Fanetrentena.

1. Herimiafina ( 03/05/2006 21:01)
Hitako hoe endriky ny tsy fahaizana manetry tena ny tsy fahaizana mionona amin'izay takatry ny tena sy ny lainga, ka manalavitra ny zanak'olombelona amin'ny fiadanana.

Ohatra:
-Mahantra tsy mety miaiky ho mahantra ary mandà fanampiana, mandainga fa manana harena miafina, sns.
-Olona lany andro manakatra ny farimpiainan'ny hafa ary tsy mety mionona amin'izay hananany ao antrano ary amndatsa ny vadiny ho tsy aninontsy aninona ary tsy alehany. :@
novalian'i prime ny 02/06/2006 08:01
2. marozevo ( 03/05/2006 22:13)
Sarotra idirana ilay loha hevitra... Nefa interessant mihitsy raha voazava misimisy kokoa.
3. cutie ( 03/05/2006 22:36)
fanentrentena nga midika we mionona ?
4. dadabe ( 04/05/2006 01:38)
:roll::roll::roll:
5. Fiffi ( 04/05/2006 03:53)
tsara be ilay lohahevitra fa azo zaraina maromaro ny dikan-teny eto , ny hoe "Fanetrentena"
6. Fiffi ( 04/05/2006 04:03)
Isa. 57:15 Ao amin' ny fitoerana avo sy masina no onenako,

Sy hamelombelona ny fon' ny torotoro fo.
Ary ao amin' ny torotoro fo sy ny manetry tena,
Hamelombelona ny fanahin' ny manetry tena
7. Fiffi ( 04/05/2006 04:18)
Hitako hoe endriky ny tsy fahaizana manetry tena ny tsy fahaizana mionona
marina dia marina io satria hahazo voninahitra ny manetry tena iray zay.
Ny fanetren-tena dia tsy vitan'ny hoe ao an-kevitra hiany , ohatra manome ny heviny fotsiny fa hita kosa hoe tsara ilay hevitra fa ny tena fanetren-tena dia ny hanaovana azy en pratique.

(lazaiko tsikelikely ny hevitro fa sa lava loatra :))
8. diamondra27 ( 04/05/2006 04:23)
ny olona mandà fanampiana aloha amiko dia ny olona manakambo miseho mahavita tena

ny olona tsy mahay mionona @ izay ananany indray dia: be envie (didy folo= aza mitsiriritra)

ny olona mandatsa vady dia manana toetra tsy mendrika, misy problème satria izy no tokony hanana responsabilité fa tsy variana mandatsa ny vadiny. Tsy tafavoaka @ fiainanay izy de ilay vadiny sisa no hany azony analàny ny fony sy iantefany nyhatezerany

ny hoe: fanetrentena dia tsy haiko loatra na ao anatin'izany ireo na tsia

mila manao définition kely ny dikan'ny hoe inona no atao hoe: fanetrentena alohan'ny hamaliana an'io
9. Fiffi ( 04/05/2006 04:28)
Hitako hoe endriky ny tsy fahaizana manetry tena ny tsy fahaizana mionona amin'izay takatry ny tena sy ny lainga, ka manalavitra ny zanak'olombelona amin'ny fiadanana.
tsara angamba raha hanampianao fanazavana misimisy kokoa io ry Herimiafina an! satria raha ny fahazahoako azy eto dia hoe "ny Fanetrentena dia ny tsy fahaizana mionona"
10. Fiffi ( 04/05/2006 04:44)
ny olona mandà fanampiana aloha amiko dia ny olona manakambo miseho mahavita tena

ny olona tsy mahay mionona @ izay ananany indray dia: be envie (didy folo= aza mitsiriritra)

ny olona mandatsa vady dia manana toetra tsy mendrika, misy problème satria izy no tokony hanana responsabilité fa tsy variana mandatsa ny vadiny. Tsy tafavoaka @ fiainanay izy de ilay vadiny sisa no hany azony analàny ny fony sy iantefany nyhatezerany

