Misy ve Andriamanitra
21. pika
(
30/05/2006 11:07)
raha atao hoe tsy mino ny fisian'Atra daholo re ny olombelona eto an-tany e dia inona no mitranga?????
tsy samy hanao izay danin'ny kibony tsy ao intsony ilay fanahy maha olona
ny olona efa zatra miaraka aminy dia banga sy tsy misy mandeha @ laoniny izay atao rehetra raha tsy misy azy ary afaka mahatsapa fa misy izy na io rivotra ahafahanao mihaina avy aiza? moa ve voazava ara-tsianisa avokoa ny zavatra rehetra?

22. Fiffi
(
30/05/2006 11:33)
Aminareo : iza no namorona izao tontolo izao ?
-sa ve tonga ho azy teo fotsiny ?
-iza no nanome aina antsika ?
Ny zavatra rehetra dia tsy tongatonga ho azy fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra Ray (Asa 17:25 ; Jer 5:24 ; Asa 14:17 ; Ohab 22:2). Andriamanitra dia nahary ny olona ho tsara sy araka ny endriny, izany hoe ho olona tena marina sy masina mba hahazoany avy amin’Andriamanitra Mpahary azy ny fahalalana mahitsy ka hahatonga azy ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo sy ho velona ao Aminy amin’ny fahasambarana tanteraka ka hankasitraka sy hanome voninahitra Azy( Gen 1:26,27,31 ; II Kor 3:18 ; Kol 3:9-10 ; Efes 4:23-24).
Raha miantso an’Andriamanitra ho Ray sy Tsitoha isika, dia miantso Ilay Mpahary ny zavatra rehetra Izay mitondra sy mampaharitra ary manavao azy isan’andro. Ao Aminy no ametrahana ny fitokisana, sy ahazoana antoka fa Izy no manome ny zavatra ilain’ny tenantsika sy ny fanahitsika sady manova ho tsara ny ratsy izay navelany hiatra amintsika. Azon’Andriamanitra atao izany satria Izy no Andriamanitra Tsitoha. Tiany ny hahatanteraka izany satria koa Izy no Andriamanitra Ray mahatoky.
Afaka miantso an’Andriamanitra hoe RAY TSITOHA isika kristiana noho ny fitiavany ao amin’I Jesoa Kristy, Izay nananganany ny rehetra mino Azy, ho zanaka miara-mandova ny fanjakany mandrakizay.
24. Fiffi
(
30/05/2006 11:40)
Ralay:Ka @ nao ry Ralay inona no hatao hoe réalité ? Moa ve misy io réalité io raha tsy misy Andriamanitra ? (il suffit d'y croire hoy izay ankizy zay)
Tsy misakana ny finoan'ny tsirairay aho fa tokony hiaina @ réalité isika :P:D
25. marozevo
(
30/05/2006 12:02)
Ralay ah ! fanontaniana tokony hapetraka tokoa angamba ny anao ka apetraka. Tsy valiteny boribory akory ny ahy raha milaza hoe "Tena misy Andriamanitra". Amiko tsy mila porofoina ny fisiany satria zavatra tsapa isan'andro.
Mila mandini-tena kely fotsiny dia ho tsapa fa misy izy.
Mila mandini-tena kely fotsiny dia ho tsapa fa misy izy.
26. Fiffi
(
30/05/2006 13:34)
-Fa iza no namorona an'izao tontolo izao ?
-Na mihaina @ réalité aza , raha tsy nisy Andriamanitra , nisy ve io réalité io ?
-Raha tsy nisy Andriamanitra nanome fahendrena antsika olombelona , mba inona re no nihafaran'izao tontonlo izao eh ?
-Raha velon'aina isika , iza no nanome aina antsika ?
"Sambatra izay mino nefa tsy nahita"
-Zah aloha tsy mila porofo na de kely aza an! mizotra hatrany aho , ary isan'andro dia tsy sasatrin'ny mangataka an'Andriamanitra mba hanampy ahy @ finoako ary hazoto lalandava hanaraka ny tenin'Andriamanitra ary Hidera Azy mandrakizay.
