Ny fanahin'ny olona

1. lapino ( 02/06/2006 03:54)
Voalaza hono fa hoe misy fanahy ny olona. Mino izany daholo ny karazan'olona rehetra ity, hatrany amin'ny kely maso, mainty sy fotsy ary mena hoditra, na dia samy manana ny fandraisany azy aza.

Ny fanontaniako izany dia hoe:
- aiza ho aiza no misy azy, eo amin'ny lohalika ve sa eo amin'ny lamosina?
- boribory ve izany fanahy izany sa lavalava?

Raha tsy izany, misy afaka miteny sy manazava ve hoe tsy misy ny fanahy?
novalian'i cutie ny 15/07/2006 16:36
2. Fiffi ( 02/06/2006 04:02)

"Ny fototeny avy amin'ny hoe fanahy dia "ahy", mifaningotra amin'ny tenanao aloha voalohany entina manambara:Toetra: tsara fanahy izany raha olona, mba ratsy fanahy kosa izy...., aza manao fanahim-biby sns..........Hery iray mampiavaka ny olona amin'ny biby sy ny hafa rehetra, io ilay fanahy avy amin'Andriamanitra mandrisika azy hanao ny tsara sy hanalavitra ny ratsy.Azo adika ho saina ihany koa ny fanahy, ny olona ratsy saina matetika antsoina hoe ratsy fanahy."
3. Fiffi ( 02/06/2006 04:20)
« ny Fanahy no maha olona »

"misy koa anefa Ny Fanahy Masina"
Raha tsy izany, misy afaka miteny sy manazava ve hoe tsy misy ny fanahy?
amiko aloha de azo lazaina 2 samihafa ny hoe tsy misy fanahy .
-Ao aloha ny nodimandry , ny vatana mangatsiaka sisa satria lasa niakatra any an-danitra ny fanahin'le olona.
-Ao koa no hatao hoe "Ny Fanahy Masina"

Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan' Andriamanitra* ho ao am-pontsika.
4. booboo ( 02/06/2006 06:07)
-Ao anatin'ny vatana fotsiny avy eo arakaraka ny finoan'ilay olona ndray mety hoe hita loko avy ety ivelany @ partie-n'ny vatana arakaraka ny humeurn'ilay olona na ny raha nataony ohatra....hoy ny finoana sasany.
-Sady tsy boribory no tsy lavalava fa ohatra ny entona ...re- hoy ny finoana sasany.



5. pissoa ( 02/06/2006 07:05)
Mitovitovy amin'ilay hoe ... Misy ve Andriamanitra? Iza ary no efa nahita Azy? Lahy sa Vavy? sns ilay fanontaniana :roll:
6. pissoa ( 02/06/2006 07:06)
... Sa ve izaho no tsy mahazo? :roll:
7. Achia ( 02/06/2006 07:10)
Fa ahoana aloha ny namoronan'Andriamanira ny ol e , tsy oe vovontany no novolalavolaina de nasiana fofon'aina mahavelona ve toa tsy misy fanahy mihitsy ao an , misy nefa ny zavatra tsy hitoviantsika @ biby dia ny fisainana tombony ho antsika @ biby io
8. mandrindra ( 02/06/2006 07:19)
satria ato anatin'ny sehatry ny fivavahana sy finoana isika dia any amin'ny zavatra tsy azo tsapaintanana, tsy hita maso ary tsy ahitana vokany mazava no mipetraka ny fanontanina.

raha raisiko amin'ny maha ohabolana malagasy azy anefa dia hafa mihitsy ny fanahy. ny fanahy dia zavatra anteraky ny atidoha sy ny fihetsehampo. izany hoe mazava ny fiadohany. ny fanahy dia nmamaritra ny toetra, fitondratena sy ny fomba fijery ary eritreritry ny ol iray. izay ilay fanahy amin'ny malagasy.
9. prime ( 02/06/2006 07:33)
« ny Fanahy no maha olona »
hoy i Fiffi

