Fanetrentena.

21. pissoa ( 04/05/2006 09:06)
Ny fahazahoako ny manetry dia hoe manakely na mandavo, ary resaka voninahitra no matetika hitenanana azy. Izany hoe ny manetry tena dia manaiky hoe kely.

Ny olona tsy misehoseho, tsy mirehareha be amin'ny zava-bitany, sns dia olona normaly fotsiny fa tsy hoe manetri-tena izany. :roll: Mitaky betsaka kokoa noho izay ny fanetre-tena. :roll:
22. Fiffi ( 04/05/2006 09:17)
Ny olona tsy misehoseho, tsy mirehareha be amin'ny zava-bitany, sns dia olona normaly fotsiny fa tsy hoe manetri-tena izany.
pissoa: olona normaly fotsiny ahoana akia zany ?
23. ndrena ( 04/05/2006 09:55)
Anatin'ny dinika fivavahana syfinoana moa izy ity an:ka raha ny baiboly no jerena
24. ndrena ( 04/05/2006 09:58)
azafady fa lasa tsy nahy ilay valiny,tohizako an:raha ny baiboly oa no jerena dia ny fanetren-tena dia ny fanarahana sy fankatoavana ny tenin'A/tra rehetra,zany hoe nainona nainona ataonao nefa tsy manaraka ny didin'A/tra dia efa tsy izy izay
25. Fiffi ( 04/05/2006 09:59)
Anatin'ny dinika fivavahana syfinoana moa izy ity an:ka raha ny baiboly no jerena
de raha mba nijery ianao dia mba omeo ny hevitrao an! :)
26. ndrena ( 04/05/2006 10:41)
Efa io ambony io ka:D
27. Fiffi ( 04/05/2006 10:46)
Fanetrentena :
Miezaha hatrany ho môdely eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana misy antsika, ho môdely amin’ny fiainana maha kristianina, hiaina sy handinika bebe kokoa ary hizara ny tenin’Andriamanitra, hahafoy tena ho an’ny hafa amin’ny fo madio tsy mila tambiny, hanampy ny namana izay tra-pahoriana sy mijaly araka izay tratra, hijoro tsy amin-tahotra fa kristianina vavolombelon’i Kristy.

Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy ao amintsika ny Toe-panahy fototra: fandavan-tena, ny halemem-panahy, famindram-po, ny fanetren-tena… ahafahan-tsika hiasa an-tsitrapo sy ankalalahana. Ary ny vavaka ihany koa, dia manampy antsika betsaka hiaina marina izany finoantsika izany, vavaka izay anovozana hery sy hanampy ahazoana ny toe-panahy fototra.
28. Herimiafina ( 04/05/2006 12:14)
Nony rava ny bloc communiste dia niha-nahantra ny akamaroan'ireo tany satellite tany antsinanan'i Europa iny. Nandositra nitsoaka nakaty andrefana avokoa nitady asa. Nisy tamin'izy ireny nanakarena fatratra, Taranak'Andriana (DUCHESSE) tao an-tanana.

Tratran'ny persecution dia niondrana niala ny tanàna ka niankandrefana. Tsy nety nahita asa satria noambanian'ny fiaraha-monina tandrefana izay société roturière bourgeoise.

Nisy ihany ny asa fa femme de menage. Tsy nety nanao izany ity duchesse ity satria tsy mbola nandray ravindena izy hatrizay.

Nandeha teny ny fotoana dia noana tanteraka lasa matory andalana, sns, sahirana no hitan'ity Mopera iray teo an-tanàna, nantsoiny ary nomeny sakafo.

Gaga anefa ity Mopera fa nandà mafy ilay tovovavy teo anatrehan'izay na dia hita ho noana sahirana aza. Ary tsy vitan'izay fa mbola nanao vava ihany sady nanambony tena be no nandainga hoe "ny taranaky ny Duc de xxx tsy mivelona amin'ny charité izany".

Narary anefa io tovovavy io taorian'izay ka dia i Mopera ihany no nintsimpona azy teny andàlana ary nitondra azy tany amin'ny communauté ny masera teo antanana ary nikarakara azy.

Izay ilay ohatra voalohany, asa raha mazava aminareo ny tiana ambara, raha mazava dia alefako indray ny oahtra faharoa. :roll:
29. cutie ( 04/05/2006 12:29)
mivoana be zany resaka zany :roll:
30. sonwin ( 04/05/2006 13:33)
HM > tsy hoe tsy fahaizana manetry ny tena ny fandraisako ilay ohatra fa io amiko no atao hoe "ambo diso toerana"
31. cutie ( 04/05/2006 13:35)
hummmm :-D:-D:-D:-D
32. marozevo ( 04/05/2006 14:01)
Zany hoe ny fanetren-tena anie izany dia ny mifanohitra amin'ny hambo diso toerana eh.. Raha io ohatra voalohany io no jerena. Alefaso indray ny ohatra faharoa. Ohatra tena nisy ve anefa aloha...
33. Herimiafina ( 04/05/2006 14:19)
Amiko manokana ny fanetrentena dia fahaizana mamantatra ny tena aloha voalohany indrindra. Inona no tsy zakan,ny tena ary inona no zakany.
Zava-dehibe izany amin,ny maha-Tempolin'Andriamanitra ny tenantsika.

