana dia afaka monina ao Frantsa ao ? Mba atoroy ahy hoe io Sarkozy io fa tiako atao akama.
Rabaradaka
novalian'i prime ny 14/07/2006 10:27
2. Fiffi ( 18/06/2006 06:14)
Hongrois izy raha tena marina fa teraka "le 28 janvier 1955 dans le XVIIe arrondissement de Paris" de rehefa teraka teto frantsa moh zany de vazaha .
Manadio ny tanàna hono izy eh! Fa na izany aza dia ny firenena rehetra samy manana ny lalànany.
Ngaha moa tsy nisy fifanarahana tany amin'ny 1896 tany nilaza fa ny Gena rehetra avy amin'ny firenena nozanahana dia afaka monina ao Frantsa ao ?
Aiza no misy an'io ? Voasoratra aiza ? mba tiako fantarina koh zany an! Tianao ho akama ve izy ? efa tahak'izao ve ny zavatra hataony de mbola ho tihavina hatao akama hiany ? heu...zany angamba no hatao hoe samy manana sy mifidy ny akamany marina an!
3. Fiffi ( 18/06/2006 06:20)
Hahitsiko an! tsy hoe rehefa teraka teto frantsa de lasa vazaha fa mahazo nationalité vazaha
4. booboo ( 18/06/2006 06:53)
fa inona no maha samihafa ny mahazo nationalité vazaha sy hoe vazaha ho an'ireo zay teraka ivelan'i Madagasikara nefa ny raha aby aby momba azy dia manaraka ilay tany ipetrahany ( fiteny, fombafomba, fisainana, ... ) ? Gné ?
5. vale ( 18/06/2006 07:18)
booboo: euu, ny masamihafa an'azy aky de le hoe "rà" mihintsy à;-), fa raha ny tena izy dia vazaha satria vao nahita masoandro ilay olona dia ny tany nahaterahany ihany no hitany, ny fiteny iny no hainy, ny fombafomba, donc vazaha izany!!
rabaradaka: Sarkozy dia "vazaha" fa saingy tsy frantsay, ,io efa nolazain'i fiffi io!
6. vale ( 18/06/2006 07:21)
Rabaradaka: tianao atao akama ve i sarkozy?:{
7. vale ( 18/06/2006 07:38)
Rabaradaka: marina fa ny firenena "zanaka" toy ny martinique, réunion, etc,, dia frantsay ary afaka mipetraka ara-dalàna frantsa ny olona ao @, fa raha efa manana ny fahaleovan-tenany kosa dia hafa indray izay!!
8. Fanja1 ( 18/06/2006 08:54)
iza anefa no niady mafa hahazo fahaleovantena t@ 1960?
9. Mifenty ( 18/06/2006 08:57)


kay le



za lety vazaha a



vazaha = étranger ra azoko tsara ny dikany.


Zany oe refa ivelan'i Madagasikara aho de vazaha zay.


Raha tsy hoe vazaha mira fotsy angaha???:-D:-D:-D:-D

raha lé famaritana faharoa de tsy vazaha ndray zah fa gasy monina ivelan'i Gasikara.
10. Fanja1 ( 18/06/2006 09:41)
matoa mangataka fahaleovantena de mahavita tena zany:)
11. diamondra27 ( 18/06/2006 09:45)
rabaradaka: ngah mbola tsy hitanao le site nalefako teto momba an'i sarkozy ireny?

'za kosa aloha momba an'i sarko satria miezaka ny manadio izy fa tsy hoe: ze vahiny rehetra no roasiny.

Na aiza na aiza de tsy hisy hanaiky rehefa tafahoatra loatra ny immigration fa zany hoe: mety ho izy direct be sy autoritaire no tsy itiavan'ny olona azy.
Sy indraindray miteny hevitra manafitohina de raikitra ny kombaka
12. Fanja1 ( 18/06/2006 09:56)
diam's zay mihintsy sady io wa ny tena mahasosotra azy anie ilay olona tsy mety mi s'adapte @ fomba vaza e... oh "teny firantsay" fa ny teniny ihany no entiny eto
13. vale ( 18/06/2006 10:45)
diam's: non, mihetsika @ fomba ara-politika ftsn izy (izay lay hoe be politika ozy ny fitenenana!), fa na izy ko nge aza tsy frantsay eh, fa seza:-D kosa ary io:-D ko tsy mba hisolelak,, ve izy?:lol::-D
14. vale ( 18/06/2006 10:49)
Fanja1:

diam's zay mihintsy sady io wa ny tena mahasosotra azy anie ilay olona tsy mety mi s'adapte @ fomba vaza e... oh "teny firantsay" fa ny teniny ihany no entiny eto
zah indray mahita fa tsy rariny rah 'izany, fa nahoana ny ol no tsy hiteny ny fiteniny avy any @? ary nahoana rehefa teny amerikana dia misahirana ry zareo :idea:
ary raha mitombina koa ny hoe tsy mety mi-s'adapte: ahoana aza no hataon'ireny ol ireny(izany hoe fiteny in?) raha oh ftsn hividy carte orange izy?:-D:-D:-D


