Jésus est-il marié?

81. dadabe ( 15/05/2006 09:10)
diamondra tandremo fa tsy ny rehetra a, misy fepetra takin'Andrimanitra ka raha tsy mahatanteraka io ny zanak'olombelona dia tsy ho possibl aminy ny hiditra @ fanjakan'ny lanitra
82. diamondra27 ( 15/05/2006 20:17)
marina izany ka!
83. marozevo ( 16/05/2006 21:08)
Nefa koa ry dadabe, tsarovy fa ao amin'Andriamanitra dia ny fitiavana sy ny famindram-po no alohan'ny fanamelohana.

Hoy i (Md) paoly : "Là où le péché abonde, la grace surabonde = Ao amin'izay mahabetsaka ny fahotana, dia misavovona ny famindram-pon'Andriamanitra = Be ny fahotana, be lavitra anefa ny famindram-pon'Andrianmanitra ao amin'i Jesoa Kristy".
84. diamondra27 ( 17/05/2006 15:49)
...
85. diamondra27 ( 18/05/2006 06:05)
efa nambaran'ny baiboly fa any aoriana any de hisy mpaminany sandoka .... koa ianareo ze efa nijoro dia mitandrema....

hita izany eto @ity écrivain ity
86. marozevo ( 18/05/2006 22:01)
Efa hatramin'ny fanombohan'ny fiainany no notadiavina ho foanana ny fivavahana amin'ny an-kapobeny sy ny Christianisme indrindra indrindra. Maro no fitaovana nampifandimbiasina hanatanterahana izany hevi-dratsy izany fa tsy nisy ny nahomby. Io indray fa tonga ny fitaovana vaovao entin'ity écrivain ity. Ho hitantsika eo na hahomby na tsia.
87. diamondra27 ( 19/05/2006 09:03)
ka marie madeleine ve 'zany tena niaraka tamin'i Jesosy sa ahoana e!de le sarah ve tena zanany?
88. Achia ( 20/05/2006 06:20)
io nge de tsotra e ny devoly de mitady ny ol ze azony ampiasaina foana koa anjaranao ihany io na hino izay nosoratan'ilay mpanoratra na tsia fa le mpanoratra lo eto de tena nampiasain'ny devoly ary mety avy @ le sarisary reny zao no nivoahan'ny aingampanahiny de nilazaizy fa i Jesosy de niaraka t@ Maria M nefa ra vakiana ny baiboly ka azo tsara ny lazainy de toa sarotra ihany no hino ze lazain'ingahy mpanoratra
89. marozevo ( 21/05/2006 08:50)
Ao ange misy "jerena eto" efa mamaly ny fanontaniana hoe "niaraka (nisipa) ve i Jesoa sy i Marie Madeleine eh. mandehana henoy kely ao ambony ao.
fa raha atao amin'ny teny tsotra sady fohy dia izao.
Tsy marina izany.
90. Achia ( 23/05/2006 08:26)
ny ol nga te ahalala zany ry zevo a ny ol mitady porofo foana ka anjarantsika mino no manambara azy mino izy tsara tsy minoizy anjarany sy Andriamanitra no sisa
91. prime ( 23/05/2006 12:58)
Raha ny baiboly no jerena dia Jesosy Kristy (tandremo fa maro ny Jesosy voalaza ao amin'ny baiboly an!) no mpampakatra ary ny olom-boavonjy (fofom-bady) no ampiakarina any an-danitra amin'ny andro farany. (fanoharana mikasika ny virjiny 10)
Raha Jesosy aloha dia tsy nanam-bady raha ny ara-nofo no andraisana ny fanambadiana ka jerena ao anatin'ny soratra masina. Fa raha ara-panahy dia manam-bady jesosy.
Hazavaiko : "...fa tahaka an'i Kristy no lohan'ny Fiangonana, ny lahy no lohan'ny vavy...". Izany hoe tena raisina mihitsy ho endriky ny fanambadiana ny fifandraisan'i Kristy sy ny Fiangonana. Ary izay no mahazava-masina ny fanambadiana ara-nofo satria tandindon'ny fiainana miaraka amin'Andriamanitra, ny fiainan'ny Fiangonana.
Hatreo aloha.
92. Achia ( 24/05/2006 05:56)
ka @ zao nge zany mbola sipany fotsiny aloha ny fiangonana e @ le andro farany vao hita hoe ito no tena vadiny , nefa iray ihany a ka jero ihany zany fa sao de hmmm misy milaza koa mantsy ao @ resaka vhv dia ilay vhv janga lehibe sy ilay vhv ho vadin'i Kristy ka sao tafaraka @ le vhv janga ka ho very eo :x
93. prime ( 24/05/2006 11:28)
Tsy sipany kah! Achia ko'oo!!!:-D:-D:-D:-D
Efa vadiny mihitsy ny Fiangonana. Fa ety an-tany io mbola tsy miaina feno ilay fiainana mandrakizay nampanantenainy raha tsy efa midina Izy aloha. Dia vao izay alainy miaraka aminy any an-danitra.
Ilay vehivavy janga aloha tena misy mihitsy, fa fanoharana daholo izany entin'Andriamanitra milaza ireo Fiangonana mijangajanga amin'Andriamanitra, miantso Azy ho Andriamanitra nefa mbola manana sampy maro ampirafesany an'Andriamanitra.
Angamba ny hoe inona ny atao hoe Fiangonana na hoe iza no Fiangonana no mahavaly ny tian'i Achia tenenina fa ny olona mpivavaka, mpino an'i Jesosy Kristy rehetra amiko no atao hoe Fiangonana. Ka hoe iray hoy Achia dia iray ny Fiangonana fa ny olona mpino dia maro.
94. Achia ( 24/05/2006 12:11)
ye marina zany ka t@ andron'ny zank'Israely de efa nisy ny fiangonana ka hatramin'izao zany hoe ireo vhk mitonona ho Kristiana zany
95. Achia ( 24/05/2006 12:13)
na koa ireo vahoakan'Andriamanitra
96. prime ( 24/05/2006 12:42)
=D=D=D^:^^:^^:^
97. marozevo ( 24/05/2006 14:57)
Tsy valy boribory mihitsy ange ry Achia no lazaiko ao ambony ao eh... Ny tiako holazaina fotsiny dia efa misy porofo ao, fa isika (na ilay olona manontany) no tsy mbola nijery na tsy nihaino ilay porofo ao amin'ilay "jerena ao".
98. Achia ( 24/05/2006 17:34)
fa inona moa le porofo lazainy ao e mba lazao kely 2 fotsiny fa efa tsy arako tsony e
99. marozevo ( 25/05/2006 07:21)
Ka aleo aloha ary hihaino indray mandeha aho eh... Nefa inona moa ny olana tsy handehananao ao amin'ilay jereo eto ao ambony ao.
100. Achia ( 25/05/2006 13:25)
tairo moa fa zay ndray Marozevo fa tsy hanampy ny namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0484