Hoy i Ralay: Misy ve Andriamanitra?

1. LazaRandri ( 31/05/2006 22:20)
1- Ho an'ireo mpino Kristianina: "Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra" Jakoba 3:1
=> Tandremo fa misisika mangingina ny fampianaran-diso mba tsy hiparitahan'ny FAHAMARINANA


2- Ho an'i Ralay:
Azonao hazavaina tsara ve aloha hoe iza izany Andriamanitra tianao fantarina na misy na tsy misy izany? :)
novalian'i marozevo ny 15/06/2006 23:22
2. Fiffi ( 01/06/2006 02:45)
LazaRandri:

=> Tandremo fa misisika mangingina ny fampianaran-diso mba tsy hiparitahan'ny FAHAMARINANA
inona aloha ity fampianaran-diso ? Mba tsy hiparitahan'ny fahamarinana ? azavao....


3. LazaRandri ( 01/06/2006 02:58)
fiffi a, misy mandrakariva ny mpandrebireby. Ampitondrainy fanazavana isika, kanefa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra no asainy tenenintsika. Io no mila fitandremana satria mahatafitohina ny tsy mino, ary mahavoafitaka ny mino.

Izay aloha fa mbola hiari-tory hiandry an-dRalay aho e! hahaha!
4. Fiffi ( 01/06/2006 03:03)
heu.... ny mpandrebireby aloha de ny temoin de Jehovah ireny eh! De tena hiari-tory eo enao zany ve ? ary raha tsy tonga eto Ralay androany ? hihihihi
5. LazaRandri ( 01/06/2006 03:03)
fiffi, aleo ataoko tsotra sy fohy ilay fanazavana:
ny Kristianina dia samy ampiasain'i Satana hisolo vava azy, raha tsy mitandrina sy mahafehy tena.
6. majesty ( 01/06/2006 03:05)
Mba avadiko kely ilay fanontaniana aloha sao mba misy afaka mamaly "Misy afaka manaporofo ve fa tsy misy Andriamanitra?"8O8O8O
7. LazaRandri ( 01/06/2006 03:08)
Majesty> manokafa lohahevitra hafa fa ito natokana ho an'ilay namana Ralay :)

Ho an'i Ralay:
Azonao hazavaina tsara ve aloha hoe iza izany Andriamanitra tianao fantarina na misy na tsy misy izany?
8. Fiffi ( 01/06/2006 03:08)
bonne question.......
9. fijo ( 01/06/2006 03:26)
majesty,izay mino ary ve mba misy afaka mitantaraaminay hoe toa inona izy ao izany?vavy sa lahy?fotsy sa mainty.lava sa fohy.
ny zavatra misy rehetra dia na efa heno na efa re na hitamao.fa ity andriamanitra ity ve mba efa nisy nahita sy nahare na naheno.
10. LazaRandri ( 01/06/2006 03:30)
fijo:
fa ity andriamanitra ity ve mba efa nisy nahita sy nahare na naheno.

Andriamanitra iza ry fijo?


11. Fiffi ( 01/06/2006 03:48)
LazaRandri:
fiffi, aleo ataoko tsotra sy fohy ilay fanazavana:
ny Kristianina dia samy ampiasain'i Satana hisolo vava azy, raha tsy mitandrina sy mahafehy tena.
heu.... sur @ zany ve enao ? Azo hatao tsara mihintsy nefa ny mivavaka mba tsy azon'ny fankapanahy an!


12. LazaRandri ( 01/06/2006 03:51)
Fiffi:
sur @ zany ve enao ?

Eny, ny Kristianina tsy mahafehy tena no tena ampiasain'i Satana hamitahana olona.

13. majesty ( 01/06/2006 04:07)
LazaRandri:Eny, ny Kristianina tsy mahafehy tena no tena ampiasain'i Satana hamitahana olona.
Fa angah moa rehefa kristiana dia izy tenany ihany no mifehy ny tenany sa ilay Andriamanitra inoany no mitarika sy manoro azy izay tokony ataony?
14. LazaRandri ( 01/06/2006 04:13)
Majesty> marina mihitsy ny teninao. Saingy vitsy dia vitsy ny toy izany. Matetika dia ampiasain'i Satana ny ankabeazantsika, na izaho na ianao. Satana ange fetsy e! hahaha! Isika no tadiaviny ampiasaina fa tsy olon-kafa. hahaha
15. Fiffi ( 01/06/2006 05:07)
ka raha tsy mahafehy tena ny Kristianina , hainy ange ny mivavaka mba tsy voarebirebin'ny satana izy eh !
16. LazaRandri ( 01/06/2006 07:18)
aiza ianao Ralay? Izaho efa nifoha sahady fa liana te hifanakalo hevitra aminao momba io fanontanianao mahasondriana io. hahaha
17. Fiffi ( 01/06/2006 07:29)
hay tena zara fa natory.
18. sasa ( 01/06/2006 07:43)
no comment
19. Fiffi ( 01/06/2006 07:51)
idem
20. cutie ( 01/06/2006 10:21)
matoa i LR voarebirebin'i fanontanian'i Ralay io de tsy mahatoky ny maha kristiana azy :-D:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715