Misy ve Andriamanitra

41. hery ( 31/05/2006 05:45)
Ho an'izay mino. Fomba iray lehibe hitsapana ny tena valim-panontaniana omentsika angamba ity lohahevitra ity rehefa misy tsy mpino manontany antsika ny fisian'Andriamanitra.

Ka hoy aho hoe...

Tsy ny fampisehoana andininy be dia be amin'ny baiboly mihitsy no hanaporofoana ny fisian'Andriamanitra... satria efa tsy mino ny baiboly rahateo ny tsy mpino. Tsy ny filazanareo ny fiekempinoana mihitsy koa no hanaporofoanareo fa misy Andriamanitra... satria anareo irery iny. Tsy ny fametrahanareo izay fanontaniana hoe "iza no namorona izao tontolo izao"... satria ho anareo dia Andriamanitra no namorona izao tontolo izao fa ho an'ny tsy mino dia zavatra hafa. Bingy bangy e etc...

Fa angamba...
Tsara raha aseho azy ny tombontsoa hitanao rehefa mino. Sy ny fatiantoka efa hitanao tamin'ianao saika tsy nino, na nanadino ny finoana.
Resaka expériences no mandresy lahatra kokoa noho ny resaka hevitra...
42. diamondra27 ( 31/05/2006 05:48)
hery: ka mety ve io valinteniko io izany sa tsia?
43. little ( 31/05/2006 06:26)
Misy ve Andriamanitra? Sarotra ny mamaly hoy aho satria ultime conviction no mamaly an'zany. Ary mety anarana samy hafa ka tsy mifanojo ny tendro. Ao manko ny miantso azy zanahary, Ray, Jehovah, sns. Saingy kosa, efa saika azon'ny siansa sy ny teknologia hazavaina daholo ny ankamaroan'ny zavatra rehetra kanefa ireo mpahay siansa katraka indrindra aza na dia eo am-pandinihina ny firafitry ny sela iray dia efa miaiky fa misy "organisateur" daholo ny zavatra rehetra. resaka millieme de micron anefa izany. Ka fanontaniana ny ahy: iza io organisateur io? Tsy io ve ilay Mpahary izay antsoy tsika fa Mahefa ny zavatra rehetra na koa taty aoriana rehefa mivavaka isika ilay atsoina hoe Ray na Andriamanitra. ilay Omni-present sy Omni-potent.
zahao , diniho ary hisaino fa tsy zava-poana isika fa nisy mpandahatra tany ho any. Ka asakasak'izay anarana omenao azy.
44. lapino ( 31/05/2006 06:46)
cutie:
za zao mahalala oul bdb tsy mino, de in zao ny pble @ zany:roll:

Amiko aloha tsy misy pble izany ka! Raha ohatra misy olona tsy nahafantatra ny momba an'Andriamanitra, dia izay no pble. Fa raha efa nampahafantarina izy no tsy mino, dia pble an'azy irery izay sisa. Normal be raha ohatra ka olona tsy mino no manao ny fampahafantarana an'Andriamanitra ho "lavage de cerveau", de tt façon subjectif foana ny fomba hitsarana an'izany.

Scientifique daholo no mahatonga an'ireny masoandro sy zavamaniry ireny amiko fa tsy nilatsaka avy any andanitra akory.

Marina izany. Fa momba ny "siantifika", manana fanamarihana kely aho:
- ny fomba handraisana an'ireo teoria siantifika : tsy azo raisina ho marina absolu ny teoria siantifika. Ary betsaka amin'izy ireny aza no aorina eo ambonina fototra "abstrait", dia ny matematika (tsy siansa ny matematika fa filozofia). Tsy midika izany hoe diso izy, na marina izy, fa misy "cohérence" amin'ny teoria hafa sy ny zava-misy hita sy tsapa (experience) fotsiny, dia raisina araka izay. Ny teoria malaza izao, dia ny an'i Darwin momba ny evolution, sy ny an'i Einstein momba ny relativité sy ny quanta. Tsy misy azo lazaina fa marina absolu
- ny fiavian'ny zavatra rehetra: novalian-dry zalahy vao tamin'ny herinandro hono hoe ny atody no alohan'ny akoho http://fr.news.yahoo.com/26052006/202/un-britannique-a-resolu-l-enigme-l-oeuf-a-precede.html :). Ary ny talohan'izay? ... talohan'ny talohan' ... izay? Nisy fiandohana ve sa dia ny tenin'i Lavoisier foana hatramin'izay mandrakizay tany aloha be tany izay? Vao mahakasika infini ny resaka dia voafetra ny siansa (infini dans le temps, dans l'espace, infiniment grand, infiniment petit, sns ...). Raha mbola te hieritreritra ankoatra an'izay, dia finoana sisa, raha te!!

