Jésus est-il marié?

101. diamondra27 ( 26/05/2006 06:11)
hoy ny ao amin'ny baiboly
izay voasoratra dia voasoratra
Ity boky ity dia tsy tokony misy hanampiana no tsy tokony hanesorana. tsy tena io le phrase fa tsy tadidiko ny misy azy

donc tsy hita ao @ baiboly hoe: nanambady Jesosy sy niteraka na nanao sipa na nifanoroka , donc hoa ahy Kristiana dia tsy asiako resaka iny fa mba nanaraka sy nijery ihany kosa aloha no nataoko e!
102. prime ( 26/05/2006 11:45)
Ilay ao ambony ao lazain\'i marozevo io anie, hevitr\'olona mpandinika ao amin\'ilay hoe : \"Da Vinci Code\", avy amin\'ny fiangonana : \"Eglise Reformée de l\'Etoile\" izay sekta anisan\'ny miasa mafy mihitsy ankehitriny handravàna ny théorie sy ny doctrine rehetra manambara ny maha-Andriamanitra an\'i Kristy, ka tokony handraisana Azy amin\'ny maha olombelona fotsiny. Izany no nentina nohamafisina tamina boky. Raha ny fantatro hatreto aloha, ny apocryphe dia tsy misy an\'izany soratra avy amin\'ny faminanian\'i Philippe ka nanoratany filazantsara hafa izany sady nomarihiny koa izany. Tsy voasoritra koa moa hoe Philippe ilay mpianatry ny Tompo tokoa io na hafa.
Fa na ahoana na ahoana fanambaràny, hevitra samy manana ny azy, finoana samy manana ny iorenany fa izaho dia miombon-kevitra @ diamondra27:
\"Jesosy Kristy no inoako, Izy no Andriamanitro, Izy no arahiko...\"
103. Achia ( 26/05/2006 18:33)
Hanampiako kely azy jereo nge t@ Jesosy nalain'ny devoly fanahy e talohan'Izy hanomboka ny asa nanirahana azy e de ho azo heverina ve fa nahavita nanana sipa izy ra ny fandinihana io voalaza io e
104. marozevo ( 26/05/2006 21:13)
prime > Tena tsy izany ilay "nojereko tao" kooo... fampianaran'ny Fiangonana Katolika no hitako tao. Mampianatra ny olona hoe inona sy ahoana no tokony ho toe-tsaina hoenti-miaytrika ny codice da Vinci. Hitako tao fa manamafy ny papa sy ny mpiara-miasa aminy rehetra, fa adidintsika no mijery io film io sy mamaky ny boky, mba hahafahana mamantatra ny toe-tsaina manentana ireo milaza fa tsy Andriamanitra i Kristy. Amafisiny kosa anefa fa mila finoana mafy, mifototra amin'ny Baiboly sy ny fampianaran'ny Fiangonana, ny fahafahana miatrika ny Codice da Vinci.

Diamondra > Ilay hoe "izay voasoratra dia voasoratra", dia ilay ecriteau teo amin'ny Lakroan'i Jesoa nosoratan'i Pilaty---
fa ao amin'i Joany misy mitovitovy amin'izao "Maro koa ny zavatra nataon'i Jesoa no tsy voasoratra ato, fa ireo no voasoratra dia ny mba hinoanareo, sy mba hanananareo ny fiainana".
105. diamondra27 ( 28/05/2006 11:07)
marozevo: miala tsiny fa tsy manana baoboly katolika

106. marozevo ( 30/05/2006 12:05)
diamondra27 > Na baiboly protestante koa aza misy an'io ka ! Ny Coran angamba no tsy misy an'io.

Ity misy azo dinihina, miala tsiny fa amin'ny teny italiana. www.vocecattolica.it
107. marozevo ( 30/05/2006 12:08)
www.lavocecattolica.it

Ity angamba no izy fa diso ilay eo ambony.
108. prime ( 31/05/2006 03:45)
Izaho izany no diso famaky angamba e!
ny nanamarika ahy mantsy dia ny mpanoratra tery ambany indrindra, ny ahy 'réflexe' nandeha ho azy rehefa mamaky boky, vao namaky ny votoatiny.
Fa toa Eglise Réformée de l'Etoile no nanao sonia, mba omeo fanazavàna kokoa hoe ry marozevo!!!?:lol:
109. diamondra27 ( 01/06/2006 06:50)
fa naninona ry zareo no interdit ny évangile de thomas a!
110. prime ( 01/06/2006 09:47)
diamondra27> Dia tsy ananako fahalalàna ny mikasika an'izay... I marozevo angamba na i Fiffi mba afaka mitondra anay eo amin'ny jiro?8)
111. diamondra27 ( 01/06/2006 10:52)
prime: tsy maninona e! miandry izay afaka hanazava
rehefa tsy misy dia akory atao
112. prime ( 01/06/2006 12:44)
diamondra27> :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0477