Fiarahana sy tsiambaratelo

1. bandykell ( 19/04/2006 22:49)
Araka ny hevitrareo sy ny trakefanareo :o ny fiarahana ve mety ho matotra sy haharitra na dia samy mitana tsiamabaratelon'ny lasany aza ilay olona roa? ilay tsiamabaratelo io mikasika zavatra iray fotsiny de mahatonga mifandainga ra vao tafaresaka momba ilay lohahevitra. Akoatran'ny lohahevitra momba io tsiambaratelo io anefa de madio mangarahara ny fiarahana. Mety hiteraka olana ve io any aoriana refa raikitra ny ampamoaka?
ho anay kely ranon'orana teto an-tany manko tafitohina refa mandeha lena foana fa mandia tany :?:?:?:?:? ka de mitandrintandrina8)8)8)
novalian'i sasa ny 06/05/2006 03:58
2. Herimiafina ( 19/04/2006 23:47)
Ny olombelona dia manao vandan'ivoho avokoa. Diplaomatia izany, afenina izay rehetra atahorana hi-compromettre ilay fiarahana.

Raha izaho manokana dia tsy hitako izay hatahorana miteny izay passé na lasa-nao tany raha misy zavatra manenjika ny heritreritrao ka atahoranao ho raisin'ilay namanao ho ratsy.

Iny olona iny anie tsy gadra akory na fanana antrano ka fitahana tsy itenenana ny marina rehetra sao dai lasa miporitsaka e!

"Aleo vandan'imaso toy ziay vandan'ivoho".

Marina fa diplaomasia ilay tsy fitenenana, fa amiko mitovy amin,ny fiatsarambelatsiny sy fitaka ary fisolokiana ihany, toy ny mpisoloky mandambolambo amin,ny toky fitaka, hehehehe:-D:-D

Teneniko de refa tsy reveny amin'iny zah de tsy reveny kou, mahazzo mandeha izy, zarako koa aza libre de afaka manadala izay reveko any amin,ny olombelona 6 miliara ambiny, hehehehe:-D
3. bandykell ( 20/04/2006 02:20)
Milay le fisainana'la ry herimiafina ny tena giravy manko de njainjay refa hajaina ny olona vao may manararoatra miaratsaravelatsihy, araka le tenin'la
hoe diplomatia mba hidominena ny iray8)8)8)...refa avoaka noho ny hatezerana anefa le demony :evil::evil::evil:kely miafina ao anaty de lasa mampalahelo kely ny anao lahy :cry::cry::cry:
4. soanja ( 20/04/2006 03:11)
Tsy arako loatra raha resaka fiarahana kisipasipa izay mino aho fa izay no resahina eto amin'izao fa ny fanambadiana dia cartes sur table foana no mety mampandeha azy. Matoa izy tia anao dia tia anao na momba ny lasa ary vonona ny handray ny ho avy. tadidio fa fifanampiana ny fiainana ary tsy misy tonga lafatra. good luck.
5. diamondra27 ( 20/04/2006 05:03)
misy olona mi-accepter ny passé-nao ary misy tsy manaiky. Miankina @ tsirairay io. Ianao ihany no mahalala azy na tokony ho teneninao le olona na tsia.

Raha sendra efa namono olona ve enao de tonga de teneninao le vadinao oe: 'za nge ka efa namono olona taloha, tonga de mety hitsaoka direct izy, fa raha ohatra koasa ka efa miaraka elaela ianareo, jerenao fa mihalalina ny fitiavana ary hiroso @ fanambadiana dia @iny izy no tsara resahina satria eo no hitako fa moment tsara ilazàna izany satria raha tena tia de choquer eo ampihainoana io vaovao io fa après reflexion refa tony izy de mety hanaiky hanambady anao. Dia tsy ato sec be koa le resaka fa mba asiana introduction kely mba tsy haha-choquer ++ an'ilay partenaire.

