RAMEAUX

41. Fiffi ( 14/04/2006 12:49)
Mifenty: zah aloha dia olona tsotra tahaka anao an! tahakan'ny olona rehetra izay mangetaheta lava ny fivavahana , mangetaheta , mitady , tsy mahay mihonina , marina aloha fa ho an'ny Kristianina rehetra angamba ny hoe tsy mahay mihonina fa ny ahy kosa dia isan'andro dia ahitako zava-baovao foana ny momba ny fivavahana sy ny finoana ka mangetaheta mafy an'io fivavahana io aho.
42. dadabe ( 16/04/2006 02:32)
Fiffi a! fa inona marina hoaa le paka e?

tsy mbola novalinao foana anie zah e :(


He! arahaba andro paska E! E! E! E! o^o
43. Fiffi ( 16/04/2006 04:34)
PASKA
TAFATSANGANA anio HALELOIA !
JESOA KRISTY Mpanadio HALELOIA !
Maty tamin'ny Lakroa HALELOIA !
Ho antsika meloka HALELOIA !
Izy ary no derao HALELOIA !
Izy Tompo no derao HALELOIA !

Miarahaba antsika rehetra tratrin'ny Paska.
44. dadabe ( 16/04/2006 15:07)
hummm fihirana faha 56 no ataovy ry Fiffi a

dia inona tamizay aloha le paska ry Fiffi a?

(de aiza le izy?):-$
45. Fiffi ( 16/04/2006 16:09)
dadabe : ireo mba jereo an! http://catholique-nanterre.cef.fr/faq/fetes_paques_fete.htm http://www.lexilogos.com/calendrier_paques.htm
46. marozevo ( 17/04/2006 23:31)
Izao le fanontaniana ry mifenty ah ! Ny sampankazo amin'ny taona iray ho'aho no dorana ho lavenona amin'ny Alarobian'ny lavenona manaraka. Azo ve aloha izay ?
Dia mipetraka ny fanontaniako hoe : Inona no mety ho fifandraisan'ny sampankazo, 2005 ohatra, sy ny Alarobian'ny lavenona 2006 ? Ady hevitra sokafana fotsiny ka...
47. Fiffi ( 18/04/2006 05:49)
marozevo: ny fifandraisan'ny sampakazo 2005 sy ny Alarobian'ny lavenona 2006 ? http://www.legrenierdebibiane.com/explorer/Calendrier/careme.htm fa mbola hanome ny version-ko zah :)
48. marozevo ( 18/04/2006 12:41)
Hitako ilay site natoron'i Fiffi, dia variana tao aho ka saiky adinoko no niverina eto. Misaotra fa tsara ilay izy eh.
49. Fiffi ( 19/04/2006 04:56)
marozevo: ny fanontanianao hoe " Inona no mety hifandraisan'ny Sampankazo sy ny lavenona manaraka? raha ny fanfatarako azy aloha dia izao:
50. marozevo ( 19/04/2006 09:36)
Izao ? Toa tsy misy tohiny !
51. Fiffi ( 19/04/2006 11:31)
marozevo: miala tsiny fa hay tsy lasa ialy izy satria nosoratako teto @ bureau ka nataoko copier-coller nefa hay tsy lasa fa nisy fahadisoana izany ka dia andraso indray ary aloha fa mbola haveriko hadika eto satria somary lava hiany ka raha tonga dia soratana avy hatrany eto dia sao manao fahadisoana aho ka dia haveriko eto zany rehefa avy eo rehefa vita indray ny fanoratako azy. :oops:
52. Fiffi ( 19/04/2006 12:16)
Inona no mety hifandraisan'ny Sampankazo sy ny lavenona manaraka? ny hifandraisany dia izao: ny sampankazo izay azo tamin'ny 2005 zao ohatra dia iny no hampiasaina , dorana ny Alarobia andro lavenona ho hatao lavenona ka ahositra @ tanana a atao anaty tanana ho fahatsiarovana ny nandohan'ny 40 andro .
marozevo: tena hialako tsiny fa tsy aiko mihintsy ny manazava azy @ teny gasy satria koa moa fiangonana frantsay foana no nihanarrako hatramin'izay ka somary sahirana kely hiany aho @ fandikana azy , eny na dia ny fiainako ao anatiny aza. http://cnpl.cef.fr/liturgies/mc.htm izany hoe isan-taona dia iny sampankazo iny hiany no hanaovana ny lavenona vaovao ka ny sampankazo izay azo tamin'ity taona ity zao dia hatao lavenona indray amin'ny herintaona 2007 hanombohana ny karemy. Dia hitohy hatrany hatrany io. Asa re raha mba mazava izany fanazavako izany ?:oops:
53. marozevo ( 19/04/2006 20:21)
Mazava ihany ilay lazainao ka...
Fa ny ahy ny fanazavana mba azoko entina dia izao : Ny taona manontolo (cyclique), dia feno ny hasin'Andriamanitra (Sampankazo = Hosana ho an'i Zanak'i Davida) sy feno ny endrim-pibebahana (Mibebaha ary minoa ny Vaovao Mahafaly).
Raha jerena koa manko ny cycle iray hafa, manomboka amin'ny avent (Alahady efatra alohan'ny Noely), sy ny fetin'i Kristy Mpanjaka, Alahady faha 34, dia mbola hita koa io : Avent = fibebahana. Ary ny Kristy Mpanjaka = Voninahitr'Andriamanitra.
54. Fiffi ( 20/04/2006 06:52)
Avent = fibebahana. zany ve ? fa nga tsy hoe ny "Avent" tsy ny fotoana fihandrasana ny fahatongavan'ny Tompo ?
Marina koa aloha fa misy andro izaynatokana ho an'ny fibebahana alohan'ny fahatongavan'ny Tompo fa tsy ireo alahady 4 ireo sa ......... ?
55. Mifenty ( 20/04/2006 07:18)

