Ny fanahin'ny olona

41. cutie ( 05/06/2006 21:12)
ny biby koa misy fanahy :P
42. lapino ( 05/06/2006 21:25)
Tsy maninona raha misy fanahy ny biby sy ny zava-maniry (na ny an'ny olona aza no resaka ;) ). Fa ahoana koa ary ireo amin'ilay fanontaniana?
43. cutie ( 05/06/2006 21:32)
lapino, hihihihi, nisy resaka ery ambony ery we ny fanahy no mampiavaka @ biby ka, de tiako tsindriana kely fotsiny we ny biby misy fanahy koa :P
44. prime ( 06/06/2006 09:06)
Dia ahoana izany???:-P
45. cutie ( 06/06/2006 12:38)
prime de ahona ahona ,fa zay koa:wink:
46. prime ( 06/06/2006 12:46)
cutie> eny e dia ahoana koa izy koa tsy manazava sa rehefa izay dia izay???:-D:-D:-D:-D
tsy mba misy famindram-po ve fa hentitra be tsssss!!! :-D:-D:-D:-D
47. cutie ( 06/06/2006 19:31)
ie hentitra be mitsy, refa zay de zay :-D
48. marozevo ( 07/06/2006 20:34)
Moa tsy fomba fitenintsika ve ny hoe "tsara fanahy" na ny hoe "malemy fanahy"... sns...

Sa andevozin'ny fahalalana isika, ka tsy misy afa-tsy ny "raisonable = raison = rationalité".
sa andevozin'ny "heverina ho fahalalana" isika, ka tsy azo ekena ho tsy misy afa-tsy ny "azo refesina" sy "azo omena endrika".
Nahoana no tsy maintsy fantatra ny endriny na caractèreny vao lazaina fa misy ny zavatra iray ?

Resaka fivavahana moa ity, ary manontany ahy i lapino ao hoe "inona no ifandraisan'ny rivotra sy ny fanahy?", koa dia manasa anao hijery sy hamaky ilay dinidinika nifanaovan'i Jesoa sy i Nikodema (Joany 3), fa ho hitanao ao na ny teny hoe rivotra na ny teny hoe fanahy.
49. Fiffi ( 08/06/2006 06:01)
rehefa maty ny ol iray dia maty koa ny fanahiny.
heu... zany ve ?
50. majesty ( 08/06/2006 09:45)
tamin'Andriamanitra namorona ny olona voalohany dia vovoka + fofonaina = olona velona
vovoka - fofonaina = olona maty
Tsy nisy afa-tsy ireo zavatra roa ireo no nanamboaran'Andriamanitra ny olona koa iza na hoe inona amin'ireo izany fanahy izany?:D
51. lapino ( 08/06/2006 10:16)
Marozevo, misaotra aloha tamin'ilay hoe Jesosy no nanao an'ilay fampitahana. Fa izaho manokana tsy dia mahazo loatra an'ilay fanoharana.

Fa ilay resaka tsy sanatria akory satria andevozin'izay heverina fa fahalalana. Manana saina isika, ary manana fanahy, miaina araka ny saina koa no sady miaina araka ny fanahy.

Izaho manko mino fa tsy mifanohitra ny saina sy ny fanahy, saingy ny saintsika no tsy ampy hahatakatra zavatra sasany. Raha nametraka an'ilay fanontaniana aho, dia te hahafantatra. Tsy voatery ho voavaly ilay fanontaniana, kanefa raha efa miseho ny fetran'ny saintsika sy ny fahalalana misy dia ampy ahy izay.

marozevo:
Nahoana no tsy maintsy fantatra ny endriny na caractèreny vao lazaina fa misy ny zavatra iray ?

Ilay zavatra efa fantatra fa misy (na tsy ilana porofo aza ny fisiany). Ka mahadiso ve moa raha manontany ny endriny sy ny caractères-ny ? Zavatra tsy fantatro tsinona kanefa mba manitikitika kely ny saiko (sy ny fanahiko??? ;) )
52. andoniaina ( 10/06/2006 09:49)
Hoy i majesty hoe vovoka+fofonaina=ol velona ary vovoka-fofonaina=ol maty,ka mba hono oa:isika retra samy manaiky ny existence ny fanahy doly ngamba,raha eny de aiza ho aiza @ io no misy azy,mbola miasa ve zany izy refa maty ilay ol sa ahoana?manidina eny @ habakabaka ve sa aiza no misy azy? tsy manontany ny bika sy ny endriny tsony aho eto fa ny asany indray,samy mahalala ngamba tsika fa Atra,jesosy,fanahy masina,ary ny devoly fa ireo dia fanahy,ary ireo de azo faritana tsara,oh:atra de be fitiavana,tia ny marina etc...ka mba tokony azo faritana toy reo koa zany ny an'ny ol.
53. Fiffi ( 11/06/2006 05:43)
raha mino an'Andriamanitra de ny fanahy niakatra any an- danitra.
54. marozevo ( 16/06/2006 19:52)
lapino
55. Fiffi ( 18/06/2006 14:48)
Fanahy tsy midika hoe fanahy
56. prime ( 19/06/2006 11:01)
Eh oui!!!!
Fanahy tsy midika hoe fanahy
:wink:
57. cutie ( 19/06/2006 21:42)
ny Fanahy ao anatin'ny fanahy :P
58. prime ( 22/06/2006 13:18)
cutie> dia maninona mitranga lela????:-D:-D
59. cutie ( 22/06/2006 15:17)
prime mizesta :-D:P
60. prime ( 23/06/2006 04:46)
cutie> mizesta @ fanahy ve sa amin'iza???:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061