Ohatra iray ihany io omeko io fa misy hafa ihany koa possible...
6. mamzelkely ( 20/04/2006 05:06)
amiko manokana aloh ts tokony misy afenina am olo-tinao zany zay fiainanao taloh ee marina we misy ts mahatanty fa refa hoe taloh de taloh fa kosa mba ataovy fatatr le présent le passé fa manjary sady mavesatra ao aminao no manjary mampadainga anao 8)
7. kala ( 20/04/2006 05:10)
HM > =D=D=D=D=D=D zany mihitsy ê!

zà aloha vhv fa tena tsy hitako zay tombotsoa anafenana ny fiainana lasa zany.:D:D

asa fa samy nanana ny fomba fiainany tany @ RAD tany fa ny anay raha manao zvt zany dia ampahafantarina an'i dada & neny, na fantatra izao fa fahotana mahafaty aza no natao. Amin'izay fotoana izay ry zareo dia au courant zay tohiny sns...dia izay no nentina hatramin'izao antitra izao :wink: na fiainana andavanandro, na ara-piarahamonina, na ara-pitiavana
(ialako tsiny raha nivaona kely teto)

amiko manokana aloha dia tsy pb amiko ny fahafantaran'ny olon-tiako ny fiainako lasa ê!
te-handeha izy : mahazo mandeha sady tsy misy lakôly mitazona rahateo 8), te-hijanona izy : :*:-*
"l'avenir, c'est du passé en préparation":-$:-$

fa nisy inon koa anefa ny fianana lasa no atahorana ho fantatry ny olon'tiana @'izao fotoana izao:roll::roll:
8. diamondra27 ( 20/04/2006 05:14)
kala: ny ahy akia tsy lazaiko ny passé-ko a! sekire
9. pissoa ( 20/04/2006 05:35)
Ny ahy teneniko ... Fa saingy tsy hovoalazako azy androany daholo ny lasako rehetra. 22 taona ngarangidina ve hovoatantara ao anatin'ilay fotoana fohy fihaonana? :-D:-D:-D
10. Fiffi ( 20/04/2006 05:41)
raha ny hevitro manokana aloha hoe mikasika ny filazana na tsia @ olontiana ny fiainana lasa dia izao:
-samy manana ny tsiabarateolony daholo ny olona tsirairay. Ao ny tsy afa-mihaina raha tsy manao carte sur table raha tsy izany dia miheritreritra fa hisy zavona foana ny fiainana avy eo. Ao koa ireo tsy hilaza na inona na inona.
-raha ohatra aloha ka mbola hoe miaraka , mifampy sipa fotsiny an! dia iza anefa no tsy nanana sipa taloha ? iza no tsy nanana sy nanao ny fiainany taloha ? fa io dia arakarakin'ny tsirairay hoe vao misipa ve dia andeha ho tantaraiko azy daholo ny fiainako taloha rehetra ? nefa kosa hita eo hiany hoe mifampisipa ka noho io no ahatonga hoe andeha lavitra ve ny fiharahana sa tsia ? Dia miankina ny fifankatiavana @ mampisipa aloha zany ny fiheritreretana hoe hilaza ny sekiré @ zay ve na tsia.
-Anjaran'ny tsirairay hiany zany no mahita ny fandehan'ny fitiavany ka hamohahany ny sekiré-ny
-Misy mahatsara azy koa anefa ny filazana ny sekiré mba hisian'ny fifankatosana mba ahatonga ny fiharahana ho lasa lavitra ka hiafara @ fanambadiana ohatra.
-Na izany na tsy izany dia ao koa ny miheritreritra hoe "ny lasa ho an'ny lasa fa ny ho avy no banjinina"
11. Fiffi ( 20/04/2006 05:44)
pissoa: raha ny fiainana nandritrin'ny 22 taona aloha dia tsy azo lazaina hoe sekiré kosa zany angamba an ! fa ny tsiambaratelo lazaina eto dia ... haindry izany kosa an!
12. kala ( 20/04/2006 05:55)
diam > zà hiraharaha na tsy lazaindry aza ê! :-* :-* :-* tiako be refa misy manohitra catégoriquement zay an! vhv misitery ve :roll::roll::roll:

fiffi > aiza kosa de hoe vao mifampisipa de zao an! de zao an! :twisted:
matoa lay olon-tianao intéressé amin'izany dia efa mba somary mihatia izy sa:?::°):°) diso fijery zà

fa ny fahafantarana an'izany aloha amiko tsy entina hampiova n'in n'in ê! efa lasa ny zavatra taloha :-$
kou refa tiako koa moa izy, inon no iraharahiako an'izany. mola ny fitiavako no ambony de iny no asandratra avo be hanakona ny lasa rehetra tany ê!:wink::wink::wink::wink:

ary misy sahy milaza ve fa vao mifampikôty de hanontany hoe "tantarao ahy ny lasanao":-D:-D:-D

13. diamondra27 ( 20/04/2006 06:25)
kala: ie, za akia mistery a! :wink:
14. kala ( 20/04/2006 07:17)
diam > ie miaraka amin'ilay diamondra 27 ve:-$:-D :-D
15. ari.malala ( 20/04/2006 07:25)
bandykell:

Araka ny hevitrareo sy ny trakefanareo :o ny fiarahana ve mety ho matotra sy haharitra na dia samy mitana tsiamabaratelon'ny lasany aza ilay olona roa?