27. naritsimba
(
30/05/2006 13:42)
ralay> ise ve dia tena tsy mino fa misy Andriamanitra?
ny zavatra izay hita dia na ny mpanompo sampy aza dia mino ny fisian'Andriamanitra foana.
"Aza ny lohasaha mangina no jkerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha"
Andrimanitra dia Ray, fa jesoa Kristy no tsy inoan'izay tsy mino azy fa zanak'andriamanitra.
izay no azoko ambara

28. mandrindra
(
30/05/2006 14:00)
hoy i fiffi :
izaho aloha tsy mahalala, fa raha mahafantatra ianao ka manana porofo dia mba ento eto iaraha-mizara.
dia mba lazao koa hoe inona no tanjony namoronany an'izao tontolo izao.
toa mbola miaina ao anty korontana, fahasahirnana ary fahantrana ny tontolo. ka aiza ilay fahendrena nomen'ilay andriamanitra, sa olona voafidy ihany no omena an'izany ?
ny ahy aloha dia ny raiko sy reniko no nanome aina ahy, ary ny dokotera no mitsabo ahy rehefa tsy salama aho
-Fa iza no namorona an'izao tontolo izao ?
izaho aloha tsy mahalala, fa raha mahafantatra ianao ka manana porofo dia mba ento eto iaraha-mizara.
dia mba lazao koa hoe inona no tanjony namoronany an'izao tontolo izao.
-Raha tsy nisy Andriamanitra nanome fahendrena antsika olombelona , mba inona re no nihafaran'izao tontonlo izao eh ?
toa mbola miaina ao anty korontana, fahasahirnana ary fahantrana ny tontolo. ka aiza ilay fahendrena nomen'ilay andriamanitra, sa olona voafidy ihany no omena an'izany ?
-Raha velon'aina isika , iza no nanome aina antsika ?
ny ahy aloha dia ny raiko sy reniko no nanome aina ahy, ary ny dokotera no mitsabo ahy rehefa tsy salama aho
29. Fiffi
(
30/05/2006 14:18)
izaho aloha tsy mahalala, fa raha mahafantatra ianao ka manana porofo dia mba ento eto iaraha-mizara.Ny porofo hananako ? tsotra hiany ny valiny: Ny finoako an'Andriamanitra. Raha mino an'Andriamanitra ary raha Kristianina dia tsy mila mitady sy mitaky porofo zany . Fa ny ahy fotsiny , ny zavatra fantatro dia tsotra hiany "Sambatra izay mino nefa tsy nahita" Io ilay finoako .
dia mba lazao koa hoe inona no tanjony namoronany an'izao tontolo izao.
30. cutie
(
30/05/2006 20:06)
Mpandefa : Ralay [ Valio ] 30-05-2006 10:42:17
Lohateny : Misy ve Andriamanitra
Misy marina ve Andriamanitra fa amiko aloha dia tsy misy izy satria tsy mbola nisy nahita azy sady mbola tsy nisy ireo maty nilaza fa tsara na ratsy any andanitra any ohatra ihany ireo fa misokatra ny adihevitra.
EFa niserana tato an-tsaiko ihany io fa io moa de arakaraky ny finoana oul tsirairay.
Za alou mino fa misy izy e.
Fa za tsy mino an'reny mpilaza ho kristiana reny we misy fiainana any an-danitra sy ny tariny, samy tsy misy mahalala ze ho avy any aorina any.
31. Fiffi
(
30/05/2006 20:24)
IZAHO mino an'Andriamanitra , Ray Tsitoha
Mpanao ny lanitra sy ny tany
Ary an'i Jesoa Kristy Zanany lahy Tokana Tompontsika
Izay notorontoriana tamin'ny herin'ny Fanahy masina
Naterak'i Maria Virjina
Nijaly tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato
Nihombona tamin'ny hazo fijaliana , di maty ka nalevina.
