Misy ve Andriamanitra

1. Ralay ( 30/05/2006 05:42)
Misy marina ve Andriamanitra fa amiko aloha dia tsy misy izy satria tsy mbola nisy nahita azy sady mbola tsy nisy ireo maty nilaza fa tsara na ratsy any andanitra any ohatra ihany ireo fa misokatra ny adihevitra.^:^
répondu par ranjafirmin le 16/04/2016 17:33
2. Fiffi ( 30/05/2006 05:56)

Hoy Jesoa :" Sambatra izay mino nefa tsy nahita "

-Marina fa mbola tsy nisy nahita azy , nefa kosa , ao aloha i Jesoa zanaka lahy tokan'Andriamanitra izay volaza anaty Baiboly .

Misy tantara iray ity: nisy olona izay , tena nino an'Andriamanitra , mpivavaka , mpandray anjara mavitrika tao am-piangonana . Indrisy nodimandry ny reniny . Nanomboka t@ io dia napetrany ny fanontaniana hoe "Misy marina ve Andriamanitra" ?
-Nahoana hoy izy zah mavitrika teo @ fivavahana sy ny finoana sy ny fanetre-tena ho an'ny fiangonana no tian'Andriamanitra ve ny fijaliako tahak'izao satria nantsohin'Andriamanitra hody any aminy ny reniko ?
-Taty aoriana anefa dia nangataka famelana an'Andriamanitra izy nohon'ny maha-olombelona azy "homme de peu de foi" de zao lasa mpivavaka mavitrika be zao indray.
3. Fiffi ( 30/05/2006 06:02)

"Sambatra izay mino nefa tsy nahita"

-Mila porofona ve zay vao hino fa tena misy tokoa Andriamanitra ? Porofo mivaingana ankoatran'ny Baiboly ?
(hoy izay ankizy zay tamiko: "il suffit d'y croire")
4. Fiffi ( 30/05/2006 06:06)

Ny kristiana dia mino an’Andriamanitra Izay niteny tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy, sy nanambara ny tenany tamin’ny alalan’ny Soratra Masina voarakitra ao amin’ny Baiboly.

Efa nisy hatrizay hatrizay talohan’ny fahariana izao tontolo izao Andriamanitra. Izao zavatra hary rehetra izao no misy dia nohon’ny asan’ny tanany( Gen 1:1 ; Jaona 1:1).
5. mandrindra ( 30/05/2006 06:25)
fifi, ny kristiana dia mino an'i kristy sy mivavaka amin'i kritsy satria i krity no andriamanitra ho azy fa tsy ilay tsy misy mahalala
6. Achia ( 30/05/2006 06:45)
hihi oadray o Ralay a tsy homeko tsiny ihany ianao manontany izany fa toejavatra mety mitranga izany hatramin'ny ela ; zao ary za de milaza fa misy Andriamanitra , nahoana ? satria misy ny devoly izay adverserany , omeko ohatra ianao @ le devoly ? ito mba jereo ne reny mpanao magie ireny e fa reny de devoly no ao ambadik'ireny , ra hoy ianao hoe fahakingan'ilay ol manao azy ireny de mba diniho kely anoe oe zavatra tsy misy aina ohatra lamba , taratasy ataon'le mpanao magie lasa voromailala de ahoana hoy ianao
7. Ralay ( 30/05/2006 07:30)
Fiffi: Nahoana no ho voatery hino nefa tsy mahita,ary marina koa ve ny voalazan'ny baiboly?Toa samy mandika izay baiboliny avy ny finoana rehetra, katolika, protestanta, silamo,advantista, sns....

Achia:Inona no atao hoe devoly? Izay ratsy na izay tsy takatry ny saina rehetra ve dia asan'ny devoly? Ianao izany toa naïve be fa na ny magie aza lazainao fa devoly ny ao ambadik'ireny :-D :-D.
Tsy misakana ny finoan'ny tsirairay aho fa tokony hiaina @ réalité isika :P:D
8. lapino ( 30/05/2006 07:36)
Ralay:
Misy marina ve Andriamanitra fa amiko aloha dia tsy misy izy satria tsy mbola nisy nahita azy sady mbola tsy nisy ireo maty nilaza fa tsara na ratsy any andanitra any

Raha ireo antony ireo aloha tsy ampy hilazana fa tsy misy Andriamanitra e. Ny itenenako an'izany manko:
- tsy mbola hitan'ny olombelona daholo ny zavatra misy rehetra, fa mbola mikaroka foana ny mpikaroka; kanefa tsy izay tsy hita akory dia tsy misy
- amin'ny fomba ahoana moa no hilazan'ireo maty izay hitany any, kanefa izy aza efa maty? :roll:
9. Fiffi ( 30/05/2006 07:39)
mandrindra:
fifi, ny kristiana dia mino an'i kristy sy mivavaka amin'i kritsy satria i krity no andriamanitra ho azy fa tsy ilay tsy misy mahalala
mandrindra: ka amiko aloha an ! raha mino an'i Kristy de mino an'Andriamanitra zany satria hoy koh ny fivavahana hoe " Izao mino an'Andriamanitra , Ray Tsitoha , Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Ary an'i Jesoa Kristy Zanani-lahy Tokana Tompontsika.. Kristy zanaka lahi-tokan'Andriamanitra.