Tsia. Tsy matotra sy tsy haharitra raha mifanafina izany ny olona miaraka. Ny tena basen'ny fitiavana dia ny fifampatokisana, noho izany dia tokony hazava eo imason'ny tsirairay ny fiainanareo sy izay ataonareo, na ny lasa io na ny ankehitriny. Manjary mihatsara velatsihy zany sady mandainga ihany koa. Dia ianao ve dia hilanja ny vesatr'iny zavatra afeninao iny foana isak'izay mifanena izao? na koa hotsakoin'ny nenina foana hoe tahak'izay notenenina...
16. Fiffi ( 20/04/2006 08:04)
inona anefa aloha no hihatombohan'ny fanambadiana ry kala ? tsy ny fisipasipana nga ? tsy ny rehetra io an! fa misipasipa aloha dia ho hita eo hiany ny fandehan-dravatra raha tena mifankatia na tsia , na hitohy na tsia . Nga akia tsy misipa aloha raha ohatra hoe hivady fa tonga dia mivady avy hatrany ?
17. VIRGINIE ( 20/04/2006 09:22)
Ny fitiavana amiko dia tsy kilalao,ka tsy tokony ho handrakandramana ,raha mbola celibataire ianao.dia tokony mila fantarina tsara ilay olona hiarahanao,ary izay tena tia anao no hiarahanao,noho izany raha mbola vao handiha io fitiavana io ianao dia tokony mba haka toro-hevitra @ namana mahatoky,na Ray na Reny ,tsy sanatria koa ho avoaka aminy daholo ny tsiambaratelonareo rehetra,fa toro-lalana no ilaina
Manarak'izany dia aza mba matimatin'ny endrika sy bika ivelany hananan'iny olona iny na harena mety hampihadana fa ireo zavatra roa lehibe ireo no fototra hiavian'ny olana rehetra .
18. Fiffi ( 20/04/2006 09:32)
io aloha dia arakarakin'ny tsirairay hiany hoe hamoaka ny sekiré-ny na tsia an! fa aleo mitandrina hiany .
19. Vahinala ( 20/04/2006 09:50)
Ekena fa tokony tsy hifanafina ny mpifankatia nefa kosa misy mahamarina ilay tenindry zareo voza ihany hoe " toute vérité n'est pas bonne à dire ", raha amiko dia tsy tiako ho fantatry ny olona miaraka amiko daholo kosa ny momba ahy rehetra fa mba misy ihany no mijanona ho ahy manokana. Raha za aloha e !
20. bandykell ( 20/04/2006 10:22)
VIRGINIE:

Ny fitiavana amiko dia tsy kilalao,ka tsy tokony ho handrakandramana ,raha mbola celibataire ianao.dia tokony mila fantarina tsara ilay olona hiarahanao,ary izay tena tia anao no hiarahanao,noho izany raha mbola vao handiha io fitiavana io ianao dia tokony mba haka toro-hevitra @ namana mahatoky,na Ray na Reny ,tsy sanatria koa ho avoaka aminy daholo ny tsiambaratelonareo rehetra,fa toro-lalana no ilaina
Manarak'izany dia aza mba matimatin'ny endrika sy bika ivelany hananan'iny olona iny na harena mety hampihadana fa ireo zavatra roa lehibe ireo no fototra hiavian'ny olana rehetra .

za kolou manaiky an'i virginie, hoe na sipasipa aza aza , ra tia de tsy kilalao ny fitiavana, tsy misy ratsy angamba hotran'le hoe ny manodidina anao miresaka momba ny partenaire nao ka zavatra tsy fantatrao nefa fantatry zalahy...8O8O8O8O tena hotrany hivadika demony kely ihany ny bandykell raizao no mitohy:twisted::twisted::twisted::twisted:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1747