Misy mpivavaka ohatry ny tany mahantra ve nefa inona no nataon'Andriamanitra mbola tsy nanavotra azy ireny ihany hatr@zao sa Andriamanitry ny mpanakarena no misy

Misy redirediko izay hoe "Tsy lojika Andriamanitra?" http://lapino.blaogy.com/post/7/613 :)
45. felampaiso ( 31/05/2006 06:47)
Ralay, hono ho'aho, mba te-hanontany anao aho = NY JAMBA VE IZANY HITENY HOE : " Izaho tsy mino ny fisian'ny masoandro SATRIA TSY HITAKO ?"........
.....NEFA izy mahatsiaro hoe misy hafanana ny hain'andro ??
Ny zavaboary noforonin'Andriamanitra tsy mampiaky volana anao ve, ohatra ny atome faran'izay kely indrindra, na ny galaxie tsy voafetry ny mason'olombelona ? Nisy Andriamanitra namorona ireny fa tsy kisendrasendra fotsiny no nisiany, Izaho aloha resy lahatra miaraka @ ireo namana be dia be fa MISY ANDRIAMANITRA, resaka Finoana moa io fa tsy hifanomezan-tsiny !
46. Ralay ( 31/05/2006 07:28)
felampaiso:Ka ny masoandro anie hita ny asany fa Andriamanitra tsy hita zay ataony fa mandrebireby saimbahoaka fotsiny e. Inona no porofo fa Andriamanitra no namorona ny atome sy ny zavaboahary.
Manaja ny eritreritrao zah ary tsy mandresy lahatra anao tsy hino fa izay no atao hoe finoana fa zah aloha tsy mino e :-D.Zah miantehitra amiko ihany fa tsy miantehitra amin'Andriamanitra fa hiandry an'i paoly eo raha izay no andrasana :-D hay moa efa tsy paoly intsony zao no andrasana fa i Benoit =))
47. little ( 31/05/2006 07:39)
marina zany ry Ralay! ny azonay atao fotsiny dia Lay Tsitoha anie hitahy anao sy hitsinjo ny fiainana na dia tsy mino aza ianao. aza ariana ny mpanota hoy Izy fa aza tiavina kosa ny ota. Mivavaka ho anao zahay ry Ralay.
48. mandrindra ( 31/05/2006 07:40)
mitovy hevitra amin'i ralay : miankina amin'ny tena irery ihany amin'izay zavatra rehetra atao fa tsy miankina amin' andriamanitra
49. Fiffi ( 31/05/2006 08:08)
Andriamanitra
Ralay: maninona kay rehefa manoratra hoe Andriamanitra ianao no hataonao majiskill ?
Ka ny masoandro anie hita ny asany fa Andriamanitra tsy hita zay ataony fa mandrebireby saimbahoaka fotsiny e.
Fa inona ny zavatra nataon'Andriamanitra anao no nolazainao fa mandrebireby saimbahoaka fotsiny Izy ? (Andriamanitro ô , mamelà azy fa tsy fantany izay lazainy)
Inona no porofo fa Andriamanitra no namorona ny atome sy ny zavaboahary.
Sambatra izay mino nefa tsy nahita.
Manaja ny eritreritrao zah ary tsy mandresy lahatra anao tsy hino fa izay no atao hoe finoana fa zah aloha tsy mino e
inona marina no hatao hoe finoana hoy ianao ?
Zah miantehitra amiko ihany fa tsy miantehitra amin'Andriamanitra
de inona anefa ny antony namoahanao ity dinika ity ? Fandrebirebena ny mpino an'Andriamanitra ve ? Efa fantatrao tsara mihintsy zany fa tsy hiantehetra amin'Andriamanitra ianao ka naninona no nametra ny fanontaniana ? Sa handrebirebena ny olona fotsiny ?[q
hiandry an'i paoly eo raha izay no andrasana hay moa efa tsy paoly intsony zao no andrasana fa i Benoit
Hay misy zavatra handrasanao an'i Benoit ve ?
50. Fiffi ( 31/05/2006 08:19)
little:
marina zany ry Ralay! ny azonay atao fotsiny dia Lay Tsitoha anie hitahy anao sy hitsinjo ny fiainana na dia tsy mino aza ianao. aza ariana ny mpanota hoy Izy fa aza tiavina kosa ny ota. Mivavaka ho anao zahay ry Ralay.
little: mitovy hevitra amianao aho ka indro koa aho hiaraka hivavaka aminao .
Tompo ô , mangatam-pamelana anao izahay nohon'ny disadisa hataonay amin'ny halalan'ny anaranao . Mifona amianao izahay , ary mamelà ny helokay tahakan'ny namelanay izay meloka taminay.
Fa anao ny Fanjakana , sy ny Hery , ary ny Voninahitra mandrakizay Amen.


