Ny fanahin'ny olona

21. marozevo ( 03/06/2006 22:24)
lapino:

Voalaza hono fa hoe misy fanahy ny olona. Mino izany daholo ny karazan'olona rehetra ity, hatrany amin'ny kely maso, mainty sy fotsy ary mena hoditra, na dia samy manana ny fandraisany azy aza.

Ny fanontaniako izany dia hoe:
- aiza ho aiza no misy azy, eo amin'ny lohalika ve sa eo amin'ny lamosina?
- boribory ve izany fanahy izany sa lavalava?

Raha tsy izany, misy afaka miteny sy manazava ve hoe tsy misy ny fanahy?



Voalaza hono fa hoe misy ny RIVOTRA,mino izany daholo ny karazan'olona rehetra ity, hatrany amin'ny kely maso, mainty sy fotsy ary mena hoditra, na dia samy manana ny fandraisany azy aza.

Ny fanontaniako izany dia izao.
Aiza ho aiza no misy ny rivotra ? eo an-tendrombohitra sa any an-dohasaha, sa eny amin'ny lembalemba?
Boribory ve izany rivotra izany sa lavalava.
raha tsy izany, misy afaka miteny sy manazava ve hoe tsy misy ny rivotra ?

22. Herimiafina ( 03/06/2006 23:25)
Ho aní lapino manokana! Tsy dia haiko leisy izay fahamarinany fa angamba refa maty aho dia mahita azy tsara an!

Fa ity klou jereo ihany e!
http://perso.orange.fr/revue.shakti/rayon.htm
23. Fiffi ( 04/06/2006 06:53)
de miandry izay afaka hamaly ny fanontanian'i marozevo . Tena tsara fipetraka le fanontaniana.
24. lapino ( 04/06/2006 09:24)
marozevo: tsy hoe "mino" izany daholo ny olona, fa mahita sy mandre ary mahatsapa daholo, satria azo tsapain-tanana ny rivotra.
Raha mba afaka hazavain'i marozevo, hoe fa maninona no ampitoviana ny rivotra sy ny fanahy àry hoe? Ohatra izao i marozevo manam-panahy, manan-drivotra koa? :wink:

Averiko soratana angamba ilay fanontaniana: zavatra telo (3) no mamorona ny tenan'ny olombelona, dia: ny vatana, ny saina, ary ny fanahy. Ny fanahy izay singa iray amin'ny tenan'ny olombelona no tiako hanontaniana ny momba azy:

-> ny natiorany:
. Raha mety ho zavatra matériel: ahoana no endriny, mivaingana sa miranoka sa mientona, sns ...
. Raha mety ho zavatra rayonnant: karazana onde inona, avy aiza no mipoitra, firifiry any ny frequence, ahoana no intéraction-ny amin'ny matière, ...
. Raha zavatra hafa, ahoana no fomba hi-caractériser-na azy, ahoana no intéraction-ny amin'ny matière, na amin'ny lumière, sns ... ?
(NB: na ny matière na ny lumière raha araka ny fizika dia samy forme-na energie, ..., toy izany koa ve ny fanahy fa endrika hafa? ...
ao anatin'ny matière mbola afaka mandray endrika samihafa koa ny energie)


-> izy "par rapport" amin'ilay tenan'ny olombelona
Ny vatana izao fantatra, ny saina na tsy hay amin'ny fomba exact aza dia fantatra fa ao anatin'ny atidoha no iasany. Ary ny fanahy kosa ahoana indray? Raha zavatra tsy matériel ny fanahy, ahoana indray no ifandraisany amin'ireo singa hafa amin'ilay tenan'ny olombelona izay misy matériel ary misy tsy matériel? ...

NB: tsy te hiresaka momba an'Andriamanitra na ny devoly aho eto, fa te hi-comprendre fotsiny ny momba an'ilay fanahin'ny olombelona.
25. lapino ( 04/06/2006 09:33)
HM > Matesa haingana àry hoe elah, dia miverena haingana koa hitantara avy eo ;)
(ataovy haingana be mihitsy, fa sao dia tsy mitovy ny échelle-n'ny fotoanantsika am'zay, dia tonga eo ihany koa ny andronay mandra-piverin'lah :-D:-D:-D)

