Fanetrentena.

81. jimna ( 17/05/2006 11:25)
ilaina mihitsy ny fanetretena @ rehetra e!!!!
82. vale ( 17/05/2006 18:34)
jimna: marina mihintsy zany kah!:-*
83. Fiffi ( 17/05/2006 19:30)
Fanetrentena: raha tsy misy ny fanetretena , tsy aiko raha hisy fiainana aneha @ lahony ?
84. cutie ( 17/05/2006 19:58)
Mpandefa : vale [ Valio ] 16-05-2006 20:45:54
Lohateny : Re : Fanetrentena.
Hoy i xxx:

azon-jy ve
cutie

xxx=cutie eto ve sa????
ndry indray zany zao no tsy mahazo resaka raha ny fahitàko an'azy!hihi

fa misy cutie hafa nga?:roll:
85. Fiffi ( 18/05/2006 18:22)
marozevo:
Ahoana moa ny tsy halahelo... namana ve tsy halahelovana.
Ary izao aza izy mbola tsy tonga ihany.
Marina ny anao ry marozevo , saingy miala tsiny raha tsy nandalo satria tsy eto hiany manko no mba hanaovana fenetretena , nefa na izany aza , indro fa tafaverina eh!


86. tisera ( 18/05/2006 18:30)
Miombon-kevitra @ rehetra aho indrindra ilay nolazain'i fiffi oe rà tsis fanetren-tena tsy misy fiainana handeha @ laoniny ; fa indraindray io aloha tena mila finiavana é! Ho ahy manokana izao eo @ sehatry ny asa dia tsy haiko ny mametraka ny fetran'ny fanetren-tena satria indraindray aho dia lazain-dramose fa diso manaiky lembenana loatra hono @ fanetren-tena dia araraotin'ny mpampiasa ; ny ahy aloha dia ny tenin'Atra manao hoe :" Ampy ho anao ny fahasoavako" no ataoko ao an-tsaiko mandrakariva sy ny hoe " mahay ny zavatra rehetra aho ao @ Ilay mpampahery ahy" . Koa ny Tompo ihany amiko no ttena manampy antsika hahay hanetry tena sy hanadino ny ambom-po diso tafahoatra. :idea:
87. Fiffi ( 18/05/2006 19:28)
de samia mazoto amin'ny fanetren-tena daholo zany.
88. marozevo ( 18/05/2006 21:56)
Nisy olon-droalahy nankao an-tempoly, ny iray Farisianina ny iray Poblikana.

Misaotra Anao aho ry Tompo, fa tsy mba nataonao tahaka itsy Poblikana itsy...

Andriamanitra oh ! mamindra fo amiko fa mpanota aho...

Nony nidina (nody) izy ireo, dia ilay faharoa no efa nohenoin'Andriamanitra.

Entre-parenthèse : Salut Fiffi . Tonga soa !
89. Fiffi ( 19/05/2006 04:42)
marozevo:
Andriamanitra oh ! mamindra fo amiko fa mpanota aho...
Andriamanitra oh ! mamindra fo amiko fa mpanota aho ary mamelà ny heloko.


90. marozevo ( 21/05/2006 08:47)
Marina izany Fiffi, saingy ny ahy ange io ao amin'ny baiboly fa tsy ianao no lazaiko amin'izany eh....
91. Fiffi ( 21/05/2006 12:32)
marozevo: ka zah koa anie mba nanohy eh! mba nangataka famelana koh zah koh!
92. marozevo ( 22/05/2006 20:35)
Eny ho'aho eh ! Aza manahy fa avelany eh !... Za koa mba mino fa havelany ny heloko.
93. Fiffi ( 27/05/2006 08:26)
hilàna finiavana ny fanetretena , tena marina io , inona moa ny antony tsy hahavitana io fanetretena io ?
94. prime ( 02/06/2006 08:01)
Fiffi> ny avonavona sy ny fanandratan-tena ary ny fanamarinan-tena, "aza mihevitra mihoatra noho izay tokony heverina..." hoy ny soratra masina... no tsy hahavitàna an'io fanetren-tena io...
Sarotra koa nefa io satria any am-po fa tsy ny ety ivelany ; satria mety misy koa ny mihatsaravelatsiny mody manetry tena nefa any am-po te hahazo dera hoe hendry, na mpivavaka, na olo-marina... :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084