10. lapino ( 30/05/2006 07:45)
Ralay, tsy voatery hino ka! Fa "Sambatra izay mino" :)

Momba an'ireo karazam-boky bediabe indray, dia tonga amin'ny hoe: "Fantaro ny zavatra rehetra, ary tano mafy izay tsara". Dia manana fahalalana ny tsara sy ny ratsy isika ho amin'izay, satria efa nihinana an'ilay hazo mahatonga an'izay izy mitsam razambe :(
11. Achia ( 30/05/2006 07:46)
ka mino ny fisian'le devoly ve enao klo e?
12. booboo ( 30/05/2006 08:18)
Misy ve Andriamanitra ? ié misy izy amiko satria zay ny fandresen-dahatro avy @ raha niainako, hitako, reko ary tsapako.
13. hery ( 30/05/2006 08:20)
Rehefa hoy Ralay hoe tsy misy dia tsy misy izany koa. Inona moa no tombontsoako amin'ny handreseko lahatra an-dRalay hoe misy indray Andriamanitra? :-) Efa izay no maha-resy lahatra an-dRalay dia izay izay tazomina tsara. Tsy maty antoka amin'izany aho... sady tsy hahazo tombony rahateo raha miteny i Ralay hoe Misy Andriamanitra.

Raha mankany ambanivohitra aho... dia miteny i Dadatoa Tomà hoe "Tsy misy an'izany Italia lazain'lah izany leitia a"... zah ve mbola hidrikina aminy hoe "Tena misy izany fa zah mahafantatra..." Avelako izy hiteny hoe tsy misy... fa Italia anefa tena misy :-)

14. tsanga ( 30/05/2006 08:36)
Rehefa tsy mino ralay de tazony fa raha hiady hevitra eto isika de na ho 7andro sy 7alina aza tsy haharesy lahatra ianao de ianao koa tsy resy lahatra
15. Ralay ( 30/05/2006 08:39)
Ka ady hevitra milaza izay fahitany azy io lesy hery fa tsy hoe handresy lahatra akory. Marina ny voalazanlà hoe tsy misy tombotsoa ny handresena lahatra olona mino na tsy mino zavatra iray.
Moralité lazao izay hevitrareo momba an'io fa aza miezaka handresy lahatra izay tsy mino na izay mino.:D Mitohy ihany ny dinika :lol:
16. dadabe ( 30/05/2006 08:40)
Ralay : tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitra fa kosa ny voninahiny dia efa nisy nahita :
1-)Ezekiela toko -I and 3-
3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.

4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.

5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.

6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.

7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.

8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.

9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.

10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.

11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.

12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.

13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.

14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.

15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.

16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.

17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
dia i Jaona ihany koa ( na santa Jaona , na masindahy Joany ) dia efa nahita io voninahitr'Andriamanitra io

2-apokalypsy toko faha 4 and 1-

1- Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.

2 Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.

3 Ary ny tarehin'Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.

4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.

5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.

6 Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-mana-aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

7 Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan-aina fahatelo dia nanana tava tahaka ny tavan'olona ary, ny zava-manan-aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

8 Ary ny zava-manan-aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman-alina izy manao hoe: Masina, masina , masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.

9 Ary raha ny zava-mana-aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,

i mosesy na moizy dia tsy sahy nijery ny tavan'Andriamanitra
17. dadabe ( 30/05/2006 08:41)

asa nanao ahoana izany fa dia izay aloha no voasoratra e, sambatra izay tsy nahita nefa hino (Ralay io ):D
18. lapino ( 30/05/2006 08:43)
Ny mahatonga an'ilay fandresen-dahatra ange dia noho ilay hoe: "Mandehana, ataovy mpianatra ny firenena rehetra"
19. little ( 30/05/2006 09:24)
sali!
Misy ve Andriamanitra? sarotra tokoa ny mamaly an'zany an saingy mba avadio indray le fanontaniana hoe: tsy misy ve andriamanitra de inn aza no dikan'zao rehetra izao? sa voankazon'ny tsy nahy isika rehetra? asa!
ultime convictiion sisa no mitondra an'io.
fa hoy ilay mpandinika iray zay hoe qu'est ce que je peux perdre en croyant a l'existence de Dieu? si il existe alors tant mieux sinon qu'est ce que je perd vraiment? alors je crois et vous aussi croyez, seule l'histoire jugera.
20. miranto ( 30/05/2006 09:29)
Tena misy Andriamanitra , na de tsy hita maso aza,
hoany olona mino azy de mahatsampa isanandro ny fisiany, ary tsy mety raha tsy mifandray @ matetika fa mahatsiaro azy foana @ zavatra atao rehetra,
fa hoany tsy mino de tsy misy Andriamanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0486