51. khoto ( 31/05/2006 09:51)
Ralay a>tsotra d tsotra ny valiny: ny Pape t@ izy tany allemagne farany teo namangy ireo camps de concentration (auschwitz, dachau) ihany d'efa nametraka io fanontaniana io na atao koa angaha hoe ahiahy midika fa remise en cause : tsy finoana izany; hoe: "taiza tokoa àry andriamanitra t@ izany fotoana izany hoy izy?" Taiza andriamanitra t@ izany fotoana izany? nefa anie izy raha ny hypothèse dia eny rehetra eny e! sa tsy izany ? noho izany par l'absurde raha tsy tany izy dia tsy marina ny hypothèse fa eny rehetra izy! ary raha hoe tany izy , fa naninona no tsy nandray ny andraikiny? fa mbola ny miaramila indray no nanafaka ireo sisa tamingana?Tsy manankery izy izany nefa anie ka nahefa ny zavadrehetra izy e!Ary voalaza fa iray izy io nefa hatr@ izao tsy mbola misy famaritana iray neken'ny rehetra fa samy manana ny azy: silamo coran allah liandrà, katolika baiboly katolika Iaveh tsy mampaninona ny sarivongana, protestanta baiboly protestanta Jehovah mila miezaka mitady vola ny fiangonana sns e! ary ohatra i einstein raha nanontanian'ny mpanao gazety izy tany états unis hoe "mino an'andriamanitra ve ianao?" dia namaly izy hoe:" farito amiko hoe iza ilay andriamanitra anontanianao amiko vao afaka mamaly aho!" noho izany raha sady tsy iray no iray izy dia tsy misy izany ny intersection 'ireo!
Andriamanitra dia histôrika ary noforonin'ny olona satria anisan'ny fitaovana politika mahomby io hi dominer na ny fiarahamonina (ary misy systèmes goavana be erantany miaro io fa tandremo @ izao an! satria mahomby!) !hita hatr@ taloha elabe io fitrandrahana io atao hoe finoana (naiveté sy sentiment: manaova toy ny zaza!aza mandinika) io na arabarotra koa aza!indrindra @ izao fotoana izao!sady ny olombelona raha tsy misy zavatra atahorana dia tena zava doza satria mahavita zavatra tsy vitan'ny biby mahery indrindra @ heriny noho ny intelligence ny! dia tsy maintsy ampinoana fisian'y hery tsy azo hioarana izy mba hampisy moral azy! kanefa vao miha mampadala ny olona io! satria misy andriamanitra liandra koa anie e: allah ohatra jereo any iraq isan'ora!
andriamanitra tsy misy fa izao fotsiny handeha hiara miaina @ filaminana (harmonie) isika ary hitsinjo ny hoavin'ny taranaka fa efa lasa ny andron'ny tantara sn fahagaga ara-tantara fa jereo ny réalité.
Tsy hoe tsy misy saina akory ny athée fa nandinika ireo!Fa raha ankinina @ hoe fa iza no namorona ny tany sns no hilazana fa misy izao s izao dia mbola hoavy ny valin'io fanontaniana io raha tsy potehin'ny extremisme n'ny fahabadoana ny fikarohana!Ianao io dia andriamanitra satria mahavita ny tsara tsy vitan'ny sasany ianao!Avalony ny tantara fa ampianaro ny zaza!
Ny fahatsoram-piainana akory tsy ny réligieux (tsy silamo na kristianina ihany io) ihany no afaka manan io fa rehefa mandinika tsara, misaina dia afaka mitondra tena tsara koa!
Raha ny hasard koa dia zavatra misy eo @ fiainana izany fa tsy hoe noho izao sy izao io: sentiment sy hakosehana izany! ary tsy responsable ny olona sendra trangan-javatra iray dia hoe sitrapon'andriamanitra izao sy izao io! fa naninona no tsy sitrapon'i jodasy na i belzeboba na ny anjely gabriely?toetra mpanome tsiny io!Tsy mojoro!
Aoka hitraka isika fa io ihany no nambabon'ny vahiny ny tanintsika izay voafehy ara-pôlitika tsy mba mahaleo tena mandrank'ankehitriny!Raha te hitsapa ianao hoe mahery ve izy dia mba manova fotsiny essai tsotra ohatra hoe"raha misy ka mahery ianao andriamanitra dia mba ataovy izao soa izao na ratsy izao" , ary tsy misy intervention nao mihitsy fa hitanao eo e!Izay Ralay aloha a!
52. cutie ( 31/05/2006 10:13)
Mpandefa : little [ Valio ] 31-05-2006 12:39:22
Lohateny : Re : Misy ve Andriamanitra
marina zany ry Ralay! ny azonay atao fotsiny dia Lay Tsitoha anie hitahy anao sy hitsinjo ny fiainana na dia tsy mino aza ianao. aza ariana ny mpanota hoy Izy fa aza tiavina kosa ny ota. Mivavaka ho anao zahay ry Ralay.

