Ny lalàna Sarkozy

61. prime ( 22/06/2006 10:09)
Ndao indray ary alalinina ny atao hoe tia tanindrazana e! ilay hoe "racisme" mantsy "péjoratif" loatra ka mivaona any @ tsy izy...:°)
62. marozevo ( 22/06/2006 23:05)
Tsy tokony ho ratsy ny teny hoe racisme raha ny tena marina fa noharatsiana. Ny Ségregation raciale no tena ratsy. Raha samy miezaka manandratra ny hasina sy ny zo aman'adidiny avy ny race tsirairay dia tsy tokony hisy olana izany... fa ny olana dia avahana sy ambaniana ny olona iray noho ny firazanany (race = origine), io no tsy izy, raha araka ny hevitro aloha... fa tsy mitompo teny fantatra aho akory sanatria....
63. prime ( 23/06/2006 05:34)
marozevo> ka ilay "dérive" mankany @ "ségrégation" izay mihitsy anie no tena ahiana e!!! ny fomba fijeriko tiana iaingàna @ilay fitiavan-tanindrazana mantsy mijery kokoa ny lafiny ara-teknika, no sady "objectifs" kokoa, fa ilay resaka "race" tena "corde sensible" hoy ry zalahy izay dia mora mivilana...:lol:
64. Fanja1 ( 23/06/2006 07:54)
vale oui sûr za .. za zao tsy tia vaza:)
65. prime ( 23/06/2006 09:16)
Fanja1> nefa mipetraka any @ vazaha!!! (c'est grave!!!) :!:
66. Fanja1 ( 24/06/2006 08:26)
Prime tsy choix-ko ny nandeha nipetraka taty:wink:
67. marozevo ( 24/06/2006 08:50)
Ny mahavariana dia tena mbola tsy mety ho convaincu ny "monde politique", fa ny hampandroso dia io fijerena ny lafiny teknika sy objectivité lazainao io, ry prime.
raha tsaroanao, dia io no nataon'i Ramanantsoa filamatra, ary nataony tokoa, fa nifanontona hanongana azy avokoa ny olon-drehetra.
68. vale ( 25/06/2006 13:00)
Fanja1:

vale oui sûr za .. za zao tsy tia vaza:)
fanja1: euuu, na dia tsy nanao zvt tsy nety t@ ndry aza ve ilay vaza,?!:roll:


69. Fanja1 ( 25/06/2006 16:38)
fanja1: euuu, na dia tsy nanao zvt tsy nety t@ ndry aza ve ilay vaza,?!

vale tsy azoko ny tindry lazaina azafady:wink:
70. MTN ( 25/06/2006 18:26)
vale:

MTN:

raciste ve ianao raha ohatra ka mba manome lanja ny iray tanindrazana aminao? raciste izany amiko olona tsy tia race iray (na maro). Na aiza no misy olona avy amin'io race io na aiza eto an-tany dia tsy tiany fotsiny izao.
ié, raciste izany!!:wink:




Ohatra ny tsy mety tsara angamba ny filazako azy. Mampitaha zavatra roa aho teo. Tia tanindrazana (patriote) sy raciste. Samy hafa kosa ireo an.

Fanja1: enjana izany. Ny teneniko angamba dia hoe: ny hafetsen'ny vazaha ianarana fa aza variana mankahala azy.
71. MTN ( 25/06/2006 18:54)
marozevo:

Tsy tokony ho ratsy ny teny hoe racisme [...] Raha samy miezaka manandratra ny hasina sy ny zo aman'adidiny avy ny race tsirairay dia tsy tokony hisy olana izany...

Marina izany fa saingy efa tsy izany intsony angamba no dikan'ny race. Vao miteny ianao hoe race dia ilay teneninao hoe:
marozevo:

Ny Ségregation raciale no tena ratsy. [...]
fa ny olana dia avahana sy ambaniana ny olona iray noho ny firazanany (race = origine), io no tsy izy

no heno voalohany
72. MTN ( 25/06/2006 19:17)
prime:

[...]alalinina ny atao hoe tia tanindrazana[...]