Ny mba azoko lazaina dia izao :
1. ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fanahin'ny olombelona no ambaran'Andriamanitra hoe ataony mitovy endrika Aminy ny olombelona, ie an'Andriamanitra ny fanahin'ny olombelona, io fanahy ao anatintsika io no itoviantsika amin'Andriamanitra ka nanendreny antsika ho mpanjakan'ny zavaboahary rehetra nohariany...
2. ny fanahy dia misy sokajiny telo (hoy i Pasteur Razafindrakoto Gilbert - mpanoratra, mpandinika, mpiandry):
- "ny fanahy no aina..." , ny fofon'aina nomen'Andriamanitra ambaran'i Achia io no endrika voalohan'ny fanahy... na ny biby koa aza manana ary ny fahafatesana dia fanambaràna fa tsy misy intsony ilay aina, izany hoe maty ny fanahy... ao amin'ny baiboly moa dia mbola manambara ihany koa fa ny aina dia rà ka azo fehezina ho ny fanahy izany aloha dia ny rà mikoriana ao anatin'ny olombelona...
- ny endriky ny fanahy faharoa dia ny tahiry miafina sy ny tsy miafina rehetra ao an-tsaina (esprit) sy ao am-pon'ny olona (souvenir, mémoire...) ka rehefa maty ny olombelona dia maty koa izany endriky ny fanahy anankiray izany...
- ny endriky ny fanahy farany dia Andriamanitra mihitsy, mitoetra amin'ny olona (âme) izay tsy ananan'ny devoly sy ny anjely fa nomen'Andriamanitra manokana ny olombelona, ary io no mahasaropiaro Azy mafy satria sombiny amin'ny tenany mivantana, tsy mety maty nefa azon'ny ratsy angalarina... (raha very ilay olona rehefa tonga ny andro itsaràna azy)

Ka hamaliana anao ry Achia dia ny hoe aiza ho aiza no misy azy dia raha ny endriny roa voalohany dia manerana ny tena, ao amin'ny saina, ao amin'ny fo... fa raha ny fanahy mahaizy azy, ilay an'Andriamanitra velona dia miankina amin'ny toerana ametrahanao an'Andriamanitra amin'ny fiainanao no misy azy. Raha tsy mino an'Andriamanitra akory moa izany dia naman'ny karazan'ny manidy azy ao anaty figadràna ao amin'ny tenanao ao ihany... :)
10. Fiffi ( 02/06/2006 09:55)
rehefa nodimandry ny olombelona dia niakatra any an-danitra ny fanahiny .
11. pika ( 02/06/2006 10:14)
ny fanahy dia mifaningotra @ aina ka tsy hita ho faritana hoe aiza
ary misy ny fanahy matoa misy ny hoe tsara fanahy sy ratsy fanahy samy maniky ny fisiany aby angamba
12. Fiffi ( 02/06/2006 10:39)

Raha noana ny kibo , mivezivezy ny fanahy.
13. booboo ( 02/06/2006 11:12)
dia mbola misy koa " ny fanahy no olona ". Dé refa haravina reo ohabolana malagasy aby aby reo dé miverina io @ tenin'i Mandrindra io aby.
14. Vaika ( 02/06/2006 11:36)
lapino : raha mbola mipetraka ny fanontaniana hoe : aiza no misy ny fanahy ? dia mbola lavitra ny misy azy izany i toi e ! Raha mbola miasa ny saina dia takona ilay fanahy. Ao ihany ny fanahy fa tsy ianao ny hitady azy fa izy no mandondona ao aminao;-)
NB : ny tsy hiadian-kevitra kosa angamba dia tsy ilay olona kely (conscience hoy ny psy) ao an-tsainao mibitsibitsika aminao ny tsara sy ny ratsy no atao hoe : fanahy. ;-)
Mazotoa ry ankama fa ao anatin'ny ngidy hono no misy ny mamy !
15. prime ( 02/06/2006 13:02)
Manahirana ity resaka fanahy ity satria i lapino aza toa tsy mino akory raha ny fanontanianao no dinihina tsara...:wink:
16. Herimiafina ( 02/06/2006 13:35)
lapino:

Voalaza hono fa hoe misy fanahy ny olona. Mino izany daholo ny karazan'olona rehetra ity, hatrany amin'ny kely maso, mainty sy fotsy ary mena hoditra, na dia samy manana ny fandraisany azy aza.