raha azoko tsra zany de mpanota ze tsy mino ny fisian;'Atra a hummmmmmmmmm mahagaga:roll::roll::roll:
53. prime ( 31/05/2006 10:24)
O leiretsy a! na ny isan'ny andro iainantsika aza tsy isika no tompony... Ny fahasalamana omeny antsika isan'andro mbola Izy no miahy...
Izaho mahita hoe hafa ny fiainana miaraka amin'Andriamanitra. Hafa izany hoe miaina ny fiadànan'Andriamanitra... "Andramo dia izahao fa tsara Jehovah..."
Raha tsy hohaninao ilay voasary tsy fantatrao ny tsirony, ka raha hazavaina @ saina be fotsiny izao tsy ho azonao mihitsy... Andramo aloha, voasy, hano... @ izay fotoana izay raha mangidy dia aloavy, fa raha mamy kosa dia lanio fa mbola mety hitady ianao hoe ampio indray...
54. diamondra27 ( 31/05/2006 10:25)
Ralay: Andriamanitr'iza aloha no anontanianao e!
Andriamanitry ny Kristiana sa Andriamanitry ny silamo
sa Andriamanitry ny tsy mpino sa Andriamanitra iza.

Manaraka izany: ianao nilaza fa mino sa miaiky ny fiasian'ny masoandro asatanan'Andriamanitra=======>dia misy Izy izany sa ahoana?
55. cutie ( 31/05/2006 10:36)
diams, nga tsy ray ihany Atra???:roll::roll:
56. lapino ( 31/05/2006 10:38)
diamondra27:
... sa Andriamanitry ny tsy mpino ...

Manana Andriamanitra izany ny tsy mpino, dia ilay Andriamanitra tsy inoany? :-D:-D:-D
57. cutie ( 31/05/2006 10:42)
[quote]Mpandefa : lapino [ Valio ] 31-05-2006 11:46:51
Lohateny : Re : Misy ve Andriamanitra
Hoy i cutie:
za zao mahalala oul bdb tsy mino, de in zao ny pble @ zany

Amiko aloha tsy misy pble izany ka! Raha ohatra misy olona tsy nahafantatra ny momba an'Andriamanitra, dia izay no pble.
tsy azoko we manin no pble:roll::roll::roll:
58. little ( 31/05/2006 10:45)
Khoto> Raha ny hasard koa dia zavatra misy eo @ fiainana izany fa tsy hoe noho izao sy izao io: sentiment sy hakosehana izany! ary tsy responsable ny olona sendra trangan-javatra iray dia hoe sitrapon'andriamanitra izao sy izao io! fa naninona no tsy sitrapon'i jodasy na i belzeboba na ny anjely gabriely?toetra mpanome tsiny io!Tsy mojoro!

Non kosa, ny hasard dia tsy misy ary na ny manampahaizana mahay proba indrindra aza no nilaza izany. ka aza ahilika amin'ny hasard ny zavatra tsy voafehy fa ny zavatra rehetra dia efa mandeha @ lalana tokony halehany fa tsy misy fruit du hasard zany eto an-tany.Misy nandrindra ny zavatra rehetra fa zay hiantsonao ho anarany tsy haiko.
ary raha logikan'olombelona no hamaritanao an'Andriamanitra dia ho very ianao. Tsy resaka maths akory na physique izy ity ka hoe miresaka pesanteur ah na intersection de io fa hita ny valin'ilay exponentiel. Fa izao mandinihy tena, miverena anie na miezaha miverina @ etat de conception primitive na originelle( manana an'io daholo ny olona tsirairay)fa na dia ianao io ihany aza de ho conscient fa misy ary tena misy hery mampifandray anao sy ilay nahary ary ao ianao no manovo io hery entinao mijoro sy miaina isan'andro io.
Cutie, tsy hoe mpanota izay tsy mino fa fomba firesaka fotsiny io.
59. cutie ( 31/05/2006 10:50)
Cutie, tsy hoe mpanota izay tsy mino fa fomba firesaka fotsiny io.

fa manin aza no atao fomba firesaka :roll::roll:
60. LouAnne ( 31/05/2006 10:56)
misy Andriamanitra kâ , zay fotsiny. jereo ny lanitra de m'jery anao Andriamanitra de mamaly anao izy hoe misy zâ fa minoa fotsiny de m'vavaka enao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759