Raha miasa amin'ny orin'asa iray ianao ka sekretera ny asanao ao nefa ianao any ambadika any miteny hoe Direktera no asanao ao, dia efa anisan'ny tsy gfhaizana mipetraka amin,ny toerana maha-ianao anao io izao ary tsy fahaizana manetry tena.

Toy izany koa, mahatra ianao, naona, nefa ianao tsy manambara ny marina, tsy miaiky izay toejavatra izay, izay manjo ny tenanao dia tsy hisy hanampy anao eo. (raha tsy mandondona ianao tsy hisy hamoha anao eo).

Ny fahazahoako ny fanetrentena mantsy dia tsy "fanambanianatena" velively fa "fahaizana mipetraka amin'ny toerana misy ny tena".

Avy aiza anefa izay tsy fahaizana manetry tena izay, avy amin'ny fiaraha-monina ihany izay manenjika ny faibles. Io fiaraha-monina manisy principes sy hierrarchie io amiko no ataon'ny Soratra Masina hoe "Izao tontolo izao", izay tsy ratsy mihintsy fa manakona antsika fotsiny amin'ny fiadanana. izany hoe miankina amin'ny fandraisan'ny tsirairay azy na hataony andriamanitra ny principes-ny na tsia.
34. cutie ( 04/05/2006 14:20)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 04-05-2006 19:19:07
Lohateny : Re : Fanetrentena.
Amiko manokana ny fanetrentena dia fahaizana mamantatra ny tena aloha voalohany indrindra. Inona no tsy zakan,ny tena ary inona no zakany.

tena saika io no lazaiko :P
35. Herimiafina ( 04/05/2006 14:24)
Mahamenatra ny olombelona anie ny manmbara ny marina momba ny zavatra manjo azy sy ny ao ampony fa mi-jouer comedie daholo hoe tout vas bien satria matahotra ny fosafosa sy ny tsikera ary ny hasonmparana hita amin'ny fiaraha-monina ankehitriny.

Maro no mandainga taona ohatra satria misy fanavahana ny antitra eo antanana.

Maro ny mandainga ny amin'ny fihaviany satria ataohrany sao de misy racisme ao antanana.

Inona no maha-ianao anao? hatraiza ny limite-nao? hatraiza no zakanao?

36. cutie ( 04/05/2006 14:27)
tsy efa vita ve zay ee mbola asina morale koa:-D:-D:-D
37. Herimiafina ( 04/05/2006 14:32)
Manao masque ny olombelona mba hahazoany place ao anatin,ny fiaraha-monina izay manana ny rafitra ijoroany.

Ao Paris ohatra dia tsy hananan'ny olona hasiny ianao raha tsy manao akanjo de marque, tsy manana portable. Ny jeans hanaovana tsy maintsy LEWIS, ny kiraro PHAT-PHARM na AIR FORCE; hany ka voasarika handainga ireo tanora sasany, handainga mba ho accepter-n'ny namany any ampianarana. SOCIALISATION VERS LE BAS.

Misy mitady toerana ambony mba hahafahana manana anjara fanajana eo anivon'ny fiaraha-monina, manao miaramila na polisy mba hananana securité bebe kokoa. Mitady vola mba ho lasa deba de lelafin,ny omby mahia. Izy daholo izany rehetra izany. Ary tsy misy maharatsy izany.

Kanefa tsy misy tsara toy ny olona tena niaiky marina ny tena toerana misy azy ary niakatra moramora ka tafapetraka teo anivon,io Fiaraha-monina io soa amantsara ihany sans ruse ou supercherie ou comédie.

On joue la comédie pour survivre. Mais est-ce la vraie vie?
38. marozevo ( 04/05/2006 15:38)
Ao Paris ohatra.... Marina fa tanàna manana ny maha izy azy i Paris, nefa tsy izay fiaina ao Paris akory dia referensy hiainan'ny olona rehetra.

Izaho tsy mponin'i Paris, nefa mba efa nandalo matetika tao ihany. Miala tsiny amin'i Fiffi sy izay monina ao Paris, fa tsy ianareo no ho lazaiko amin'ity manaraka ity :

Maro ny malagasy hitako tany amin'ny tanàna maro taty Eoropa, fa ny Malagasy ao Paris tena tsy voako marina eh... Tsy ny rehetra anefa akory anh...

Ireny leity misy GVT ah !.. Mandosira fa angatahan'ireny eo ialahy !
39. Herimiafina ( 04/05/2006 16:19)
Iny indray leisy fombany iny an!
Le paris io exemple fotsiny io fa tsy izay no ao paris kah, tsy reference mihintsy.
40. cutie ( 04/05/2006 16:23)
fa tsy olona tsirairay ve no resahina eto e.:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0503