Ny fanontaniako izany dia hoe:
- aiza ho aiza no misy azy, eo amin'ny lohalika ve sa eo amin'ny lamosina?
- boribory ve izany fanahy izany sa lavalava?

Raha tsy izany, misy afaka miteny sy manazava ve hoe tsy misy ny fanahy?

Ka io anie leisy tsy afaka rationaliser-na satria tsy 1+1=2 hono e! iza moa no efa nahita izany fanahy izany no hamadika azy corps physique.
Na dia izanya za misy departement medecine traditionnelle ao Californie ao tsy haiko na UCLA izy izay mitrandraka manokana mikasika an'io ary mifandray amin'ny CIA mihintsy. Voalaza fa manana données be dia be tsy ampoizina ry leirony ao e!

17. Achia ( 02/06/2006 13:53)
Tsy azoko le tianao hanontaniana prime a ny toerana misy ilay fanahy ve ?
18. prime ( 02/06/2006 14:00)
Achia> Manontany mantsy lapino hoe aiza no misy azy dia avy eo toa tiany faritana mazava hoe toa inona...? Izay no mahatonga ahy miteny hoe manahirana satria mila olona vonona hihaino koa izany... Fa tsy hoe efa manana valiny nefa mody manontany...:)
19. Achia ( 02/06/2006 15:55)
:lol::lol:de aleo ary samy hamaly eo dôly e !
20. lapino ( 03/06/2006 06:13)
Manaiky daholo isika izany fa misy ny fanahy. Fanahin'ny olona no resaka eto aloha fa tsy fanahy hafa an! Izany hoe ilay fahatelo ankoatra ny vatana sy ny saina.

Ny zavatra azo raisina indrindra amin'izao aloha dia hoe:
- "fanahy = aina" na "fanahy mifaningotra amin'ny aina"
- ny fanahy dia zavatra anteraky ny atidoha sy ny fihetsehampo.
Ny tenin'i Vaika koa mitady hahalaza azy ihany, fa flou. Fa mbola tsy te hipetraka ny saiko am'zao aloo e :)

Ireo roa voalohany ireo aloha zavatra mifanohitra ihany, satria raha ilay voalohany dia miara-misy ny aina sy ny fanahy, fa raha ilay faharoa dia zavatra maniry aorian'ny aina ny fanahy.

Fa raha ny valin'ilay fanontaniana izany dia saika hoe: "ao anatin'ny vatana". Sûr amin'izany ve isika?

prime > tsy mody manontany aho, fa tena manontany. Tiako ho-rationnaliser-na amin'ny antsoin'i Herimiafina ilay resaka manko. Saika tsy nataoko tato amin'ny resaka finoana aza izy ity, fa haiko fa ho feno menomenona ny valin-teny azoko avy eo, ary hifindra ato ihany, satria resaka fanahy. :)
Fa aza ny finoako na tsia koa no atao manahirana e, fa manjary tsy objectif ilay valin-teny avy eo. (resaka objectif manko no tiako hatao raha ny marina, fa tsy resaka finoana, na tsy voatery mifanipaka aza ireo):wink:

booboo > ilay hoe ohatra ny entona, resaka "représentation" araka ny fandraisan'ny olona azy angamba io. Sa hoe misy fanahy ny havokavoky ny mpifoka sigara? :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3188