Net: http://agora.qc.ca/mot.nsf/Dossiers/Patriote

Ny ahy indray: zavatra roa (farafahakeliny) no ilaina raha tia tanindrazana ianao. Tia ny tany araka ny maha-tany azy (tsy amidy amin'ny vahiny na inona midona na inona mitranga). Faharoa: tia ny mponina iray tanindrazana aminao (miezaka manampy sy manome lanja azy mihoatra ny vahiny). Rehefa niezaka dia ampy izay fa tsy voatery hahavita (ny tao-trano tsy efan'ny irery).
Ka hoy marozevo:

Ny mahavariana [...] tsy mety ho convaincu ny "monde politique",...

fanahininy izany amiko ka tsy atao hahavariana

fijerena ny lafiny teknika sy objectivité [...] nataon'i Ramanantsoa filamatra, [...], fa nifanontona hanongana azy avokoa ny olon-drehetra.

Ohatra ny mampahatsiaro ahy an'ilay tracte. (araka ny maha-tracte azy dia mety ho diso ka tsy holazaiko hoe iza no niteny azy): "inona moa izay vahoaka?". Misy fahamarinany io, tsy ny vahoaka ange no mitondra eh. Ny ankamaroan'ny vahoaka dia tsy nahita fianarana ka inona moa no ho hainy amin'izay teknika. Ny resaka fitondra izany, hatramin'ny tantara hatrizay, dia fifaninana. Ka raha asehonao amin'ny olona rehetra ny teknika itondranao dia tsy ho ela ianao dia hiala eo.
73. mamie ( 26/06/2006 05:09)
zavatra tokony ao an-tsaintsika gasy dia izao: soyons fiers de nous satria par rapport aux autres étrangers ange isika ka mba mahalala fomba ihany e!!!sy mahay mipetraka ihany koa.Safidin-tsika ny ho aty frantsa ka dia araho izay lalàna avoakany .Zany no ataon'i Sarko, dia araho fa aza manao toy ireo sasany mandoro fiara etc...Mino aho fa tsy mi-concerné ny gasy io lalàna io satria ny gasy dia olon-kendry (malaza izany).

74. Mifenty ( 26/06/2006 06:34)


ka i sarko né ka tsy frantsay e. Hongrois ny fiavin lery

fa ny taratasy no maha frantsay azy sahala amin'ireo gasy manana taratasy frantsay ihany io


ka tsy d azoko loatra ilay hoe fitiavatanindrazana

fitiavna an lafrantsa hoe.

ra i Stylo (le pen) no manao an'io na i de villiers na ry Devil Pain (de villepin manko e) dia otrany mitombina iany le fitiavan tanindrazana koa.


sa diso za ry zalah
75. Fiffi ( 26/06/2006 09:35)
heu...de hoe mnanao ny asany hono izy kah! nahazo toerana ambony lery de mandray sy manatanteraka ny asany.
76. marozevo ( 26/06/2006 14:47)
MTN > Efa henoko tokoa io trakta nolazainao io fa tena tsy tsaroako hoe iza no nilaza izany... maninona anefa moa raha lazaina aza ilay nipoirany eh... sa mahadiso ve ?

fa lesona anankiray tokony horaisintsika koa izao ataon'i Sarkozy izao. Na avy aiza izy na avy aiza, tsy dia any ny olana amiko, fa efa eo izy aloha izao. Ny lesona ho'aho dia ny hoe inona na ahoana no tokony mba ho positiontsika Malagasy momba ny vahiny any amintsika. Efa noresahina ny fanaovana visa any an-toerana.. ny clandestins any Madagasikara.. Asa tokony ho resahina koa ve ny "tourisme de plaisance charnelle", mba tsy hilazana ilay tena izy....

Inona no tolo-kevitra mba azontsika aroso ho an'ny mpitondra mba hanampiana azy.
77. MTN ( 28/06/2006 15:16)
marozevo: ilay votoatin'ilay tracta no tiako resahina fa tsy ny mpanoratra azy fa manjary mivoana ny resaka.

raha ilay fanontanina indray, aleo aloha samy handinika fa ohatra ny vaovao be ilay izy.
Ny voalohany tonga ato an-tsaiko aloha, raha mampitovy antsika sy ny arabo aho dia somary matahotra vahiny isika.
78. marozevo ( 28/06/2006 20:37)
Mety hisy fifandraisany ve ny hoe "matahotra vahiny" sy ny hoe "manaja vahiny". Ny ahy manko ity faharoa no toa hitako amintsika Malagasy. Manaja loatra indraindray dia taingenan zalahy amin'ny vozona. Asa anefa...
79. prime ( 29/06/2006 10:55)
marozevo> :-D
MTN> "patriotisme" malagasy hafa mihitsy kooohhh!!!:-D
80. marozevo ( 30/06/2006 21:09)
Valio moa nama ny fanontanianay ah....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4108