Nidina tany amin'ny fiaian-tsy-hita
Ary tamin'ny andro fahatelo dia nitsangana tamin'ny maty
Dia niakatra any an-danitra
Ary nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray Tsitoha
Ary avy any no hihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina
Ny Eklesia Masina Katolika
Ny fiombonan'ny Santa , ny famelan-keloka
Ny Fitsanganan'ny tena amin'ny maty
Ary ny Fiainana mandrakizay Amen
33. cutie
(
30/05/2006 21:39)
[quote]Mpandefa : pika [ Valio ] 30-05-2006 16:07:37
Lohateny : Re : Misy ve Andriamanitra
raha atao hoe tsy mino ny fisian'Atra daholo re ny olombelona eto an-tany e dia inona no mitranga?????
tsy samy hanao izay danin'ny kibony tsy ao intsony ilay fanahy maha olona
hainao daholo nga ny ny inoan'ny olombeloan eto ambonin'ny tany :roll:

34. Zina
(
30/05/2006 23:06)
jerevo fotsiny ny manondidina anao ry Ralay... ny masoandro miposaka non stop ho anao isan'andro, hisy olona hanome anao an;izany? jereo ireo vonikazo sy ny zava maniry rehetra? Iza no namorona an;ireo?
35. LazaRandri
(
31/05/2006 00:04)
Misy ve Andriamanitra
Hery> tokony asiana dinika mitovy karazana amin'ny "Discovery Group" angamba eto amin'ito dinika ito anaovana "outreach" ho an'ny tsy mino?
36. Herimiafina
(
31/05/2006 00:14)
Mora dia mora ny tsy mino kah! Tsy ilana porofo.
Fa sarotra kosa ny mino.
Fa sarotra kosa ny mino.
38. Ralay
(
31/05/2006 05:15)
Efa mitombo isa mintsy izy zao ry cutie fa toa bla bla fotsiny daholo mantsy no betsaka @reo baiboly reo :lol: Lavage de cerveau depuis la naissance-tsika hoe misy Andriamanitra dia tsy afaka intsony ao antsaina fa dia mino hatrany.
Zina: Scientifique daholo no mahatonga an'ireny masoandro sy zavamaniry ireny amiko fa tsy nilatsaka avy any andanitra akory.
Misy mpivavaka ohatry ny tany mahantra ve nefa inona no nataon'Andriamanitra mbola tsy nanavotra azy ireny ihany hatr@zao sa Andriamanitry ny mpanakarena no misy :lol:

39. majinikakely
(
31/05/2006 05:29)
Misy Andriamanitra ary za mino an izay fa mampimé anah fotsiny ilay resaka hoe raha tsy nisy zany andriamanitra na hoe tsisy nino an izay ny olona teto antany v tsy d nanao izay danini kibony avkoa:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
zany an
d tsy haiko nefa za te hamaaly hoe sao d tsy zay
fa Andrimanitra d misy letsy ralay akama bonina amin ny tanana ah fa elahy maazo tsy mino ny fisiany !
aiza ary i le fijo kle hihihih !
zany an
d tsy haiko nefa za te hamaaly hoe sao d tsy zay
fa Andrimanitra d misy letsy ralay akama bonina amin ny tanana ah fa elahy maazo tsy mino ny fisiany !
aiza ary i le fijo kle hihihih !
40. diamondra27
(
31/05/2006 05:35)
ary mino ve ralay fa misy ny devoly?
ny devoly manko dia fahavalon'Andriamanitra
koa raha mino ianao fa misy ny devoly na ny asan'ny devoly dia misy izany Andriamanitra
ny devoly manko dia fahavalon'Andriamanitra
koa raha mino ianao fa misy ny devoly na ny asan'ny devoly dia misy izany Andriamanitra