ny hoe: fanetrentena dia tsy haiko loatra na ao anatin'izany ireo na tsia

mila manao définition kely ny dikan'ny hoe inona no atao hoe: fanetrentena alohan'ny hamaliana an'io
marina ny andry ry diamondra satria raha ny fahazahoako ny hevitrin'ny "Fanetrentena" aloha eto dia tsy ilay "Fanetrentena" azo lazaina hoe " Le vrai serviteur de Dieu" na hoe "Fanetrentena" @ fahazotoana na ny fanaovana en pratique izay zavatra tiana hatao fa tsy manao an-kevitra fotsiny.
11. diamondra27 ( 04/05/2006 04:47)
de tsy haiko akia fa aleo hiandry ny hevin'i HM a!ho hita eo izay andrasany @io?
12. Fiffi ( 04/05/2006 05:57)
fa na izany aza dia ny fandraisako ny "Fanetrentena."
dia:
-miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.
-manova tanteraka ny fisainana ary ny toe-panahy.
-mampitombo ny aim-panahin’ny Fiangonana sy ny isany (qualité et quantité).
-tsy vitan'ny hoe ao an-kevitra fotsiny fa pratikena ilay hevitra hatolotra

-Tsy hiandry sy hihonona izay omena fa mikaroka , mazoto ara-mpanahy hanampy , manome tsy voatery.
ka io no lazaiko hoe "hahazahoana voninahitra ny fanentren-tena na @ mpiara-monina fa indrindra avy amin'Andriamanitra.
13. Fiffi ( 04/05/2006 05:59)
mampitombo ny aim-panahin’ny Fiangonana sy ny isany (qualité et quantité).
tsy ny Fiangonana hiany fa izay hatao rehetra.
14. kally ( 04/05/2006 06:10)
Ny fanetren-tena tsy midika hoe manaiky lembenanna sy tsy mijoro @ maha-izy azy.Izaho aloha mandà ny fanampian'ny hafa raha hitako fa dony tapany handoa erany dia aleoko tsy ampiana, aleoko mijanona amin'izao.
15. Fiffi ( 04/05/2006 06:28)
Kally: ka mba azonao omena ve ny dikany arakin'ny hevitrao ?
16. miantra ( 04/05/2006 07:37)
Ny fanetren-tena amiko aloha dia ilay tsy fisehosehoana hoe raha tsy zah tsy..., izany hoe tsy tia sehoseho ary tsy mieboebo amin'ny zavatra vita na kasaina atao fa dia kalamina fotsiny eny.

Asa raha mitovy hevitra amiko ianareo fa sarotra aloha e!!!


17. sonwin ( 04/05/2006 08:20)
mitovy hevitra amin'ny miantra, fa fanampiny kely: fanetren-tena : tsy miseho milay sy tsy mirehareha fa hita taratra ho azy amin'ny asa soa sy tsara ataony.
18. ikalakintina ( 04/05/2006 08:26)
marina zany sonwin sy miantra a!, fa tsy manaiky lembenana koa anefa satria lasa tsy fanetretana indray le izy am zay fa lasa faharesena,tsy le faharesena am tsara fa lasa maty tsindry indray
19. sonwin ( 04/05/2006 08:30)
ie :D
20. Fiffi ( 04/05/2006 08:35)
Ny fanetren-tena amiko aloha dia ilay tsy fisehosehoana hoe raha tsy zah tsy..., izany hoe tsy tia sehoseho ary tsy mieboebo amin'ny zavatra vita na kasaina atao fa dia kalamina fotsiny eny.
mitovy hevitra amianao aho aloha ny @ io ! satria raha hanao soa tokoa , inona no antony hisehosehoana ? lasa ho fihatsarambelatsia indray iny.
Fa mbola hampiko koa hoe mazoto manao na mitonon-tena tsy nantsohina ary mahavita zava-tsoa tokoa ka tsy mitady valiny satria Andriamanitra hiany no hamaly ny soa izay nataonao. "Ce que vous avez fait au plus petit d'entre les miens, c'est à Moi que vous l'avez fait." »
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0902