15. vale ( 18/06/2006 10:56)
Fanja1:

iza anefa no niady mafa hahazo fahaleovantena t@ 1960?
fanja: maro ny firenena voazanaka nitaky fahaleovan-tena, na izany na tsy izany nefa dia be loatra ny zvt-tsoa lasan'ireny mpanjanaka ireny!! sa angah de hoe tsy mety ny mamaly ratsy ny ratsy tokoa eh;-), fa raha ny "rariny" kosa dia ananan'ireny teny voazanaka ireny trosa(harena ankibon'ny tany, olona nandevozina,sns,sns,!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!) i lafrantsa an!


16. Fanja1 ( 18/06/2006 10:59)
ngaha misy manakana azy tsy hiteny @ fiteniny, zahay zao refa en famille de miteny gasy fa rehefa eny anaty bus na any @ zay tany aleha feno olona miteny vaza..enao anie no te andeha @ taninjy zareo de tokony hanaraka ny fomba sy fiteninjareo e.. sinon raha tsy hanaraka naninona no tsy nijanona tany @ tanany
17. Fiffi ( 18/06/2006 11:28)
booboo:
fa inona no maha samihafa ny mahazo nationalité vazaha sy hoe vazaha ho an'ireo zay teraka ivelan'i Madagasikara nefa ny raha aby aby momba azy dia manaraka ilay tany ipetrahany ( fiteny, fombafomba, fisainana, ... )
booboo: nhazatra antsika gasy no miteny hoe vazaha indrindra moa fa ny frantsay zany . Ny mahasamy hafa azy de raha hatao ohatra fotsiny la frantsa : ny frantsay zany de hatao hoe vazaha izay aty frantsa an! ohatra hoe nisy gasy taty frantsa izy no teraka , raha zah aloha de tsy hiteny azy mihintsy hoe vazaha izy satria na de mijeryazy zao aza de hita fa gasy ! lasa nahazo ny nationalité frantsay fotsiny izy satria teraka taty. na ohatra hoe nanambady frantsay de nahazo nationalité frantsay fa tsy vazaha na de pitiny aza satria hita avy hatrany fa gasy.


18. booboo ( 18/06/2006 11:29)
Diamondra27 > fa inona ilay "loto" no hoe "miezaka manadio" i Sarkozy ? 8O8O8O

Fanja1 > Reny afrikana miakanjo boubou reny ve tokony tsy niala tany @ taniny zany satria tsy FOMBA fiakanjon'ny tandrefana ireny ? Ataoko koa fa n'iza n'iza @ mpihavy tsy maintsy miteny ny tenin'ny tompon-tany refa misy raha atao : banque, trucs administratifs.... Tsy any @ fomba sy fiteny no tokony hametrahana ny raha fa any @ fanarahan-dalàna mifehy ilay tany mandray.
19. booboo ( 18/06/2006 11:40)
Fiffi > ny physique sy ny volo-koditra fotsiny zany dia ahafahana miteny hoe ity vazaha dia ity tsy vazaha ? Efa namaky ilay " je suis noir mais je n'aime pas le manioc " ve ianao ?
20. vale ( 18/06/2006 12:22)
Fanja1:

ngaha misy manakana azy tsy hiteny @ fiteniny, zahay zao refa en famille de miteny gasy fa rehefa eny anaty bus na any @ zay tany aleha feno olona miteny vaza..enao anie no te andeha @ taninjy zareo de tokony hanaraka ny fomba sy fiteninjareo e.. sinon raha tsy hanaraka naninona no tsy nijanona tany @ tanany
zah indray kosa dia tsy te halala fa na eny an-dalana aza zah ka miaraka @ gasy zah de ny teny gasy ihany no ataoko,f'angah nisy lalàna hoe rehefa eny an-dalana de tsy maintsy miteny frantsay, ne dia entra malagasy ve8O??! ze faly faly any ze tsy faly mianatra ko!:lol::-D:-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2302