Mersi aloo, fa hojerena ndray ilay rohy fa misy zavatra mahaliana ihany. Vao hitako miresaka rayon izy aloha dia efa manam-panontaniana sahady aho, hoe ahoana no mahatonga ny rayon iray ho volonté, ho amour sns ... Sa tsy ampy angaha ny voambolana hilazana azy, dia tsy te hamorona voambolana vaovao angamba izy fa voatahiry kokoa ny hevitra anaty voambolana diso ? :-w
26. Fiffi ( 04/06/2006 09:38)
lapino:

HM > Matesa haingana àry hoe elah, dia miverena haingana koa hitantara avy eo ;)
:roll:


27. pissoa ( 04/06/2006 10:28)
Raha mba afaka hazavain'i marozevo, hoe fa maninona no ampitoviana ny rivotra sy ny fanahy àry hoe? Ohatra izao i marozevo manam-panahy, manan-drivotra koa?
:-D:-D:-D

Mahaliana le rohy nomen'i HM nefa ho an'lapino manokana ony kle :roll:
28. andoniaina ( 04/06/2006 11:10)
Ny fanahy dia ilay fofon'aina nomen' nahary ny zanak'olombelona,ka rehefa maty ilay izany hoe miala ny ainy dia azo lazaina koa hoe miala ny fanahiny.raha misy mandà an'io dia mba hazavao amiko hoe,mankaiza ary ny fanahy rehefa maty ilay ol:?:
29. Fiffi ( 04/06/2006 11:28)
marina zany ka de miandry izay afaka hamaly an'io zany an!
30. andoniaina ( 04/06/2006 11:37)
Fiffi:raim' mitsy njy de hita etsy sy eroa an =D:!:vô eo no hitako tany @ fitiavana tany de efa aty sahady .
31. Fiffi ( 04/06/2006 12:05)
ka manaraka zah koh ! :)
32. andoniaina ( 04/06/2006 12:10)
Tandremo ary sao de lasa arahana eo fa tsy manaraka=))=))=))=))
33. Herimiafina ( 04/06/2006 12:25)
Aza dia miditra lalina loatra ry zareo fa ny atidoha anie ka tsy mihoatra ny 20cm.cube e! Hipoaka eo io marina mafy.

Io leisy ry lapino de mba zavatra hitako fahiny izy io fa tsy mbola mazava amiko mandrak'ity androany e.

Ny hitako fotsiny dia ny karazana eksperiansa ataon'ny ao Californie momba ireny zavatra mistery rehetra ireny e. Raha tsy diso aho dai avy tao no niavian'ny famakiana heritreritra na ny telepathie, sns.
34. LouAnne ( 04/06/2006 12:47)
misy tsara fanaha de misy ratsy fanaha
35. andoniaina ( 04/06/2006 13:02)
Misy ny ratsy fanahy de misy ny tsara fanahy satria,ny toetra ho entin' ilay olona miaina no itsaran' ny rehetra azy :D:D, oh: mpangalatra,mpamono olona,mpiteny ratsy= ratsy fanahy ;oh:mpivavaka,mpiantra olona,mpanampy olona= tsara fanahy.Sa i louanne efa nahita Pôzy;bika;endrika ny fanahin'olona 1:?::D:D:D
36. LouAnne ( 04/06/2006 13:06)
oulalala nga fanahy hita zany kô ?
37. Rainikarabo ( 04/06/2006 16:43)
ie hita tsara mihitsy ka 8)
38. lapino ( 04/06/2006 17:30)
HM, mbola hatreo amin'ny momba ny olombelona fotsiny, dia efa tratra sahady ny fetra :wink:
39. booboo ( 04/06/2006 21:16)
Reo fanontanianao momba ny "natiora"-n'ny fanahy ireo dia samy manana ny "representation" -ny tsirairay ary santionany @ izay " representation" izay io raha sahala @ setroka nolazaiko io. Misy koa ny resaka rayons @ sasany dia tsy tadidiko firy raha machin truc ( tsy ato an-dohako ilay fiantso azy :roll: )ny couleur rouge na jaune na ôtra zany...
40. mandrindra ( 05/06/2006 08:58)
andoniaina:

Ny fanahy dia ilay fofon'aina nomen' nahary ny zanak'olombelona,ka rehefa maty ilay izany hoe miala ny ainy dia azo lazaina koa hoe miala ny fanahiny.raha misy mandà an'io dia mba hazavao amiko hoe,mankaiza ary ny fanahy rehefa maty ilay ol:?:


rehefa maty ny ol iray dia maty koa ny fanahiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1353