ny adventa na avent kosa lou de fiomanana amin'ny fahatongavan'ny mpamonjy e.

tsy fibebahana zany le iz kle


Fiffi tsy azonao le fanontaniako tary ambony fa tsy maninn na tsy voavaly aza, sy na tsy izy aza le valiny nomenao.

De aona ry bedada ah,


He arahaba
Andro paska e
Nandresen'i Kristy
Fahafatesana...


Prosesiona leroa fa ento ny lakroa rain Deka a hihihi
56. marozevo ( 20/04/2006 14:45)
Marina izany ka ! Fotoana hiandrasana ny hiavian'ny Mpamonjy ny avent, ary anisan'ny fomba fiomanana amin'izany fahatongavany izany ny fibebahana. Inona tokoa ary moa no tokony ho toe-po sy toe-panahy hiomanana amin'ny fahatongavany raha tsy ny fahavononana. Ary izay efa nibebaka no vonona.
Asa, mety ho samihafa kely ny fahazoantsika ny atao hoe fibebahana angamba.
Tena ireo alahady efatra mialoha ny Noely mihitsy no atao hoe avent.
57. Mifenty ( 21/04/2006 07:37)
ka le fiomanana no tsy mitovy eh.

Tsy voatery ho fibebahana kou. Sa aona ry maro?
58. marozevo ( 21/04/2006 20:50)
Ny ahy aloha dia ataoko vain-dohan-draharaha ny fibebahana amin'ny avent sy ny Karemy eh. Tokony ho isan'andro mihitsy aza anie raha vita eh... Ireo roa ireo no mba fotoana lehibe manko.
Fa marihiko kosa fa tsy hoe toe-panahy fibebahana irery no iainana amin'ny avent.
59. Mifenty ( 22/04/2006 08:35)
zay ndrindra

isan'andro aza no tena iz
60. dadabe ( 22/04/2006 09:17)
de ahoana kalou izany le volana sy andro hafa e, ohatra hoe :volana jona-jolay oktobra???

dia marina ve ny misy fiangonana mankalaza ny fetin'ny halloween ( 1er novambra )fa atao @ fomba hafa ??


mifenty > aiza tokoa izao rain-deka e??efa teraka hono i lery:-D

"..aoka isika handroso @ fiadananaaaaaaaa...."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088